Lukas in het Malagasy-Antanala dialect

Lukas in het Malagasy-Antanala dialect

Posted: 02-12-2020 - 12:18. || Modified: 13-11-2023 - 07:58

Ny Filazantsara Nosorotan’i Lioka

Amin’ny Fiteny Malagasy-Antanala, Distrikan’i Mananjary

Saint Luke by Frans Hals (1582 - 1666)



Translated by Menjanahary Marson.

Edited and corrected by Jurgen Hofmann (last correction 26-05-2023).

Photographs © 2017-2023 Maroamboka, Sandrohy Madagascar.

© 2019-2023 Maroamboka, Sandrohy Madagascar.

Email: contact@jurgenenkatja.nl

FaceBook: Vaovao Mahafaly Antanala/

First edition 2021

Second edition 2023 - Please send your corrections to the above mentioned email address.

Some footnotes and explanations in the word list and footnotes derived from:


La Société Biblique Malgasche, Ny Baiboly amin'ny teny Malagasy, Dikanteny 1965 Nasiam-panitsiana, Antananarivo Madagascar, Nouvelle Révision 2013.

Beaujardière, de La, J. M. (2001-2021), Malagasy Dictionary and Encyclopedia of Madagascar: Everything known about all Malagasy words, Available from <http://malagasyword.org/>, [Accessed: 2023].





TOKO 1   

1Satria maro no efa nanoratra nandahatra tantantarany amin’ny raha efa nitranga tamintsena. 2Araka ny efa nitanantsena natolotry ny vavolombelogna izay sady nahita maso no efa mpagnambara ny teny hatrambôloany, 3 die ekeko tegnany, laha nofotorako tsara ny raha aby izao hatramin’ny nanomboany, ny hanoratra an’izany aminao araka ny filaharany, eh! Teofilo tena tsara, 4 mba halalanao tsara fa tsara petraka ny teny izay nampenarina anao.

Ny nijakan’ny Anjely tamin’i Zakaria ny amin’ny haterahan’i Jaona Mpagnano batisa

5 Tamin’ny andron’i Herôda, mpanjakan’i Jodia*, nisy mpisorogna raika angihana hoe Zakaria, izan’ny atokon’i Abia, ny vadiny die taranak’i Arona, Elizabeta ny agnarany. 6 Izy mivady die samy olo marina tamason-Jagnahary aby sady nitondra tegna tsy nanantsigny araka ny didy amam-pitsipike maro namen-Jagnahary. 7 Tsy nanagn'anaka izy, sady tsy niteraka i Elizabeta, samby efa mavozo aby izy mivady. 8 Laha nagnano fisorogna-na tamin-Jagnahary i Zakaria araka ny fifandimbiasan’ny ekipany, 9 araky ny famboarina amin’ny fisorognana, die anjarany araka ny filokavana ny hiditra amin’ny tempolin'ny* Tompo ka hagnoro ditin-kazo magnitra. 10 Ny fokonolo marobe izay mpivavaka nitoboka tambelagny, nivavaka tamin'ny fotôna fagnoroana ny ditin-kazo magnitra. 11 Die nisy anjelin’ny Tompo niseho tamin’azy teo ankavanan’ny vato fisorognana. 12 Ka laha nahita an’azy i Zakaria, die taitra be ka nangitakitaka. 13 Fa nijaka tamin’azy ny anjely hoe: Aza mangoaigna anao Zakaria fa efa regny ny fangatahanao ka i Elizabeta vadinao die hiteraka zaza lelahy aminao, die i Jaona no ataonao agnarany. 14 Ka ho faly sady ho ravoravo anao, sady maro ny olo faly amin'ny fahaterahany. 15 Fa ho lebe amason'ny Tompo izy sady tsy hinogna divay na tôka fa ho fenoina ny Fagnahy Masina hatragny ankibon'ny endriny aza. 16 Ka maro amin'ny Zanak'Isiraely no ampodiny amin'NY TOMPO* Zagnahary. 17 Sady izy andeha alohany amin'ny herin'i Eliamba ampody ny fon'ny ray amin'ny zanaka, ndre ny tsy magneky ho amin'ny fahendren'ny marina, hagnamboatra firenena vôomagna ho an'ny Tompo. 18 Ka nijaka i Zakaria tamin'ny anjely: ka ino hafantarako an'izany? K'izaho aza efa mavozo, ka efa mavozo koa ny vadiko. 19 Ka namaly ny anjely nagnano hoe: Gabriela aho, izay mitsangagna agnivon'Jagnahary; ka nirahina hijaka aminao an'izany teny mahafaly izany. 20 Ka amin'izao, ho môgna anaoka tsy hahay hijaka mandra-pahatongavan'ny andro hisehoan'izany raha izany, ho valin'ny tsy ninoanao ny raha nijakaiko, fa ho tonga amin'ny fotônany. 21 Ny olo maro be die nandigny an'i Zakaria aby ka zendagna areo laha laitra tan-tempoly* tao ary. 22 Kaike laha nivôka izy, die tsy nahay nijaka tamin'dreo; ary die fantatr’olo, fa efa nahita tsindrimandry tam-tempoly* tao izy. Ka izy nagnano beko môgna tamin-dreo ka die mbola môgna mandy izy 23 Ka laha tapitra ny andro nagnanôvany fanompoam-pivavahana, die lasa nody tan-dragnony izy. 24 Tafaran'ny andro io die nitoboan'anaka Elizabeta vadiny, die tsy nahay nijaka dimy vologna izy ka nagnano hoe: 25 namboarin'ny Tompo tamin'aha izao tamin'ny andro nitsinjovany mba hahafa-kegnatra an'aha amin'olo.

Ny filazana ny amin'ny naterahan'i Jesosy

26 Tamin'ny fahenim-bolagna die nirain'Jagnahary ny anjely Gabriela ho agny an-tanàna raika angy Galilia atao hoe: Nazareta, 27 ho angy amin'ny virijina raike, sarim-badin'ny lelahy atao hoe Josefa, avy tamin'ny taranaky Davida; i Maria no agnaran'io virijina io. 28 Laha niditra tamin'azy tao ny anjely die nagnano hoe: finaritre, a zavavy nasoavina, ny Tompo aminao. 29 Tegna taitra marehy izy noho ny zakany ka nieritreritra ny tegna dikan'io fiarabahana io. 30 Ka hoy ilay anjely tamin'azy, eh! Maria, aza mangoaigna, fa efa nahita fitia tamin-Jagnahary ianao. 31 Hanagnanaka ianao ka hiteraka zaza lelahy, Jesosy na ataona agnarany. 32 Ho lehibe Izy ka ataonao hoe: Zanaky ny agny ambony; sady omen'NY TOMPO* Zagnahary anazy ny seza fiandrianan'i Davida iabany; 33 sady hanjaka amin'ny taranak'i Jakoba mandrakizay Izy; tsy hanam-pahataperana ny fanjakany. 34 Ka nijaka i Maria tamin'ny anjely: Akôry ahatanteraka anízany, fa izaho mbola tsy mahasahy lahy? 35 Namaly ny anjely nagnano hoe: Ny Fagnahy Masina ho tonga aminao, sady hisy herin'ny agny ambony hagnaloka anao; ka ny Masina izay haterakao die atao hoe: Zanak'i Jagnahary. 36 Fa i Elizabeta havanao aza die efa nipetraha-nanaka koa, na die efa antitra aza; ka efa mandramby enina izy izao, izay natao hoe: momba. 37 Fa tsy hisy tsy tranga ny raha zakain'Jagnahary marobe. 38 Die hoy i Maria: Ity aho mpiasa vavin'ny Tompo; enganie ho tonga aminaha araky ny zakainao. Die lasa ny anjely nadeha.

Ny namangian'i Maria an'i Elizabeta

39 Ary i Maria tamin'ny andron'io die lasa nandeha nalaky ho agny amin'ny tany be tendrombohitra, ho ao an-tanàna tokagna agny Joda; 40 niditra tandragnon'i Zakaria izy ka niarahaba an'i Elizabeta. 41 Laha regnin'i Elizabeta ny fiarahaban'i Maria, die nietsika ny zaza tan-kibony sady nofenoina Fagnahy Masina i Elizabeta, 42 die nagnano kokambo tamin'ny Maria izy hoe: Amin'ny viavy die voatahy ianao, ary voatahy koa ny ateraky ny kibonao! 43 Avy aza no ahatongavan'izao amin’aha, fa ny endrin'ny Tompoko no mba mamangy anaha koa? 44 Fa raha vao regnin'ny tadigniko ny feonao, die nietsiko ankaravoana ny zaza ato ankiboko. 45 Ary sambatra ianao izay nino fa efaina izay raha nijakainy Tompo taminao.

Ny hira fiderana nataon'i Maria

46 Ka hoy Maria: Ny foko mankalaza ny Tompo, 47 ny fagnahiko efa ravoravo tamin'ny Zagnahary, Mpagnavotra anaha. 48 Fa efa nijery ny fahambani-toetran'ny mpiasa vaviny Izy. Fa manomboka niany die ataon’ny taranaka marobe hoe sambatra aho. 49 Fa ny Mahery efa nagnano raha agnona be taminaha I Masina ny agnarany. 50 Ka ny famindram-pony die amin'ny izegny mataotra an'Azy. Hatragny amin'ny taranaka zafiafy zafi-paladia. 51 Nagnano asabe tamin'ny seza fanjakany ny lehibe ka nagnakatra ny ambany. 53 Ny mosary nivokisany tsara. Fa ny mpanan-draha nampengainy maigna. 54 Titahy an'i Israely mpiasany Izy, fa nahatadidy ny famin-drapony. 55 Araka ny zakainy tamin'ny razantsena tamin'i Abrahama mban’ny taranagny madrakizay. 56 Nipetraka tokony ho telo valagna tamin'i Elizabeta teo i Maria izay vao nody tagny an-dragnony.

Ny naterahan'i Jaona Mpagnano batisa

57 Tonga arika ny andro hahateraka an'i Elizabeta die niteraka zaza lilahy izy. 58 Ka ny havany mban’ny mpiara-monigna tami'azy laha naharegny fa nalebeazin'ny Tompo ny famindram-pony; die niara-nifaly tamin'azy areo. 59 Tonga hamora ny zaza izy tamin'ny andro fahavalo, ka seka naotony hoe Zakaria mitovy amin'ny agnaran'iabany ny agnarany. 60 Fa i endriny nagnano hoe: Tsy izany fa atao hoe Jaona izy. 61 fa hoy areo tamin'azy; Tsy misy na die raika akory aza amin'ny havanao managna agnarana an'izany. 62 Nagnano beko moagna tamin'iabany areo, ny amin'izay tokony ataony agnarany. 63 Nangataka fafagna izy ka nanoratra hoe: Jaona ny agnarany. Die zendagna aby izy marobe. 64 Ka nivoha niaraka tamin'izay ny vavany, ka afaka nijaka ny lelany; die nijaka izy ka nidera an'Jagnahary. 65 Die nangoaigna aby izegny mpiray vodirindrigna tamin'azy; sady niely tegny amin'ny vohitr'i Jodia* ny lazan'izany. 66 Ka izegny naregny an'io die nadatsaka an'izany tagn'aty fony ka nagnano hoe: Mba zaza hagnano akory loatra arô ity? Fa ny tagnan'ny Tompo niaro anazy.

Ny hira fiderana nataon'i Zakaria

67 Ka die feno ny Fagnahy Masina i Zakaria iabany ka naminagny hoe: 68 Isaorako ny Andriamanitry ny Israely; fa nitsinjo ny olony Izy ka nagnano fagnavotana ho an'azy. 69 Nanangagna tandro- pamonjena ho antsena amin'ny taranak'i Davida mpiasany Izy, 70 Araka ny nampijakany ny mpaminaniny masina hatramin'ny fagnandevozana, 71 die famonjena antsena amin'ny fahavalontsena sy amin'ny tagnan'izegny malaigna antsena. 72 Magnefa famindram-po amin'ny razantsena Izy sady mahatsiaro ny fanekeny masina. 73 Die ny fampagnatenana nampagnategnainy tamin'i Abrahama razantsena. 74 Ahafahantsena manompo an'Azy tsy ami-taotra, satria afaka amin'ny fahavalontsena asena. 75 Amin'ny fahamasinana amin'ny andro iaignatsena. 76 Fa anao koza, a zaza, die atao hoe mpaminagnin’ny agny ambony anao; fa elohan'ny Tompo anao hagnamboatra ny lalagn'ombany. 77 Hagnome ny olony ny fahalalam-pamonjena amin'ny famelana ny helokany, 78 nony fahalebeazan’ny famindram-pon-Jagnahary amin-tsena, izegny hiposahan'ny mazava avy amin'ny agny amin'ny avo antsena. 79 Hampamirapiratra amin'izay mipetraka amin'ny mizigna sady mipetraka ao amin'ny tandindognan'ny fahafatesana, hagnitsy ny diantsena ho amin'ny lalam-pedagnana.

Ny fahatanoran'i Jaona Mpagnano batisa

80 Die nitombo sady nihanatanjaka fagnahy ny zaza ka nipetraka tagny amin'ny tany maigna sady tsisy raha maniry mandram-pahatongavan'ny andro hisehoany amin'ny Israely.

TOKO 2   

Ny Naterahan'i Jesosy

1 Tamin'ny izany andro izany die nisy didy navôkan'i Aogosto Kaisara hampanoratra ny agnaran'ny fokonolo marobe amin'ny fanjakany. 2 Izany fanoratan'izany no vôlongany namboarina tamin'i Kyrenio mbola nanjaka tagny Syria. 3 Die samby niakatra an-tanànany aby areo marobe mba hosoratana. 4 Ka Josefa koa mba niakatra avy tagny Gallelia, die tonga tagny an-tananan'i Nazareta, ho agny Jodia*, tanànan'i Davida, angihana hoe Betlehema, satria avy tamin'ny taranak'i Davida mban’ny fianakavieny, 5 mba ho soratana izy amin'ny Maria sarim-badiny, izay efa betroka. 6 Ka raha mbola nitoboka tao izy,de avy ny andro nahaterahany. 7 Ka niteraka ny Vakirandrony izy, izany hoe; vôlohan-janagny die nihodidigniny lamban-jaza ka nampandreny tamin'ny firaofanomby ahitra; fa tsisy nivatagnany tan-dragnom-bahiny.

Ny nijakan’ny anjely iraike tamin'ny mpiarakandro ondry

8 Nisy mpiarakandro tamin'io tany io nitoboka tagny an-tsaha niambigna ny ondriny tamin'ny aligna. 9 Ka nisy anjelin'ny Tompo nitsangagna tagnilany teo, ka ny voninahitry ny Tompo nagnelagnelatra nagnodidigna an'azy, ka nangoaigna mafy izy. 10 Ka hoy ny anjely igny tamin'azy: Aza mangoaigna, fa agnambara raha tsara amin'nareo, aho die fifalena agnonabe izay ho an'olo maro be; 11 fa Mpagnavotra no teraka ho anareo niany ao an-tanànan'i Davida, die i Kristy Tompo. 12 Ka izao no famantaranareo an'azy; ahita zaza bitaka voadidigna lamban-jaza sady mandry eo am-piraofan'omby. 13 Ka nisy anjely maro be avy tagny an-dagnitra niseho tampoka niaraka tamin'i anjely raika teo ka nidera an'Jagnahary nagnano hoe: 14 Voninahitra ho an'Jagnahary agny ambony! Fedanana ety ambon’ny tany ho an'olo tieny.

Iregny mpiarakandro ondry tagny Betlehema

15 Ka tamin'izany, laha nenga teo ny anjely io ka niakatra an'dagnitra, die nikorana mpiarakandro io ka nagnano hoe: Andao asena andeha agny Betlehema mba hitranga an'izany raha izany, izay nampahafantarin'ny Tompo antsena. 16 Die nandeha nalaky areo ka nahita an'i Maria izy amin’i Josefa, miarak'amin'i zaza bitaka nadry teo ambonin’nyahitr'omby. 17 Ka laha avy nitranga tagny areo die nagnely an'ny raha nijakaina tamin'azy ny amin'izany zaza izany. 18 Ka izegny naregny an'izany die zendagna tamin'ny raha nijakain'ny mpiarakandro ondry tamin'azy. 19 Ka i Maria nitadidy an'izany raha nijakainy izany ka nandika tao am-pony. 20 Ka ny mpiarakandro ondry nipody nankalaza sady nidera an'i Zagnahary tamin'ny raha regniny sady nitany, araka ny nijakaina tamin'azy.

Naseho tao an-tempoly* i Jesosy

21 Laha afaka valoandro, ka hoforana ny zaza, die nataony hoe JESOSY ny agnarany, sady izany no nijakain'i anjely ndre mbola tsy tao ambohokan'ny endriny Izy. 22 Laha tapitra ny andro fagnadiovana an'azy, araka ny fitsipikin’i Mosesy, die nandesiny niakatra tagny Jerosalema izy mba hatolotra ho an'ny Tompo. 23 Araka ny vôsoratra ao amin'ny fitsipiky ny Tompo hoe: «Ny lelahy vôloan-teraka die atao hoe Masina ho an'NY TOMPO*» (Eks 13:2) 24 Sady mba hagnatitra sorogna araka ny vôsoratra ao amin'ny fitsipiky ny Tompo hoe: «Voromailala roy na voromamanga roy.» (Lev 12:8).

I Simeona izy amin’i Jesosy zaza

25 Nisy lehilahy angihana hoe: Simeona tao Jerosalema, ka olo-marina sady mpivavaka be io ranga’io ka mandigny ny fagnafahana an’ny Israely; ny Fagnahy Masina die tao agnatiny tao. 26 Efa nampagnategnain'ny Fagnahy Masina Izy fa tsy ho faty mihitsy izy mandra-pahitany an'i Kristin'ny Tompo. 27,28 Nandesin'ny Fagnahy Masina niditra teo ankianjan'ny tempoly * izy, ka nitrotroiny i Jesosy zaza laha nampidirin'ny ray amandreniny hagnano fomba araka ny fitsipiky ny zaza, ka nidera an'Agnahary izy nagnano hoe: 29 Tompo ô! Alay ho agny aminao amin'izay ny mpiasanao araka ny efa nampagnategnainao. 30 Fa ny masoko efa nahita ny fagnavotanao, 31 izay efa namboarinao teo agnivon'ny firenena marobe, 32 die fahazavana hagnazava ny firenena sady voninahirty ny Israely olonao.

Ny faminagnian'i Simeona

33 Die zendagna ny ray aman-dreniny tamin'ny raha nijakainy. 34 Ka i Simeona nitso-drano andreo ka nijaka tamin'i Maria, endrin ny Zaza, hoe: Ity Zaza ity no voafidy ho fandovàna sady ho fananganana ny maro ao amin'ny Israely sady koa famantarana ho lavina, 35 ka ny fagnahinao aza die ho troboana antsibe mba hahanary ny hevitra ny fo maro.

I Ana mpaminagnivavy

36 Nisy mpaminagnivavy tokagna, i Ana, zanakavavin'ny Fanoela, avy tagny amin'ny firenenan'i Asera, efa anti-pagnahy izy, sady efa nitoboka tamin'ny vadiny fito taogna tafaran'ny naha virijiny an'azy, 37 mpivantotra tokony ho efatra amby valopolo taogna; sady tsy mba nenga teo ankianjan'ny tempoly* izy, fa nanompo tamin'ny fifadiankanina aman-pivavahana andro aman'alina. 38 Ka laha niditra tamin'ny lera io izy, die nisoatra an'Agnahary ka nagnambara an'Azy tamin'ny izegny nandigny fagnavotana tao Jerosalema.

Ny niveregnan'i Jesosy tagny Nazareta niaraka tamin'fatanorany

39 Ka laha vitany aby ny raha marobe araka ny fitsipiky ny Tompo, die niverigna tagny Galilia izy, tao Nazareta tananany. 40 Ka ny Zaza die nitombo ka nihanatanjaka sady manan-pahendrena, ka ny fahatsaran’Agnahary tagnatiny tao.

Jesosy tan-tempoly * tamin'izy roa ambin'ny folo taogna

41 Nandeha agny Jerosalema isan-taogna ny ray aman-dreniny, laha tonga ny andro firavoravôna ny amin'ny Paska. 42 Niakatra areo, laha feno roa ambin'ny folo taogna i Jesosy, agnano ny fomba-fomba amni'ny andro firavoravôna. 43 Ka laha tapitra io andro io, ka nody izy, ka Jesosy mbola nizanogna tagny Jerosalema mandy, nefa tsy fantatry ny ray aman-dreniny izany; 44 noeveriny niara ka tamin'azy Izy, ka navita die tongotra andro raika areo vao niaragna an'Azy tagny amin'ny havany mban’ny olo-patany. 45 Ka laha tsy nahita an'Azy izy, die nipody tagny Jerosalema koa mba hiaragna an'Azy. 46 Afaka adiny telo, die hitany teo an-kianjan'ny tempoly* Izy, nitoboka tagnivon'ny mpampianatra ka niteno sady nagnotany an'azy. 47 Ka zendagna izegny naharegny an'Azy nohon'ny faha fantarany sy ny famaliany. 48 Zendagna izy raha nahita an'Azy, ka i endriny nijaka hoe: Nagnino anao zanako raha nagnano an'izao taminay? Ahay amin'ny abanao tegna sahiragna niaragna anao? 49 Izy namaly hoe: Nagnino raha miaragna anaha anareo? Tsy fantatrareo fa tsy mentsy ho eto an-dragnon'ny Abako aho? 50 Nefa tsy fanta-dreo ny raha tieny nijakaina. 51 Nagneky niara-nidigna tamin-dreo ho agny Nazareta Izy. Ka napirimin'ny endriny tagnaty fohy izany raha nozakainy izany. 52 Jesosy nitombo saigna, fitia tamin'Agnahary aman'olo.

TOKO 3   

I Jaona Mpagnano batisa, mpaminagnin-Jagnahary

1 Tamin'ny taona faha dimy ambin'ny folo nanjakan'i Tiberio Kaisara, tamin'ny mbola Pontio Pilato no governora tagny Jodia*, ka i Herôda no mpanapaka tagny Galilia, ka i Filipo zokilahiny no mpanapaka tagny Itoria sy tagny Trakonitisy, ka i Lisaniasy no mpanapaka tagny Abilena 2 die tonga tamin'i Jaona zanak'i Zakaria, tagny antendrombohitra ny feon'Angnahary. 3 Ka nandeha nitety tany tagny amoron'i Jordana izy nitory ny batisan'ny fibebahana mba hamelàna ny fadisôvana; araka ny vôsoratra amin'ny bokin'ny Isaia mpaminagny hoe: «Izany! Misy feo mangaika agny antendrombohitra hoe: Amboary ny lalagn'NY TOMPO *, ataovy mahitsy ny lalagn'ombany. 5 Totofy ny lohasaha enjagna be, ka ny tendrombohitra ny dongon-tany ambanìna aby, ny meloka hahitsy, ka ny lalagna lempo-depogna koa ataovy marigna tsara. 6 Ny nofo marobe hahita ny fagnavotan'Agnahary e!» (Isa 40:3-5).

Ny nijakan'i Jaona Mpagnano batisa

7 Die nijaka izy tamin'ny fokon'olo izegny nagnatogna an'azy mba hataony batisa: Anareo taranaka menaragna, iza no nagnatoro hevitra anareo mba hilefa ny faha vignirana ho avy? 8 Ka mamoaza voa magneva ny fibebahana; sady aza managna eritreritra hoe: Managna an'i Abrahama iabanay ahay; fa zakaiko aminareo fa hain-Jagnahary ny manangagna zanaka ho an'i Abrahama avy amin'ito vato ito. 9 Sady ny andrognana koa die efa mipetraka eo amin'ny vatan-kazo sahady; ka ny kakazo izegny tsy magnisy vôniny die firaina ka hatsipy agnaty afo.

Ny vokatry ny tegna fiovana

10 Nisy fokon'olo nagnotany an'i Jaona hoe: Ino arika ny ataonay e? 11 Ka nivaleny hoe: Na managna akanjo roy anao die omeo ny tsy managna ny raika, izegny managna rahanina die magnanaova ôtran'izany mandy koa. 12 Die tonga koa ny mpagnangona hetra sasagny mba hataony batisa ka nagnano hoe: E! Ramose, ino raha ataonay? 13 Ka hoy izy nagnontsy anazy; Aza mampandoa mihoatra izay ampandoavina. 14 Die nisy miaramila koa nagnotany hoe: Ka ino koa izany no mba ataonay? Die hoy izy nagnotsy an'azy koa hoe: Aza mirehareha amin'olo, sady aza monombo teny fa mahaiza mionogna amin'ny karamanareo.

Ny nijakan'i Jaona Mpagnano batisa ny amin'olo ho avy

15 Fa ny olo nandigny sady niady hevitra an'i Jaona fa hoe: Ka Izy Kristy sa tsy izy, 16 ka namaly i Jaona hagnano hoe: Izaho magnano batisa anareo amin'ny rano, fa ho avy ny mahery amboniko, ka tsy magneva na die hamaha tadin'ny kapany aby aza aho. Izy no hagnano batisa anareo amin'ny fagnahy Masina sy ny afo; 17 antagnany ny antova handiova ny tsara ny ao agnaty satragna na tanty, hanangonany ny vary ataony an- dragnambony; fa ny ofoka, ny mongo horôny agnaty afo tsy maty vonìna.

I Herôda izy amin'i Jaona Mpagnano batisa

18 Sady fagnanarana maro hafa koa no nitoriny tamin'olo. 19 Fa nanarin'i Jaona i Herôda mpajaka nohony amin'i Herodiasy vadin'ny rahalahiny sady ny amin'ny ratsy maro be nataony, 20 die naidiny tandragno mizigna na figadràna.

Ny nagnôvana batisa an'i Jesosy

21 Ka laha vita batisa aby ny fokon'olo maro be, ka i Jesosy mandy koa efa vita sady nivavaka, die nivoha ny lagnitra; 22 Ny Fagnahy Masina nizotso tamboniny teo nanagnendrika voromamanga na voromailala; ka nisy feo avy tagny an-dagnitra hagnano hoe: Hianao no Zanako tegna tieko, Hianao no an-kasitrahako.

Iregny razamben'i Jesosy

23 Tokony ho efa ho telo-polo taona Jesosy, vao nanomboka nagnano ny asany Izy, ka nataon'olo ho zanak'i Josefa, taranak'i Hely, 24 taranak'i Matata, taranak'i Levy, taranak'i Melky, taranak'i Janay, taranak'i Josefa, 25 taranak'i Matatia, taranak'i Amosa, taranak'i Nahoma, taranak'i Esly, taranak'i Nagay, 26 taranak'i Mata, taranak'i Matatia, taranak'i Semeina, taranak'i Joseka, taranak'i Joda, 27 taranak'i Joanana, taranak'i Resa, taranak'i Zerobabela, taranak'i Salatiela, taranak'i Nery, 28 taranak'i Melky, taranak'i Ady, taranak'i Kosama, taranak'i Elmadama, taranak'i Era, 29 taranak'i Jesosy, taranak'i Eliezera, taranak'i Jorima, taranak'i Matata, taranak'i Levy, 30 taranak'i Simeona, taranak'i Joda, taranak'i Josefa, taranak'i Jônàma, taranak'i Eliakima, 31 taranak'i Melea, taranak'i Mena, taranak'i Matata, taranak'i Natama, taranak'i Davida, 32 taranak'i Jese, taranak'i Jobeda, taranak'i Boaza, taranak'i Salmona, taranak'i Nahasona, taranak'i Aminadaba, 33 taranak'i Admina,0 taranak'i Arny, taranak'i Hezroma, taranak'i Fareza, taranak'i Joda, 34 taranak'i Jakoba, taranak'i Isaka, taranak'i Abrahama, taranak'i Tera, taranak'i Nahora, 35 taranak'i Seroga, taranak'i Reo, taranak'i Palega, taranak'i Ebera, taranak'i Sela, 36 taranak'i Kenama, taranak'i Arpaksada, taranak'i Sema, taranak'i Noa, taranak'i Lameka, 37 taranak'i Metosela, taranak'i Enoka, taranak'i Jareda, taranak'i Mahalalila, taranak'i Kenama, 38 taranak'i Enosy, taranak'i Seta, taranak'i Adama, zanak'Andrianagnahary.

TOKO 4   

Ny Nangalan'ny devoly fagnahy an'i Jesosy

1 Feno Fagnahy Masina Jesosy die nipody avy tagny Jordana, ka nandesin'ny Fagnahy tagny an-tendrombohitra I efo-polo andro Izy, 2 ka nalain'ny devoly* fagnahy. Tsy nihinan-kanina Izy tamin'ny andron'io, nosarena Izy laha tapitra izany. 3 Ka hoy ny devoly* tamin'Azy: bekoy hanjary mofo io vato io, raha tena Zanak'Zagnahary Ianao. 4 Die novalin'i Jesosy hoe: Vôsoratra hoe: «Tsy ny mofo mandy no hiveloman'ny olo» (Deo. 8:3). 5 Ka nandesin'ny devoly* niakatra Izy, die nasehony an'Azy indraka miandeha ny fanjaka marobe ambon’ny tany eto. 6 Die hoy ny devoly* nagnotsy an'Azy: Homeko Anao aby ny fanjakana maro be io miaraka amin'ny voninahitrany, fa efa an'aha io ka omeo an'olo izegny tieko omena an'azy; 7 ka laha miondrika II aminaha Anao, die omeko Anao aby io. 8 Fa hoy i Jesosy nagnontsy anazy: Vôsoratra hoe: «NY TOMPO * Andrianagnaharinao mandy no andongalifanao, ka izy raika mandy no tompoinao» (Deo 6:13; 10:20). 9 Ka nadesiny agny Jerosalema Izy, die nakariny tegny an-tampon'ny tempoly * ka hoy izy nagnontsy an’Azy: Laha Zanak'Andrianagnahary marina anao, mivarigna ambany agny; 10 fa vôsoratra hoe: «Izy handidy ny anjeliny ny aminao mba hiaro anao; 11 ka egny an-tagnany no hitondran-dreo Anao, sô die tafitohina amin'vato ny hongotrao» (Sal 91:11-12). 12 Jesosy namaly an'azy ka nagnano hoe: Vôlaza fa: «Aza mangala fagnahy NY TOMPO * Jagnaharinao» (Deo 6:16). 13 Ka laha tapitra izany fangalam-pagnahy nataon'ny die voly izany, die nenga izy aloha.

Ny nanombohan'i Jesosy ny asany tagny Galilia

14 Ka nipody agny Galilia i Jesosy tamin'ny herin'ny Fagnahy; die niparitaka magneran-tany mban'ny magnodidigna ny lazany. 15 Ka nampianatra tegny amin'ny syngogan'olo Izy, die nakalazain'izy marobe.

Ny nandavana an'i Jesosy tagny Nazareta

16 Die tonga tao Nazareta Izy, tamin'ny tany nalebe an'Azy die niditra am-synagoga* ôtran'ny fataony tamin'ny andro fivavahana Sabata*, ka nanagna anjara hamaky teny. 17 Die nomena an'Azy ny bokin'i Isaia mpaminagny, ka laha nivelariny ny boky, die hitany tao ny vôsoratra hoe: 18 «Agnatiko ato ny fagnahin’i TOMPO*, satria nirahiny Aho hitory ny teny tsara mahafaly anmin’ny mahantra. Nagniraka an’Aha hitory fahafahana amin’ny mpifatotra Izy, sady hampahiratra ny fehy, hagnavotra ny olo mijaly. 19 Hagnambara ny taona neken'NY TOMPO*» (Isa 61:1-2). 20 Ka laha nakatony ny boky ka napodiny tamin'ny mpagnano raharaha, die nitoboka Izy. Ka nandinika an'Azy ny mason'izegny tao amin'ny synagoga *. 21 Ka hoy Jesosy nagnontsy andreo: Tanteraka aminareo eto niany izany soratra izany. 22 Ka zendagna areo marobe sady nakalaza an'Azy nohon'ny raha nivorianiny feno fahasoavana ka hoy areo: Ha! Ka tsy zanak'i Josefa io igny io an! 23 Ka hoy Jesosy nagnontsy andreo: Ataonareo amin'Aha marina izao ny ohabolagna hoe: E! Dokotera, tsaboy aloha ny tegnanao: Izegny regninay fa nataonao tao Kapernaomy die mba ataovy amin'taninao koa. 24 Ka hoy koa Izy: Zakaiko aminareo marina die marina: Fa tsisy mpaminagny masina an-taniny. 25 Fa Zakaiko aminareo marina: Fa maro ny mpivantotra teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elia, raha kere telo taona sy enim-bolana, ka nisy mosary mazagna tamin'ny tany; 26 Nefa tsy mba nirahina ho agny amin'ny tokagna tamin'iregny Elia, fa ho agny Zarefatra agny amin'ny viavy mpivantotra. 27 Ka maro no boka teo amin'ny Isiraely tamin'ny andron'i Elisa mpaminagny, nefa tsy mba nisy nositragnina na die raika aza, fa i Namàna Syriana mandy. 28 Die vignitra lôtra aby areo tao amin’ny synagoga *, raha naharegny anízany, 29 ka nitsangagna izy, ka nitoravany hiala an-tanàna Izy, ka nitondra an'Azy ho agny an-tampom-bohitra nioregnan'ny tanàna, mba halatsagny angy amin’ny antsagna. 30 Kanefa Izy namaky tagnivony, ka die lasa nandeha.

Ny nagnasitragnan'i Jesosy ny demoniaka

31 Ka nidigna tagny kapernaomy, tanàna agny Galilia, Jesosy ka nampianatra ny olo ny amin'ny Sabata *. 32 Ka varègna ny olo taminńy fampenarany satria nisy fahefàna ny raha nijakainy. 33 Ka nisy olo nanagna ny fagnahin'ny demony* maloto, tao amin'ny synagoga*, ka nangaika marehy izy nagnano hoe: 34 Eh! Jesosy avy agny Nazareta, ka mpifagnino ma antsena io? Ka avy handripaka anay Anao an? Fantatro fa Anao no Masin'Agnahary. 35 Fa Jesosy nijaka mafy an'azy nagnano hoe: Mivoahà tao anao ka mandregnina ka nadavo an'azy tamin'ny tany tagnivon'olo teo ny devoly*, izay vô nivôka nenga tamin'azy, kanefa tsy nandràtra an'azy aby. 36 Zendagna aby izy marobe ka nivoria hoe: Fizakàna magnano akory lôtra izany? Fa mandroaka ny fagnahy maloto amin-kery amim-pahefana Izy, die menga tegnany. 37 Ka niely tegny amin'ny tany maro magnadodigna ny lazany.

Ny nanasitranana marary maro

38 Ka raha nitsangagna niala tao amin'ny synagoga* Jesosy, die niditra tan-dragnon'i Simôna. Ka voan'ny tazo mahery ny rafozambavin'i Simôna; ka nangataka tamin'Azy areo hagnafaka an'azy. 39 Die nitsangagna takekiny teo Izy, ka nijakainy marehy ny tazo, die niala tamin-draviavy; ka nitsangagna niaraka tamin'izay izy ka nanompo an’Azy areo. 40 Ka raha niletika ny masoandro, die ny olo marobe izegny nanagna narary tamin'ny aretigna samy hafa die nandesina tamin'Azy teo aby ka die nametrahany tagnana aby areo marobe ka sitragna. 41Ka maro ny devoly * nivôka tamin-dreo ka nangaika hoe: Anao no zanak' Andrianagnahary. Nefa noraràny tsy navelany nijaka an’izany areo, satria nahafantatra an'Azy hoe Kristy*.

Ny nanambaràn'i Jesosy ny vaovao mahafaly tany Galilia

42 Ka raha nandraigna ny andro, die nenga tagny amin-tany fôgna Jesosy; ka ny fokonolo maro be niaragna an'Azy, die nagnatogna an'Azy areo ka tehitagna an'Azy mba tsy ho enga ao amin-dreo tao. 43 Fa hoy nantsìny tamin-dreo: Tsy mentsy magnambara ny teny soa mahafaly amin'ny tanàna hafa koa Aho, satria izany no nagnirahana an'Aha. 44 Ka izy nagnambara teny tamin'ny synagoga* magneragnan'i Galilia.

TOKO 5   

Iregny mpianatra efatra vôlongany

1 Ka raha mbola nitangorogna tamin'Azy teo ny fokon'olo mba hiteno ny hafatry Zagnahary, die nijagnona tamoron'ny farihin'i Genesareta Jesosy; 2 ka nahita lakagna bitaka roy nizanogna tamin’ny tsisiagny farihy Izy, fa ny mpagnarato efa nenga ka nanasa ny haratony. 3 Ka niditra tamin'ny lakagna bitaka an'i Simôna Izy, die nangataka tamin'azy mba hisitaka bitaka amin'ny tany. Die nipetraka tamin'ny takagna Izy ka nampianatra ny fokon'olo. 4 Ka raha negnina nijaka i Jesosy, die hoy Izy nagontsy an'i Simôna: Midigna an-dalindaligna, die ajohoy ny haratonareo hazaoanareo laokan-drano. 5 Namaly Simôna ka nagnano hoe: Eh! Iabany e! Efa nagnalign'andro ahay tegny, nefa tsy nahazo ndre raika; kanefa noho ny zakanao die ajoboko mandy ny harato. 6 Ka raha nataony izany, die nahazo laokan-drano enjagna be areo, ka efa nisy rota ny haratony. 7 Ka izy nangaika ny akamany, tamin'ny lakagna hafa, mba hitay an'dreo. Die tonga areo, ka nofenoiny ny lakagna roa ka efa seky nilentika. 8 Ka laha hitan'i Simôna Petera izany die nandohalika tamin'ny tongotr'i Jesosy izy ka nagnano hoe: Eh! Iaban’ny raha! Misitaha amin’aha fa olo-meloka aho. 9 Fa zendagn'izy marobe nohon'ny hamarozan'ny laokan-drano azony. 10 Ka ôtran'izany koa i Jakoba izy amin'i Jaona, zanak'i Zebedio, mpiara miasa tamin'i Simôna. Die hoy Jesosy nagnontsy an'i Simôna: Aza mangoaigna; manomboka niany die olo no ho azona. 11 Ka raha nanody lakagnany tam-boitra izy die nafoiny aby ny raha marobe ka nagnaraka an'i Jesosy izy.

Ny nanasitragnan'i Jesosy ny boky iraika

12 Raha tamin’ny tanàna raika i Jesosy, die nisy lelahy feno habokana. Ka raha nahita an'Azy i zalahy io, die nandohalika ka nitoreo tamin'Azy hoe: Eh! Iaban’ny raha avy Anao, die mahay magnadio an'aha. 13 Ka Jesosy nagnampatra ny tagnany, die nanendry an'azy ka magnano hoe: Avy Aho; madiova hianao ka nenga tamin'azy niaraka tamin'izay ny habokany. 14 Ka nahafatrafat an'azy i Jesosy mba tsy hivoria amin'olo na die raika aza; fa mandihana, hoy Izy, mivôka amin'ny mpisorogna, ka magnatera ny fagnadiovana anao, ôtran'ny bekon'i Mosesy, ho vavolombelogna amin-dreo. 15 Fa vao maika niparitaka ny lazany, ka fokon'olo enjanga no nitangorogna hiteno sady hafagnina tamin'ny aretina nahazo an'azy. 16 La niala teo Izy, die nitoboka tagny an-tendrombohitraIII ka nivavaka.

Ilay malemy tao Kapernaomy

17 Ka indraik'andro, raha nampianatra Jesosy, die nisy Fariseo* sasagny mban'ny mpampiana-dalàna nitoboka teo, izay efa nenga tamina tanàna maro agny Galilia, Jodia* mban’ny tagny Jerosalema; ka tamin'azy ny herin'ny Tompo mba hagnafagnany. 18 Ka nisy zalahy raike nitakonina tamin'ny fandreny, nararin'ny paralysisa, ka niaragna hevitra ny hampidirany an’azy sady ametrahany an'azy tagnivony teo izy. 19 Ka satria enjagna be lôtra ny olo ka tsisy tokony hampidirany an ázy die niakatra tantafotrano izy ka nagnesorany ny raty tamin’ny tantafotrano, die nampidiriny Zalahy mariry igny ho tagnivon'olo teo, die tagnivon'i Jesosy. 20 Ka raha nahita an'izany Jesosy die hoy Izy nagnontsy an'azy: Eh lehano vôvela ny helokao. 21 Fa ny mpanora-dalàna mban'ny Fariseo* nieritreritra hoe: Ha! Iza ma ity magnompagnompa ity? Tsisy afaka memela heloka, afa tsy Zagnahary iraka mandy? 22 Fantatr’i Jesosy ny eritreritran-dreo, die namaly ka nagnano tamin-dreo hoe: Ka nagnino anareo mieritreritra agnaty fonareo? 23 Iza no moramora, ny magnano hoe: Vôvela ny helokao, sa ny magnano hoe: Mitsangana, ka mandihana? 24 Fa tsy fantatrareo fa ny Zanak'Olo* die manam-pahefana ety ambonin'ny tany, hamela heloka, die hoy Izy nagnontsy an’ny zalahy mararin'ny paralysisa: Izaho mijaka aminao hoe: Mitsangana, die bokay ny fandrenao, ka mandihana mody andragnonao. 25 Ka tamin'izay die nitsangagna tagnivon'olo teo izy ka nibokainy ny fandreny, die lasa izy nody sady nakalaza an'Agnahary. 26 Zendagna aby ny olo ka nankalaza an'Agnahary sady tegna nangoaigna mafy ka nagnano hoe: Hahita raha mahazendagna asena niany.

Ny fanasàna tan-dragnon'i Levy

27 Ka laha vita izany, die nandeha Jesosy ka nahita mpagnango-ketra atao hoe Levy, nitoboka tam-pagnangonan-ketra teo die hoy Izy nagnontsy an'azy: Magnaraha an'Aha. 28 Ka nafoiny ny raha marobe ka nitsangagna izy nagnaraka an'Azy. 29 Ka i Levy nagnasa an'i Jesosy tandragnony; ka nisy olo-kafa enjagna mbana mpagnangon-ketra koa niaraka nagnatrika nihinagna tao. 30 Fa ny Fariseo* mban'ny mpanora-dalàna izegny teo die mimonimonigna tamin'ny mpianatr'i Jesosy ka nagnotany hoe: Nagnino anareo miara-mihignana sady miara migòka amin'ny mpagnangon-ketra mban'ny mpanota? 31 Ka hoy Jesosy namaly an'azy: Tsy ny salama no mila mpitsabo fa ny marary; 32 tsy tonga hankaika ny olo marina Aho, fa ny mpanota mba hibebaka.

Jesosy sy ny fifandian-kanina

33 Ka hoy areo tamin'Azy: Ny mpianatr'i Jaona mifady hanina matetika sady mivavaka ka ny Fariseo* koa magnano ôtran'izany mandy koa, fa nenao koza mihinagna sady minogna mandy. 34 Ka hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Ka mahay mampifady ny havan'ny ampekarina anareo, raha mbola amin'azy ao mandy ny mpagnakatra? 35 Fa agny ny andro; raha menga ny mpagnakatra, die amin'izay andro izay vao hifady izy. 36 Ka nagnano fagnoarana tamin'azo koa Izy nagnano hoe: Tsy hisy olo mandrota ny lamba vaovao hagnalany tapadamba hanapenany ny lamba tonta; fa raha izany, die mandrota ny vaovao izy, ka ny tapadampa nalainy tamin'ny vaovao die tsy hifagnaraka amin'ny tonta. 37 Sady tsy hisy olo magnisy divay vaovao agnaty lagnanana momoka sady tonta, fa raha izany, triarin'ny divay vaovao ny lagnana momoka sady tonta, ka ho very ny divay, sady nivetraka fotsiny lagnanana tonta; 38 fa ny divay vaovao die tsy mentsy atao agnaty lagnanana voavao. 39 Tsisy olo hinogna divay ela, ka hagniry ny vaovao; fa hoy izy: No ela no tsara.

TOKO 6   

Ny namaragnan’ny mpianatra ny tagnam-bary

1 Indraika Sabata* izay! nandeha namakivaky ny tanimbary Jesosy; ka ny mpianatra nambely lango, ka niosekosehiny tamin'ny tagnany, die nohaniny. 2 Fa ny Fariseo* sasagny nagnano hoe: Ka nagnino anareo no magnano raha tsy mety atao amin'ny Sabata*? 3 Ka novalin'i Jesosy hoe: Tsy mbola novakinareo ma ny soratra mijaka ny raha namboarin'i Davida, laha nosarena izy mban'ny olo izegny nagnaraka an'azy; 4 fa niditra tan-dragnon'Agnahary izy ka nangala ny mofo atolotra sady nihinagna no nagnome ho an'izegny nagnaraka an'azy koa, nefa mahadiso ny homagna an'izany, afatsy ny mpisorogna mandy? 5 Ka hoy Izy nagnontsy an'azy Tompon'ny Sabata* ny Zanak'Olo*.

I zalahy maty tagnana

6 Ka tamin'ny Sabata* hafa koa die niditra tamin'ny synagoga* Jesosy ka nampianatra; ka nisy zalahy raike, maty tagnana ankavanana tao. 7 Tamin'izay die nitsikilo an'Azy ny mpanora-dalàna mban'ny Fariseo*, na hagnasitragna amin'ny Sabata* Izy na tsy hagnasitragna, mba hagnapangany an'Azy. 8 Fa fantantry Jesosy ny hevi-dreo, ka nijaka tamin'ny zalahy maty tagnana Izy hoe: Mitsangana ka mijoroa agnivo eo! Die Nitsangagn'izy ka nijoro. 9 Ka hoy Jesosy nagnontsy an-dreo: Magnontany anareo Aho: Ny magnasoa no mety amin'ny Sabata* sa magnaratsy? Ny mamonjy aigna sa magnary aigna? 10 Ka nitsirivany ny magnodidignandreo, die hoy Izy nagnontsy an-zalahy igny hoe: Amparo ny tagnanao. Die namboariny izany, ka sitragna ny tagnany. 11 Niseragna mafy ny havigniran-dreo ka nandinika ny raha hagnanôvany an'i Jesosy.

Ny nifidianan'i Jesosy ny Apostoly zalahay roy ambefolo

12 Indraik'andro die lasa nandeha an-tendrombohitra Jesosy mba hivavaka; ka naharitra nivavaka tamin'Agnahary nagnalin'andro Izy. 13 Ka raha nandraigna ny andro; die nangihany ny mpianatrany, ka nifidianany ny roy ambin'ny folo, nataony hoe: Apostoly, 14 die i Simôna, nangiany hoe Petera, Andrea mpirahalahy amin'azy, Jakoba, Jaona, Filipo, Bartelomeo, 15 Matio, Tomasy, Jakoba zanak'i Alfeo, Simôna atao hoe Zelota*, 16 Jodasy zanak'Jakoba die i Jodasy Iskariota, nanjary namdika an’Azy.

Nampianatra ny fokon’olo sady nagnasitragna ny marary Jesosy

17 Niara-nidigna tamin'dreo Jesosy, die nijanogna tan-kamarenana Izy mban'ny mpianatra miarakamin'ny fokon'olo enjagnabe avy tagny Jodia*, Jerosalema, mban'ny avy tagny amoron-dramasina agny Tyro, Sidôna tonga mba hiteno an'Azy sady hafagnina amin'ny aretignany; 18 mban'olo nampijalen'ny fagnahy maloto die nafagniny aby. 19 Te hitagna an'Azy ny fokon'olo satria nisy hery nenga tamin'Azy nagnasitragna an'azy marobe.

Ny loza amam-pahasambarana

20 Nagnasy maso tamin'ny mpianatrany Jesosy magnano hoe: Sambatra anareo malahelo, f'anareo fanjakan'Agnahary. 21 Sambatra anareo mosaregna amin'zao, f'anareo die hovokisana. Sambatra anareo mitomagny amin'zao, f'anareo die hihomeny. 22 Sambatra anareo, halan'olo ka areny sady harasiraseny, tsy ekeny sady ataony ôtrany raha ratsy ny agnaranareo nohon'ny Zanak'Olo*. 23 Amin'io andron'io die mifalia anareo ka mandihiza, fa agnobe ny valiny ho azonareo agny an-dagnitra, fa izany no nataon'ny razan-dreo tamin'ny mpaminagny. 24 Fa lozanareo izegny mpanakaregna! F'efa azonareo ny deraderampo-nareo. 25 Lozanareo izegny voky amin'zao! Fa mbola ho mosaregna anareo. Lozanareo izegny mihomehy amin'zao! Fa mbola hitomagny sady higogogogo anareo. 26 Miaran-doza anareo raha ataon'olo tsara laza, fa ôtran'izany nataon'ny razan-dreo tamin'ny mpaminagny sandoka.

Ny fitiavana ny fahavalo

27 Fa izao no zakaiko aminareo izegny miteno an'Aha: Tiavo ny fahavalonareo valio soa izegny malaigna anareo; 28 isaory izegny magnozogna anareo, sady mivavaha ho an'izegny magnisy ratsy anareo. 29 Raha misy mamango ny tarenao raika die omeo an'azy koa ny raike, raha misy mangala ny lambanao, aza sakanana na die alainy aby aza ny akaJônào. 30 Izegny olo magataka aminao die omeo, sady raha misy mifaoka ny raha anagnanao, die aza takèna amin'azy koa. 31 Izegny raha tienareo amboarin'olo aminareo; die mba ambory amin'olo mandy koa. 32 Fa raha izegny tenanareo mandy no tenareo, die ino raha tsara ho azonareo amin'izany? Fa na die ny mpanota mandy koa mba tea olo tea an'azy. 33 Fa ka raha izegny magnano tsara anareo mandy no agnanôvanareo tsara, die ino ny raha, tsara ho azonareo amin'izany? Fa na die ny mpanota mandy koa aza mba magnano an'izany. 34 Ka raha izegny atokisanareo agnefa mandy no ampitrosavinareo, die ino ny raha tsara ho azonareo amin'izany? Ny mpanota mandy koa mba mampitrosa ny mpanota mitovy amin'azy, mba azahoany ôtran'izany. 35 Fa ho anareo an! Tiavo ny vahavalonareo, magnamboara raha tsara die mampitrosava, die aza magnantegna valiny, die agnonabeny valisoanareo, ka ho taranaky ny agny Ambony anareo; fa izy tsotra fagnahy amin'izegny tsy magnozogna ny ratsy fagnahy. 36 Mamindrà fo ôtran'Iabanareo mpamindra fo.

Ny disoka sy ny poti-kazo

37 Aza mitsara, die tsy ho tsaraina, aza magnameloka, die tsy melohina anareo; mandefera die mba andeferana koa anareo; 38 magnomeza die mba omena koa anareo; fatra tsara, mizèka sady misy raragny satria miôtra no omeny ho ammin’ny dabanareo, Fa izegny fatra ataonareo no hagnarana ho anareo koa. 39 Ka Jesosy nagnano fagnoarana tamin-dreo hoe: Ny olo fehy die tsy ahay hifampitantagna amin'ny olo fehy? Tsy hivarigna an-davaka agny roy roy an? 40 Ny mpianatra tsy mihôtra nohon'ny mpampianatra, fa izegny mpianatra tapi-pianarana no mitovy amin'ny mpampianatrany. 41 Sady magnino anao ao mijery poti-kazo amin'ny mason’ny rahainao, nefa ny eo amin'ny masonao tsy hitanao aby? 42 Anao ka die ijaka amin’ny rahalahinao hoe: Eh ngah! Etsy alaiko ny poti-kazo agnaty masonao, nefa ny anao aza tsy hitanao? Mpiatsaravelatsihy, fa anao amin’izay, alay alohake ny disoka amin'ny masonao, die amin'izay mba afaka mangala ny eo amin'ny mason'ny rahalahinao anao.

Ny kakazo vôniny

43 Tsisy kakazo tsara ka magnisy vôniny ratsy na kakazo ratsy magnisy vôniny tsara. 44 Amin'ny vôniny no hafantarana ny kakazo; fa tsisy mambely vôna aviavy amina fantsy, na vôloboka amina vôndroy. 45 Ny olo tsara fagnahy die mamôka ny tsara avy ao agnaty fony; fa ny ratsy fagnahy die mba mamôka ny ratsy, fa ny amarozan'ny agnaty fony no ijakany amin'ny vavany.

Ny tragno roy

46 Ka nagnino anareo mangaika an'Aha hoe: Tompoko! Tompoko! Kanefa tsy magnaraka ny raha zakaiko? 47 Izegny magnantogna an'Aha sady maregny ny raha zakaiko ka magnaraka an'izany, die atoroko anareo ny mitovy amin'azy: 48 Ôtran'ny olo manangagna tragno izy, ka mangady laligna izy aloha vô manangagna ny fototra ambony vatolampy, ka laha tonga ny ranobe sady mamely mafy ny jehi-drano, ny rivotra die tsy mampihozongozogna an'azy, satria tsara fototra ny tragno. 49 Fa izegny maregny za ka tsy magnaraka, die ôtran'olo manangagna tragno ambon'ny fasike, tsisy fotony, ka vô velezin'ny rivotra die rava niaraka izy; ka loza ny faharavan'izany tragno izany.

TOKO 7   

Jesosy izy amin'ny kapiteny tao Kapernaomy

1 Ka laha nitoriteny tagnivon’olo teo i Jesosy die nadeha agny Kapernaomy Izy. 2 Ka ny mpiasan'ny Kapiteny raike izay tegna tieny, die narary mafy efa ho faty. 3 Ka raha naharegny ny amin'i Jesosy izy, die nagniraka zokiolo tamin'ny Jiosy* izy hangataka an'Azy mba hagnasitragna ny mpiasany. 4 Ka laha avy tamin'i Jesosy areo, die nangataka mafy tamin'Azy nagnano hoe: Magneva an'azy ny agnamboaranao an'izany, 5 satria ny firenenantsena die tieny, sady ny synagoga* die efa nambaoriny ho antsena. 6 Die niaranandeha tamin-dreo Jesosy. Ka laha kely fotsiny tsy atongavany tan-dragno , die nagniraka akama i kapiteny hisafy an'Azy ka nagnontsy hoe: Tompoko, aza manahiragna ny tegnanao Anao, fa tsy magnevanao ny hiditra ambany tafo-tragnoko. 7 Ka na die ny tegnako aza die tsy magneva ny hagnantogna Anao; fa na die indraika mijaka fotsiny Anao die ho sitragna ny mpiasako. 8 Managna ny maha izy anaha mandy aho, managna miaramila iandraiketako aho; ka raha hoy magnontsy an-raika: Mandihana arỳ die mandeha izy, na amin'ny raika koa hoe: Malaky atỳ, die magnantogna izy, ndre amin'ny mpiasako hoe: Amboary itỳ, die magnano izy. 9 Zendagna i Jesosy laha naharegny an'izany, ka nitodika tamin'ny fokon'olo nagnaraka an'Azy Izy nagnontsy hoe: Zakaiko aminareo fa mbola tsy nahita finoana lebe ôtran'izany Aho, na die tamin'ny Isiraely aza. 10 Sitragna ny mpiasa raha tafapody tan-dragno areo niraina.

Ny nananganan'i Jesosy ny zanakalahin'ny mpivantotra

11 Tafarakelin'izay, die nandeha tagny amin'ny tanàna raike atao hoe: Naina Izy; ka nagnaraka an'Azy ny mpianatrany mban'ny fokon'olo maro. 12 Raha keky hiditra tam- bavahadin'ny tanàna Izy, die nahita fatin-jalahy raike nandesina nivôka, lahy tokan'ny endriny io, sady mpivantotra koa raviavy io, ka narahina fokon'olo enzagna avy tantanàna. 13 Nalehelo Jesosy raha nahita an'ny raviavy mpivantotra io, ka hoy Izy nagnontsy an'azy: Aza mitomagny! 14 Sady nagnatogna Izy ka nikasihiny ny lokagna nisy ny faty, die nizanogna ny mpilanja faty. Ka hoy Jesosy: Eh! Lehano! Izaho mandidy anao: Mitsangàna! 15 Die nitsangagna ny maty sady nahay nijaka, die nomeny an'i endriny. 16 Nangoaigna aby ny olo ka nankalaza an'ny Zagnahary nagnano hoe: Mpaminagny lebe, no efa mitsangagna eto amintsena; sady efa nitsinjo antsena Zagnahary. 17 Die niely tagny Jodia* magnodidina mban'ny tagny amin'ny tany magnodidigna tagny ny lazan'i Jesosy ny amin'izany raha izany.

Ny irak'i Jaona mpagnano batisa

18 Ka ny mpianatr'i Jaona nitantara izany raha marobe izany tamin'azy. Ka nangaika zalahy roa lahy tamin-dreo izy, 19 ho agny amin'ny Tompo hagnotany an'azy hoe: Ianao ma ho avy izany, sa mbola olon-kafa no adiasantsena? 20 K laha avy tamin'Azy tagny zalahy roa lahy iregny die nagnano hoe: Jaona mpagnano-batisa nagniraka anay ho atỳ aminao hagnontany raha Ianao no ho avy, sa mbola olo-kafa no adiasantsena? 21 Tamin'ny andron'io Jesosy die nagnasitragna olo enjagna be, efa nampangoaigna mafy tamin'ny aretinany mban'ny fahosanany mban'ny fagnahy ratsy, sady nampahiratra ny olo fehy maro. 22 Die namaly Izy ka nagnontsy hoe: Mandihana anareo die tantarao amin'i Jaona izegny raha hitanareo mba ny izao raha regninareo izao; ny olo fehy die manita, afaka ny manatakaitra, madio ny boka, maregny ny maregnina, atsangagna ny maty, torìna amin'ny mahantra ny Filazantsara. 23 Ka sambatra izegny tsy tafitohigna nohon'ny amin'Aha! 24 Ka laha lasa ny irak'i Jaona die nivoria ny amin’i Jaona tamin'ny fokonolo Jesosy nagnano hoe: Hizaha ino nandihananareo tan-tendrombohitra IV tagny? Volotara nohozokozognin-drivotra sa ino? 25 Sa hizaha ino nandihananareo tagny? Ka olo mitafy lamba tsara mandy an? Andragnon'ny mpanjaka misy mitafy lamba tsara sady mihinagna hanim-be izany. 26 Hizaha ino nandinanareo tagny? Mpaminagny an? Eka, hoy Iaho aminareo, sady ambonimbonin'ny mpaminagny izy. 27 Fa izy no vôsoratra hoe: «Hagniraka ny hirakako Aho heloha Anao, hagnambôtra ny lagnanao alohanao eo.» (Mal 3:1). 28 Iaho mivoria aminareo fa amin'izegny natera-biavy, tsisy mpaminagny lebe ambon'i Jaona; kanefa izegny tegna le bitika amin'ny fanjakan'Agnahary die lebe amboniny. 29 Ka ny fokon'olo maro be miaraka amin'ny mpanango-ketra raha naharegny an’izany, die nagnamarina ny amin’Agnahary, satria natao batisa tamin'ny batisan'i Jaona areo. 30 Fa ny Fariseo* mban'ny mpahay lalàna die nandà ny fikasan'Agnahary, satria tsy mba nagnatogna hataon'i Jaona batisa areo. 31 Ôtran'ino no hagnoharako ny olo amin'ny dorian'olo ity? Ohariko amin’ino aro an? Ôtran'ny zamadinika mitoboka an-tsena izy, mifagnantsognatso hoe: Efa nitsotra antsiva ahay, nefa tsy nandihy anareo; nagnano hira mampalahelo ahay, nefy tsy nitomagny anareo. 33 Fa avy i Jaona mpagnano-batisa tsy nihinan-kanina na nihinogna divay, ka zakainareo hoe: Managna demony* izy. 34 Ka laha tonga ny Zanak'Olo* mihinagna sady mihinogna; ka ataonareo hoe: Zalahy tendan-kanina sady mpihinon-tôka zalahy io; sakezan'ny mpanangon-ketra mban'ny mpanota. 35 Fa ny fahendrena die hamainina amin’ny zanagny marobe.

Jesosy sy ilay vehivavy mpanota

36 Nisy Fariseo* raike nangaika an'i Jesosy hiaraka hihinagna amin'azy; ka die niditra tan-dragnon'ny Fariseo* igny Izy ka nitoboka sady nihinagna. 37 Tan-tanàna tao nisy viavy mpanota raike, ka fántany fa nitoboka nihinagna tao Jesosy, die nitondra tavaora alabasitara feno menaka magnitra izy: 38 Ka nijanonga tagnilan'ny tongotrany tao izy sady nitomagny, ka legna ny ranomasony ny tongotran'i Jesosy ka nofafany tamin'ny randragnany sady nifagnorohany, ka nosorany ilo magnitra. 39 Ka laha nahita an'io i Fariseo * nagnasa an'Azy igny, die nieritreritra hoe: Raha mpaminagny marina Ity, die fantany io raviavy mikasika an'Azy io mban'ny toetrany; fa mpanota io. 40 Ka novalin'i Jesosy hoe: Eh! Simôna, managna raha zakaina aminao Aho. Ka hoy izy: Eh! Ramose! Voriano arô. 41 Nisy zalahy roa lahy izany nanagnan'ny mpanambola raike trosa: Ny raike nanagnany diman-jato denariaV*, ny raike nanagnany diman-polo. 42 Tsy nanagna handoavana izy roa lahy , die samy navelany. Ka iza amin-jalahy rôlahy io no tegna tia an'azy? 43 Simôna namaly nagnano hoe: Ngamba i zalahay raika nafoizany be igny. Die hoy Izy nagnontsy an'azy: Marina hevitranao. 44 Die nitodika tamin-draviavy igny Jesosy, ka hoy Izy nagnontsy an'i Simôna: Hitanao io viavy io? Niditra tan-dragnonao tato Aho; nefa tsy mba nomenao rano hanasana ny tongotro; fa izy nanasa ny tongotro tamin'ny ranomasony, sady mamafa izany tamin'ny randragnany. 45 Anao tsy mba nagnoroka an'Aha aby hatramin'izay nidirako teto, izy anefa tsy mba nijanogna nagnoroka ny tongotro. 46 Ny lohako tsy mba nosoranao ilo aby, fa izy kosa nagnosotra mena ka magnitra ny tongotro. 47 Ka zakaiko aminao: Vôvela ny helokabeny, fa be fitiavana izy; f'izegny vôvelo tamin'ny kely die kely fitiavana. 48 Die hoy Izy nagnontsy an'ny raviavy: Vôvela ny helokao. 49 Izegny niara-nitoboka nihinagna teo die nikorana hoe: Ka Iza zalahy io raha mamela heloka? 50 Ka hoy mandy koa Izy nagnontsy an'ny raviavy igny hoe: Ny finoanao no efa nagnavotra anao; mandihana soa aman-tsara.

TOKO 8   

Ny zavavy nagnara-dia an'i Jesosy

1 Tafaran'io die nandeha nitety tanàna, mbana vohitra enjagna i Jesosy nitory ny Filazantsaran'ny fanjakan'Agnahary; niaraka tamin'ny mpianatrany roy ambin'ny folo lahy. 2 Mban'ny zavavy sasagny nositragniny tamin'ny fagnahy ratsy mban’ny aretiny io, die i Maria atao hoe Magdalena, izay efa nivoahan'ny demonia* fito, 3 die i Johana, vadin'i koza, mpikarakara ny fanagnan'i Herôda; dei Sozàna mban'ny maro hafa koa, izegny nanompo an'azy tamin'ny fanagnany.

Fagnoharana ny amin'ny mpamafy

4 Enjagna ny fokon'olo tafangona, avy agny amina tanàna maro, hagnantogna an'Azy, die nagnanôvany fagnoharana hoe: 5 Nivoaka hamafy hidigna ny mpamay, ka raha mafafiny hidigna izy, ny sasagny vôfafy tamorondalagna ka voahitsakitsaka, sady nitsindrohin'ny vorogna. 6 Ny sasagny vôfafy tegny ambony haram-bato ka nalaky nitsiry nefa nalazo avy eo satria tsisy rha mba mandomando. 7 Ny sasagny vôfafy tamina fantsy, ka ny fantsy naniry ka namatotra an'azy. 8 Fa ny sasagny, vôfafy tamin'ny tany tsara, die naniry ka namoa be. Ka laha avy nijaka an'izay Izy, die nangaika mafy nagnano hoe: Izegny manantadigny hitenoana, die mitenoa tsara.

Ny antony ampesan'i Jesosy ny fagnoharana

9 Nagnontanian'ny mpianatra an'Azy ny dikan'izany fagnoharana izany. 10 Die hoy Izy: Ianareo no navela hahafantatra ny raha mivony ny amin'ny fanjakan'Agnahary, fa amin'ny olo-kafa die fagnoharana no atao, mba «Hijery izy, fa tsy hahita, sady maregny izy, fa tsy hahafantatra» (Isa 6:9).

Fagnazavana ny fagnoharana ny amin'ny mpamafy

11 Ka izao are ny dikan'ny fagnoharana: Ny hidigna die ny raha zakain-Jagnahary. 12 Ny tamoron-dalagna die izegny naharegny; nefa avy ny devoly* ka nangala ny teny tagnaty fony, sô die hino izy ka havontana na vonjena. 13 Ny tambony harambato die izegny naharegny sady nandray ny teny tamin'kafalena fotsiny, nefa tsisy vahatrany, fa mino kelikely mandy, ka amin'ny andron'fangalam-pagnahy na fitsapàna die mipody izy. 14 Ny tamin'ny fatsy die izegny naharegny, fa raha mandeha izy, die magnaignany vatagna amin'ny fanagnan-karena, mban'ny tsiron'ny fiaignana ka tsy mety mamoha. 15 Fa ny tamin'ny tany tsara, die izegny naharegny ny teny tamin'ny fo marina sady tsara, ka mitandrigna an'azy sady mamoha amin'ny faharetana.

Fagnoharana ny amin'ny jiro

16 Tsisy olo mandrehitra jiro ka rakofana, na ataony ambany fandrèna; fa ataony ambony fasena an'azy mba ho hitan'izegny miditra ao ny mazava. 17 Tsisy takogna tsy ho hita, na ny asitrika tsy ho fantatra. 18 Ka tandrem ny fomba fitenoanareo; fa izegny managna die omena, fa izegny tsy managna, na die ny anagnany aza die halaina amin'azy.

Ny analahy amin-drenin’i Jesosy

19 Tonga nagnatogna an'i Jesosy i endriny mban'ny rahalahiny, fa tsy afaka niaogna tamin'Azy, satria nitangorana loatra ny fokon'olo. 20 Ka nisy nijaka tamin'Azy hoe: Ambi-tragno ao endrinao mban'ny rahalahinao te niaogna Aminao. 21 Die novaliny hoe: Ny endriko mban'ny rahalahiko die izegny miteno ny raha zakain'Agnahary ka magneky amin'izany.

Ny nampijanognan'i Jesosy ny rivotra marehy

22 Indraik'andro die nivarigna tan-dakagna i Jesosy niaraka tamin'ny mpianatrany, ka hoy Izy nagnontsy an-dreo: Andao asena ho agnilan'ny rano erỳ, die lasa areo. 23 Ka raha nandeha ny lakagna die azon-tory Jesosy; ka nisy rivotra nifofofofo nidigna tan-tegna-rano teo, ka nihafeno rano ny lakana, ka seka azon-doza areo. 24 Nifohazindreo Jesosy nagnano hoe: Tompoko, Tompoko! Maty ahay! Die nitsangagna Izy, ka nirarany mafy ny rivotra mban'ny onjan-drano. Ka die nijanogna izany, ka lasa tsara ny andro. 25 Ka hoy Izy nagnontsy an-dreo. Negnaia finônareo? Nangoaigna mafy areo sady zendagna ka nivoria hoe: ka Iza ity, raha mahay mibeko ny rivotra mban'ny rano, ka nagneky an'Azy aby izany!?

Ny nagnafagnan'i Jesosy ny olo misy biloVI raike

26 Die nody tagny amin'ny tanin'i Gerasena tandrifin'i Galilia areo. 27 Ka rahe tafakatra ambohitra i Jesosy, die nifanepaka tamin-jalahy raike avy tan-tanàna, managna demony* efa ela sady tsy nitafy lamba, sady tsy nana-tragno hitoboana, fa tegny am-pasagna ity nandry. 28 Raha vô nahakendry an'i Jesosy izy die nitoreo mafy sady nando-halika tamin'ny tongony ka nijaka mafy hoe: Ka mpifagnino antsena roy e! Jesosy, Zanak’Andrianagnahary agny an-dagnitra ô? Mivalo e! Aza am-pijalena aho. 29 Nididìn'i Jesosy hiala amin-jalahy igny ny fagnahy maloto. F'efa mpahazo an'azy efa ela izany; ka na die nifatorana tamina rojo vy ny tagnany na tongony, na die nambenana azy izy die tapagny mandy ny fatotra, ka nandesin'ny demony* nivengivengy tagny an-tendrombohitraVII tagny izy. 30 Nagnotanian'i Jesosy izy nagnano hoe: Iza ny agnaranao? Die hoy izy: Legiona ny agnarako, satria enjagna loatra ny demony* tafitra tagnatiny. 31 Nivalo tamin'i Jesosy izy mba tsy handrôka an'azy agny amin’ny hantsagna tsy hita popoka. 32 Fa misy lambo enjagna be nitrongy tan-tendrombohitra tegny tamin’izay, ka nangata-dalagna hiditra amin'io lambo io ny demony*, die nekèny. 33 Die niala tamin-jalahy igny ny demony *, ka niditra tamin'ny lambo, ka niriotra nivarigna tamin’ny hantsagna tagny aby ny lambo die maty tagny. 34 Nilefa ny mpiambin-dambo raha nahita an'izany, ka nivoria tagny an-tanàna mban'ny tagny an-tsaha. 35 Die nivôka hizaha an'izany ny olo, ka raha avy tagny amin'i Jesosy areo, die i zalahy igny efa nivoahan'ny demony*, no hitan-dreo nitoboka tan-tongotry Jesosy sady nitafy lamba no sady sitragna, die nangoaigna mafy areo. 36 Ka izegny nahita die nitantara tamin'olo ny nagnavotana an'ny zalahin-demony * ingy. 37 Ny fokon'olo tagny Gerasena mban'ny magnodidina die nangataka an'i Jesosy mba hiala teo, satria nangoaigna mafy areo; Jesosy nipody ka nivarigna tan-dakagna. 38 Nangataka hagnaraka an'Azy zalahy nivoahan'ny demony* igny, nefa napodin'i Jesosy izy ka nataony hoe: 39 Modia an-dragnonao agny eke aloake, die tantarao ny raha lebe namboarin'Agnahary taminao. die Nandeha izy ka nitory magneran'ny tanàna ny raha lebe nataon'i Jesosy tamin'azy.

Ny zanakavavin'i Jairo sy ilay vehivavy nikasika ny akanjon'i Jesosy

40 Raha nitapody Jesosy die niraisin'ny fokon'olo tsara, sady areo koa mba nandigny an'Azy lateo. 41 Ka nisy lelahy raike angihana hoe Jairo, leben'ny synagoga*, nagnantogna an'Azy, ka nandohalika tamin'ny tongony sady nangataka an'Azy hiditra an-dragnony. 42 Fa nanan-janaka viavy tokony roy ambin'ny folo taogna izy, ka efa ho faty io zaza viavy io. Ka raha nandeha Jesosy die nitangorogna ny fokon'olo. 43 Nisy viavy raike narary efa ho roy ambin'ny folo taogna, nandany ny fanagnany tamin'ny mpitsabo, nefa tsy sitragna. 44 Nagnantogna tambonin'i Jesosy izy, ka nikasihiny ny moro-dambany ka sitragna ny aretinany. 45 Ka hoy i Jesosy: Iza no hikasika an'Aha teo? Ka samby nandà izy marobe, die hoy i Petera mban'ny akamany: Tompoko, maro ny fokon'olo no mitangorogna Aminao io. 46 Fa hoy Jesosy: Nisy olo nikasika Aho; satria nisy hery niala tamin'Aha. 47 Ka raha hitan-draviavy igny fa tsy afa-nisitrika an'Azy izy, die nangitakitaka izy ka nagnantogna sady nandohalika tagnivony teo, die nitantarainy tamin'ny fokon'olo ny antony nikasitrany an'Azy niaraka tamin'ny nahasitragna an'azy. 48 Ka hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Eh! Zanako vavy, ny finônao no nahasitragna anao mandihana soa aman-tsara. 49 Ka raha mbola nijaka Jesosy, die tonga ny olo raika avy tagny amin'ny leben'ny synagoga* ka nagnano hoe: Faharatsiny arô fa maty ny zanakanao vavy, aza manahiragna an'ny Ramose eo koa. 50 Regnin'i Jesosy, die namaly izy nagnontsy hoe: Aza mangoaigna; fa minoa fotsiny, die ho velogna izy. 51 Raha avy tan-dragno Izy, die tsy nisy olo navelany niaraka niditra tamin'Azy, afa-tsy Petera, Jaona, Joakoba mban'ny ray amin-drenin'ny zaza viavy. 52 Ka ny olo nitomagny sady nalahelo an'azy, fa Jesosy nagnano hoe: Aza mitomagny, fa tsy maty izy, fa mandry. 53 Die nihomehezan-dreo Izy satria efa fantatr'olo fa efa maty io zaza viavy io. 54 Ka nalain'i Jesosy ny tagnany ka hoy Izy nagnontsy hoe: Eh! Mifohaza anao. 55 Die nipody aigna izy, ka nitsangagna niaraka tamin'izay, ka nagnafatr'Izy mba hanome hanina an'azy. 56 Zendagna ny ray aman-dreniny; fa Jesosy nandrara an'azy mba tsy hijakajaka amin'olo ny raha nitranga teto.

TOKO 9   

Ny nagnirahan'i Jesosy ny roy ambe folo lahy

1 Ka namory ny zalahy roa ambin'ny folo i Jesosy, hagnomezany fahefana handroaka demony* maro sady hagnafaka aretina. 2 Ka nirahiny areo andeha hitory ny fanjakan'Agnahary sady hagnasitragna ny marary. 3 Hoy Izy tamin-dreo: Aza mitondra ino amin'ino amin'ombanareo, na tehigna, na tantim-batsyVIII, na mofo, na vola, sady aza misy mitondra akanjo roy. 4 Ka ny tragno hidiranareo, die ao mitoboka, mandra-penganareo tao. 5 Ka raha misy mandà tsy mampandroso anareo; die mialà, ka na die ny fotaka amin'ny hongotrareo aza die ahitsagno mba ho vavolombelogna hiampangana an'azy. 6 Die lasa nandeha areo, namaky helagnelagna nitory ny filazantsara sady nagnasitragna.

Ny fahasahiragnan-tsaignan'i Herôda

7 Herôda mpandidy naharegny ny raha vitan'i Jesosy; die vaky loha izy amin'ny raha tantarain'olo; fa ny sasagny magnano hoe: i Jaona nitsangagna tamin'ny maty. 8 Ny sasagny magnano hoe: Elia niseho; ny sasagny magnano hoe: Ny raike tamin'ny mpaminagny taloha io nitsangagna. 9 Herôda nagnano hoe: Raha i Jaona; die aho mihintsy no nanapaka ny vozognany; fa iza mandy arika izany, regniko magnano raha mahazedagna izany? Ka nagniry izy ny mba hahita an'i Jesosy.

Ny nampihinanan'i Jesosy ny dimy arivo lahy

10 Raha nipody ny Apostoly, die nitantara tamin'i Jesosy ny raha namboariny tagny. Ka Izy nitondra an-dreo nandeha nitokagna ka nandeha amina tanàna angihana hoe: Betsaida. 11 Laha naharegny an'izany ny fokon'olo die nagnaraka an'Azy. Niresiny tsara areo ka nivorianiny tamin-dreo ny amin'ny fanjakan'Agnahary; sady nafagniny aby ny izegny marary. 12 Ka raha efa ho aligna ny andro, die nagnatogna ny roy ambin'ny folo lahy ka nagnano hoe: Ravay andeha ody agny aheky ny fokon'olo, hiaragna fandrena mbana raha hanina an-tsaha magnodidigna egny, fa an-tany fôgna asena izao. 13 Fa hoy Izy tamin-dreo: Omeo hanina izy; die namaly areo hoe: Tsisy afatsy mofo dimy die laokandrano roy mandy ny ato, raha tsy andeha hividy hanina ho amin-dreo hingatry. 14 Fa tokony ho dimy arivo lahy teo areo. Ka hoy Izy nagnontsy an'ny mpianatrany: Ampitomero aby ny olo ka atokotokoy ho dimapolo dimam-polo aby areo. 15 Die namboariny izany, die nampitoboiny aby izy marobe. 16 Nalain'i Jesosy ny mofo dimy miarak’amin'ny laokandrano roy, die nidràka tan-dagnitra Izy, ka nagnanôvany fisôrana, die nivakiny ka natolony an'ny mpianatra mba harosony egny agnivon'ny fokon'olo. 17 Die nihinagna izy marobe ka voky, ka nangonina izegny tsy lany, ka nahafeno tatao be roy ambin'ny folo.

Ny nagneken'i Petera an'i Jesosy ho Kristy

18 Indraik'andro, raha nivavaka tamin'ny mangingigna Jesosy, sady teo koa ny mpianatra, die nagnontany an'ny mpianantra Izy nagnano hoe: Iza no fiheveran'olo an'Aha? 19 Die namaly areo nagnano hoe: Jaona mpagnano Batisa, ny sasagny koa magnano Anao hoe: Elia, ny sasagny laha magnano hoe: Raike amin'iregny mpaminagny taloha iregny nitsangagna. 20 Fa hoy Izy tamin-dreo: Fa anareomagnano an'Aha ho iza? Die hoy Petera namaly nagnano hoe: Kristin'Agnahary. 21 Nampitandreminy mafy areo mba tsy hijakajaka an'izany amin'olo, 22 sady nampiany hoe: Ny Zanak'Olo * tsy mentsy hijaly mafy ka tsy eken'ny loholo mban'ny mpanora-dalàna, sady hovoniny, ka amin'ny andro fahatelo die hitsangagna.

Ny fomba fagnarahana an'i Jesosy

23 Die hoy koa Jesosy tamin-dreo, raha misy te-hagnaraka an'Aha, die lavo alohake ny tegnanao, sady hitondra ny kakazo fijaleny isan'andro ka hagnaraka an'Aha. 24 Na zovy na zovy te-hagnavotra ny aignany die hagnary an’azy, ka na zovy na zovy no hagnary ny aignany nohon'ny amin'Aha, die izy no ho vonjena. 25 Ka ino soa ho azon'olo, raha hoazony aby raha aby izao, kanefa very ny aignany na ny fagnahiny ka ho vôhelok'izy? 26 Fa izegny megnatra an'Aha, sady megnatra ny raha nijakaiko, die ho megnatra an'azy koa ny Zanak'Olo*, raha tonga ny voninahitàny mban’ny nen’ny Iabany, mban'ny anjely masina. 27 Iaho mijaka aminareo: Fa misy sasagny eto tsy mba hagnadragna fahafatesana mandra-pahitany ny fanjakan' Agnahary.

Ny niovan'i Jesosy tarehy tan-tendrombohitra

28 Tokony ho valo adiny tafarany nijakany an'izany, die nindany i Petera, izy amin’ny Jaona, die i Jakoba hiakatra angy an-tendrombohitra hivavaka. 29 Raha mbola nivavaka Izy die niova endrikan’ny tarehiny, ka ny raha nitafiny die nanjary fotsy sady namirapiratra. 30 Die nisy zalahy roy lahy nikorana tamin'Azy, die i Mosesy niarak'amin'i Elia, 31 niariary tamin-boninahitra sady nampilaza ny hahalasanany, tsy mentsy tanterahiny agny Jerosalema. 32 Efa te-hatory be i Petera mban'ny akamany, nefa nahari-tory mandy areo, die nahita ny voninahitr'i Jesosy miaraka amin'izy roy lahy tagnilany teo. 33 Ka laha nihataka teo izy roa lahy die hozy Petera tamin'i Jesosy: Tompoko, mety aminstena mitoboka eto ka hagnano tragno metsoIX telo eto ahay; ny raike ho Anao, ny raike ho an'i Mosesy, ka ny raike ho an'i Elia; efa tsy fantany koa raha zakainy. 34 Ka raha mbola nijaka an'izany izy, die nisy raogna nandrakotra an-dreo tao; ka raha niditra tagnaty raogna tao areo die nangoaigna mafy ny mpianatra telo lahy. 35 Nisy feo avy tagnaty raogna tao nagnano hoe: Zanako nisafidiko ity; tenoy Izy. 36 Raha nizanogna feo igny, die Jesosy raika mandy no hita teo. Nangina areo, ka tsy nisy nasay nijakajaka na tamin'ny zovy na tamin'ny zovy tamin'ny andron'io ny amin'ny raha hitany.

Ny nagnasitragnan'i Jesosy ny zaza lelahy nampijalen’ny demony*

37 Amaraignan’igny, raha nidigna avy tan-tendrombohitra areo, die nitsenaina fokon'olo enjagna i Jesosy. 38 Die nisy rangahy raike tamin'ny fokon'olo teo nangaika mafy hoe: Eh! Ramose, masìna Anao, mba mamindrà fo amin'ny zanako, fa lahy tokako izy io. 39 Fa voan'ny fagnahy ratsy izy, tampoka teo die nitoreo mafy izy, ka nitsipatsipaka sady namory fotsy aby ny raniviny, ka tsy avelan'ny fahagnahy ratsy na tsy torogna arỳ. 40 Ka nangataka tamin'ny mpianatranao aho hamôka an'azy fa tsy hafagny. 41 Namaly Jesosy nagnano hoe: Dorian'olo tsy mino, sady ratsy fagnahy, efa faovèna nitobohako taminareo teto izay sady nandeferako taminareo? Indeso atỳ ny zanakao. 42 Raha nagnantogna areo, die natsipatsipaky ny demoniny* izy sady nagnavy. Niroahin'i Jesosy ny fagnahy maloto ka sitragna le zalahy; die natolony an'ny iabany izy. 43 Zendagna areo marobe nohon'ny fahaizan'ny Zagnahary.

Ny fanindroin’ny nijakan’i Jesosy ny hafatesany

Fa raha mbola zendagna areo tamin'ny raha namboarin'i Jesosy, die hoy Izy nagnontsy an'i mpianatrany. 44 Aletegno tsara agnaty tadigninareo izany zaka izany, fa ny Zanak'Olo* die tsy mentsy atolotra antagnan'olo. 45 Nefa tsy fantan'ny mpianatra izany raha zakainy izany, sady takogna tamin-dreo ka tsy azony, nataotra areo hagnontany an'Azy an'izany.

Iza no tegna lebe?

46 Die nisy hevitra naniry tan-dohany, die ny amin'izay tegna lebe amin-dreo. 47 Fantatr'i Jesosy ny hevitra tagnaty fony, die nangala zaza raik'Izy, napetragny tagnivondreo teo; 48 ka hoy Izy nagnontsy andreo: na zovy na zovy mandramby an'ity zaza ity amin'ny agnarako die Iaho no rambaziny; ka na zovy na zovy mandramby an'Aha die mandramby izegny nagniraka an'Aha; f'izegny bitaka aminareo no tegna lebe.

Ireo mampiasa ny agnaran'i Jesosy

49 Namaly i Jaona nagnano hoe: Tompoko, nahita olo raika nandroaka demony* tamin'ny agnaranao ahay, ka nirarànay izy, satria tsy akamantsena. 50 Fa hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Aza raràna, fa izegny tsy manohitra anareo die miaraka aminareo.

Nandà tsy handray an'i Jesosy ny tanàna raike agny Samaritana

51 Ka laha efa ho avy ny andro hagnakarana an'i Jesosy, die nanapa-kevitra ho agny Jerosalema Izy. 52 Ka nadefa iraka heloa an'Azy Izy; die nandeha areo ka niditra tan-tan àna raike tagny amin'ny Samaritana, mba hagnomagna ny fandresana an'Azy. 53 Fa tsisy avy handray an'Azy ny olo, satria ho agny Jerosalema ny fizahan'olo an'Azy. 54 Laha nahita an'izany ary i Jakoba izy amin'i Jaona, die hoy areo hoe: Tompoko, tie ahay raha hijaka hoe: Mba misia afo milatsaka avy agny an-dagnitra handevogna an-dreo. 55 Fa nitodik'Izy ka nagnanatran-dreo mafy hoe: Tsy fantatrareo ny toetry ny fagnahy agnatinareo. Fa ny Zanak'Olo* tsy agnary ny aign'olo fa hamonjy an’azy. 56 Die lasa nifindra vohitra hafa Izy.

Ireo izegny magniry hagnaraka an'i Jesosy

57 Raha mbola tan-dalagna areo, die nisy olo raike nijaka tamin'Azy hoe: Na oaza na oaza ombanao die hagnaraka Anao aho. 58 Fa hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Ny amboadiaX manan-davaka; ny vorogna managna ny songony; fa ny Zanak'Olo* tsy mba managna ny anitrihany ny lohany. 59 Ka hoy Izy tamin'ny raika koa: Magnaraka an'Aha. Fa hozy navaliny: Tompoko, avelay aho alohake, handevigna an'iabako. 60 Ka hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Avelay ny maty handevigna ny maty amin'azy ao, fa anao koza, mandihana ka torio ny fanjakan'Agnahary. 61 Ka hoy koa ny raike: Tompoko, hagnaraka anao aho; fa avelay aho alohake andeha hagnano veloma ny olo aminay. 62 Die hoy navalan'i Jesosy an'azy: Tsisy olo mitagna angadina aomby mitoditodika, tsy magneva hiditra ao amin'ny fanjakan'Agnahary izany.

TOKO 10   

Nagniraka mpianatra fitopolo lahy Jesosy

1 Laha vita-aby izany, die nagniraka olo hafa koa ny Tompo, die zalahy fito-polo lahyXI; ka nirainy tsy roiroy heloa an'Azy agny amin’ny tanàna mban'ny tany marobe efa nandalovany. 2 Ka hoy Izy tami-dreo; Enjagna ny vokatra, fa ny mpambely hamatra, ka mangataha amin'ny tompon'ny vokatra mba hagnirahany mpiasa hagnangona ny vokatra. 3 Mandihana, fa magniraka anareo Aho ôtran'ny zanaka ondry agnivon'ny amboadia. 4 Aza mitondra pôketra, na tantim-batsyXII, na kapa; sady aza magnosafa olo mihintsy egny an-dalagna. 5 Amin'ny tragno izegny hidiranareo, die zakay aloha hoe: Fedanana ho amin'ity tragno ity. 6 Ka raha misy zanaky ny fedanana ao, die hitoboka amin'azy ao ny fedanana tognominareo; fa raha tsisy, die hipody aminareo mandy izany. 7 mitoboha amin'ny tragno izegny mandray anareo, ka mihinàna sady minòma, laha magnome raha anareo izy; fa ny die mpiasa magneva omena ny karamany. Aza mifindrafindra tragno. 8 Amin'ny tanàna hidiranareo, raha mampandroso anareo ny olo, die hano aby ny raha arosony anareo. 9 Izegny marary ao die sitragno, ka zakay amin'olo hoe: Efa magnakeky anareo ny fanjakan'Agnahary. 10 Amin'ny tanàna hidiranareo, ka tsy mampandrosoanareo ny olo, die mandihana an-kianja be, die zakay hoe: 11 Na ny fotaky ny tanànanareo nipendagna amin'ny tongotranay aza die ahintsagnay eto hempanga anareo; nefa fantaro fa efa magnakeky ny fanjakan'Agnahary anareo. 12 Aho mijaka aminareo fa mbola moramora ny nahazo an'i Sodema noho, ny hahazo an'izany tanàna izany.

Izegny tanàna tsy mety mino

13 Hidiran-doza anao a Korazina! Hidiran-doza anao Besaida! Faha raha tagny Tirô izy amin'ny Sidôna no nagnanôvana ny asa lebe natao taminareo, die efa ela izy no nibebaka ka efa ela no nitafey lambana malahelo mitoboka ampatagna. 14 Fa ho moramora ny hitsaràna an'i Tyrô izy amin'ny Sidôna toy izay ny aminareo. 15 Anao a Kapernaomy, ka hasondrotra hatra an-dagnitra agny anao an? Hajotso hatra amin'ny afobe agny anao an? 16 Izegny miteno anareo die miteno an'Aha; izegny mandà anareo die mandà an'Aha, ka izegny mandà an'Aha die mandà izegny nagniraka an'Aha.

Ny fipodèn’ny mpiantra fitopolo lahy

17 Nipody tamin-kafalena areo fitopolo XIII lahy, ka nagnano hoe: Tompoko, na ny demony aza, die nieky anay nohon’ny agnaranao 18 Die namaly: Jesosy nagnanohoe: Hitako i Satana* latsaka avy tan-dagnitra ôtran'ny varatra. 19 Efa nomeko anareo fahefana handia menaragna mbana hala sady handresy ny karazankery amin'ny fahavalonareo, ka tsisy hagnahy anareo. 20 Kanefa aza mifaly anareo fa hoe magneky anareo ny fagnahy ratsy, fa ny agnaranareo vôsoratra agny an-dagnitra no hifalio.

Ny fifalian'ny Zanaka

21 Tamin'ny andron'io die nanagno hafalena tamin'ny Fagnahy Masina Jesosy ka nivavaka hoe: Baba, Tompon'ny tany aman-dagnitra, midera Anao Aho, f'efa nomena ny olo-kendry mban'ny manan-tsaigna izany ka natoronao an'ny zamadinika; eka, Baba a! sitrakao izany. 22 Efa nomen’ny Iabako an’Aha aby ny raha maro be; ka tsisy mahafantatra ny Zanaka afa-tsy Iaba, sady tsisy mahafantatra an'ny Iaba afa-tsy Zanaka miaraka amin'ny izegny tian'i Zanaka hagnatorôna an'Azy.

Ny fahasambaran'ny mpianatra

23 Nitodika tamin'ny mpiantra Izy, die nijaka manokagna tamin-dreo hoe: Sambatra ny maso mahita izegny raha hitanareo. 24 Iaho mijaka aminareo fa enjagna ny mpaminagny mbana mpanjaka nagniry hahita ny raha hitanareo, fa tsy nahita, sady nagniry ny haregny ny raha regninareo, fa tsy naregny.

Fagnoharana ny amin'ny Samaritana tsara fagnahy

25 Nisy mpahay lalàgna raike nitsangagna hangala fagnahy an'i Jesosy hoe: Eh! Ramose, ino ny raha ataoko mba hadovàko an’izany fiaignana mandrakizay izany? 26 Ka hoy Izy nagnontsy an'azy: Ino ny vôsoratra ao amin'ny lalàgna ao? Magnano akory ny famakianao an'azy? 27 Namaly izy hoe: «Tiavo NY TOMPO Zagnaharinao, amin'ny fonao, amam-pagnahinao manontolo, amin'ny tanjakao, amin'ny saignanao» (Deo 6:5); sady, «Tiavo ny akamanao ôtran'ny fitiavanao ny tegnanao» (Lev 19:18). 28 Ka hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Marina izany, tanteray izany die ho velogn'anao. 29 Te hagnamari-tegna izy nagnano hoe: Ka iza ny akamako? 30 Ka hoy Jesosy namaly nagnano hoe: Nisy zalahy raike nidigna avy tagny Jerosalema ho agny Jeriko ka nitafihin'ny dahalo, die nalainy ny lambany sady nilamolamoiny izy die navelany teo, raha efa hofaty. 31 Sendra nisy mpisorogna raike nandalo tamin'ny lalagn'io, ka raha nahitan'ny zalahy io izy die nandalo mazagna. 32 Ôtran'izany koa ny Levy* raike, die nadalovany fotsiny, raha nahitan'io izy. 33 Fa nisy Samaritana* raike nandalo, avy lavitra, ka nalahelo izy raha nahita an'i le zalahy io. 34 Nagnantogn'izy ka nifatorany ny bainy, sady nosorany ilo mbana divay; zay vao nandebany tamin'ny sô-valiny, ka nindany tan-dragnombahiny, sady nitsaboiny. 35 Amaraignan'igny, die nangala vola denaria* roy XIV izy, nomeny ny tompon’ny tragnom-bahiny sady nagnano hoe: Tsaboy izy ka na ôtrino na ôtrino laninao mihôtra an’io die onerako, laha mipody aho. 36 Iza amin'ny zalahy telo lahy regny arike no mety lasa akaman'ny le zalahy nitafitin'ny dahalo io? 37 Die hoy izy: i zalahy raike nagnavotra an'azy igny. Die hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Mandihana, ka magnanôva ôtran'izany koa.

Jesosy tandragnon'i Marta izy amin’i Maria

38 Raha lasa areo, die niditra tamina vohitra raike i Jesosy. Ka nisy zavavy raike angihana hoe: Marta izany nampandroso an'Azy tandragnony. 39 Nanagna rahavavy izy angihana hoe: Maria, izy io die nitoboka tagnilan'i Jesosy teo, mba hiteno ny raha nikoraniny. 40 Sahiragna tamina fagnamboarandraha be i Marta; die nijaka izy tamin'i Jesosy: AzafadyXV, tsy mampagnino Anao aho avelan'ny rahavaviko hiasa raike eto an? Zakay izy hitahy an'aha. 41 Hoy Jesosy namaly nagnontsy: E! Marta, e! Marta, maro lôtra ny raha manahiragna anao, be raha manahiragna anao; 42 raha tokagna mandy no ilaina, efa nifidy ny anjara tsara i Maria, tsy azo alaina amin'azy izany.

TOKO 11   

Jesosy sy ny vavaka

1 Indraik'andro, nitoboka nivavaka i Jesosy, ka laha nijanogna nivavaka Izy die nisy mpianatra raike nagnontany an'Azy hoe: AzafadyXVI, mba ampenaro mivavaka ahay, ôtran'ny nampenarin'i Jaona ny mpianatrany. 2 Ka hoy Izy nagnontsy an'azy: Raha mivavaka anareo die magnanôva hoe: An-dagnitra agny Iabanay! Hamasinina ny agnaranao.XVII Ho avy ny fanjakanao. 3 Omeo rahanina isan'andro ahay. 4 Avelay ny fahotanay, mba hamelanay izegny nagnano ratsy anay. Aza indesina amin'ny fangalam-pagnahy ahay. 5 Hoy koa Jesosy tamindreo: Iza aminareo managna akama mandondognareo amin'ny sasakaligna magnano hoe: Eh! Lehano mba ampitrosavy mofo telo etsy aho; 6 ka tonga amin'aha ao ny akamako avy talavitra tagny ka tsy managna raha omena an'azy aho; 7 die hamaly ny an-dragnony ka hagnano hoe: Aza mangelingeligna araha, fa efa mihidy varangaragnanay io sady tsy afaka hifoha agny koa aho fa efa mandry aby ny vady aman-janako. 8 Iaho mijaka aminareo fa hifoha mandy izy na ela ny ela, nony fitaraignan'ny akamany ka hagnome ny raha ilainy. 9 Ka hoy Aho: Aminareo hoe: Mangataha die omena anareo, dondogny die voahina anareo. 10 F'izegny mangataka mandy no omena; sady izegny miaragna mandy no hahita; izegny mandondogna mandy no voahina. 11 Iza aminareo Ray aman-dreny; Hagnome vato an-janagny, la hangataka mofo aminareo izy, na hagnome bibilava an'azy, la hangatahany amalogna, 12 na hagnome an'azy hala, raha atody no angatahiny? 13 Anareo ôtran'izao aza, malala magnome raha tsara an-janakareo, vômeka i Abanareo agny an-dagnitra, hagnome ny Fagnahy Masina anareo la mangataka amin'Azy anareo?

Mifandray amin'ny demony va Jesosy

14 Nadrôka demony * môgna Jesosy ka laha afaka ny demony*, die afa nijaka ny môgna, ka die zendagna aby ny fokon'olo. 15 Fa hozy ny sasagny an! Belzeboba*, leben'ny demony*, ny nadroahany ny demony*. 16 Ny sasagny koza nitsapa fagnahy an'Azy ka nangataka famantarana avy agny an-dagnitra. 17 Fantatr’i Jesosy ny hevitrany, ka hoy Izy nagnontsy andreo: Ho fôgna tsy ho hisy koa ny fanjakana izegny miady an-dragno; ho rava ny fianakavena miady an-dragno. 18 Ka raha miady an-dragno mandy koa Satana, die akory ny hampaharitra ny fanjakany amin'ny izany? Hozy anareo hoe: Belzeboba * no androahako ny demony*. 19 Raha amin'ny herin'ny Belzeboba*, no androahako ny demony* die amin'ny herin'iza are, ny androahan'ny zanakareo an'azy? Mpitsara anareo amin'izany. 20 Fa raha ny ratsatagnan'Andrianagnahary no androahako ny demony*, die ho avy aminareo tegnany ny fanjakan'Agnahary. 21 Raha Zalay matanjaka sady managna fitaovam-bedèna tsara no miambigna ny tragnony, die tsy hagnino mihintsy ny fanagnany. 22 Fa raha tonga koza ny mantanjaka amboniny, ka resy arỳ, die alainy aby ny fedèny nampireharena an'azy io, ka ataony andevo arỳ. 23 Izegny tsy miaraka amin'Aha die manohitra an'Aha; sady izegny tsy miaraka magnangona amin’Aha die magnaparitaka.

Ny fipodianan'ny fagnahy maloto

24 Ny fagnahy maloto raha mivôka amin'olo die mandeha mitety tany tsisy rano agny izy melegnina, ka laha tsy mahita izy, die hoy izy an! Andeha hipody agny amin’ny tragno niboahako aho. 25 Ka raha tonga ao izy, ka mahita an'azy madio sady vôhengo tsara. 26 Die lasa izy mitarika fagnahy fito hafa koa, ratsy ambonimbonin’ny, ka mitoboka ao areo; ka ny hafaran'ny olo io die ratsy ambonimbonin’ny tamin’ny vôlongany.

Ny tena fahasambarana

27 Laha avy nijaka an'izany Jesosy, die nisy zavavy raike tamin'ny fokon'olo teo nagnano hoe: Sambatra ny troka nitondra Anao, sady sambatra koa ny nono nihonoanao. 28 Fa hoy Izy namaly hoe: Eka! Marina izany, kanefa tena sambatra ny olo miteno ny raha zakain'Agnahary ka mitandrigna an'izany.

Ny famantarana ny amin'i Jônà sy ny Zanak'Olo

29 Raha mbola nitangorogna teo ny fokon'olo die hoy Izy an!: Taranaka ratsy ity taranaka ity. Famantarana fotsiny, ny raha eragniny; nefa tsisy famantarana omena an'azy afatsy ny amin'i Jônà; 30 ôtran'ny famantarana tamin'i Jônà tagny Ninivè, die ôtran'izany mandy koa ny Zanak'Olo* amin'ity taranaka ity. 31 Hiaraka hitsangagna amin'ny manafo lahy amin'ity taranaka ity ny mpanjakavavy avy tagny antsimo, amin'ny andro fitsarana, ka hagnameloka an'azy, fa avy tagny amin'ny faran'ny tany no nitenoany ny fahendren'i Sôlômôna; nefa eto die misy lebe ambonin'i Sôlômôna. 32 Hiaraka hitsangagna amin ńy taranaka ity ny olo tagny Ninive amin'ny andro fitsarana ka hagnameloka an'azy, fa ny toritenin'i Jônà no nampibebaka an'azy, nefa eto die misy lebe ambonin'i Sôlômôna.

Ny jiron'aigna

33 Tsisy olo mandrenitra jiro ka apetragny an-davaka, na ataony ambanina dabam-bary, fa apetragny amin'ny fasena an'azy mba ho hitan'olo ny mazava. 34 Ny maso no jiron'ny vatategnanao; mazava ny vatategnanao raha tsara ny masonao, fa laha ratsy ny masnao die mizigna ny vatagnao. 35 Mitandrema are! sao die manjary mizigna ny mazava efa agnatinao ao. 36 Fa raha tsy mifangaro amin'ny ezigna ny mazava agnatinao die hazava aby ny vatagnao marobe, ôtran'ny jiro mirehitra tsara magnazava anao.

Magnameloka ny Fariseo mban’ny manampahaizana momba ny Lalàgna i Jesosy

37 Raha mbola nijaka i Jesosy, die nisy Fariseo* raike nampandroso an'Azy hiaraka hihinagna amin'azy, die niditra Izy ka nitoboka hihinagna. 38 Die zendagna ny Fariseo, raha nahita an'Azy tsy nanasa tagnana alohan'ny hihinagna. 39 Fa hoy ny Tompo nagnontsy an'azy: Anareo die tsy tapaka magnadio ny jinga mban'ny lovianareo, nefa ny ao agnatinareo feno halatra feno haratsena. 40 Môla anareo! Tsy fantatrareo fa Izegny manasa ny ambelagny no manasa ny agnatin'ny mandy koa? 41 Izao fotsiny: enaro tsara alohake nu hanasa ny raha agnatiny, die madio ho anareo ny raha marobe. 42 Fa hidiran-doza anareo Fariseo*! Satria anareo die mandoa ny ampafolon'ny raha anagnanareo marobe, nefa andalovanareo fotsiny ny fitsarana mban’ny fitiavana an’Agnahary, marina fa tsy mentsy atao izany, nefa tsy azonareo azanogna fotsiny eo ny sisa. 43 Hidiran-doza anareo Fariseo*! Fa tia mitoboka aloha amin'ny synagoga* lôtra anareo sady te ho arabain'olo egny an-tsena egny. 44 Hidiran-doza anareo, fa anareo die ôtran'ny kobory tsy hitan'olo, ka diadiany fotsiny. 45 Ny mpanora-dalàna raike namaly nagnano hoe: E! Ramose!XVIII Mangala baraka anay, ny raha zakainao zany. 46 Ka hoy Jesosy an: Hidiran-doza mandy koa anareo mpanora-dalàna! Satria mampitondra entagna tsy leon’olo, nefa na die ny ratsan-tagnanareo tokagna aza tsy mibata aby. 47 Hidiran-doza anareo! Fa anareo die magnano kobory ho an'ny mpaminagny, nefa ny razagnareo mandy no namono an'azy. 48 Die vavolombelogna anareo, ka nekenareo; satria izy namono, ka anareo no mpagnano ny fasagnany. 49 Izany no nagnanôvan'ny fahendren'Agnahary hoe: Agniraka mpaminagny mbana Apostoly amin'Azy agny Aho, ka ny sasagny voniny , ny sasagny enjehiny, 50 mba hagnontanena an'ity taranaka ity ny ràn'ny mpaminagny enjagna be nivoniny hatramin'ny namorognana ny raha aby izao, 51 die manomboka amin'ny ran'i Abela ka hatramin'ny ràn'i Zakaria, nivoniny tagnelagnelan'ny alitara miaraka amin'ny Tempoly*. Eka, Iaho die mijaka aminareo marina fa hagnontanena an'ny taranaka ity izany. 52 Hidiran-doza anareo mpanora-dalàna, satria nalainareo ny lakile ny fahalalàna; anareo tsy te hiditra, ka bahagnanareo ny lalagnan'ny te hiditra. 53 Ka raha niala tao Jesosy, die tena nofôrseny Izy sady nagnontaneny raha enjagnabe. 54 Mba hamandrihany an'Azy tamin'ny raha ijakain'ny vavany.

TOKO 12   

Iregny mijaka fa tena mpagnaradia an’i Jesosy

1 Tamin'izay, die andrivony manery ny olo tafangona nifandevilevy tsisy ombana, die hozy Jesosy nagnontsy an'i mpianatrany: Mitamdrema tsara anareo sao die azon'ny masimasinan'ny Fariseo*, fetsarambelatsihy an'izany i! 2 Tsisy raha avony tsy ho hita izany, na ny takogna aza mbola ho fantatra. 3 Ka na ino na ino raha zakainareo ao amin'ny mezimezigna agny die tsy mentsy regny ao amin'ny mazava; na izegny raha vitsikitsihinareo amin'ny mangingigna agny, die tsy mentsy atao kokambo an-tafo-tragno. 4 Izao no zakaiko aminareo sakezako: Aza mangoaina amin’ny raha ahafaty ny nofo, nefa raha vita izany, die tsy havita ino amin’io koa. 5 Fa izao mandy no ataory: Die izay managna fahefana hagnary anareo agny amin'ny afo be, agny raha maty anareo, mbola apotidiko mandy hoe: Matahorà an'Azy. 6 Tsy iraimbilanja* mahazo fody dimy an? Kanefa tsisy adigno aby io na die raike amin'Jagnahary. 7 Fa na die ny volon-dohanareo aza die vôisany aby. Aza mangoiana fa ambony lavitra nohon'ny fody anareo. 8 Aho mijaka amin'areo, fa na zovy na zovy magneky an'Aha eo agnivon'olo die magneky an'azy koa ny Zanak'Olo* eo agnivon'ny anjelin'Agnahary; 9 F’izegny tsy magneky an'Aha eo agnivon'olo die tsy ekena mandy koa eo agnivon'ny anjelin-Agnahary. 10 Na zovy na zovy magnano raha hanoerana ny Zanak'Olo* die hahazo famelan-keloka mandy; fa izegny magnompa na mamatra ny Fagnahy Masina, die tsy mba hahazo famelan-keloka. 11 Raha andesin-dreo agny amin'ny synagoga* mban’ny mpanapaka mban'ny manampahefana anareo, die aza magnahy amin'ny raha zakainareo, na amin'ny raha havalinareo; 12 fa atoron'ny Fagnahy Masina anareo eo no eo mandy ny raha ho zakainareo na ny raha havalinareo.

Fagnoharana ny amin'ny mpanankarena môla

13 Nisy olo raike tamin'ny fokon'olo, nijaka tamin'i Jesosy hoe: E! Ramose XIX, mba zakay ny rahalahiko, mba hizara lova amin'aha. 14 Fa hoy Izy nagnontsy an'azy: E! Lehano, iza no nagniraka an'Aha ho mpitsara na ho mpizara ny lovanareo? 15 Die hoy Izy tamin'olo teo, Mitandrema tsara anareo mba tsy ho torizina; fa ny fagnahin'olo tsy miankigna amin'ny hamarozan'ny raha anagnany. 16 Die nagnano fagnoharana tamin-dreo Izy nagnano hoe: Namokatra be ny tanin'ny zalahy raika mpanankarena ity. 17 Ka nieritreritra izy hoe: Akory atao fa tsy managna tragnambo lebe hagnangonako ny vokatran'aha ito aho? 18 Die hoy izy an: Izao ataoko : Ravaiko ny tragnamboko io ka ataoko lebebe, die avoriko ao aby ny variko mban'ny fanagnako maro be. 19 Ka ifaly eke aho fa afakangoaignana aho amin’izay, sady manankaregna. 20 Ka hoy Zagnahary nagnontsy an'azy: Môla marina anao, raha alaina aminao niany aligna ny fagnahinao die ho an'iza aby raha alagnonanao io? 21 Ôtran'izany ny anjo ny olo mangoron-karegna ho an'ny tegnany nefa tsy mba magnantegna haregna amin-Jagnahary.

Ny fatokisana an’Agnahary

22 Ka hoy Jesosy nagnontsy an'i mpainatrany: Raha izany arika die izao ny raha zakaiko aminareo: Aza magnahy ny amin'ny hanina hivelomanareo, na ny raha hitafianareo; 23 fa ambony nohon'ny hanina ny aigna sady mihoatra lavitra nohon'ny raha tafiana ny vatagna. 24 Diniho ma ny gôgôka e! Tsy mba mamboly na mambely, sady tsy managna tragnambo, nefa Zagnahary mamelogna an'azy; tsy ambonimbonin'ny vorogna anareo an? 25 Iza aminareo, na die magnahy aza, no mahay magnalava ny andro iaignany; na die bitaka fotsiny aza? 26 Ka raha ny bitika aza tsy hainareo, magnino anareo miasa loha amin'ny raha maro be? 27 Diniho ny voninkazo, tsy mba miasa na manjaitra; kanefa Aho mijaka aminareo fa na die i Sôlômôna tamin'ny fanjakany aza tsy mba nitafy mitovy na die raika tamin'iregny. 28 Ka raha ny ahitra an-tsaha aza ampitafin-Jagnahary ôtran'izany tsy voameka azalahy anareo? Tsy ampy finôna anareo. 29 Ka aza miaragna ny raha hohaninareo na ny raha nominareo koa, sady aza die mikarasoka raha enjagna lôtra. 30 Fa ny olo tsy mivavaka ambony tany eto die izany aby ny raha karasoin-dreo; fa fantatry Iabanareo fa ilainareo izany. 31 Kanefa eragno alohake ny fanjakan'Agnahary die omena ho fagnampiny ho anareo aby izany. 32 Anareo no ondry vitsy, aza mangoaigna, fa efa foin'i Aban'areo homena anareo ny fanjakany.

Rakitra agny an-dagnitra

33 Amidio aby ny raha anagnareo, ka omeo ny mahantra, (magnanôva) tantim-bola tsy mety tonta ho anareo, die rakitra tsy mety lany agny an-dagnitra; tsy azon'ny mpangalatra, sady tsisy kalalao manimba. 34 Fa izegny misy ny haregnareo, no misy ny fonareo.

Fagnoharana ny amin'ny fotoam-piambenana

35 Asevo hetra ny andilagnareo sady ariheto ny jironareo. 36 Magnanôva ôtran'ny olo mandigny ny lebeny avy agny amin'ny fangataham-bady, ka rahatonga mandondogna izy die voany. 37 Sambatra ny mpiasa tratrin'ny lebeny miambigna raha tonga izy. Aho die mijaka aminareo fa hifetika sikina ny lebeny ka hampitoboka an’azy hihinagna, ka die hihinagna izy. 38 Ka raha tonga ny fembenana faharoy mban'ny fahatelo, ka tratrany miambigna fehizay izy, die fahasambarana ny an'ny mpiasa io. 39 Fantaro tsara fa raha fantatry ny tompo-tragno ny fotoagna heven'ny mpangalatra, die hembenany tsara mba tsy ho taomin'olo tao aby ny entagnany. 40 Miomagna mandy koa anareo, fa amin'ny fotoagna tsempoizinareo die ho avy ny Zanak'Olo*. 41 Ka hoy Petera an: AzafadyXX, ka aminay mandy ma ijakanao an'izany fagnoarana izany sa amin'ny fokon'olo koa? 42 Ka hoy ny Tompo: Iza ny mpikarakara-panagnana atokisana sady hendry ka nitendren'ny lebeny hibeko ny mpiasany hagnome hanina an'azy amin'ny lerany? 43 Sambatra ny mpiasa tratrin'ny lebeny magnano ôtran'izany raha tonga izy. 44 Sahiko mijaka aminareo fa apetragny amin'azy aby ny fikarakarana ny fanagnany manontolo. 45 Fa la mieritreritra koza mpiasa io, ka magnano hoe: Mbola ela vôtonga vao ny lebeko, ka mamango ny mpiasa izy na lelahy ne viavy, sady magnararaotra mihinagna sady mihinogna ka mamo, 46 die tonga amin'ny lera tsy ampoiziny ny lebeny, die ho lamolamoiny marehy izy, ka alefany agny amin'ny figadràna. 47 Ny mpiasa mahalala ny heven'ny lebeny ka tsy miomagna na magnano sitrapo die vangoina marehy. 48 Fa izegny tsy mahalala koza ka magnano raha hamangôna an'azy die vangoina mandy fa bitake. Izegny nomena be, die be no takena amin'azy, ka izegny nampagnasarezina be, die be koa no agnotanena an'azy.

Jesosy, anton'ny fisarahana

49 Tonga Aho, anipy afo ety ambon'ny tany, ka magnano akory ny fagniko mba ampirehitro an'izany malaky? 50 Managna batisa agnanôvana batisa an'Aha Aho, mandram-pahatanterahako an'izany die fijalena magnano akory no eretako? 51 Everinareo izany fa hitondra fihavanana eto ambanin'ny tany Aho? Tsiare, fampisarahana aza! 52 Manomboka amin'zao ny olo tragno raike die hisy dimy tsy hifagnara-kevitra, ny telo hanohitra ny roy, ny roy hanohitra an'ny telo. 53 Tsy hifagnara-kevitra areo, ka ny zanagny lahy hanohitra an'i abany, i abany hanohitra an'ny zanagny lahy, ny zanagny viavy hanohitra an'ny endriny, ny endriny hanohitra an'ny zanagny viavy; ny rafozambaviny hanohitra an'ny vinantovaviny ka ny vinantovaviny hanohitra ny rafozambaviny.

Ny fahafantarana ny toetran’ny andro

54 Ka hoy i Jesosy nagnontsy an'ny fokon'olo teo: Anareo laha mahita raogna avy andrefagna die hozy anareo an: Ho avy ny erika, die avy tokôtre. 55 Ka raha avy agny antsimo ny rivotra, die hozy anareo an: Hafàna ny iandro, die tonga tokôtre. 56 Mpetsaravelatsihy anareo, hainareo ny mamantatra ny toetran’ny tany aman-dagnitra, ka akory tsy ahafantaranareo an’izao andro diavintsena izao?

Ny fifandaninana amin'izegny managna ady aminao

57 Aôna tsy ahaizanareo mamantatra ny marina? 58 Fa raha miaramandeha amin'ny olo managn'ady aminao anao ho egny amin'ny fitsaràna, die ataovy malaky izegny raha evananao amin'azy, raha mbola egny an-dalagna, fa sao die tongany egny amin'ny mpitsara anao, ka alefany mpitsara agny amin’zandary anao, ka ny zandary agnidy anao andragnomizigna. 59 Iaho die mijaka aminao, fa tsy ho afaka ao mihitsy anao mandra-pandoavanao ny sazinao farany.

TOKO 13   

Ny Galelianina nivonin’i Pilato

1 Ndraik'andro nisy olo sasagny tonga nagnontany an'i Jesosy, ny amin’ny raha nahazo an’ny Galelianina, fa nalatsak'i Pilato tamin'ny raha nataondreo ny ràny. 2 Fa hoy Jesosy namaly an'azy: Evenareo zany fa ny Galelianina iregny no tegna mpanota ambonin'ny Galelianina maro be satria nidiran-doza ôtran'izany areo? 3 Tsiaré, fa la tsy mibebaka mandy koa anareo, die ringagna ôtran-dreo koa. 4 Everinareo zany fa ny olo valo ambin'ny volo nitrotrahana tilikambo ta Siloama igny no tegna mpanota ambonin'ny olo maro be mipetraka a Jerosalema? 5 Tsiare, fa la tsy mibebaka anareo, die ho ringagna ôtran-dreo mandy koa.

Fagnoharana ny amin'ny aviavy tsy namoa

6 Die nagnano fagnoharana koa Izy hoe: Nisy zalahy raike namboly aviavy tantanim-boliny, afaka kelikely die nagnantogna teo arỳ mba hiaragna isiny nefa tsy nahita. 7 Ka hoy izy tamin'ny mpiasan'ny tanimboliny: Efa telo taogna izay aho niaragna isiny tamin'ny ity aviavy ity, nefa tsy nahita; tapay agny io fa mandratra tany fotsiny; ino ataon'ity eto? 8 Ka hoy navalin'ny mpiasa hoe: AzafadyXXI, avilay eo eky izy, fa karakaraiko amin'ny taogna ity; 9 mbola hamoa mandy angamba izy; fa raha tsy mamoa izy die ho tapaiko mandy.

Ny nagnasitranan'i Jesosy vehivavy kilemaina iray tamin'ny andro Sabata*

10 Nampianatra tamina synagoga* raike i Jesosy tamin’ny Sabata * izay. 11 Hisy viavy raike izay azon'ny demony* efa valo ambin'ny folo taogna, tsy afaka nidràka izy sady mirambokoka satria managna aretin-damoisigna. 12 Ka la nahita an'azy i Jesosy, izy die nangaika ka nagnano hoe: E! Endrin'ny raha, afaka tamin'ny aretignanao ianao. 13 Sady nametrahany tagnana Izy; ka nahafaka nidràka sady nagnome voninahitra an'Andrianagnahary. 14 Vignitra an'i Jesosy ny anefa leben'ny synagoga * satria nagnasitragna tamin’ny andro Sabata* i Jesosy, ka hoy izy nagnontsy an'i fokon'olo: Enin’andro no azontsena esàna ka mitongava raha te ho sitragnina, fa tsy amin'ny andro Sabata *. 15 Hoy ny Tompo nagnontsy an'azy an: Mpetsaravelatsihy, iza aminareo no tsy mamôka ny aombiny mban'ny borikiny tambala ka hagnome rano hinominy amin'ny andro Sabata*? 16 Ka ity raviavy ity die taranak'i Abrahama, nifatoran'i Satàna* valo ambin'ny folo taogna be izao, ka tsy tokony vahana amin'ny andro Sabata * an? 17 Raha avy nijaka an'izany Izy die sanganehagna aby ny olo nanohitra an'Azy teo, fa faly koza ny fokon'olo tamin'ny raha nalaza namboariny.

Fagnoharana ny amin'ny vôntsinapy

18 Ka hoy Izy an: Ôtran'ino ny fanjakan'Agnahary? Ino ny agnoarako an'azy? 19 Hoariko amina vôtsinapy nambolen'olo tamin-tanimboliny, die nitombo ka nanjary kakazo be, ka nataona vorogna fipetrapetrahana ny sampagny.

Tery ny varangaragna

20 Ka hoy koa i Jesosy an: Oariko amin'ino ny fanjakan'Agnahary? 21 Ôtran'ny levira naharoharon’ny zavavy raike tamina lafarinina telo kapôka mba hampitombo ny koban-dafarinina.

Ilay varavarana ety

22 Ka die nitety tanàna mbana vohitra maro i Jesosy, nampianatra sady nagnitsy ho agny Jerosalema. 23 Nisy zalahy raike nagnontany an'Azy: Azafady ramose XXII, ka olo vitsy izany no vonjena an? Ka hoy Izy nagnontsy an'olo teo: 24 Milera hiditra amin'ny varangaragna tery anareo; Aho die milaza aminareo fa enjagna be ny olo te ho agny fa tsy afaka. 25 Tavela ambi-tragno ao anareo raha magnidy varangaragna ny tompo-tragno, ka handondogna anareo hagnano hoe: Azafady RamoseXXIII mba voay ahay, die hoy ny havaliny an: ndre tsy fantatro aby anareo na olo avy aia. 26 Ka amin'izany anareo die hagnano hoe: Nihinagna sady ninogna tagnivonao teo ahay, sady nampenarinao tankianja tegny koa ahay. 27 Fa ho valeny hoe: Efa mijaka aminareo Aho fa tsy fantatro ny fevenareo; fa menga teto, fa olo tsy manjary anareo. 28 Amin'izay vô hisy fitomagnena mbana fanegnenana, raha mahita an'i Abrahama, Isaka, Jakoba mban'ny mpaminagny maro be eo amin'ny fanjakan'Agnahary anareo, nefa anareo vôrôka ambelagny agny. 29 Ka hisy olo ho tonga avy agny antsinanana, andrefana, avaratra, atsimo, hitoboka hihinagna eo amin'ny fanjakan'Agnahary. 30 Ka hisy vôlongany lasa farany, ny farany manjary vôlongany.

Jesosy sy Jerosalema

31 Tamin'ny andron'io die nisy Fariseo* sasagny nagnatogna an'i Jesosy ka nijaka hoe: Mandihana Anao milefa fa hamono Anao i Herôda. 32 Ka hoy Izy nagnontsy andreo: Ndihana zakay amin'ny amboadihyXXIV hoe: Magnasitragna sady mandrôka demony* Aho niany ny amaraigna, fa ambadike amaraigna, die ho tanteraka ny amin'Aha. 33 Kanefa tsy mentsy mandeha mandy Aho niany sy amaraigna, ambadike amaraigna; fa ny mpaminagny tsy azo vonina, raha tsy agny Jerosalema. 34 E! Jerosalema, E! Jerosalema, nivoninao ny mpaminagny sady nitilinao vato ny olo nirahina tagny aminao, impiry ma Aho tehandagnona ny zanakao ôtran'ny akoho magnotrogna ny zanagny ambanin'ny elatrany, fa tsy avy anao! 35 Ka havela aminareo ny tragnonareo! Fa zakaiko aminareo, fa tsy ahita an'Aha koa anareo mandrapizako hoe: «Isôrana izay avy amin'ny agnaran'NY TOMPO*» (Sal 118:26).

TOKO 14   

Fagnasitragna hafa koa tamin'ny andro Sabata*

1 Ndriaka andro i Jesosy raha niditra hihinagna tan-dragnon'ny zokiolon'ny fariseo * raike izay tamin’ny andro Sabata*de nitsikilovin-dreo. 2 Ka sendra nisy zalahy raike maty ilaXXV izay tagnivony teo. 3 Die hoy Jesosy nagnontany andreo mpahay lalàgna mban'ny fariseo* hoe: Mety sa tsy mety ny magnasitragna amin'ny andro Sabata*? 4 Tsy avy areo hijaka. Hitsaboin'i Jesosy le zalahy igny, ka nahafaka die navelany nadeha. 5 Ka hoy Izy nagnontsy andreo: Iza aminareo managna borikyXXVI mbana aomby latsaka agnaty dobo ka tsy angala an'azy tao amin'ny andro Sabata*? 6 Tsy nanagna raha nijaka areo tamin'izay.

Mifidy ny ilasy afara

7 Raha hitan'i Jesosy fa tia mifidifidy fitobohana alohaloha aby ny olo nafarana die nagnano fagnoharana Izy hoe: 8 Raha misy olo mangala anao hagnatrika fampekaram-bady, die aza tia mitoboka aloha, sao die hisy olo manan-kaja ambonimboninao nafaran-dreo, 9 ka hijaka aminao izy aveo hoe: Mifindrà afara erỳ anao fa hitobohan'olo eto, die ho megnatra anao hifindra amin'ny fitoboha afara be egny. 10 Fa raha misy olo magnasa anao, die mitoboha amin'ny fitobohana afara, ka raha tonga ny olo nagnasa anao, die hijaka aminao hoe: Azafady a iabany fa misy pilasy malalaka ho anao aloha etỳ, die managna haja amason'olo enjagna be mihinagna eo anao. 11 F'izegny magnambony ny tegnany die ajotso, ka izegny manjotso ny tegnany die hasondrotra ka hasandratra.

Fagnasana ny mahantra

12 Ka hoy Jesosy tamin'olo nagnasa an'Azy: Raha magnasa olo hihinagna amin'ny andro atoandro na amin'ny andro aligna anao, die tsy vôtery ny akamanao na ny rahalahinao, na ny havanao, na ny akamanao mpana-karena no asainao fa sô die hagnasa anao hihinagna koa areo, ka vôvaliny ny raha nataonao. 13 Fa raha magnasa olo anao, die ny mahantra, ny kilemaigna, ny malemy, ny jamba; 14 die ho sambatra anao, satria tsy mba manan-kavaly anao areo; fa Zagnahary hamaly anao amin'ny fitsanganan'ny marina.

Fagnoharana ny amin'ny fagnasana lehibebe

15 Ny zalahy raike mitoboka niaraka nihinagna tamin’Azy teo laha naharegny an'izany die nijaka hoe: Sambatra azalahy izegny hihinagna amin'ny fanjakan'Agnahary izany koa. 16 Ka hoy Jesosy an: Nisy zalahy raike nagnasa olo enjagna be: 17 Laha tonga ny fotoana hinanana, die nagniraka mpiasa raike izy hampandroso ny olo, hoe: Mandroso aby anareo fa efa vognona aby ny raha marobe. 18 Samy nialatsigny aby areo. Ka hoy ny vôlongany nijaka hoe: Mialatsigny arô fa efa avy nividy tany koa aho teo, ka tsy mentsy andeha hijery an'izay agny ka amin’ny afara. 19 Die hoy koa ny raike: Mialatsigny arô, fa nividy aomby folo aho teo, ka tsy mentsy fantariko agny eky izay die mijaka mandy. 20 Die hoy mandy koa ny raike: Angatra-bady aho, ka tsy afaka oagny eky. 21 Die nipody le zalahy mpiasa igny ka nitantara tamin'ny lebeny. Vignitra ny tompo-tragno ka nijaka tamin'ny mpiasany hoe: Mandihana angiho lahatagny aby ny olo agnarabe egny, mban'ny olo zegny hitanao an-tanàna egny, ka ampandrosoy lahatagny aby ndre mahantra, ndre kilemaigna, ndre jamba mban'ny malemy. 22 Die hoy ny mpiasany: AzafadyXXVII, efa nangiako aby ny olo nantsìnao izany, ka mbola tsy feno mandy ny tragnonao. 23 Ka hoy ny tompo-tragno: Mandihana agnarabe mban'ny amoron-kosy igny, ka fôrseo hiditra aty aby izegny olo hitanao agny hameno ny tragnoko. 24 Aho mijaka aminareo fa tsisy hagnandragna ny nahandroko aby izegny olo mandà io na die raike aza.

Mahafoy ny raha marobe nohon’ny fagnarahana an'i Jesosy

25 Enjagna be ny fokon'olo nagnaraka an'i Jesosy, ka nitodika Izy nagnano hoe: Raha misy olo te-hagnaraka an'Aha, ka tsy mahafoy an’iabany na ny endriny na ny vadiny na ny zanagny na ny rahalahiny na ny anabaviny, na die ny tegnany aza, die tsy atao hoe mpainatro izy. 27 Izegny tsy mitondra ny hazo fijaleny ka tsy magnaraka an'Aha, die tsy atao hoe mpianatro izy. 28 Iza aminreo te hagnano tilikambo ka tsy mandinika ny ampelatagnany izy aloha na ampy na tsy ampy agnamboarany an'izany? 29 Sao die magnano tsy mahatody izy, ka ataon'olo fikoranina. 30 Ka hagnano hoe: Nagnano tsy mahatody le zalahy io. 31 Sady mpanjaka iza, no tsy handinika tsara, raha andeha hiady amina mpanjaka hafa izy, ka hitondra miaramila iray aligna hikatroka amina fahavalo roa aligna? 32 Fa dieny mbola lavitra ny mpanjaka raika, die mandefa iraka izy hagnano raharaham-pihavanana. 33 Die ôtran'izany mandy koa anareo izegny tsy mahafoy ny fanagnany die tsy azo atao ho mpianatro.

Raha ny sira lasa matsatso

34 Tsara ny sira; fa raha matsatso izy, ino mahasira an'azy? 35 Tsy mahatsara ny tany izy sady tsy hay atao zezika, fa aren'olo. F’izegny manantadigny hitenoana , die mitenoa tsara.

TOKO 15   

Mandray ny mpanota Jesosy

1 Nagnantogna an'i Jesosy ny mpagnangon-ketra mban'ny mpanota mba hiteno ny raha zakainy. 2 Ka hoy ny Fariseo* mban'ny mpanora dalàgna mimonimonigna: I le zalahy itsy die miaraka mihinagna amin'ny mpanota.

Fagnoharana ny amin'ny ondry very fa hita ndreka

3 Die nagnano fagnoharana tamindreo Izy hoe: 4 Iza aminareo managna ondry zato ka very ny raike, ka tsy anjanogna ny sivy amby sivifolo eo mba heragnana ny raike mandra-pahitany an'azy? 5 Ka laha hitany die ataony ankevaigna, sady die faly izy; 6 ka raha tonga an-dragno izy, die mandagnona ny akamany ka mijaka amindreo hoe: Andao hifety asena fa hitako mandy ny ondriko very. 7 Iaho mijaka aminareo fa hisy fety ôtran'izany agny an-dagnitra agny raha misy mpanota raike mibebaka, nohon'ny amin'ny olo marina sivy amby sivifolo, tsisy tokony hibebahany koa.

Fagnoharana ny amin'ilay drakma very fa hita ndreka

8 Sa iza ny zavavy raike managna drakma* folo, ka very ny raike, ka tsy handrehitra jiro izy ka mamafa ny tragnony heragnany an'azy mandra-pahitany an'izany? 9 Ka raha hitany ny lasa magnangona ny zavavy namany ka magnano amindreo hoe: Andao hifety iaraka amin'aha fa hitako mandy ny drakma* raike very. 10 Aho mijaka aminareo fa hisy fety be ôtran'izany eo amin'ny anjelin'ny Zagnahary ny amin'ny mpanota raike mibebaka.

Fagnoharana ny amin'ny zanaka fa hita ndreka

11 Hoy Jesosy an: Nisy zalahy raike nanan-janaka rô lahy. 12 Ka hoy ny zandriny nagnontsy an'iabany: E! Baba, omeo an'aha ny lovako. Die nizarainy tamin'izy roy ny lovan-dreo. 13 Ka laha aviteo, die nangonin'ny zandriny aby ny lovany marobe, die lasa izy nandeha tagny amin’ny tany lavitra tagny nandany ny fanagny tamin'ny fitondran-tegna tsy manjary. 14 Ka laha naniny aby ny lovany marobe, die hisy ny mosasy be tamin'ny tany nandihany tagny, ka nanjary nahantra izy. 15 Die nikarama tamina tompotany raika izy, ka nirahiny niarakandro lambo tagny an-tsaha izy. 16 Nagniry ny hihinagna tamin'ny hanindambo io izy fa tsisy nagnome an'azy. 17 Ka raha tonga saigna izy die nieritreritra hoe: Eh! Agny izay ny mpiasan'ny baba die mihinan-kanina be, nefa izaho aty die maty mosary. 18 Andeha aho, hopody amin'iabako agny, ka hivalo amin'azy aho hoe: Baba! Efa nanota tamin'ny tany aman-dagnitra aho sady efa nagnano ratsy taminao. 19 Ka tsy magneva ho zanakao koa; fa mba ataovy ôtran'ny raika amin'ny olo mpiasanao io aho. 20 Tsisy alaharo die lasa izy nandeha tagny amin'ny abany. Raha mbola lavitra izy, die tsinjon'iabany, ka niazakazaka izy sady nalahelo an'azy, ka nifihininy mafy sady nifagnorohany. 21 Ka hoy izy tamin’iabany an: Baba! Efa nanota tamin'ny tany aman-dagnitra aho, sady efa nagnano ratsy taminao ka tsy magneva ho zanakao koa. 22 Fa hoy ny abany tamin'ny mpiasany: Alay malaky ny akanjo farany tsara igny, die ampagnanôvy an'azy; ka aseo peratra ny tagnany die aseo kapa ny hongony; die alay atỳ ny zanaka aomby farany XXVIII igny, ka vonio, die andao asena hihinagna sady hagnano fety; 24 fa ity zanako ity efa maty, ka velogna mandy, sady efa very, fa hita mandy. Die nilagnona areo. 25 Sendra nivarigna anefa i zalahy zokiolo; ka laha nipody izy die naregny raha magneno mbana dihy, raha efa keky hiditra an-tanàna izy. 26 Nangaika zalahy raika izy ka nagnontaneny ny ny antony nahatonga an’io lagnonanana io. 27 Ka hoy le zalahy io nagnontsy an'azy: Tonga ao zandrinao ka namonôn'ny iabanao zanaka aomby matavy, satria tafapody sóamatsara andrognony ao mandy hono ny zanagny. 28 Die vignitra izy ka tsy avy hiditra; nivôka iabany ka nampandrosa an'azy. 29 Ka hoy navaliny an'iabany: Faovena nanompako anao izay sady mbola tsy mba mandàny raha nagnirahanao an'aha aho ndre raika; nefa na die zanaka bengy raike tsy nomenao an'aha mba hifalifaleko amin'ny akamako; 30 fa raha vô tonga koza io zanakao, efa nadany ny fanagnao tamin'ny viavy makorelina tagny, die namonônao zanaka aomby matavy. 31 Ka hoy iabany nagnontsy an'azy: E! Zanako lahy, magnalignadro anao die amin'aha eto feizay, ka efa anao aby ny fanagnako marobe. 32 Fa mety ny magnano fety, fa ity zandrinao ity, efa maty, fa velogna mandy, sady efa very, ka hita mandy.

TOKO 16   

Fagnoharana ny amin'ny mpitantagna fetsy lahy

1 Ka hoy i Jesosy nagnontsy an’i mpianatrany: Nisy mpanakaregna raike, nanagna ny mpiambigna ny fanagnany; nempangain’olo tamin’azy anefa i lezalahy io, fa mandany ny fanagnany. 2 Nampagnangihiny tagny arỳ, ka nagnontaneny hoe: Magnano akory raha namboarinao izany? Avoay aby ny fanagnako; fa amin'ny magnaraka anao tsy mahazo mitantagna ny fanagnako koa. 3 Die hoy lehano igny nieritreritra hoe: Ino atao fa niroahin'ny lebeko tamin'ny asako aho? Ny miasa tany efa tsy vitako koa, ny mangataka mahamegnatra. 4 Hitako ny ataoko, mba handraisan'olo an'aha an-dragnony, raha vôrôka amin'ny asako aho. 5 Nangihany aby ny olo nanagnan'ny lebeny trosa ka nampandihaniny tandragnony, ka hoy izy nagnontsy ny vôlongany: Ôtrino ny trosa anagnan'ny lebeko aminao? 6 Die namaly hoe: MenakaXXIX zato bataXXX*. Die hoy izy an: Mitoboha die soraty hoe dimanpolo fagnaranana. 7 Die hoy izy tamin'ny raike: Ôtrino ny trosanao? Vary zato koraXXXI* hoy izy. Die hoy izy an: Mitoboha die soraty hoe valo-polo koraXXXII*. 8 Nahazo robo tamin'ny lebeny ny mpitantagna fanagnana tsy marina igny satria fetsifetsy izy. Fetsifetsy ny zanak'izao tontolo izao amin'izy samy izy, tozay ny zanaky mazava.

Ny vola tsy marina sy ny tena haregna

9 Ka hoy Aho aminareo: Mazahoa akama amina haregna tsy marina, anareo mba hitondrany anareo agny amin'ny misy anazy mandakizay agny, raha lany izany. 10 Sady izegny atokisana amin'ny raha le bitake, die atokisana amin'ny raha lebe, ka izegny tsy marina amina raha kely, die tsy marina amin'ny lebe. 11 Ka raha tsy atokisana amin'ny haregna tsy marina anareo iza no atoky anareo amin'ny haregna tena izy? 12 Ka raha tsy atokisana amina rahan'olo anareo, iza hagnome raha anareo? 13 Tsisy olo mahay manompo tompo roy zane agny; ny raike halane sady haraseny, ka ny raike andihanane. Tsy hainareo i raha sady manompo Zagnahary anareo no sady manompo haregna. 14 Negnesogneso an’i Jesosy aby izagny Fariseo * naregny an’izany teo, satria die olo tia vola lôtra. 15 Ka hoy Jesosy nagnontsy andreo: Mpagnamari-tegna amason'olo aby anareo io, nefa Zagnahary mahalala ny agnaty fonareo ao; fa ny raha eritreretin'olo ho ambony, die fahavetavetana amason-Jagnahary. 16 Ny lalàgna mban'ny mpaminagny io die hatragny amin'i Jaona, ka efa nanomboka hatramin'izay ny fitoriana ny filazantsaran'ny fanjakan'Agnahary, ka samy mikezaka hiditra ao n'olo. 17 Fa ho moramora ny handevognana ny tany aman-dagnitra, tozay hamoagnana na die loha-soratra raike amin'ny lalàgna aza. 18 Izegny misara-bady ka manambady hafa die mijangajanga, ka izegny magnakatra ny vady navelany igny die mijangajanga mandy koa.

Fagnoharana ny amin'i Lazarosy izy amin’ny mpanan-karegna

19 Nisy zalahy raike tena mpanan-karegna be, nagnano akanjo volomparasy mbana rongony fotsy madinika izay izy, isan'andro izy die magnano lagnonana mbana fihinanambe. 20 Ka nisy koza zalahy raike mahantra sady be baibay: Lazarosy ny fagnangihana an'azy, nadoboka tagnilan’ny vavahadiny teo. 21 Nagniry ny hihinagna ny ventim-bary latsadatsaka avy tamin'ny latabatry ny mpanan-karegna teo izy, kanefa ny amboa nderaka avy ka nileladelatra ny bainy. 22 Maty i zalahy mahantra igny ka nindesin'ny anjely ho agny an-tratran i Abrahama; ka maty mandy koa i le zalahy mpanan-karegna igny ka nalevigna; 23 Ka raha nijaly tagnatin'ny afo beXXXIII izy, die nidràka, die nahita an'i Lazarosy tan-tratran'i Abrahama talavitra tegny. 24 Nikòka izy nagnano hoe: E! Abakô! E! Abakô! Abrahama ô! Amindrao fo agny arô, mba irahy lahatagny arô i Lazarosy hanjoboka ny loha-tagnany agnaty rano, mba hampangatsetseka ny lelako, fa mijaly lôtra aho agnaty afo ato. 25 Ka hoy Abrahama an: E! Zanako lahy, tadidio fa efa nahazo ny anjaranao anao tamin'ny androm-piaignanao, i Lazarosy tsy mba nahazo; amin'izao koza die mba izy no ampifalena atỳ, fa anao ny fijalena. 26 Sady ambonin'izany misy antsagna be natao magnelagnelagna-ntsena io, ka ahay aty tsy mahazo mandeha aminareo egny, anareo egny tsy afaka megnetỳ. 27 Die hoy izy: mangàtaka aminao arô aho, iabako ô! Mba hiray an-dragnon'i abako agny i Lazarosy, 28 fa managna rahalay dimy aho, mba hijaka amin-dreo agny izy, fa sô die tonga amin'ny fijalena be aty koa areo. 29 Fa hoy Abrahama nagnontsy an'azy: Managna an'i Mosesy miaraka amin'ny mpaminagniny areo, ka avelay izy hiteno izegny raha zakainy. 30 Ka hoy izy: E! Abako! Abrahama ô! Tsiaré, fa raha misy olo avinomaty mandeha agny, die hibebaka areo. 31 Fa hoy mandy Abrahama nagnontsy an'azy: Raha tsy hiteno an'i Mosesy miaraka amin'ny mpaminagniny areo, die tsy mba hino an'izany, na die hisy mitsangagna amin'ny maty aza.

TOKO 17   

Izegny neven’ny fanafitohignana

1 Hoy Jesosy nagnontsy an'i mpianatrany: Tsy mentsy ho avy ny fanafitohignana; nefa ho lozahoan’olo neven'izany. 2 Aleo agnantognana vato be famihambary ny vozognany, ka atsipy an-dranomasina agny izy ôtran'izay hanafitohigna ny raike amin'ny ito madinika ito. 3 Mitandrema anareo;

Ny famelan-keloka

fa raha magnano fahadisôvana aminao ny rahalahinao, ka mivalo izy, die mamelà an'azy. 4 Ka na die impito magnano fahadisôvana aminao aza izy indraik'andro, ka mivalo impiko die memelà ny fahadisovany.

Ny finôna

5 Ka hoy ny apostoly nagnon an'Azy: Ampitomboy ny finônay. 6 Fa hoy ny Tompo; Na die bitaka ôtran'ny vôtsinapy raika aza ny finôna agnatinao, die azonareo atao ny mijaka amin'io vôroihazo io hoe: Mingota teo ka maniria an-dranomasina egny, die agneky anareo izy.

NY mpiasa tsy nagnatanteraka afa-tsy izegny raha tokony nataony mandy

7 Iza aminareo managna mpiasa tany na mpiarakandro avy nivarigna, ka hijaka amin'azy hoe: Midira, ka mitoboha hihinagna! 8 Die hijaka aminao koa izy aveo hoe: Karakaray malaky arika ny haninako e! Die mazotoa mampihinagna an'aha mandra-paha voky an'aha, ka laha voky aho vô mihinagna anao? 9 Magnome robo an'ny mpiasa igny ve izy amin’izany? Satria nagnandevo an'azy izy. 10 Die ôtran'izany koa anareo, raha vitanareo ny raha nampagnanôvina anareo, die mijaka hoe: Ahay die mpiasa mahay, izegny raha tokony namboarinay mandy no namboarinay.

Ny nagnasitragnan'i Jesosy ny boka folo lahy

11 Raha niakatra an’ny Jerosalema Jesosy, die nagnaraka ny sisign'i Samaria mban'ny Galatia. 12 Ka raha niditra tamina vohitra raike Izy, die nifanepaka tamina boka folo lahy, nizanogna talavidavitra tegny. 13 Die nagnantso mafy an'i Jesosy areo nagnano hoe: Jesosy e! Eh! Ramose! XXXIV ô! Mamindrà fo aminay arô. 14 Vatany vao nahita andreo Izy, die hoy Izy nagnontsy andreo: Mandihana mibôka amin'ny mpisorogna. Ka raha nandeha areo, die sitragna tan-dalagna tegny. 15 Nipody ny raika tamindreo raha hitany fa nahafaka, izy die nanandra-peo izy nidera. 16 Sady nandohalika tan-kongotr'i Jesosy, ka nisaotra an'Azy. I le zalahy igny lateo moa Samaritanina*. 17 Die hoy Jesosy namaly an: Ka tsy sitragna aby anareo folo lahy an? Ka negn'aza ny sivy? 18 Tsisy nahalala nipody nagnome voninahitra an'Agnahary afa tsy ity olo afa firenena ity mandy? 19 Ka hoy Izy nagnontsy an'azy: Mitsangana, die mandihana mandeha; fa ny finônao no nagnavotra anao.

Ny fiaven'ny fanjakan'Agnahary

20 Nagnontanen'ny Fariseo* i Jesosy ny amin'ny andro heven'ny fanjakan'Agnahary. 21 Die nivaleny hoe: tsy mangotrakotraka ny fiaven’ny fanjakan’Agnahary sady tsy azo ataon'olo hoe: Itỳ na irỳ egny, fa ny fanjakan'Agnahary die agnatinareo ao.

Ny Andron'ny Zanak'Olo

22 Ka hoy Izy nagnontsy an'ny mpianatrany: Ho avy andro hagnirianareo hahita ny raike amin'ny Andron'ny Zanak'Olo*, fa tsy hahita anareo. 23 Hijakan'olo anareo hoe: Atỳ na arỳ, die aza mandeha agny, na hagnaraka an'azy. 24 Fa ôtran'ny famirapiratan'ny helatra magnelatra, hatragny amin'ny faravodilagnitra magnazava hatramin'ny farany, die ôtran'izany ny Andron'ny Zanaka'Olo. 25 Fa tsy mentsy mijaly mafy Izy alohake sady tsy eken’ny taranaka ity mihintsine. 26 Ka ôtran'ny tamin'ny andron'i Noa, die hisy ôtran'izany mandy koa amin'ny Andron'ny Zanak'Olo*: 27 Nihinagna areo, hinogna areo, hangata-bady areo, nagnakatra areo, mandra-pidiran'i Noa tagnaty sambo beXXXV, ka la tonga ny safo-drano die ripaka aby areo marobe. 28 Die ôtran'ny tamin'ny andron'i Lota mandy koa: Nihinagna areo, ninogna areo, nividy areo, nivarotra areo, namboly areo, nagnano tragno areo; 29 fa tamin'ny andro nivohan'i Lota avy tao Sodoma, die nisy afo nirehitra nilatsaka avy tagny an-dagnitra nandripaka andreo marobe. 30 Die ôtran'izany mandy koa amin'ny heven'ny Zanak'Olo*. 31 Amin'ny andron’izany, izegny efa an-tafo-tragno die aza nijotso mangala ny rahany andragno koa. Ôtran'izany koa izegny efa antsaha die aza mipody hangala ny raha efa nilôzany. 32 Tadidio i vadin'i Lota: 33 Na zovy na zovy te-hagnavotra ny aignany die hagnary an'azy, ka na zovy na zovy hahafoy ny aignany die ho avotr'izy. 34 Aho mijaka aminareo fa amin'ny andron’izany hisy zalahy roa lahy raika fandrena, ny raike alaina, ny raike abela. 35 Hisy zavavy roy manoto vary, ny raike alaina, ny raike abela. 36 XXXVI, 37 Die namaly areo nagnano hoe: AzafadyXXXVII? Ka aza misy an’izany? Ka hoy Izy nagnontsy andreo: Izegny misy faty, die agny no hitangorognan'ny gôgôka.

TOKO 18   

Fagnoharana ny amin'ny mpitsara izy amin’ny mpivantotra

1 Nagnano fagnoharana tamin-dreo Jesosy, fa tsy mety raha tsy mivavaka magnalignandro-areo ka tsy mijagnona, 2 hoy Izy: nisy mpitsara tsy mataotra Zagnahary, sady tsy megna-maso olo izy tamina tanàna raike. 3 Die nisy mpivantotra raike izay tamin'ny tanàna io, mpandalo amin'azy ao matetika ka nagnano hoe: Mba omeo rariny aho fa misy olo managnady amin'aha. 4 Die tsy nekeny alohake, ka laha aviteon'igny, die nieritreritr'izy hoe: Na die tsy ataorako izao Zanagnahary izao, na die tsisy olo anagnako hegna-maso. 5 Omeko marina agny mandy io fa manahiragna an'aha, sao die mipodipody amin'aha aty fezay izy ka mahavalake. 6 Die hoy ny Tompo hoe: Mba tenoy man! Ny raha nijakain'ny mpitsara tsy marina igny e! 7 Die Zagnahary laha varô die tsy hagnomerariny an’olom-bôfidiny, na mitaraigna amin'Azy magnalignandro va? Tsy hienikenika varô Izy va? 8 Aho mijaka aminareo fa omeny rariny malaky izy. Kanefa, mba hahita finôna ambony tany eto izy raha tonga Zanak'Olo * an?

Fagnoharana ny amin'ny Fariseo sy miarka amin’ny mpamory hetra

9 Die nagnano fagnoharana hafa koa Izy, ho an'ny sasagny izegny matoky tegna sady manebaka ny akamany; 10 nisy zalahy roakahy niakatra hivavaka tamin'ny tempoly *; ny raike Fariseo*, ny raike mpagnagnona hetra. 11 Nitsangagna zalahy Fariseo * igny ka nivavaka nitokagna nagnano hoe: Misaotra Anao aho Zagnahary fa tsy mba ôtran'ny olo sasagny mpangalatra, magnano raha tsy marina, mpijangajanga, tsy ôtran'itsy mpagnangogna hetra itsy. 12 Mifady hanina indroy isan-kerignandro aho, aloako aby ny ampahafolon'ny fanagnako. 13 Nijanogna talavi-davitra tegny koza le zalahay mpagnangogna hetra igny, ka tsy nasahy nijery ny lagnitra aby izy, fa nandon-tratra nagnano hoe: Zagnahary ô! Mamindra fo amin'aha fa mpanota aho. 14 Aho mijaka aminareo fa ndre tsy avy tandragnony lezalahy io die efa nomena rariny nohon'io zalahy raike io; izegny magnamboby ny tegnany no ajotso, f’izegny manjotso ny tegnany no hasondrotra.

Jesosy izy amin’ny zaza lelahy igny

15 Nisy olo nitondra zaza bitaka hametrahana tagnana amin'i Jesosy; fa raha vao hitan’ny mpianatra die niraràny. 16 Nangihan'i Jesosy areo, ka nataony hoe: Avelay ny zaza hagnatogna an'Aha, aza sakanana fa olo ôtran-dreo no tokony hanagna ny fanjakan'Agnahary. 17 Ny marina no zakaiko aminareo: Fa na zovy na zovy tsy handray ny fanjakan'Agnahary ôtran'ny zaza bitaka, die tsy mba hiditra agny.

Jesosy izy amin’ny mpanan-karegna

18 Nisy zalahy raike, nagnontany an'i Jesosy hoe: Eh! RamoseXXXVIII tsara fagnahy! Ino arô ataoko mba handovàko fiaignana mandrakizay? 19 Die ka hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Ino agnanôvanao an'aha hoe tsara? Zagnahary raike mandy no tsara. 20 Fantatrao ny didy hoe: Aza mijangajanga, aza manono olo, aza mangalatre, aza magneky atao vavolombelona mivande, magnajà ny abanao amendrinao. 21 Die ka hoy izy an: Mbola bitaka aho die efa nitandrina an’izany. 22 Raha naharegny an'izany Jesosy, die hoy Izy nagnontsy an'azy: Raha raike mandy no mbola tsy ampy aminao: Amidio aby ny fanagnanao marobe die omeo ny mahantra die hanagna rakitra lebe agny an-dagnitra anao, die andao agnaraka an'Aha. 23 Nandoboroka le zalahy igny raha naharegny an'izany, satria mpanan-draha lôtra izy. 24 Raha hitan'i Jesosy fa nalahelo izy, die nataony hoe: Akory ny hasarotan'ny hidiran'ny mpanan-karegna amin'ny fanjakan'Agnahary. 25 Moramora ny hidiran'ny aomby amin'ny vodin'ny filo, nohon'ny hidiran'ny manankarena amin'ny fanjakan'Agnahary.26 Ny olo izegny naregny an'izany die nagnotany hoe: Die iza aby izany no hovonjena? 27 Ka hoy Izy an: Izegny raha tsy hain'olo die hain-Jagnahary. 28 Die hoy Petera: Efa foinay aby ny raha marobe mba hagnarahanay Anao. 29 Ka hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Zakaiko aminareo marina: Fa na zovy na zovy mahafoy ny tragnony, na vadiny, na ny rahalahiny, na ny abany amendriny, na ny zanagny, nohon'ny fanjakan'Agnahary, 30 die sady hahazo be izy amin'ny fiaignan'izao, sady hahazo fiaignana madrakizay, amaraigna.

Ny nijakan’i Jesosy ny fahafatesany sy ny hitsanganany amin'ny maty

31 Nalagnon'i Jesosy aby ny roa ambin'ny folo lahy ka nataony hoe: Hiakatra ho agny Jerosalema asena, die ho tanteraka agny aby raha vôsoratry ny mpaminagny ny amin'ny Zanak'Olo *. 32 Fa hatolotra ho an'olo tsy mivavaka Izy, die ataon'olo fimehezana, sady kitrakitrainy, ka androràny, 33 vangovangoiny sady voniny, ka amin'ny andro fahatelo die hitsangana Izy. 34 Tsisy azon-dreo anefa ny raha tieny ho zakaina, satria mifogno raha zakainy izany ka tsy fantany aby ny dikany.

Ny nampahiratan'i Jesosy ny lehilay fehy tao Jerikô

35 Raha nagnakekikeky an'i Jerikô Izy, die nisy olo fè raike nitoboka, nangatake tamoron-dalagna. 36 Ka laha naharegny ny fokon'olo nandalo izy, die nagnontany hoe: Ino izany? 37 Die hoy ny olo an: Jesosy avy agny Nazareta no mandalo. 38 Die nangaika marehy izy nagnano hoe: Jesosy Zanak'i Davida, mamindrà fo amin'aha e! 39 Die nampanginin-dreo izy, ka vô menka izy nangaika mafy hoe: Zanak'i Davida, mamindrà fo amin'aha arô. 40 Nizanogna i Jesosy, ka nampandihaniny takekiny teo le zalahy igny, ka raha narivorivo izy, die nagnontanen'i Jesosy hoe: 41 Ino ny raha tienao atako aminao? Ka hoy izy: AzafadyXXXIX, mba hampahirato ny masoko. 42 Die hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Mahità, ny finônao no nagnavotra anao. 43 Tonga die nahita izy ka nagnaraka an'azy sady nankalaza an'Agnahary. Raha nahita an'izany ny fokon'olo, die nidera an'Agnahary.

TOKO 19   

Nivahiny taan-dragnon'i Zakaiosy i Jesosy

1 Die niditra namakivaky ny tanànan'i Jerikô i Jesosy. 2 Ka nisy zalahy raike angihana hoe zakaiosy, leben'ny mpagnangona hetra sady nanan-karegna. 3 Te ahita an'i Jesosy izy, nefa nohon'ny hamarozan'olo die tsy nahita izy, sady izy lateo koa foike. 4 Die niazakazaka neloha izy , ka nagnanika aviavy, hijery an'i Jesosy, fa handalo amin'ny lalagn'io Izy. 5 Ka laha tonga teo Izy, die nidràka ka nagnano tamin'azy hoe: E! Zakaiosy, mijotsoa malaky fa tsy mentsy mandroso andragnonao Aho niany. 6 Die nijotso nalaky izy ka nampandroso an'Azy sady faly. 7 Raha nahita an'izany n'olo die nimonimonigna nagnano hoe: Negn’andragnon'ny mpanota agny izy. 8 Fa Zakaiosy koza nitsangagna ka nagnano hoe: Omeko ny mahantra aby ny asasan'ny fanagnako marobe, ka ny rahan'olo azoko ampitaka die efaiko in-efatra ambonin'en'azy. 9 Ka hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Tonga amin'ity tragno ity ato niany ny famonjena, fa taran'i Abrahama mandy koa i zalahy io. 10 Fa hiaragna sady hagnavotra very ny an-tondihan'ny Zanak'Olo*.

Fagnoharana ny amin'ny mina folo

11 Raha mbola niteno an'Azy ny olo, die nitohizany mandy ny raha nijakainy ka nagnano fagnoharana Izy, satria efa nagnakeky an'i Jerosalema Izy, ka neverin'olo fa ho avy malaky ny fanjakan'Agnahary. 12 Die hoy Izy an: Nisy mpanjakaXL raike, nandeha talavitra tagny, mba handray ny fanjakany, die hipody mandy laviteo. 13 Die nangaika zalahy folo lahy tamin'ny mpiasany izy sady nagnome vola vy folo an-dreo, ka nagnano hoe: Ity die mahaiza mampitombo mandra-pahatongavako. 14 Ny fokon'olony tao die nagnome voninahitra an'azy aby, sady nampitondra teny an'azy nagnano hoe: Tsy tenay hitondra aminay eto hoe i le zalay igny. 15 Ka laha hazony ny fitondrana die nipody izy, die nampagnangihany teo aby ny mpiasa nomeny vola, mba ahitany ny tombony. 16 Die tonga ny vôlongany ka nagnano hoe: Azafady abakoXLI, fa nazaôko tombony folo ny vola raike nomenao an'aha. 17 Ka hoy izy nagnontsy an'azy: Tena mpiasa tsara anao, satria natokisako tamin'ny bitaka anao die ho tendreko ho mpitondra tanàna folo. 18 Die tonga koa ny raike, ka nagnano hoe: Azafady abakoXLII, fa nazaôko tombony dimy ny vola raike nomenao an'aha. 19 Ka hoy izy an: Mitondrà tanàna dimy mandy koa anao. 20 Fa avy i le zalahy raike farany ka nagnano hoe: Azafady abako XLIII, itỳ ny volanao fa nataoko tsara fogno tagnaty mosara. 21 Satria nangoaigna anao aho, fa lelahy sarotin-draha mako anao ka mangala amin'ny tsy nametrahanao, sady mambely amin'ny tsy namafazanao. 22 Die hoy ny mpanjaka nagnontsy an'azy: Azoko amin'ny vavanao anao, mpiasa tsy manjary, fantatrao fa olo sarotin-draha aho, ka mangala amin'ny tsy nametrahako sady mambely amin'ny tsy namafazako. 23 Ka nagnino raha tsy namenao an’olo mpagnano indroy mody io ny volako, ka raha nipody aho mangala ny zanagny? 24 K'izao no nijakainy tamin'olo izegny nitsangagna teo. Alay ny vola amin'ny zalahy irỳ, ka omeo an'ny zalahy nanagna vola folo igny. 25 Ka hoy areo an: AzafadyXLIV, efa managna vola folo izy. 26 Aho mijaka aminareo fa izegny managna aza, die mbola omena; fa izegny tsy managna, na die ny anagnany aza die alaina amin'azy. 27 Fa ny fahavaloko izegny tsy nagneky ny fitondràko io die andreso lahatagny aby areo, ka vonio.

Ny niekaran'i Jesosy tagny Jerosalema

28 Ka laha avy nijaka an'io Izy, die nandeha neloha ho agny Jerosalema. 29 Ka raha efa nanvorivo an'i Betifaga, Betania agnilan'ny tendrombohitra Oliva Izy, die nagniraka mpianatra rô lahy, 30 nagnano hoe: Mandihana amin'itsy vohitra aloha itsy, ka raha tafiditra ao anareo, die hahita zanaka sôvaly mifatotra mbola tsy nidiban'olo. Vahay izy ka indeso atỳ. 31 Ka raha misy magnontany anareo hoe: Nagnino raha vahanareo io? Die zakay hoe: Misy raha ilàn'ny Tompo an'azy. 32 Die lasa areo nandeha, ka hitandreo ny raha nafarany. 33 Nivahandreo ny tadin'ny zanaka borikyXLV, die hoy ny tompony nagnontsy andreo: Nagnino raha vahanareo ny tadin'ny zanaka borikyXLVI io? 34 Ka hoy areo an: Misy raha ilàn'ny Tompo an'azy. 35 Die nindan-dreo tagny amin'i Jesosy ny zanaka borikyXLVII igny sady napetragny tamboniny teo ny lambany ka nampidebainy an'i Jesosy. 36 Ka areo marobe die samy namelatra ny lambany tan-dalagna teo raha nandalo i Jesosy. 37 Raha efa nagnakeky ny fidignana amin'ny tendrombohitra Oliva Izy, die ravo aby ny mpianatra marobe sady nidera an'Agnahary nohon'ny asa lebe efa hitany . 38 Ka hoy areo an: Misaotra ny Mpanjaka, avy amin'ny agnaran'NY TOMPO* e! Avy agny an-dagnitra ny fedagnana, voninahitra ho an’ny agny Ambony. 39 Ny Fariseo* sasagny tamin'ny fokon'olo, nagnano hoe: E, RamoseXLVIII! Ampagnino ny mpianatranao. 40 Ka nivaleny hoe: Zakaiko aminareo fa raha mangina io, die mijaka io ny vato io.

Mitomagny an'i Jerosalema Jesosy

41 Ka laha nagnakeky an'i Jerosalema i Jesosy die nitokatagny an'azy nagnano hoe: 42 Raha mba nahalala mako anao fa ny amin'ny andro diavinao ity no ampiadagna anao, die nanjary takogna ny masonao izany. 43 Ka avy ny andro hagnanôvan'ny fahavalonao hady magnodidgna anao, die hanempotra anao ka hagnidy anao magnodidigna, 44 sady hamongotra anao hatramin'ny taninao mban'ny zanakao agnatinao ao, ka tsevelany hisy vato midongodonga aminao, ho valin'ny tsy nanafantaranao ny andro namangena anao.

Ny nandroahan'i Jesosy ny mpivarotra tao amin'ny tempoly

45 Niditra tankianjan'ny tempoly* i Jesosy, ka nandrôka ny mpivarotra teo. 46 Ka hoy Izy nagnontsy andreo: Efa vôsoratra fa: «Tragno fivavahana ny tragnoko (Isa 56:7); nefa anareo magnano an'azy tragno fisitrihan'ny dahalo» (Jer 7:11). 47 Isan'andro Izy die nampianatra tankianjan'ny tempoly*. Fa ny lohan-odohan'ny mpisorogna mban'ny mpanora-dalàgna, mban'ny zokiolo koza nikendry ny hamono an’Azy; 48 ka tsy hitandreo ny hevitra agnanôvana an'izany, satria ny olo rontotra miteno an'Azy.

TOKO 20   

Fagnontaniana ny amin'ny fahefan'i Jesosy

1 Ndraik'andro, nampianatra ny fokon'olo tankianjan'ny tempoly * i Jesosy, ka nitory ny filazantsara, die nagnantogna ny lohandohan'ny mpisorogna mban'ny mpanora-dalàgna mban'ny zokioloXLIX,2 ka nagnontany hoe: Mba zakay aminay hoe: Fahefana lataza no ahafahanao magnano ny raha amboarinao io? Die iza nagnome Anao an'izany? 3 Ka nivalen'i Jesosy hoe: Mba hagnomtany anareo eky Aho, zakay amin'Aha hoe: 4 Ny batisan'i Jaona, avy tan-dagnitra, sa avy tamin'olo? 5 Die Niara-nandinika areo nagnano hoe: Raha asena hijaka hoe: Avy tagny an-dagnitra, die hijaka Izy hoe: Nagnino tsy ninônareo i Jaona? 6 Raha asena hijaka hoe: Avy tamin'olo, die hitily antsena ny fokon'olo, satria areo mino fa mpaminagny i Jaona. 7 Die hamaly areo hoe: Tsy fantatray ny hamalena an'izany. 8 Ka hoy Jesosy nagnontsy andreo: Iaho mandy koa mba tsy hijaka aminareo ny fahefana agnanôvako an'izao.

Fagnoharana ny amin'ny mpiasa ratsy fagnahy tao amin'ny tanim-boaloboka

9 Die Nagnano fagnoharana raike tamin'olo Jesosy, nagnano hoe: Nisy zalahy raike nagnano tanimbôloboka, die nandeha tantany hafa tagny izy ka nitoboka naharitr'ela tagny, ka nampagnofainy tamina mpiasa tany ny tanimbôloboka. 10 Ka laha vokatra ny vôloboka die nagniraka mpiasa izy, hangala ny vokatra; fa nilamolamoin'ny mpiasa izy raha avy tagny, ka nampandehaniny tagna-polo. 11 Die nagniraka mpiasa raike mandy koa izy; ka nilamoiny marehy sady nalainy baraka ka nampandehaniny tanga-polo koa. 12 Die mbola nagniraka mpiasa raike hafa mandy koa izy; ka laha vôratre die niroahiny. 13 Die hoy ny tompon'ny tanimbôloboka: Ino ataoko! Hirako agny ny zanako tegna tieko igny, igny angamba mety hajain-dreo. 14 Kaiky ino agny, raha nahitan'igny ny mpiasa tany, die nieritreritra hoe: Igny ny mpandova, andao vonitsena izy, die ho antsena ny lova. 15 Die navôkany tambelagny tanimbôloboka tagny izy ka nivoniny. Ino arô ny agnanôvan'ny tompon'ny tanimbôloboka andreo amin'izany an? 16 Andihanany agny areo, die voniny, ka omeny olon-kafa ny tanimbôloboka. Ka laha naharegny an'izany areo, die nagnano hoe: Sagnatria arô. 17 Nizahàn'i Jesosy tsara areo ka natany hoe: Magnano akory ny vôsoratra hoe? «Ny vato natsipin'ny mpagnano tragno, no lasa nanjary fototra» (Sal 118:22)? 18 Izegny lavo amin'izany vato izany die ho torotoro tegnany; fa na zovy na zovy ilavôny die ho potipotika. 19 Seky hosamborin'ny mpanora-dalàgna mban'ny lohan-dohan'ny mpisorogna tamin'ny andron'igny mandy Izy, satria fanta-dreo fa areo mandy no nagnanôvan'i Jesosy an’izany fagnorana izany; kanefa nataotra an'ny fokon'olo areo.

Ny hetra ho an'i Kaisara

20 Die nitsapain-dreo fagnahy i Jesosy ka nagnirahany mpitsikilo mpetsaravelatsiny mba hamandrihana an'Azy amin'ny raha zakainy, hanolorana an'Azy ampelatagnan'ny governemanta. 21 Ka hoy areo nagnontany an'Azy: E! RamoseL,fantatray Anao fa mampianatra ny marina sady tsy mba magnavakavak'olo, fa mampianatra marina ny fitsipin'Agnahary. 22 Alohanay sa tsy alohanay ny volan-ketran'i Kaisara? Fantatr'i Jesosy ny hafetsen-dratsindreo ka hoy Izy: Atoroy an'Aha hoe ny vola denaria*. Sarin’iza io sady agnaran'iza? Die hoy areo an: An'i Kaisara. 25 Hoy i Jesosy nagnontsy andreo: Zegny an'i Kaisara die omeo an'i Kaisara, f’zegny an'Agnahary die omeo an'Agnahary. 26 Zendagna areo tamin'ny valinteniny ka tsy nahazaka koa, sady tsy nasahy nitana an'Azy tamason'olo teo koa areo.

Fagnontaniana ny amin'ny fitsanganana amin'ny maty

27 Ny Sadoseo* sasagny, tsy mino ny fitsanganan'ny maty, die nagnantogna an’Azy ka nagnontany hoe: E! RamoseLI, nanoratra ho antsena i Mosesy hoe: «Raha misy zalahy, ka maty tsy niteraka, die ampekarin'ny rahalahiny ho vady ny vadiny, mba hiterahany hamelo-maso ny rahalahiny» (Deo 25:5). 29 Ka nisy filo mirahalahy areo, ka nagnaka-bady ny zokiolo, die maty tsy niteraka. 30 Ny faharoy 31 mban'ny fahatelo nagnatraka an'azy aby; ka nagnano ôtran'izany aby no nataon'izy fito mihalahy; nefa maty tsy niteraka aby areo. 32 Tamin'ny farany die maty mandy koa i zavavy igny. 33 Ka iza amin'izy fito mirahalahy arika ny hanambady an'ny zavavy io, satria efa samy nanambady an’azy aby areo. 34 Die hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Ny taranak'olo eto amin'ity fiaignana ity die hagnaka-bady sady ampekarina aby. 35 Fa ny olo magneva hahazo ny fiaignan-koavy mban'ny fitsanganana amin'ny maty die tsy mba magnako-bady, na amperina; 36 sady tsy ho faty koa izy, fa mitovy amin'ny anjely sady efa zanak'Andrianagnahary, satria zanaky ny fitsanganana amin'ny maty. 37 I Mosesy aza efa nagnambara teo amin’ny teny milaza ny vôndroy fa hatsangana ny maty, raha nijaka an'i TOMPO * izy hoe: «Zagnaharin'i Abrahama, Zagnaharin'i Isaka, Zagnaharin'i Jakoba» (Eks 3:6). 38 Fa tsy Zagnaharin'ny maty Izy, fa an'ny velogna; satria velogna ho an'i Zagnahary aby areo maro be. 39 Die namaly ny sasagny tamin'ny mpanora-dalàgna hoe: Marina aby raha zakainao izany a RamoseLII. 40 Fa tsisy nasahy nagnontany koa areo.

Kristy izy amin’i Davida

41 Ka hoy i Jesosy nagnontsy andreo: Fa nagnino raha zakaina hoe: Kristy ny Zanak'i Davida? 42 Fa i Davida mandy no nijaka amin'ny bokin'ny Salamo hoe: «NY TOMPO * nijaka tamin'ny LebekoLIII hoe: Mitoboha ankavanako etsy. 43 Mandrapagnanôvako ny fahavalonao ankongitrao» (Sal 110:1). 44 Ka hoy Davida nagnontsy an'Azy hoe: Tompo; ka ino arika ny maha Zanagny an'Azy?

Fampitandremana ny amin'ny mpanora-dalàgna

45 Hoy Jesosy nagnontsy an'ny mpianatrany tagnivon'ny olo marobe teo: 46 Tandremo tsara ny amin'ny mpanora-dalàgna, mazoto magnano akanjo lava, mba hoarabain'olo an-tsena egny sady tia fitobohana aloha amin'ny synagoga*, tia mitoboka aloha amin'ny fagnasana. 47 Sady mandany ny fanagnan'ny mpivantotra, no sady lava vavaka mba hireharehana, ho mafimafy ny fagnamelohana hahazo andreo io.

TOKO 21   

Ny rakitra nalatsaky ny mpitvantotra

1 Nitodika i Jesosy, die nahita mpanan-haregna nandatsaka rakitra tagnaty fandatsahan-drakitra; 2 ka lavy nahita teo die mpivantotra raike mahantra nagnatitra rakitra Lepta* roy Izy. 3 Die hoy Izy: Iaho mijaka aminareo, fa io mpivantotra mahantra io no nandatsaka be ambonin'izy marobe. 4 Fa anareo marobe io, die ny ambom-bavanareo no nalatsakareo; fa nen'azy, ny raha ivelomany no nomeny.

Ny nagnambaràn'i Jesosy ny handravana ny tempoly

5 Nisy nijaka! fa, vôengo vatosoa mbana rakitra sarobidy hono ny tempoly *; fa hoy Jesosy an: 6 Ho avy anefa ny andro hondravàna ny raha hitanareo aby io, ka tsy avela hisy vato hidongodongo eo ka tsy ho ravàna.

Ny famantarana ny heven'ny farany

7 Ka nagnontany an'i Jesosy areo hoe: E! Ramose LIV, Amin'vena marina ma heven'izany? Die ino ny famantarana halalàna fa efa akeky izany? 8 Die hoy Izy: Mitandrema, sao die vôfitaka anareo; fa enjagna ny ho avy amin'ny agnarako sady hagnano hoe: Iaho tegna Izy! Efa magnakeky ny fotôgna; k'aza magnaraka an'azy. 9 Ra maregny ady mbana korontagna anareo, die aza mangoaina; fa tsy mentsy ho avy izany alohake, nefa mbola tsy farany izany. 10 ka hoy Izy nagnontsy andreo: Hisy firenena hitsangana hiady amina firenena, hisy fanjakana hitsangana hiady amina fanjakana. 11 Hisy horohorontany agnona be mbana mosary, sady hisy aretina handripaka agny amin'ny tany samy hafa, ka hisy raha mampataotra mbana famantarana lebe avy agny an-dagnitra.

Ny fagnenjehana, famantarana tena lebe

12 Fa meloan'izany raha marobe izany, die hosamboriny anareo ka enjehiny sady hindany agny amin’ny synagoga*, an-dragnomizigna, ka torina amin'ny am-panjaka mban'ny mpitsara nohon'ny amin'ny Agnarako. 13 Die ho vavolombelogn'izany anareo. 14 Alay agnaty fonareo lahateo ny hieritreritra ny hamaly amin'ny fotôgnan'izany. 15 Fa Iaho mandy no hagnome vava amantsaigna anareo, tsy azon'ny fahavalonareo ho valena izany na resèna. 16 Na ny ray aman-dreny na ny rahalahinareo, mban'ny havanareo, mban'ny sakezanareo aza die hanolotra anareo aby, ny sasagny amindreo aza die ho voniny. 17 Ka ny ho alan’aby izao anareo nohon'ny Agnarako. 18 Nefa tsisy ho very anareo na die volon-doha raike aza. 19 Ny faharetanareo no hagnavotanareo ny aignareo.

Ny fandravàna an'i Jerosalema

20 Raha vô hitanareo fa vôdidigna miaramila i Jerosalema, die fantaro fa efa akeky ny fandravàna an'azy. 21 ka amin'ny andron'izany, izegny agny Jodia die milefasa an-tendrombohitra; f’izegny agny Jerosalema die milefasa ambelagny agny, izegny an-tsaha, die aza miakatra an-tanàna koa. 22 Fa andro fagnasazina izany mba hahatanteraka ny raha efa vôsoratra. 23 Hidirandoza ny miteza bitaka mban'ny betroka amin'izany satria hisy fijalena lebe amin'ny tany, sady hiseragna ny havigniran-Jagnahary amin'ity firenena ity. 24 Die ho ringan'ny lelan'antsibe izy ka ho andevozin'ny firenena samy hafa, ka ho diadiahin'ny olo tsy mivavakaLV i Jerosalema mandrapa-hatongavan'ny andron-dreo.

Ny fiavian'ny Zanak'Olo

25 Hisy famantarana amin'ny masoandro amam-bolana mban'ny kintana, ka ety ambonin’ny tany die hisy fijaliambe hahazo ny firenena nohon'ny firaondraognan'ny ranomasina mban'ny fagnonjany. 26 Ho roboka ny fon'olo nohon'ny fahataorany handigny izany ny raha ho avy ambon'ny tany; ny lagnitra hiozongozogna. 27 Ka amin'ny andron'izany die ho hita egny amin'ny raogna ny Zanak'Olo* ho avy amin'ny hery aman-boninahitre lebe. 28 Raha vao mentomboka aby izany raha marobe izany die mitrakà ka ataovy ambony ny lohanareo; fa efa magnakeky ny fagnavotana anareo.

Magnakeky ny fanjakan'Agnahary

29 Nagnano fagnoharana tamindreo Izy hoe: Jerovo ny aviavy mban’ny kakazo maro be. 30 Raha vô hitanareo fa mitsiry io, die fantaro fa ho avy ny loataogna. 31 Die ôtran'izany mandy koa anareo, raha vô hitanareo fa miseho aby raha maro be izany, die fantaro fa akeky ny fanjakan'Agnahary. 32 Iaho mijaka aminareo, fa tsy ho tapitra mihintsy ity taranaka ity mandra-pahatongavan'izany. 33 Ny tany aman-dagnitra die ho levogna fa ny raha zakaiko tsy mba ho levogna.

Ny ilàna ny fiambenana

34 Mitandrema arika! Sao die vesarin'ny fagnapokosanareo amin'ny fihinanan-tôka mban'ny fimamônareo mban'ny fisalasalana amin'ny izao fiaignan'izao ny fonareo, ka ho avy tampoka aminareo ôtran'ny fandrika izany andro izany. 35 Ny olo miaigna ambonin'ny tany eto die tsy mentsy hiaran'izany aby. 36 Fa membena tsara, ka mivavaha andro aman'aligna mba hanagnanareo hery hilefasana amin'ny raha marobe ho avy izany ka mba hitsangananareo agnivon'ny Zanak'Olo*.

Ny andro faramparany niainan'i Jesosy

37 Laha atoandro ny andro die nampianatra tankianjan’ny tempoly * Izy; ka laha aligna die nivôka Izy ka nitoboka tan-tendrom-bohitra atao hoe Oliva. 38 Ka maro ny fokon'olo nagnantogna an'Azy tamin'ny maraignan'igny mba hiteno an'Azy tankianjan'ny tempoly*.

TOKO 22   

Ny teti-dratsy hamonôna an'i Jesosy

1 Efa magnakeky ny andro firavoravôna, fihinana ny mofo tsisy levira, die ny andron'i Paska izany. 2 Nieritreritra ny hamono an'i Jesosy ny mpisorogna mban'ny mpanora-dalàgna, nefa nataotra ny olo teo areo. 3 Fa nidiran'ny Satàna i Jodasy na angihana koa hoe Iskariota, izay zalahy raike tamin'ny roy ambin'ny folo lahy, 4 die nagnantogna ny lohan-dohan'ny mpisorogna mban'ny leben'ny mpiambigna izy, ka nikoraniny tamindreo ny hamadihany an'i Jesosy. 5 Ka faly areo ka nagneky hagnome vola ho an'azy. 6 Nagneky izy ka niaragna andro hahafahany hamadika an'Azy amin'ny tsisisisy olo.

Nampiomagnin’i Jesosy ny Paska

7 Ka tonga ny andro hihinana ny mofo tsisy levira, die ny tsy mentsy hamonôna an'Azy. 8 Ka nirain'i Jesosy i Jaona izy amin'i Petera hoe: Mandihana ka homagny ny Paska hoanintsena. 9 Die hoy areo nagnontsy an'Azy: Aza ny tenao agnamboarana an'Azy? 10 Die hoy Izy an: Raha miditra an-tanàna anareo, die ahita lelahy mitondra tavoaraLVI feno rano hifanepaka aminareo; magnaraha an'azy amin'izegny hidirany. 11 Die zakay amin'ny tompo-tragna hoe: Izao no nijakain'ny RamoseLVII hoe: Aia ny tragno heresako hihinagna ny Paska miaraka amin'ny mpianatro? 12 Ka hatorony hefi-tragno malalaka anareo ambonin'ny riagna, efa misy fitobohana, agny asevo an'azy. 13 Die lasa areo nandeha ka nahita ny raha nafarany; die namboariny tao ny Paska.

Ny fanasan'ny Tompo

14 Ka laha tonga ny fotoana, die nitoboka hihinagna Izy mban'ny Apôstôly roy ambin'ny folo lahy. 15 Ka hoy Izy nagnontsy andreo: Magniry Aho ny hiaraka hihinagna aminareo an'ity Paska ity alohan'ny hijaleko. 16 Iaho mijaka aminareo fa tsy mba hinagna an'izany koa Aho mandrapahatanterahan'izany agny amin'ny fanjakan'Agnahary. 17 Ka nandramby jingaLVIII Izy, sady nisaotra nagnano hoe: Rambaso ity, ka zaray; 18 zakaiko aminareo fa manomboka niany, die tsy agnandragna vokatra avy amin'ny vôloboka koa Aho mandra-pahatongavan'ny fanjakan'Agnahary. 19 die namdramby mofo Izy, ka laha avy nisaorany, die nivakìny ka nomeny andreo sady nataony hoe: Itỳ ny tegnako, omeko anareo; ataovy izao ho fatserovanareo an'Aha. 20 Die nataony ôtran'izany mandy koa ny tagnaty zingaLIX, raha avy nihinagna, die hoy izy: Itỳ no fifanekana vaovao amin'ny rako, izay halatsako ho anareo.

Ny nijakan'i Jesosy fa hisy hamadika Azy

21 Kanefa, ny tagnan’olo izay hamadika anaha, die miaraka mihihagna amin’Aha ambony latabatra eto. 22 Fa ny Zanak'Olo * die mandeha araka ny lahatra, nefa ny zalahy nasahy hamadika an'Azy, die tena hidiran-doza tegnany. 23 Die nifagnontany ny mpianatra hoe: Iza amihay arô no havitan'izany?

Iza no tegna lehibe?

24 Velogna ny adi-hevitra tamin-dreo, ny amin'izay atao ho sefo. 25 Ka hoy Jesosy nagnontsy andreo: Amin'olo tsy Jiosy*LX, die ny mpanjakany no tompoindreo, ka ny olon-pandidy no atao hoe mpagnano soa. 26 Fa anareo die tsy mba mitovy amin'izany; fa izegny lebe aminareo no zandriolo, ka ny olom-pandidy na mpibeko die agnano ôtran'ny mpiasa na mpanompo. 27 Fa iza no lebe? Ny mitoboka hihinagna sa, ny mpiasa? Tsy ny mitoboka hihinagna an! Eto agnivonareo Aho die ôtran'olo mpiasa. 28 Ka anareo no nahadigny nagnaraka an'Aha tamin'ny fitsapam-pagnahy nahazo an'Aha. 29 Ka hagnamboarako fanjakana ianareo ôtran'ny nagnamboaran'ny Abako fanjakana ho an'Aha, 30 mba hihignana, hinomanareo ambony latabatro amin'ny fanjakako sady hitobohanareo ambonin'ny seza fiandriananareo, hitsaranareo ny firenena roa ambin'ny folo amin'ny Israely.

Ny nijakan'i Jesosy fandavan’i Petera an’Azy

31 Ka hoy ny Tompo an: E! Simôna, e! Simôna, Satana efa miezaka hagnidign’agnina anareo ôtran'ny vary. 32 Iaho mangataka aminao, mba tsy halemy ny finônao; ka laha avy mibebaka anao die ampantanjay ny rahalainao. 33 Ka hoy izy nagnontsy an'Azy: Azafady aminaoLXI, vognona agnaraka anao aho, hatragny ampigadrana na mandrapafaty aza. 34 Hoy Jesosy: Izao zakaiko aminao Petera an: Tsy mbola hagneno aby ny akoho niany, die efa intelo andà tsy ahafantatra an'Aha anao.

Ny pôketra, ny bazary ary ny lelan'antsibe

35 Die hoy mandy koa Izy nagnontsy an'azy: Raha niraiko anareo tsy hitondra pôketra na tantim-batsyLXII na kapa, ka nisy raha nahory anareo va? Die hoy areo: Tsisy. 36 Ka hoy Izy nagnontsy andreo. Fa amin'izao, izegny managna pôketra die mitondrà, ôtran'izany koa ny tantim-batsy; die izegny tsy manan'gnantsy LXIII, die mamarota lamba mba hividianana. 37 Aho mijaka aminareo, fa tsy mentsy tanteraka amin'Aha ny vôsoratra hoe: «Ka atao agnisan'ny mpanota Izy» (Isa 53:12); fa ho tanteraka tegnany ny amin'Aha. 38 Die hoy areo an: AzafadyLXIV ito misy antsibe roy. Ka hoy Jesosy nagnontsy andreo: Ampy izay.

Ny vavaka nataon'i Jesosy tao amin'ny tendrombohitra Oliva

39 Ka nivôka nandeha agny an-tendrombohitra Oliva, ôtran'ny fataony Izy, ka nagnaraka an'Azy ny mpianatrany. 40 Laha avy tagny areo die hoy Izy tamin-dreo: Mivavaha mba tsy halaim-pagnahy anareo. 41 Die nisitaka bitaka andreo Izy, tokony ho taka-tily teo, die nandoalika mba hivavaka, nagnano hoe: 42 Baba a! Raha azonao atao, die alaviro an'Aha izao fijalena mahazo an’Aha izao, nefa tsy ny sitrapoko no atao, fa Nenao. 43 Die nisy anjely avy tan-dagnitra niseho tamin'Azy sady nagnatanjaka an'Azy. 44 Roboka lôtra Izy, ka vômeka nivavaka mafy; die niteboteboka tamin'ny tany ny dignitrany sady ôtra rà. 45 Laha avy nivavaka Izy, die nitsangagna, ka nahita ny mpianatra azon-tory nohon'ny alahelony. 46 Die hoy Izy nagnontsy andreo: Nagnino anareo raha azon-tory? Mitsangana, ka mivavaha, mba tsy halaim-pagnahy anareo.

Ny nisamborana an'i Jesosy

47 Raha mbola nijaka Izy, die nisy fokon'olo maromaro avy agny, niaraka tamin’zalahy atao hoe: Jodasy, agnisany tamin'ny roy ambin'ny folo lahy, neloha lalagna sady nagnantogna mba hagnoroka an'i Jesosy. 48 Ka hoy i Jesosy an: E! Jodasy, oroka ve gnga ny hamadihanao ny Zanak'Olo *! 49 Ka laha nahita ny raha hitranga; teo areo die nagnontany an'i Jesosy areo hoe: AzafadyLXV, ka afaka mamira amin'ny antsibe ahay an? 50 Nisy zalahy raike, avy die namira ny mpiasan'ny leben'ny mpisorogna, ka nipisika ny tadigniny ankavanana. 51 Fa hoy Jesosy: Ampy izay! Die nametrahany tagnanaile zalahy igny ka sitragna. 52 Ka hoy i Jesosy tamin'ny loan-dohan'ny mpisogna mban'ny mpiambigna ny tempoly* mban'ny zokiolo tonga hanambotra an'Azy: Ôtran'ny olo hanambotra dahalo mihintsy anareo tonga eto, miaraka amina antsibe mbana lefognaLXVI an? 53 Isan'andro isan'andro Aho taminareo tankianjan'ny tempoly*, nefa tsy nikasihinareo tagnana, fa izao no fotonanareo eresanareo amin'ny herin'ny mizigna.

Ny nandavan'i Petera an'i Jesosy

54 Nisambonin-dreo i Jesosy die nindan-dreo tan-dragnon'ny leben'ny mpisorogna. Ka nagnaraka talavidavitra tegny i Petera. 55 Namelogna afo tankianja be teo areo ka teo no nitobohany, die mba nitoboka teo mandy koa i Petera. 56 Nisy viavy mpaisa raike nahita an'azy nitoboka takekin'ny afo teo, die nizahany tsara ka hoy izy an: Niaraka tamin'Azy koa izalahy itỳ. 57 Die hoy i Petera sady nandà: E! Raviavy itỳ, ndre aby io tsy fantatro. 58 Afaka kelikely die nisy zalahy raike mandy koa nahita an'azy nagnano hoe: E! Lehano, akama’io koa ny anao. Die hoy i Petera an: E! Letsia, aia anagnako akama an'io. 59 Afaka adin'ny raike teo, die nisy olon-kafa koa natoky tegna nijaka hoe: Tena marina raha tsy Akamany koa i zalahy itsy, sady izy lateo Galelianina. 60 Die hoy Petera: E! Le zalahe, tsy fantatro raha tenao ho zakaina. Ka raha mbola nijaka izy, die nisy akoho lahy nagneno. 61 Nitodika nizaha an'i Petera i Jesosy. Die tadidiny ny raha nijakain-drỳ tamin'azy hoe: Tsy mbola magneno aby ny akoho niany, d’efa intelo anao andà tsy hafantatra an'Aha. 62 Die novôka tambelagny tagny izy ka nitomagny mafy. 63 Nataon-dreo fimehezana i Jesosy sady nilamolamoiny, 64 nitapenany ny masony, die nagnontaneny hoe: Vinagnio hoe: Iza namango Anao teo? 65 Enjagna ny ompa mbana faniratsirana natom-dreo an'Azy.

Ny nitsaràn'ny Sinedriona an'i Jesosy

66 Raha vao nazava ny andro, die nivory ny zokiolo dia ny loan-dohan'ny mpisorogna mban'ny mpanora-dalagna, nitondra an'Azy ho egny amin’ny Sinedriona. 67 Die nagnano hoe: Mba zakay aminay hoe: Anao ma i Kristy* io an! Die namaly Izy hoe: Ndre hijaka Aho, die tsy hinônareo aby. 68 Ka na die hagnontany aza Aho, die tsy hamaky ianareo. 69 Fa hatramin'izao ny Zanak'Olo* die hitoboka antagnana ankanankavanan’ny herin'Agnahary. 70 Die hoy areo marobe an: Die Anao izany no Zanak'Andrianagnahary? Ka hoy Izy: Vôlazanareo fa Izaho no Izy. 71 Ka hoy areo an: Ka ino koa ilàntsena vavolombelogna amin'izany? Ny vatategnantsena mihintsy no maregny ny ampeony.

TOKO 23   

Ny nitsaràn'i Pilato an'i Jesosy

1 Die ny olo marobe no nitsangana, hitondra an'i Jesosy agny amin'i Pilato, 2 die nampangaindreo hoe: Hitanay nagnodikodigna ny firenenay i lezalahy toy sady niraràny aby ny olo tsy handoa hetra amin'i Kaisara, Kristy* Mpanjaka no ilazany ny tegnany. 3 Nagnontanen'i Pilato Izy hoe: Ka Anao Mpanjakan'ny Jiosy* an? Ka nivaleny hoe: Vôlazanao. 4 Die hoy i Pilato tamin'ny lohandohan'ny mpisorogna mban'ny fokon'olo: Tsy hitako ny heloka vitan'io lezalahy io. 5 Fa vômeka areo nandentika nagnano hoe: Nagnodikodigna ny lohan'ny fokon'olo Izy sady aeliny magneragna an'i Jodia ny fampenarany, nanomboka tagny Galilia ka hatretỳ.

Jesosy teo anatrehan'i Herôda

6 Raha naharegny an’izany i Pilato, die nagnontany raha olo avy agny Galilia i Jesosy. 7 Ka laha fantany fa avy agny amin'ny tany iandidian'i Herôda Izy, die nampagnateriny tagny amin'i Herôda, sady izy lateo koa mbola tao Jerosalema tamin'ny andron'io. 8 Hafalena an'i Herôda laha nahita an'i Jesosy; f'efa ela no nagniriany hahita an'Azy, satria efa naregny ny mombamomba an'Azy izy, sady nagnantegna hahita famantarana hataony. 9 Maro ny fagnontanena nagnontaneny an'Azy; nefa tsy namaly i Jesosy. 10 Ny lohandohan'ny mpisorogna mban'ny mpanora-dalàgna nijanonjanogna teo mandy sady nadeti-detika an'Azy fehizay. 11 Nifokafokain'i Herôda mban'ny miaramilany Izy ka nataon-dreo fiomehezana, die nampekanjoiny akanjo tsara Izy ka napodiny tagny amin'i Pilato. 12 Die nanjary mpekama be i Herôda izy amin'i Pilato tamin'izany kanefa nifandrafy areo roy taloha.

Ny nanamelohana an'i Jesosy ho faty

13 Navorin'i Pilato aby ny lohandohan'ny mpisorogna mban'ny mpitsara mban'ny fokon'olo, 14 die hoy izy nagnontsy andreo: Nindanareo amin'aha atỳ Izalahy ity, fa nagnodikodigna ny lohan'ny fokon'olo hoy anareo, nefa tagnivonareo teto no nagnadignako an'Azy, nefa tsy mahita tsigny amin'ny fempanganareo an'Azy aho. 15 Tsy hitako ka, na die i Herôda koa aza, nagnapody an'Azy amintsena aty satria tsy nahita tsigny mba hamonôna an'Azy. 16 Ka saziko bitaka Izy, die avosotro. 17LXVII 18 Kanefa areo marobe indraike nirodogna nijaka hoe: Vonio agny io e! Ka avosory i Barabasy ho anay! 19 Ka i Barabasy io zalahy maherihery fihetsika sady kikihina tamin'ny fagnakorotagnan'olo tan-tanàna miaraka amin'ny famonôn'olo, izany nahotonga an'azy nampidirina tan-dragnomezigna. 20 Ka satria tien'i Pilato avosotra i Jesosy, die mbola nijaka mandy izy. 21 Nefa ny olo nivazavaza mafy hoe: Fantsio e! Fantsiho amin'ny hazo fijalena Izy e! 22 Ka hoy izy nagnontsy an-dreo fagnon-telony: Ka ino arika ny ratsy namboariny e? Tsy mahita heloka tokony hahafaty an'Azy aho; ka saziko Izy die avosotro. 23 Tsy nagneky areo ka nivazavaza mafy ny amin’ny hamantsiana an'i Jesosy amin'ny hazo fijalena. Sady nenahery ny feon'olo. 24 Die neken'i Pilato tagny fangatahan-dreo. 25 Die novosony le zalahy maherihery fihetsika sady kikihina amin'ny famonôn'olo, satria io no nangatahin-dreo; fa i Jesosy koza nomeny mba hagnamboarany sitrapony.

Ny namantsihana an'i Jesosy tamin'ny hazo fijalena

26 Raha nindan-dreo Izy die nisy zalahy kireanina raike angihana hoe: Simôna, vô avy nivarigna kanitozominy mba hitondra ny hazo fijalena nagnaraka an'i Jesosy. 27 Maro ny fokon’olo nagnaraka an’Azy sady nisy alam-biavy maro nandon-tratra nagnaraka an'Azy sady nitomagny. 28 Fa nitodika i Jesosy ka nahitan-dreo die nagnano hoe: E! Alambiavin'i Jerosalema; aza mitomagny an'Aha, fa mitomagniza ho an'ny tegnanareo mban'ny zanakareo. 29 Fa ho avy ny andro hijakany hoe: Sambatra ni kibo tsy niteraka mban'ny nono tsy ninonoana. 30 Die hijaka amin'ny tendrombohitra izy hoe: «Mirodagnany zokiolo aminay, mbany amin'ny zana-bohitra hoe: Rarogny ahay» (Hos 10:8). 31 Fa raha izao anjo ny kakazo legna, die hagnano akory ny amin'ny kakazo maigna? 32 Nisy olon-dratsy roy lahy mandy koa, nindao hovonina maiaraka amin'Azy. 33 Ka laha tonga tamin'ny tany atao hoe: Ikarandoha areo, teo no namantsihany an'i Jesosy mban'ny olo-dratsy roy lahy igny, ny raike natao ankavanany die ny raike natao an-kaviany. 34 Die hoy i Jesosy: Baba! Avelay ny helokany, fa tsy fantany ny raha ataony. Die nagnamboaran-dreo loka ny fizarana ny akanjony. 35 Mbola maro ny fokon'olo nijery. Ny loholona nagneso an'Azy hoe: Izy aza namonjy olo, avelay Izy mba hamonjy ny tegnany, raha Izy marina no Kristin'Agnahary, nifidiny. 36 Die nomeny mlaramila vinègra Izy sady nataondreo fimehezana. 37 Ka hoy areo an: Avoty ny tegnanao, raha Anao marina ny Mpanjakan'ny Jiosy*. 38 Nisy soratra tamboniny teo hoe: ITY NY MPANJAKAN'NY JIOSY. 39 Ny zalahy raike nifantsiana niaraka tamin’Azy teo die nanevatevan'Azy hoe: Tsy Anao ma i Kristy* izany an? Magnavotà tegna Anao die avoty koa ahay. 40 Fa hoy koza i lezalahy raike akamany nagnanatra an'azy hoe: Mba mataorà an'Agnahary anao lehano, na die samy efa vôsazy aza. 41 Rariny ny asena raha handray ny vokatry ny raha nataontsena asena, fa i Ralilahy io, tsy mba nagnano ratsy na die raike, 42 ka hoy izy an: Tadidio mandy aho a Jesosy raha tonga amin'ny fanjakanao Anao. 43 Die hoy Jesosy nagnontsy an'azy: Aho mijaka aminao; fa niany die niany mandy anao die hifankahita amin'Aha, agny amparadisa*.

Ny nahafatesan'i Jesosy

44 Tokotokony tamin'ny ora fahenina teo, die mizigna aby ny tany marobe ka naharitra hatramin'ny ora fahasivy, 45 satria nemizigna ny masoandro, sady rota nizara roy koa ny lamban'ny hefitra tamin'ny tempoly*. 46 Ka nagnantso mafy i Jeosy hoe: «Baba, apetrako ampelatagnanao, ny fagnahiko» (Sal 31:5), ka laha avy nijaka an'izany Izy, die aigna. 47 Raha nahita ny raha nitranga teo i Kapiteny, die hagnome voninahitra an'Agnahary nagnano hoe: Tena olo-marina tegnany i Zalahy ity. 48 Raha nahita an'izany mandy koa ny fokon'olo izegny nagnatrika teo die nandini-tegna ka nandon-tratra. 49 Fany olo-patany mban’ny viavy maro izegny nagnaraka an’Azy hatagny Galelia dia nijanogna talavidavitra tegny nijery ny raha nitranga 50 Nisy zalahy raike angihana hoe: Josefa, anisan'ny Sinedriona, olo tsara fagnahy sady marina. 51 Tsy mba neken'ny zalahy io aby ny hevitra ratsin ny sasagny namboarin-dreo avy tagny Arimatia, tanànan'ny Jiosy*, izy die agnisan'ny nagnantegna ny fanjakan'Agnahary. 52 Nagnantonga an'Pilato izy, ka nangataka ny fatin'i Jesosy. 53 Nofognosiny ny faty ka nampidigniny tampaságna, raika agnaty lava-bato, tsy mbola nandevegnane olo. 54 Andro fiomagnana amin'ny Sabata* tamin'io. 55 Ny viavy nagnarka an'i Jesosy hatragny Galilia die nagnarka an'i Josefa tampaságna tagny, hijery ny fomba fandevegnana ny fatiny. 56 Ka raha nipody areo die nagnano zava-magnitra mbana menaka magnitra. Ka nizanogna areo laha tonga ny Sabata* arakan'ny lalàgna.

TOKO 24   

Ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty

1 Tamin'ny andro vôlongany tamin'ny herignandro vao mangiran-dratsy, die nadeha tagny amin'ny kobory areo nitondra zava-magnitra efa nomagniny. 2 Ka hitany fa, efa nivoha hoazy varangaram-pasagna.. 3 Die niditra areo kanefa tsy nahita ny fatin'i Tompo Jesosy. 4 Ka raha mbola niady hevitra an'izany areo, die nisy zalahy rôlahy niseho tamin-dreo nagnano akonjo mamirapiratra. 5 Die nangoaina areo ka nenkohoka, ka hoy areo rôlahy nagnontsy ndreo: nagnino anareo miaragna ny velogna atỳ amin'ny maty? 6 Tsy ato Izy, fa efa nitsangagna; tadidio ny raha nijakainy tamin-areo, tamin'Izy mbola tagny Galilia hoe: 7 Ny Zanak'Olo* die tsy mentsy atolotra antagnan'ny mpanota ka ho fantsiany ambonin'ny hazo fijalena, amin'ny andro fahatelo die histangangna. 8 Die tsarôn-dreo ny raha nijakainy. 9 Ka nipody avy tampaságna areo, die nitantara an'izany tamin'ny akamany marobe, die tamin'ny raike ambin'ny folo lahy. 10 Teo mandy koa i Maria, endrin'i Jakoba; mban'ny zavavy sasagny, tagny die samy nivoria an'izany tamin'ny Apôstôly. 11 Kanefa neverin-dreo ho tapasira mandy izany raha nivorianin-dreo izany ka tsy ninôny. 12 Fa nitsangagna i Petera, die lasa niazakazaka tagny amin'ny kobory; ka niondrika izy, die ny lambam-paty mandy no hitany nitokagna teo; lasa izy nody; sady zendagna nohon'ny raha niseho.

Tegny an-dalagna ho agny Emaosy

13 Tamin'ny andron'io mandy, die nisy zalahy rôlahy tamin-dreo, ho agny amin'ny vohitra raike angihana hoe: Emaosy, iraikambin'ny folo kilômetatraLXVIII miala an'ny Jerosalema. 14 Die mbola raha nitranga igny mandy no nivorianindreo. 15 Ka raha mbola nivoria sady nandinika an'izany tsara areo, die nagnantogna i Jesosy ka niaraka tamin-dreo teo. 16 Fa ny mason-dreo efa vôsakagna tsy halala an'Azy. 17 ka hoy Izy nagnontsy an- dreo: Ino raha koraninareo an-dalagna atỳ izao? Die nijanogna areo sady nalahelo. 18 Ka i le zalahy raike atao hoe: Kleopasy no namaly ka nagnano hoe: Die mba Anao raike angaha vahiny nitoboka ao Jerosalema tsy nahalala an'izany? 19 Fa hoy izy nagnontsy andreo: Fa raha magnano akory izao? Die hoy areo rôlahy an: Ny amin'i Jesosy avy agny Nazareta, mpaminagny tegna matanjaka tamin'ny asa, tamin'ny fizakàna, ny amin-Jagnahary mban'ny fokon'olo marobe, 20 no natolotry ny lohandohan'ny mpitsara amintsena eto mba homelohina ho faty; ka nifantsiandreo tamin'ny hazo fijalena Izy. 21 Nefa Izy no nantegnainay hagnavotra an'i Israely; tsy izany mandy fa niany no andro fahatelo nitrangan'izany. 22 Ny zavavy sasagny tagny vô maraigna no mahavery hevitra anay io. 23 Nijaka taminay areo fa tsy hita tao koa ny faty, fa anjely no hitan-dreo tao nijaka fa velogna Izy. 24 Die nandeha ny sasagny taminay ho agny amin'ny kobory, nagnamarina ny raha nijakain'ny zavavy io; nefa Izy tsy hitany tao tokôtre. 25 Ka hoy Izy nagnontsy andreo: Ka môla anareo sady tsy misaigna ka tsy no ny raha nijakain'ny mpaminagny. 26 Ka tsy tokony heretan'i Kristy* ma izany mba hidirany amin'ny voninahiny an? 27 Hatragny amin'i Mosesy mban'ny mpaminagny marobe no nanombohany nijakana ny momba an'Azy ao amin'ny sorotra Masina manontolo. 28 Efa nagnakeky ny vohitra andihanandreo izy rôlahy, nefa i Jesosy mbola hagnano handeha an-tany lavitra. 29 Fa nitazomindreo Izy hoe: Mizanogna aminay eto arô! Fa efa ho aligna ny andro. Die niara-nijanogna tamin-dreo Izy. 30 Ka niara-nitoboka tamin-dreo, die nandramby mofo Izy sady nisaotra, die nivakiny ny mofo ka nizarainy. 31 Izay vô nahiratra ny mason-dreo ka nahafantatra an'Azy; tampoka teo, die tsy hitan-dreo koa Izy. 32 Nikoràna areo hoe: Tsy nidobodoboka ny fontsena, tamin'Izy nikorana tamintsena nagnara-dalagna igny die tamin'Izy nijaka ny dikan'ny sorotra Masina tamintsena igny koa? 33 Lasa izy rôlahy nipody ho agny Jerosalema tamin'ny andron'igny, ka niaogna tamin'ny mpianatra raike ambin'ny folo lahy mban'ny akamany, 34 sady nikoragna hoe: Efa nitsangagna marina ny Tompo, niseho tamin'i Simôna. 35 Ka nitantarain-dreo koa ny raha nitranga tamin-dreo tan-dalagna tegny mbany namakiany ny mofo.

Ny nisehoan'i Jesosy tamin'ny mpianany

36 Raha mbola samy nitantara teo areo marobe, die nitsangagna tagnivon-dreo teo i Jesosy ka nagnano hoe: Fiadagnana ho anareo. 37 Die taitra areo sady nangoaina, satria angatra no nieritreretan-dreo an'Azy. 38 Nefa hoy i Jesosy nagnontsy andreo: Ka ino maha taitra anareo? Sady magnino anareo raha misalasala? 39 Jerevo ny tagnako, ny tongotro; fa Iaho mandy itỳ, tsapay Aho ka jahay, ny angatra tsy mba managna nofo aman-drà ôtran'ny hitanareo an'Aha izao. 40 Laha avy nijaka an'izany Izy, die natorony andreo ny tongotra aman-tagnany. 41 Ka raha mbola tsy nino mandy areo satria faly lôtra sady mbola varena no zendagna, die hoy i Jesosy an: Mbola misy hanina aminareo ao an? 42 Die nomeny silaka laokandrano natono izay Izy. 43 Nalainy die nohaniny tamasondreo teo. 44 Die hoy Izy nagnontsy andreo: Efa nijakaiko taminareo, tamin'ny Aho mbola taminareo, fa tsy mentsy hiseo aby ny vôsoratra ao amin'ny lalàgn'i Mosesy mban'ny mpaminagny, mban'ny Salamo momba an'Ahy. 45 Die namoha ny saignandreo Izy mba hahalalàny ny Soratra Masina. 46 Ka hoy Izy an: Araka ny vôsoratra die tsy mentsy hijaly i Kristy* ka hatsangagna amin'ny maty amin'ny fahatelo androny. 47 Ka tsy mentsy torina amin'ny agnarany ny fibebàhana mban'ny famelàn-keloky ny firenena marobe manomboka eto Jerosalema. 48 Anareo no vavolombelona an'izany. 49 Ka hiraiko anareo amin'ny fampagnantenan'ny Abako; fa mitoboha an-tanàna eto anareo alohake, mandra-pazaônareo ny hery avy agny ambony. 50 Nindan'i Jesosy areo hatragny Betania, ka nagnampatra ny tagnany Izy sady nitso-drano andreo. 51 Raha mbola nitso-drano andreo teo Izy, die nisaraka tamindreo, ka nakarina ho agny andagnitra. 52 Die nenkohoka tamin’Azy teo areo, die nipody ankafalena ho agny Jerosalema aveo. 53 Isan-andro isan-andro areo die nakalaza an'Agnahary tankianjan'ny tempoly.




FANAZAVANA TENY SASANY   

A

Agny ambony [any ambony]

Avo.

Amboahaolo; Amboadia na Amboadihy

Amboa mitovy amin'ny alika. Amboadia: Mitovitovy amin'ny alika fa masiaka sy mampidi-doza ary lehibe kokoa; a mboahaolo: Mitovitovy amin'ny amboadia fa kely kokoa (mitovy habe amin'ny fossa) sy menamenatra. Mamitaka na fetsy na mpandainga izy ao amin'ireo tantara ireo.

Andrognana [andronana]

Famaky.

Angatra

Matoatoa na lolo.

Antsibe

Lelan-tsabatra na sabatra

areo na areo

Izy ireo.

Asena

Isika.

B

Baba

Ray / dada.

Bata, daba

Jereo ny Efaha, ny Filazana Fiatiana.

Belzeboba

Ny anarana Belzeboba dia mifandray amin'i Bala andriamanitra Kananita.

Beelzebub dia anarana iray hafa an'ny satana.

Bilo

Tromba / Fanahy Ratsy. Jereo ny ‘demonia’.

Borikiny na boriky

Ampondra na boriky: Biby mitovitovy amin' ny soavaly fa kely, izay atao koa hoe boriky. Bibidia fahiny mpiraotra eny amin'ny fondra.

D

Dahalo

Jiolahy

Demonia,devoly, Satana

Samy anarana ilazana ny fagnahy ratsy ireo. Ny hoe demonia dia fagnahy ratsy mampijaly ny olona. Ny hoe devoly dia midika hoe mpifosa, mpiampanga. ny hoe Satana dia midika hoe mpanohitra, mpiampanga eo amin'ny fitsarana. Ny anarana iantsoana azy ireo koa dia hoe Ilay ratsy, ny fahavalo, ny menarana, ny dragona.

Denaria

Jereo ny Filazana Anaram-bola.

E

Endriny

Reny.

Enjagna

Maro / betsaka / be dia be

F

Fariseo

Anaran'ny antoko ara-pivavahana lehibe teo amin'ny Jiosy tamin'ny andron'i Jesosy. Ny anarany die midika hoe «izay miavaka amin'ny maro».

Fehy

Jamba.

G

Gôgôka

Goaika: Vorona lehibebe salasalany, mainty ny volony, fa eo amin' ny tendany no misy fotsy mihodidina toa fehivozona; vorona mihinana nofom-biby ny goaika ary malaza ho mpihinana ny voanjon' olo maniry koa.

H

Hadesy

Tao amin'ny fitoeran'ny maty, na tany ambany, fa any araka ny fihevitry ny Jody, no fitoeran'ny maty rehetra, nefa miavaka sy misy elanelany ny tsara sy ny ratsy. Afobe indrindra ny an'ilay mpanan-karena (jereo Lioka 16:24,28).

Hajotso

Haetry.

Hala

Maingoka: Bibikely misy tanabeny roa mangeja eo anoloana, ary ny kibony miafara amin' ny rambo mifaingoka izay manindrona misy poizina.

I

Iabany

Rainy / sadany.

Iraimbilanja

Asariona: Jereo ny Filazana Anaram-bola.

Iregny

Ireo / ireny.

Izegny [izeny]

Izany, izay.

J

Jentilisa

Ilazana ny hafa firenena noho ny firenena Israely.

Jiosy

Midika hoe ireo mponina any Joda. Rehefa tafaverina avy tany Babilona ny Zanak'Israely dia tany Joda izy ireo no nivantana io izany dia ilazana ny Israely efa tafaverina avy tany amin'ny fahababoana.

Jodia

Rehefa tonga teo ambany fitondrana Romana Israely, nanomboka tamin'ny taona 63 tal JK, die tonga fari-piadidiana iray i Joda. Noho izany, ao amin'ny Testamenta Vaovao die Jodia no ilazana an'i Joda taloha.

K

Ka

sy, ary.

Kaboda na kobay

Tapa-kazo lavalava namboarina ho amin' ny hikapohana biby sendra ny tena.

Kakazoina [olo kakazoina na mpanao ody]

Mpamoha angatra nahatalanjona, na, mpitahiry ody (Asan’i Apôstôly 8:9).

Kobory

Fasana.

Kora

Jereo ny Homera, ao amin'ny Filazana Hiatiana

Kristy

Tenyp Grika mitovy amin'ny hebreo hoe Mesia, midika hoe Voahosotra, ary tonga anarana manambara ny maha Mpanjaka voahosotra an'i Jesosy. Jereo ny ‘Mesia’.

L

Laha

Indray / Raha / Rehefa / Laha.

Lambo

Kisoa.

Lango

Salohim-bary.

Lasakorazagna [lasan-korazana]

Ilazana ireo efa maty. Ny olo Kristiana mampiasa ny teny: Nodimandry.

Lebeko [lehibeko]

Tompoko.

Lepta

Jereo ny Filazana Anaram-bola.

lelan'antsibe

Lelan-tsabatra na sabatra

Levira [leviora]

masirasira.

Levy

Levy na Levita: Lehilahy avy amin'ny fokon'i Levy tamin'ny fanompoana tao amin'ny tabernakely* sy ny tempoly*.

M

Mandy

Ihany koa.

Manivagna [manivana]

Misivana na manasivana.

Makorelina

Mpivaro-tena na vehivavy janga: Vehivavy mivelona amin' ny fitondran-tena ratsy.

Mandoalika (menkohoka)

Miankohoka.

Mangaike

Miantso.

Mangoaigna [mangoaina]

Matahotra.

Manirano

Aretina mitarika tsiranoranoka hiangona amin' ny tenan' ny olombelona, ao amin' ny faritra iray, indrindra ny kibo, ny ranio, sns, ka mahatonga an' ireo hibontana be.

FANAZAVANA TENY SASANY

Mavozo

Antitra.

Mentomboka

Miandoha.

Minogna [minona]

Misotra.

Mipody

Miverina.

Mitoboha

Mipetraha

Mitoboka

Mipetraka. Mijanona vetivety.

Mivanga

Mividy.

Môla [maola]

Adaladala, misy kely.

Mosaregna

Noana.

Mpagnani-ketra [mpanani-ketra]

Mpamory hetra.

Mpaminagny na profeta [mpaminagny]

Mampiasa eto 'mpaminagny', fa mety ho 'mpanandro' na 'profeta' ihany koa.

Mpagnavotra [mpanavotra]

Mpamonjy.

Mpiarakandro ondry na omby (mampiasa 'mpiambigna' mety amin'ny biby rehetra)

Mpiandry.

Mpitsabo na mpagnano fagnafody na dokotera

Indraindray 'Ombiasy', fa mampiasa ny teny 'mpitsabo' satria ny ombiasy manao ny ody na mosavy ary miresaka amin'ny fanahay hafa izy. Ny ombiasy tsy mitovy ny mpitsabo satria ny mpitsabo magnano fagnafody marina.

N

Nagnampatra

Nanijitra.

Nenga,henga, menga

Niala, hiala, miala.

Nilamoina (nivangoina)

Mikapoka

Nivonìny

novonoina > vonoina (vono).

P

Paradisa

Teny Grika, izay nanondro sahan'andriana mahafinaritra, feno hazo maniry. Ao amin'ny Genesisy 2:15 dia io voambolana «Paradisa» io no nandikan'ny Septanta na ilay Testamenta Taloha voadika ho grika, ny hoe «saha» tao Edena ka izany no nahatonga ny fiteny hoe «Paradisa», ilazana ny toeram-pahasambarana, sady toeram-piandrasana vantanin'ny voavonjy any ankoatry ny fahafatesana. Izany fahalalana faran'izay tsotra izany no nampiasain'i Jesosy teo amin'ny hazo filaliana, rehefa niteny tamin'ilay jiolahy teo akaikiny Izy, mba hilazany fa miaraka amin'izay dia efa naman'ny voavonjy izy.

Pôketra

Kitapom-bola

R

Raogna[raona]

Rahona.

Robo

Voninahitra; mandòka; fanajàna.

Roboka

Reraka.

Roy

Roa.

S

Sabata (Sabotsy)

Teny Grika midika hoe Fitsaharana.

Ny Sabata dia ny andro fahafito amin'ny herinandro (ny Asabotsy), ary voatendry hohamasinina ho andro fitsaharana. Araka ny fanisana ny andro tamin'izany rahateo, ny Sabata dia nanomboka ny Zoma hariva nilenti-masoandro ka nifarana ny Asabotsy hariva milenti-masoandro.

Sadoseo

Ny anarany die avy amin'ny anaran'i Sadoka, Mpisoronabe tamin'ny andron'i Davida sy i Salomona, sady areo no anisan'ny antokom-pivavahana lehibe tamin'ny andron'i Jesosy, miaraka amin'ny fariseo*.

Samaritana

I Samaria dia faritra anelanelan'i Jodia sy i Galilia. Tamin'ny taona 721 tal JK, rehefa nopotehin'ny Asiriana ny fanjakana Avaratra, dia nalevany ho babo tany Asiria ny olo ambony tamin'ny Israeliana izay nonina tao ka nosoloany olo avy tamin'ny firenen-kafa. Noho izany dia tonga nifangaro firenenkafa ny mponina tao ka noheverin'ny Jiosy na ny mponina tany Jodia ho tsy madio, hany ka tsy nifampiraharaha ny Jiosy sy ny Samaritana. Nanana ny fombam-pivavahany manokana tao amin'ny tendrombohitra Gerizima izy ireo ary tsy nanaiky ho Tenin'Andriamanitra afa-tsy ny boky dimy voalohany ao amin'ny Testamenta Taloha ihany. Nopotehin'ny Jiosy izany Tempoliny* izany tamin'ny taona 128 tal JK. Mbola misy hatramin'izao ny fokon'ny Samaritana.

Synagoga

Teny Grika midika hoe fiaraha-mivory. Toerana iray izay nihaonan'ny Jiosy isaky ny sabata ho an'ny fanompoam-pivavahana ho an'ny besinimaro. Mety ho foiben'ny fiainana jody sy sekoly ho an'ny ankizy jiosy izany.

Sinedriona

Avy amin'ny teny Grika: Io no ambaratongam-pisarana ambony indrindra teo amin'ny Jiosy tamin'ny andron'ny fitondrana romana, mitsara ny raharaha lehibe rehetra na ara-piaraha-monina, na ara-pivavahana. Ny mpisoronabe no mitarika azy io, ary nisy 71 lahy ny mpikambana tao, avy amin'ireo lehiben'ny mpisorona, ireo loholona ary ireo mpanoradalàna. Afa-tsy ny Sinedriona tao Jerosalema izay notarihin'ny Mpisoronabe dia nisy koa ireo sinedriona madinika: Mat 10:17; Mar 13:9.

Stadio

Jereo ny Halava sy Halavirana.

T

Tabernakely

Avy amin'ny teny Latina hoe «tabernaculum», izay midika hoe «tranolay». Fomba nahazatra ny nandikana ny Mishkan («fonenana», izay hoe fonenan'NY TOMPO), hoe «tabernaculum». Ny teny hebreo hoe Mishkan dia manondro ilay tranolay lehibe izay voarafitra (Eks 25-27; 40), ary indraindray dia ilazana koa ny Tempoly*, amin'ny lahatsoratra mirindra (Sal 84:1). Jereo koa ny hoe «Tranolay fihaonana».

Tafapody

tafaverina.

Taka-tily / taka/toraka

Mitora-bato.

Tantim-batsy

Kitapom-batsy

Tempoly

Nivavaka sy nanompo tamin-Jagnahary tao amin'ny tempoly ny Jiosy mitovitovy amin'zao ny mpino christiana amin'ny fiangonana.

Ny 'tempoly' mitovitovy fiangonana lehibe sy manan-danja na ny lapa-be masina.

Io no tempoly tamin'ny andron'i Jesosy. Noravan'ny Roamana tamin'ny taona 70 ary tsy nisy nanangana azy intsony.

TOMPO

Ao amin'ny Soratra Masina die midika izany hoe: ‫יהוה‬/YHWH [IAHVEH na YAHWEH].

V

Vinègra

Vinaingitra (Jereo Lioka 23:36 ary Salomo 69:22).

Vôndroy [voandroy]

Roimemy

Vôrôka [voaroaka]

Esorina /voarohaka

Z

Zagnahary [Zanahary]

Andriamanitra.

Zanak'Olo

Ny hoe «zanak'olona» die midika tsotra hoe «olombelona». Io anarana io die miasa betsaka ao amin'ny boky Ezekiela, ilazan'ny Fanahin'Andriamanitra an'i Ezekiela mpaminagny. Izay marihina indrindra die ilay fahitana ao amin'ny Daniela 7:13, izay manambara ilay «toy ny zanak'olona avy eny amin'ny rahon'ny lanitra», fahitana izay manambara ny Mesia ho avi hitsara izao tontolo izao. Ao amin'ny Testamenta Vaovao, die io anarana hoe «Ny Zanak'olona» io no ilazan'i Jesosy ny tenany, koa ambarany amin'izany fa Izy no voalazan'ny Daniela 7:13, ka anambarany fa tena olombelona tokoa Izy, ary tena Andriamanitra tokoa satria nidina avy tany an-danitra.

Zegny [zeny]

Aloavy.

Zelota

Midika hoe mazoto, mafana fo: Antokon'ny sekta Jiosy iray, mpitolona ho an'ny tanindrazana.

Zendagna [zendana]

Gaga.


FILAZANA ANARAM-BOLA   

Ao amin'ny Testamanta Taloha

Tany aloha tany teo amin'ny Israely dia tsy vola no nampiasaina fa akory volafotsy na koa volamena no nolanjaina, ary indraindray koa varahina; koa ny filamatra dia sekela volafotsy milanja 11.4 gr. Matekika ny vola dia lazaina tsotra hoe «volafotsy».

Tamin'ny andron'ny Persiana dia nisy ny atao Hoe dareka (volamena 8 gr.), ary ny drakma, mitovitovy amin'ny dareka.

Kesita, anaram-bola fahizay, izay tsy fantatra ny lanjany.


Tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao dia vola romana sy grika no niasa ka nisy volafotsy ary nisy varahina.

Volafotsy

1 drakma (grika) = 1 denaria (romana), izay karaman'ny mpiasa indray andro tamin'izany.

1 statera = drakma efatra

1 mina = 100 drakma

1 talenta = 60 mina = 6000 drakma

Varahina

Lepta (grika), nadika hoe «farantsakely». Io no vola madinika kely indrindra.

1 kaodiranta = lepta roa

1 asarion (grika) = 1/10-n'ny denaria


FILAZANA FIATIANA   

1 homera (voamaina) = 1 kora = 393,3 litatra

1 efaha (voamaina) = 1 bata (ranon-javatra) = 1/10-n'ny homera = 39 litatra

1 sea (koba na voamaina) = 1/3-n'ny efaha = 12,148 litatra eo ho eo

1 vata famarana, grika: Modion = 8,7 litatra

1 hina = 6 litatra (ranon-javatra)

1 omera = 3,6 litatra

1 kaba = 2 litatra

1 loga = 0,5 (ranon-javatra)


HALAVA   

1 hakiho (ao amin'ny Testamenta Taloha) = 50 sm eo ho eo

1 hakiho (ao amin'ny Testamenta Vaovao) = 45 sm

1 zehy = 25 sm eo ho eo

1 vodivoapelatanana = 8 sm eo ho eo

1 voantondro = 2 sm eo ho eo

1 eram-paladia = 30 sm


HALAVIRANA   

1 maily = 1500 m

1 stadio = 185 m



FANAMARIHANA FARANY   

I

Na 'an-tagny efitra'.

II

Na 'mandohalika'.

III

Na 'an-tany efitra'.

IV

Na 'an-tagny efitra'.

V

Diman-jato denaria: Karaman'ny 500 andro.

VI

Na ‘demony’.

VII

Na 'an-tagny efitra'.

VIII

Na vatsy.

IX

Na tranolay.

X

Amboahaolo (Jereo ny fanazavana teny sasany).

XI

Amin'ny sora-tanana sasany die misy: 72.

XII

Na vatsy.

XIII

Amin'ny sora-tanana sasany die misy: 72.

XIV

Denaria roy: Karaman'ny roy andro.

XV

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

XVI

Ibid.

XVII

Amin'ny sora-tanana sasany ampio hoe: Atao ny sitraponao, eto an-tany hatra an-dagnitra agny.

XVIII

Amin'ny teny ofisialy: Mpampianatra.

XIX

Amin'ny teny ofisialy: Mpampianatra.

XX

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

XXI

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

XXII

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

XXIII

Ibid.

XXIV

Amboahaolo(Jereony fanazavana teny sasany).

XXV

Manirano(Jereony fanazavana teny sasany).

XXVI

Amin'ny sora-tanana sasany mijaka: Zanaka. Ny boriky mitovitovy ny soavaly kely.

XXVII

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

XXVIII

Zanaka’omby matavy

XXIX

Diloilo: Eto menaka oliva.

XXX

Zatobata = 3900 litatra.

XXXI

Zatokora = 39.330 litatra.

XXXII

Valo-polokora = 31.464 litatra.

XXXIII

Hadesy (Jereony fanazavana teny sasany).

XXXIV

Amin'ny teny ofisialy: Mpiampianatra

XXXV

Sambofiara

XXXVI

Amin'ny sora-tanana sasany ampio hoe: 36Hisy roy zalahy agny an-tsaha; ny raike die alaina sady ny raike die abela.

XXXVII

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

XXXVIII

Amin'ny teny ofisialy: Mpampianatra.

XXXIX

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

XL

Naolo ambony

XLI

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

XLII

Ibid.

XLIII

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

XLIV

Ibid.

XLV

Ny boriky mitovitovy ny soavaly kely.

XLVI

Ibid.

XLVII

Ibid.

XLVIII

Amin'ny teny ofisialy: Mpampianatra.

XLIX

Na loholona.

L

Amin'ny teny ofisialy: Mpampianatra.

LI

Ibid.

LII

Amin'ny teny ofisialy: Mpampianatra.

LIII

Tompoko

LIV

Amin'ny teny ofisialy: Mpampianatra.

LV

Hohitsahin'ny Jentilisa*

LVI

Siny.

LVII

Amin'ny teny ofisialy: Mpampianatra.

LVIII

Nakapoaka.

LIX

Ibid.

LX

Jentilisa*.

LXI

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

LXII

Navatsy.

LXIII

Manan-tsabatra.

LXIV

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

LXV

Amin'ny teny ofisialy: Tompoko.

LXVI

Langilangy.

LXVII

Amin'ny sora-tanana sasany ampio hoe: 17 Fa tsy mentsy mamosotra zalahy raike ho an'olo arỳ amin'izao andro fety izao.

LXVIII

Enim-polo stadio (jereo ny Halavirana).

5 1 stem
Article Rating
Abonneer
Laat het weten als er
guest

0 Comments
Inline feedbacks
Bekijk alle reacties