Handelingen der Apostelen in het Malagasy-Antanala dialect

Handelingen der Apostelen in het Malagasy-Antanala dialect

Posted: 13-05-2023 - 09:50. || Modified: 13-11-2023 - 08:23

Asan’ny Apôstôly

Amin’ny Fiteny Malagasy-Antanala, Distrikan’i Mananjary



Translated by Menjanahary Marson.

Edited and corrected by Jurgen Hofmann (last correction 06-05-2023).

Photographs © 2017-2023 Maroamboka, Sandrohy Madagascar.

© 2019-2023 Maroamboka, Sandrohy Madagascar.

Email: contact@jurgenenkatja.nl

FaceBook: Vaovao Mahafaly Antanala/

First edition 2023 – Please send your corrections to the above mentioned email address.

Some footnotes and explanations in the word list and footnotes derived from:


La Société Biblique Malgasche, Ny Baiboly amin’ny teny Malagasy, Dikanteny 1965 Nasiam-panitsiana, Antananarivo Madagascar, Nouvelle Révision 2013.

Beaujardière, de La, J. M. (2001-2021), Malagasy Dictionary and Encyclopedia of Madagascar: Everything known about all Malagasy words, Available from <http://malagasyword.org/>, [Accessed: 2023].





TOKO 1   

Ampanantenai na ny Fagnahy Masina ny apôstôly

1 Efa nijakaiko tamin’ny boky vôlongany igny, a Teofilo, ny raha namboarin’i Jesosy mban’ny raha nampenariny, 2 hatramin’ny andro nampekarana an’Azy, laha nididiny tamin’ny Fagnahy Masina ny Apôstôly nifidiny, 3 tafaran’ny nijaleny, die maro ny porofo nandesina nagnamarinana fa velogna Izy, sady nandritra ny efa-polo Izy niseho tamindreo, ka nilazalaza ny fanjakan’Agnahary. 4 Ka raha niara-nitangorogna tamin-dreo: Jesosy, die nagnafatra andreo mba tsy hialan’i Jerosalema, fa handigny ny raha nampagnantegnain’ny Baba, izay efa regninareo tamin’Aha hoy Izy; 5 Nagnano batisa tamin’ny rano i Jaona; fa anareo, hatao batisa tamin’ny Fagnahy Masina, afaka andro vitsivitsy.

Miakatra agny an-dagnitra i Jesosy

6 Ny olo tafangogna teo die samy nagnontany an’Azy hoe: Azafadyi, ka amin’izao izany no hagnapodenao ny fanjakana ho an’ny Isiraely an? 7 Ka hoy Izy nagnontsy andreo: Tsy fantatrareo ny andro mban’ny fotôna handaharan’ny Baba ny fahefàny. 8 Fa amin’ny hilatsahan’ny Fagnahy Masina aminareo, die ahazo hery anareo, sady ho vavolombelogna an’Aha agny Jerosalema, magneragna an’i Jodia*, mban’ny Samaria hatragny am-paran’ny tany. 9 Ka laha avy nijaka an’izany Jesosy, die nakarina, niaraka tamin’ny anjely rôlahy nitrondra an’Azy, ka tsy taza-maso koa. 10 Raha mbola nijery nagnatrika ny lagnitra areo tamin’ny nadehanan’i Jesosy, die nisy anjely rôlahy nekanjo akanjo fotsy takekindreo teo. 11 Nagnano hoe: E! Manafo lahin’ny Galiliana, ino raha mahavaregna anareo mijery ny lagnitra eto? Igny Jesosy nampekarina agny an-dagnitra igny an, die mbola ho avy ôtran’ny nahitanareo an’Azy niakatra igny mandy.

Ny solon’i Jodasy

12 Ka nipody tagny Jerosalema areo, laha avy tamin’ny tendrombohitra Oliva, magnakeky an’i Jerosalema kilometatra raike mahery kele. 13 Laha tegny areo, die niakatra agny amin’ny tragno ambony, fitoboadreo: die i Petera, i Jaona, i Jakoba, i Andrea, i Filipo, i Tomasy, i Bartolomeo, i Matio, Jakoba zanak’i Alfeo, i Simona Zelota, i Jodasy zanak’i Jakoba,. 14 Niray hevitra areo marobe, sady naharitra nivavaka niaraka tamin’ny zavavy sasagny, teo mandy koa i Maria endrin’i Jesosy, mban’ny rahalahiny. 15 Ndraikandro die nitsangagna tagnivondreo marobe i Petera (fa tokony ho rôpolo amby zato ny isan’ny olo nivory tao) nagnano hoe: 16 E! Manafo ô, nitanterahina ny raha nijakain’ny Soratra Masina, nampijakain’ny Fagnahy Masina tamin’i Davida, ny amin’i Jodasy, nanjary nitarika olo nanambotra an’i Jesosy; 17 fa izy die agnisany niaraka tamintsena mandy, ka nanagna anjara tamin’ny fanompôna. 18 Ka nahazo sahan’otany i le zalahy igny, ka lavo nenkohoka izy ka vaky ny kibony, sady niparitaka mban’ny tsinainy. 19 Ny olo monigna eto Jerosalema die mahafantatra an’izany aby, ka nomena agnaran’io saha io tamin’ny fomba fijakany hoe: Akeldama, izany hoe: Sahan-drà. 20 Fa vôsoratra eo amin’ny bokin’ny Salamo hoe: «Avelay tanàn-tòlo ny tanànany, ka avelay tsy hisy olo honigna ao» (Sal. 69:26) Sady koa: «Avelay ho azon’olon-kafa ny anjara asany» (Sal. 109:8). 21 Ka ny amin’ny zalahy niaraka tamintsena tamin’ny andro nitobohan’i Jesosy Tompo, tamintsena teto. 22 Hatramin’ny andro nagnanôvan’i Jaona batisa an’Azy ka hatramin’ny andro nekarany agny an-dagnitra, die tokony hisy akamatsena raike, mba ho vavolombelognan’ny nitsanganany. 23 Die nanokagna zalahy rôlahy areo, die i Josefa angihana hoe: Barsabasy, angihana mandy koa hoe: Josto, die i Matia, 24 die nivavaka areo nagnano hoe: Tompo ô, Ianao mahalala ny fon’olo marobe, ka asehoy ny olo fidìnao amin’izy rôlahy, 25 mba hanagna anjara amin’ny maha Apôstôly, izay nengan’i Jodasy nandihanany agny amin’ny pilasiny. 26 Die nagnanôvany akitsapaka areo rôlahy ka i Matia no nahazo ny loka, ka izy no lany teo isan’ny Apôstôly roy ambe folo lahy.

TOKO 2   

Ny nampilatsahana ny Fanahy Masina

1 Laha tonga ny andron’ny Pentekôsta, die tafavory tandragno raike tao aby areo maro be. 2 Tampoka teo, die nisy feo mafy avy tagny an-dagnitra, ôtran’ny rivotra nifofofofo mafy nagneragna ny tragno nengonany. 3 Ka nisy lela maro be managnendrika afo niseho tamindreo, nizarazara, ka nipetraka tambonindreo tsy tokatokagna. 4 Ka samy feno ny Fagnahy Masina aby izy marobe, sady nahay nijaka tamin’ny fomba fizakàna maro samy hafa, araka ny nampizakàn’ny Fagnahy Masina an-dreo. 5 Nisy Jiosy*, mpivavaka tsara nonigna tagny Jerosalema , avy tagny amin’ny firenena hafa ambanin’ny lagnitra. 6 Laha naregny an’izany areo, satria samy regny nijaka tamin’ny fomba fizakàny aby areo maro be, die nitangorogna ny olo. 7 Ka varena sady zendagna areo marobe, die nagnano hoe: Ô! Zalahy e, ka tsy olo Galatiana io aby mijaka io an? 8 Ka nagnino raha haindreo aby fizakàn-drazatsena? 9 Die fizakàna Partiana, Mediana, Elamita, mban’ny olo monigna agny Mesopotamia, mban’ny Jodia*, Kapadokia, Ponto, Asia, 10 Frygia, Pamfylia, Egipta, mban’ny avy tagny Libya magnodidigna an’i Kyrena, mban’ny vahiny agny Roma, na Jiosy* na Proselyta*, 11 Kretena, Arabo – ka magnino arika aregnesantsena andreo mijaka amin’ny fizakàntsena? Nefa Zagnahary efa nagnome nen’olo tsy toka tokagna. 12 Die samy varena areo marobe ka tsy nahazaka sady nagnano hoe: Ino arô dikan’izao an? 13 Fa ny sasagny koja niomehy nagnano hoe: Mamona divay mamy areo io!

Ny lahatenin’i Petera

14 Ka nitsangagna i Petera mban’ny iraika ambin’ny folo lahy, die nagnano kokambo hoe: Ho anareo mipetraka a Jerosalema eto, teko ho fantatrareo raha zakaiko izao: 15 Tsy mamo araka ny fieritreretanareo an’azy ahay, fa vao amin’ny telo ora ny androii izao. 16 F’izao no nampijakaina an’i Joela mpaminagny hoe: 17 «Hoy Zagnahary, amin’ny andro farany, no handatsahako ny Fagnahiko amin’ny nofo maro; ka ny zanaka lahinareo mban’ny zanaka vavinareo haminagny. Ny manafonareo ahita sindrimandry, ny Bebilahinareo hagnanofy, 18 handatsahako ny Fagnahiko ny mpiasako, na lelahy na viavy amin’izany andro izany, ka haminagny izy; 19 die agnisy fahazendagnana egny lagnitra ambony Aho. Mbana marika famantarana eto ambanin’ny tany, die ra mbana afo mbana zavogna setroka; 20 hanjary ho mezigna ny masoandro, ny volagna lasa rà, alohan’ny heven’ny andron’NY TOMPO*, andro lebe sady malaza. 21 Ka zovy na zovy hangaika ny agnaran’NY TOMPO* die havotana» (Joela 3:1–5). 22 E! Manafolahin’ny Isiraely! Tenoy tsara itỳ: Jesosy avy agny Nazareta, lelahy naseon’Agnahary taminareo, nagnano asa lebe harahina fahagagàna mbana marika famantarana nampagnanôvin’Agnahary an’Azy teto aminareo, izay efa fantatrareo mandy, 23 araka ny lahatry ny Zagnahary izay tsy mba miovaova, mban’ny fahalalàny neloha, die nomeny Izy, kanefa nifantsihanareo tambonin’ny hazo fijalena sady nomenareo ho vonin’olo ratsy fagnahy; 24 Zagnahary koja nagnafaka an’Azy tamin’ny fatotry ny fahafatesana sady nanangagna an’Azy ho velogna, satria tsy vôtana an’izany Izy. 25 Fa hoy Davida nilaza an’Azy hoe: «Nagnalinandro aho die nijery NY TOMPO*; satria eo an-kavanako Izy, mba tsy hangorohoro aho, 26 izany no nahafalifaly an’ny foko sady naharavoravo ny lelako; nagnantegna mafy ny foko; 27 fa tsy foinao ho agny amin’ny afo be ny fagnahiko; ka tsy avelanao ho lo ny Masinanao. 28 Nampahafantarinao an’aha ny lalagn’aigna; hifaleko aminao» (Sal. 16:8–11). 29 Havakô! Avelay aho hizaka aminareo ny tegna marina, fa ny amin’i Davida razantsenaiii die efa maty izy ka nalevogna, ka amintsena eto mandraky niany ity ny fasagnany. 30 Ká satria fantany fa mpaminagny izy sady nahalala fa Zagnahary efa nagnano fanekena tamin’azy, fa ny hateraky ny kibony no hitoboka ambonin’ny seza fitondrany, 31 die ny fitsanganan’i Kristy* avy tamin’ny maty, efa tsinjony meloha, no nijakany fa tsy foiny alefa amin’ny afo be Izy sady tsy ho mety ho lo ny nofony. 32 Efa natsangan-Agnahary izany Jesosy izany, ahay maro be ito no vavolombelognan’izany, 33 ka laha nakarin’ny tanankavan’Andrianagnahary Izy, sady avy nahazo tamin’ny Baba ny Fagnahy Masina nampagnantegnainy, die nandatsaka ny raha hitanareo sady regninareo izao. 34 Fa tsy Davida no niakatra tagny an-dagnitra; fa hoy izy: «Nizaka tamin’aha NY TOMPO* hoe: 35 Antagn’ankavanako eto mitoboka, mandrapagnamboarako ny fahavalonao ho fitobohan’ny hongotrao.» (Sal. 110:1) 36 Ka avelay ho fantatry ny taranak’Israely marobe, fa igny Jesosy nifantsianareo tamin’ny hazo Fijalena igny die efa nataon’Agnahary ho Tompo sady Kristy*.

Iregny olo telo arivo vôlongany niova fo

37 Raha naregny an’izany ny olo die vôdogna ny fony, ka hoy areo tamin’i Petera niaraka tamin’ny Apôstôly* akamany hoe: K’ino arika ny raha ataonay a zalahy e! 38 Die hoy i Petera nagnontsy andreo: Mibebaha anareo, die magnekea atao batisa amin’ny agnaran’i Jesosy Kristy* anareo marobe mba, ho avela ny helokanareo, die rambaso ny fagnomezana omenanareo, die ny Fagnahy Masina. 39 Satria anareo no nagnonôvana ny fampagnantenana, die ho an’ny zanakareo mban’ny olo lavitra agny koa, na zovy na zovy angihan’NY TOMPO* Zagnaharintsena hagnantogna an’Azy. 40 Sady nagnanagnanatra izy no sady nagnatorotoro andreo ny raha tokony ataony, nagnano hoe: Magnekea havotana hiala amin’ny taranaka maditra ity anareo. 41 Ka izegny nitana tsara ny raha nijakainy die natao batisa aby: Ka tokony ho telo arivo teo ny olo nagnampy isan-dreo tamin’ny andron’io.

Ny Fengonana Kristiana vôlongany

42 Nazoto areo nianatra tamin’ny fampenaran’ny Apôstôly*, mban’ny famonjena fivorèna mban’ny fivavahana na ny fandresana areo marobe. 43 Enjagna ny Fahazendagnana mban’ny famantarana namboarin’ny Apôstôly*, ka nangoaigna mafy ny olo. 44 Niray tragno aby ny mpino marobe, ka nitamba-panagnana, 45 namidy aby ny tany mban’ny fanagnan-dreo ka nizaraina tamin-dreo araka izay nilainy an’azy aby. 46 Nifagnaraka tsara areo isan’andro isan’andro, sady nazoto nandeha tan-kianjan’ny tempoly*, tan-dragno areo nagnano fandresana ka nihinankanina tamin-karavôna, tamin’ny fahatsoram-po, 47 nidera an’Agnahary areo sady, nitahy andreo isan’andro ny Tompo die niampy isa ny olo havotana, ka tien’olo areo.

TOKO 3   

Ny fagnasitragnana zalahy malemy tongotra raike

1 Amin’ny sivy ny fotôgna hivavahana amin’ny tempoly*, ka nandeha tagny i Jaona izy amin’i Petera. 2 Nisy zalahy nalemy tongotra latagnatikibo nindàn’olo tambavahadin-tempoly* teo isan’andro, nangihan’olo hoe: Itsaraendrika, mpangataka i lezalahy io. 3 Laha nahita an’i Petera izy amin’i Jaona niditra ny vavahadin-tempoly* izy die nangataka tamin-dreo. 4 Nitodika nizaha areo rôlahy ka nagnano hoe: Zahavo tsara ahay. 5 Die nizahany tsara areo rôlahy, sady nagnantegna ahazo raha tamin-dreo izy. 6 Ka hoy i Petera an: Tsy manam-bola omena anao aho, fa ny raha anagnako no omeko anao: Amin’ny agnaran’i Jesosy Kristy* avy agny Nazareta, mamindràha. 7 Nirambaziny tamin’ny tagnany ankavana zalahy igny, ka nampitsanganiny, tonga die natanjaka ny ranjony mban’ny tongony. 8 Ka nirigna izy sady nitsangagna, die nahay namindra ka niaraka niditra tamin-dreo tan-kianjan’ny tempoly*, nirin-drigna izy sady nitsangantsangagna nidera an’Agnahary. 9 Ka ny fokon’olo marobe nahita an’azy nirin-drigna sady nitsangatsangagna nidera an’Agnahary. 10 Fanta-dreo fa itsaraendrika io, die zalahy nitoboka tambavahady ny tempoly teo igny; die gaga areo sady zendagna.

Ny toriteny nataon’i Petera tao amin’ny tempoly*

11 Fa raha nipilika an’i Petera izy amin’i Jaona fezay izy, die niara-nikongà,ka tagny aby areo marobe ho egny amin’izy telo lahy tamin’ny fitobotobohan’i Sôlômôna, ka nahavarena andreo izany. 12 Laha nahita an’izany i Petera die nijaka tamin’ny fokon’olo hoe: Anareo fokonkolon’Israely, nagnino anareo rahevarèna amin’izany? Sady nagnino anareo raha mandinika anay, ôtran’ny hoe; Herinay na fahamarinanay no nakafahanay nampandeha anazy? 13 Zagnaharin’i Abrahama, Isaka, Jakoba, Zagnaharin’ny razantsena, no nagnome voninahitra an’i Jesosy Zanagny, izay natolotrareo sady tsy nekenareo tagnatrehan’i Pilato, laha seka alefany Izy. 14 Nilavinareo Ny Masina sady Marina, mpamono olo no nangatahinareo alefa ho anareo; 15 fa ny Tompon’ny aigna koja nivoninareo; nefa natsangan’Agnahary tamin’ny maty Izy, vavolombelon’izany ahay. 16 Ka tamin’ny agnarany no nampatanjaka an’izalahy hitanareo sady fantatrareo lôtra io, tamin’ny finoana ny agnarany; eka, finoana azo avy tamin’Azy no nazahôna fagnasitragnana tegna tsara amasonareo eto izao. 17 Niany azalahy e! Die fantatro tsara fa tamin’ny tsy fahafantarana no nagnamboaranareo an’izany, ôtrany lebènareo koa. 18 Fa tamin’izany no nagnatanterahan’Agnahary ny raha nijakain’ny mpaminagny, fa hiaritra fijalena i Kristy**. 19 Ka mibebaha ianareo, mipodiana anareo hamonôna ny fahotanareo, 20 mba hanjary andro famelombelomana ny andro heven’ny Tompo, mba hirainy ho anao ny voatendry, die i Kristy** Jesosy. 21 Zay tsy mentsy halain’ny lagnitra mandram-pa-tonga ny andro hangeregnana ny raha marobe, nijakain’Agnahary tamin’ny mpaminagniny tambôlongany. 22 Hoy i Mosesy nijaka hoe: «Ny Tompo Zagnaharinarinareo, hanangagna mpaminagny ho anareo avy amin’ny rahalahinareo, ôtran’aha ; izy no tenoinareo raha zakaina. 23 Fa izegny tsy hiteno an’izany die roahina tsy ho eo amin’ny olo.» (Deo 18:15,19) 24 Ny mpaminagny marobe izay nijaka hatragny amin’i Samoela katratỳ, die samy nitantara an’izao andro izao aby. 25 Anareo no zanaky ny mpaminagny mban’ny fagnekena namboarin’Agnahary tamin’ny razantsena, ka laha nijaka Izy tamin’i Abrahama: «amin’ny taranakao no hitahiana ny firenena marobe atỳ ambon’ny tany.» (Gen 22:18) 26 Ho anareo no nananganan’Agnahary ny Mpiasany mban’ny nagnirahany an’Azy mba hagnasoa anareo, henganareo amin’ny ratsy fataonareo.

TOKO 4   

I Petera sy i Jaona teo anoloan’ny Sinedriona

1 Ka raha mbola nikorana tamin’ny fokon’olo izy, die tonga nagnatogna andreo teo koa ny mpisorogna mban’ny leben’ny mpiambigna ny tempoly* mban’ny Sadoseo*; 2 fa sorena areo tamin’ny nampenaran’ny Apôstôly ny fokon’olo mban’ny nitorian-dreo ny fitsanganan’ny maty efa hitan-dreo tamin’i Jesosy. 3 Die nosamborin-dreo izy, ka nampidiriny tandragno mezigna mandra-paraignandro, sady efa aligna koa ny andro tamin’io. 4 Kanefa maro tamin’olo naregny no nino, tokony ho dimy arivo lahy teo ny isany. 5 Ka laha maraigna ny andro, die nivory tagny Jerosalema ny mpitsara mban’ny zokiolo mban’ny mpanora dalagna. 6 Miaraka tamin’i Anasy leben’ny mpisorogna, i Kaiafa , i Jaona , i Aleksandro mban’ny olo havan’ny leben’ny mpisorogna. 7 Natany tagnivondreo teo areo rôlahy, sady nagnotaneny hoe: Avy tamin’ny agnaran’iza ny fahefana nagnamboaranareo an’izany? 8 Feno ny Fangnahy Masina i Petera ka nagnano hoe: Anareo mpitsara ny fokon’olo mban’ny zokiolo, 9 raha hisy agnadigna ahay niany amin’ny asa tsara nagnasitragnana an’ny zalahy melemy igny, 10 die tienay ho fantatrareo marobe miaraka fa amin’ny Agnaran’i Jesosy Kristy avy agny Nazareta, die i zalahy nifantsianareo tamin’ny hazo fijalena igny, nefa natsangan’Agnahary tamin’ny maty, no nagnasitragnana io lelahy mijoro agnivonareo io. 11 Izy no vato nilavin’ny mpagnano trano, nefa nanjary fototra. 12 Tsisy olon-kafa hazaôna fagnavotana ambanin’ny lagnitra nomena ny olo. 13 Zendagna areo marobe nahita ny fasaena nanagnan’i Petera izy amin’i Jaona, satria fantany fa sarambaben’olo tsy nandalo lakilasy areo rôlahy, sady efa hitany niaraka tamin’i Jesosy. 14 Tsy nanan-kavaly areo laha nahita an’i zalahy sitragna nitsangagna tagnivondreo rôlahy teo. 15 Ka laha nampengainy tamin’ny Synedriona* teo areo rôlahy, die nandinindinika areo 16 ka nagnano hoe: Ataontsena akory i zalahy rôlahy regny? Tsy azontsena kianina fa raha ny fahazendagnana namboarin-dreo aloha, die fantatry ny olo marobe mitoboka a Jerosalema eto. 17 Fa mba tsy hiparitahan’izany, die ho trerognin-tsena areo mba tsy hizakazaka ny Agnarana izany koa an amin’iza na amin’iza. 18 Ka nangian-dreo areo ka niraràny mafy mba tsy hizaka na hampianatra olo amin’ny Agnaran’i Jesosy izany koa. 19 Fa i Petera izy amin’i Jaona namaly ka nagnano hoe: Tsarainareo na marina eo ambany mason’Agnahary na tsia ny agnekenay anareo ambonin’ny Zagnahary; 20 Fa ahay tsy mentsy magnambara ny raha efa hitanay mban’ny raha regninay. 21 Laha avy niraognin-dreo indrake, areo die nalefany fa tsy mahita raha agnasazìna an’azy nohon’ny fataorany ny fokon’olo; satria nankalaza an’Agnahary aby areo marobe tamin’ny raha efa nataony. 22 Sady i le zalahay nagnanôvana fagnasitragnana tamin’ny fomba mahazendagna ity, efa feno efa-polo taogna mahery.

Vavaky ny fengonana voaenjika

23 Laha afaka teo areo rôlahy, die lasa nipody tagny amin’ny akamany ka nitantara tamin-dreo ny raha nijakain’ny leben’ny mpisorogna mban’ny zokiolo. 24 Vatany vô naregny an’izany ny akamany, die samy niaraka nivavaka tamin-Jagnahary nagnano hoe: Tompo Zagnaharinay ô, Anao no nagnano ny tany aman-dagnitra, mban’ny ranomasina miaraka amin’ny raha agnatiny, 25 ka nampijakainao tamin’ny Fagnahy Masina i Davida razagnay sady mpiasanao nagnano hoe: «Ino mampitabataba an’olo Jentilisa* io, sady mieritreritra agnano raha ratsy fezay ny firenena? 26 Ny mpanjakan’ny tany nitsangagna, nivory ny mpitsara hanohitra an’NY TOMPO* miaraka amin’ny Mesiany.» (Sal. 2:1-2) 27 Fa efa nivory tamin’ny tanàna ity teto marina i Herôda miaraka amin’i Pontio Pilato mban’ny olo Jentilisa* miaraka amin’ny fokon’olo’ny Isiraely, hanohitra ny mpiasanao Masina, die i Jesosy izay efa vôosotrao, 28 mba hagnano ny raha nôtendrin’ny tagnanao agneritrentrao. 29 Amin’izao koza, jerevo ny fandraognany anay, ka omeo anay ny hery hindesinay hitory anao amin’ny fasaiana. 30 Sady ahinjiro ny tagnanao hagnasitragna, agnanôvana famantarana amam-pahagagàna amin’ny agnaran’i Jesosy, Mpiasanao Masina. 31 Ka laha avy nivavaka areo, die niozokozogna ny tragno nitobohany, ka feno ny Fagnahy Masina areo marobe, sady nanankasaiana nitory ny raha nijakain’Agnahary.

Nifampizara ny fananany ny Mpino

32 Niray fo amam-pagnahy aby ny mpino marobe; ka tsisy nijaka ho tompon’ny fanagnany aby areo, fa nikambarana. 33 Ka tamin-kery lebe no nitorian’ny Apôstôly ny fitsanganan’i Jesosy Tompo; sady fasaovam-be tagnatiny tao. 34 Tsisy nahantra ndre raike tamin-dreo, satria izegny nanan-tragno, aman-tany, die nivarotra sady nagnatitra ny vidiny. 35 Napetragny tan-kongitry ny Apôstôly teo, ka nizarazaraina tamin-dreo marobe araka izegny nilany aby. 36 Ka i Josefa, nangihan’ny Apôstôly hoe: Barnabasy izany hoe: zanaky ny fagnanarana, Levita, avy agny Kyprosy no feveny, 37 nanan-tany izy, ka namidiny, die napetragny tankongotry ny Apôstôly teo ny vidiny.

TOKO 5   

I Ananiasy sy i Safira

1 Fa nisy zalahy raike, atao hoe: Ananiasy, nanagna vady an’i Safira, nivarotra ny taniny, 2 ka nagnasitrihany vidin’ny taniny, araka ny faneken’izy mivady, vô nateriny tankongotry ny Apôstôly ny sasany. 3 Ka hoy i Petera: E! Ananiasy, nagnino raha navelanao anjakàan’i Satana ny fonao, hivandy amin’ny Fagnahy Masina, ka hanitrihanao ny vola sasagny amin’ny vidin’ny tany? 4 Ka tsy anao mandy ma io tany io tamin’izy mbola tsy namidy an? Ka laha lafo izy, die tsy anao mandy ny vidiny an? Ka nagnino anao raha managna eritreritra hagnano an’izany? Zagnahary no nivandesanao fa tsy olombelogna. 5 Afak’aigna i Ananiasy raha vô naregny an’izany, ka nenkarapoka tamin’tany, izegny olo naregny an’io die nangoaigna aby. 6 Nitsangagna ny manafolahy tanora namognoa ny faty, ka nalevigny. 7 Afaka adin’ny telo teo die niditra mandy koa i raviavy, satria tsy fantany aby ny raha niseho teo. 8 Ka hoy i Petera nagnontsy an’azy: Zakay amin’aha hoe: Io mandy ny vidin’ny taninareo an? Die hoy izy an: Eka, io mandy. 9 Ka hoy i Petera nagnontsy an’azy: Magnino anareo no miray hevitra angala fagnahy ny Fagnahin’ny Tompo? Vô tsy ampy firy andiny aby natongavan’olo nandevogna ny fatin’ny vadinao teo, die efa handeha koa areo hitondra anao hivôka agny. 10 Afak’aigna mandy koa izy ka nenkarapoka tan-kongotrany teo, nahita ny fatiny manafolahy tanora die nitondra nivôka sady nandevogna ny faty tagnilan’ny vadiny. 11 Die nangoaigna mafy ny fengonana manontolo mban’ny olo naregny an’izany.

Fahazendagnana maro ny nataon’ny Apôstôly

12 Tamin’ny tagnan’ny Apôstôly no nagnamboarana famantarana amam-pahagagàna maro tagnivon’ny fokon’olo; die niray hevitra areo ka niara-nitoboka tambanin’ny lavarangan’i Sôlômôna; 13 tsisy olo-kafa nasahy nagnantogna an-dreo; nefa ny fokon-olo nankalaza an’azy. 14 Nitombo isandro vaky ny olo nino, lelahy mbana viavy nagnampy isan-dreo. 15 Na ny marary aza nindany tagnara be, ka napetragny tambony tsihyiv, mba ho hitan’i Petera raha mandalo izy. Enjagna ny olo nidodododo ho agny Jerosalema avy tagny amin’ny tanàna magnodidigna, nitondra olo tsy salama miaraka amin’olo nampijalen’ny fagnahy ratsy; die sitragna aby izy mantolo.

Nisamborina ny Apôstôly die nalefa indraike

17 Feno felognana ny leben’ny mpisorogna mban’ny akamany marobe ekipàn’ny Sadoseo*, ka tafatsangagna 18 hanambotra ny Apôstôly areo ka nampidiriny tan-dragno mezigna. 19 Fa laha aligna ny andro die nisy anjelin’ny Tompo namoha ny varangaran’ny tragno mezigna, ka namôka andreotao sady nagnano hoe: 20 Mitsangàna, ka mandihàna, torio amin’ny fokon’olo ankianjan’ny tempoly* ny mombamomban’izany fiaignana izany. 21 Laha naregny an’izany areo, die niditra nandraindraigna tankianjan’ny tempoly* ka nampianatra. Avy ny leben’ny mpisorogna mban’ny akamany, ka namory ny Synedriona* miaraka amin’ny zokiolo marobe tamin’ny zanak’Isiraely, ka nagniraka ho ao an dragnomezigna hangala ny Apôstôly. 22 Laha tonga ny mpiambigna, die tsy nahita andreo tao koa ka nipody izy sady nitantara ny raha hitany hoe: 23 Hitanay mihidy tsara ny figadràna sady ny mpiambigna tam-barangaragna teo, ka tsy mba nahita olo tao mihintsy ahay. 24 Vaka die vaka ny leben’ny mpiambigna ny tempoly* mban’ny lohandohan’ny mpisorogna laha naharegny an’izany satria tsy azon-dreo eritreritra mihintsy ny nahatonga an’izany. 25 Nisy olo tonga nikoràna tamin-dreo nagnano hoe: Iregny olo nigadrainareo iregny, die mampianatra ny olo ankianjan’ny tempoly* erôgna. 26 Die lasa ny leben’ny mpiambigna mban’ny mpiambigna nitondra an’azy nefa tsy nifotreriny ny mafy satria nangoaigna an’ny fokon’olo areo, sô die vôtily vato. 27 Die nindany areo ka napetragny tamin’ny Synedriona*, sady nagnontanen’ny leben’ny mpisorogna, 28 nagnano hoe: Efa nandrara anareo ahay tsy ampianatra amin’izany Agnarana izany, die mbola vômeka naelinareo magneragna an’i Jerosalema ity mandy ny fampenaranareo, ka ahay tadiavinareo hosognan’ny ràn’igny zalahy igny. 29 Fa i Petera niaraka amin’ny Apôstôly namaly hoe: Zagnahary no ekena raha zakaina fa tsy olo. 30 Zagnaharin’ny razan’tsena efa nanangagna an’i Jesosy, izay efa nivonìn’ny tagnanareo ka nahantognareo tambony kakazo. 31 Zagnahary nanandratra an’Azy an-tagnan’ankavanany ho Tompo sady mpagnavotra mba hagnome fivalozàna arahina famelan-keloka ho an’ny Isiraely. 32 Ahay no vavolombelogna an’izany, ka omen-Jagnahary izegny olo magneky an’Azy ny Fagnahy Masina. 33 Romtra mafy areo raha nahanaregny an’izany, ka nifagnara-piena hamono an’azy. 34 Fa nitsangagna tamin’ny Synedriona* ny Fariseo* raika atao hoe Gamaliela mpampiana-dalagna, nalaza tamin’ny fokon’olo, navôkany bitabitaka alohake ny Apôstôly. 35 Die hoy izy nagnontsy ny akamany: E! Manafolahin’ny Isiraely, diniho tsara ny raha agnanôvanareo an’iregny olo iregny. 36 Fa mbola tsy ampy firy amby izay nitrangan’i Teodasy, nagnano an’azy ho mahay raha zalahy io, sady naharaka hatragny amina efajato lahy tagny ny olo nagnaraka an’azy, ka laha nivonina izy, die nisabaroa teo fotsiny areo, ka na nataon’olo tsisy dikana. 37 Tafaran’izay, tamin’ny andro nanoratana ny fokon’olo, die nitsangana mandy koa i Jodasy avy agny Galilia nitarika an’ny fokon’olo hagnaraka an’azy; ka laha novonina izy die nisabaroa teo fotsiny koa ny olo nagnaraka an’azy. 38 Ka niany aho die mijaka aminareo: Mandifera amin’iregny olo iregny anareo, ka avelay mandy izy hagnano; fa raha avy amin’olo io eritreritr’io na io asa io, die tsisy dikany; 39 fa raha avy amin’ny Zagnahary koja io, die tsy azonareo foagnana, sao die miseho ho mpanohitra an’Andrianagnahary anareo. 40 Die narahin-dreo izany; ka nangihany ny Apôstôly, die nivangoiny sady niraràny mafy mba tsy hizakazaka ny amin’ny agnaran’i Jesosy koa, ka navelany nandeha areo. 41 Die niala tagnivon’ny Synedriona* teo areo, sady faly, satria magneva hitondra fahafaham-baràka ho voninahitr’io Agnarana io areo. 42 Ka tsy nelegnina mihintsy areo nampianatra sady nitory an’i Jesosy Kristy* isan’andro tankianjan’ny tempoly* sy tan-dragno.

TOKO 6   

Iregny fito lahy voafidy ho mpanampy ny Apôstôly

1 Tamin’ny andron’io, laha nehamaro ny isan’ny mpianatra, die nimonomonigna tamin’ny Hebreo ny Helenista, 2 ka namory ny mpianatra manontolo ny Apôstôly roy ambe folo lahy, nagnano hoe: Tsy mety raha ilôzanay mitehigna nahandro ny fampenarana ny hafatry ny Nagnahary. 3 Ô! Havakô, raha izany, die mifidiana olo fito lahy aminareo, tsara laza, sady feno ny Fagnahy no manam-pahendrena, hametrahanay an’izany; 4 fa ahay haharitra amin’ny fivavahana mban’ny fampenarana. 5 Die neken-dreo marobe izany ka nifidy an’i Stefana areo, manampinôna sady feno ny Fagnahy Masina i lezalahy io, ka i Filipo izy amin’i Prokoro, i Nikanora, i Timona, i Parmena, i Nikoleo izay Proselyta* avy agny Antiokia, 6 narosony tagnivon’ny Apôstôly; ka laha avy nivavahan’ny Apôstôly, die nametrany tagnana. 7 Niely ny hafatry Nagnahary, ka nehamaro ny isan’ny mpianatra tagny Jerosalema; maro tamin’ny mpisorogna mandy koa no nieky finônana.

Ny nisamborana an’i Stefana

8 Feno fahasoavana aman-kery i Stefana ka nagnano famantarana aman- pahagagàna lebe tamin’ny fokon’olo. 9 Fa ny sasagny, avy agny amin’ny synagoga* angihana hoe synagogan’ny Olona afaka mban’ny Kyreniana ny Aleksandriana mban’ny avy agny Kilikia, Asia, die tafasangana niady hivitra tamin’i Stefana. 10 Fa tsy nahatoitra ny fahandrena amam-pagnahy nizakàny areo; 11 die nisy olo nameny vava hoe: Regninay i lezalahy ity nagnompa an’i Mosesy sady nagnompa an’Agnahary. 12 Nanaitra ny olo mban’ny zokiolo miaraka amin’ny mpanora-dalàgna izy, die nitondra an’i Stefana ho agny amin’ny syndriona*; 13 nangala vavolombelogna mivandy izy ka nagnano hoe: I lezalahy ity die tsy megnina mihintsy magnompagnompa ny tany masina ity mban’ny lalàgna; 14 Regninay mandy koa izy nijaka fa i Jesosy avy agny Nazareta hony, handrava an’ity tragno ity sady hagnova ny fomba nomen’i Mosesy antsena. 15 Ka ny olo marobe izegny nitoboka tamin’ny synedriona* teo die nahita ny tarehin’i Stefana ôtran’ny tarehin’anjely.

TOKO 7   

Ny toriteny nataon’i Stefana

1 Ka hoy ny leben’ny mpisorogna: Tena marina izany va? 2 Fa namaly i Stefana hoe: Anareo rahalahy amin-dray, tenoy tsara ity! Raha mbola tagny Mesopotamia i Abrahama razantsena, fa mbola tsy nitoboka tagny Harana, die niseho tamin’azy Zagnahary be voninahitra, 3 ka nagnano hoe: Mengà tamin’ny taninao mban’ny havanao ka mandihana agny amin’ny tany atoroko anao. 4 Die nenga tamin’ny tanin’ny Kaldeana izy ka nitoboka tagny Harana, ka laha maty iabany die nafindran’Agnahary tamin’ny ity tany itobohanareo ity izy. 5 Tsy mba nameny lova teto arỳ, na die faladia raike; nefa tamin’izy mbola tsy nanagnanaka, die nampagnantegna Izy fa hagnome lova an’azy mban’ny taranagny. Die nijakain’Agnahary fa hivahiny an-tanin-kafa ny taranagny, sady andevoziny, sady ampijaleny efa-jato taogna. 7 Zagnahary nijaka fa hotsaraiko ny firenena magnandevo an’azy io, ka laha vita izany die hivôka izy ka hanompo an’Aha amin’ity tany ity. 8 Die nagnano fanekena tamin’ny famoràna izy. Ka niteraka an’i Isaka die niforainy tamin’ny andro fahavalo ka Isaka niteraka an’i Jakôba die i Jakôba niteraka ny patriarka* roy ambe folo. 9 Ka nialogna an’i Josefa iregny patriarka* iregny ka nivarotra an’i Josefa tagny Egipta; nefa nitahy an’azy feizay Zagnahary. 10 Sady nagnafaka an’azy tamin’ny fijalena, nagnome fahendrena amampahasoavana tamason’i Farao mpanjakan’i Egipta, ka izy nanendry an’azy ho mpanapaka ny Egipta mban’ny raha maro be tan-dapany. 11 Tamin’izany die nisy mosary nagneragna an’i Egipta mban’ny Kanàna, ka niseragna ny fijalena, fa tsy nahita rahanina ny razantsena. 12 Fa laha naregny i Jakoba fa misy vary agny Egipta, die nagniraka ny razantsena izy tamin’ny vôlongany. 13 Ka tamin’ny fanindroiny die fantatr’izy mirahalahy aby i Josefa, ka die fantatr’i Farao koa ny havany. 14 Tamin’ny izay, die nampagniraka i Josefa hangala an’i Jakôba iabany mban’ny fianakaveny marobe dimy ambin’ny fito-polo teo. 15 Die nidigna tagny Egipta i Jakôba, ka maty tagny izy ka nalevigna tamin’ny kobory nividin’i Abrahama vola tamin’ny zanak’i Hamora. 17 Ka laha efa ho avy ny fotogna hatanteraka ny fampagnantenana nataon’Agnahary tamin’i Abrahama, die nitombo sady miamaro ny olo tagny Egipta, 18 mandrapitsanganan’ny mpanjaka hafa tagny Egipta tsy nafantatra an’i Josefa. 19 Nagnano hafesèna tamnin’ny razantsena izy, sady nampijaly andreo, ka nagnary ny zanagny vô teraka mba tsy ho velogna. 20 Tamin’izany no nahateraka an’i Mosesy, ka tien’Agnahary izy ka nitezaina telo volagna tan-dragnon’ny abany. 21 Ka laha narèna izy, die nalain’ny zanak’i Farao ka natsangany ho zanagny. 22 Nampenarina ny fanendren’ny Egipta izy, sady masin-teny aman’asa. 23 Nanagn’eritreritra hamangy ny zanak’Isiraely rahalahiny izy, laha feno efa-polo taogna. 24 Ka raha nahita ny zalahy raike niatokatohina izy, die narovany ka nivoniny i zalahy Egyptiana igny. 25 Neveriny fa ho fantatry ny rahalahiny, fa ny tagany no hamonjen’Agnahary an’azy, nefa tsy fantany. 26 Amaraignan’Igny, die tojo zalahy roy niady izy, ka hoy izy nagnasaraka an-dreo: E! Manafô, mpirahalahy ny anareo io, ka ino mampiady anareo? 27 Ilezalahy nametrika igny nanosika sady nijaka hoe: Iza nijaka tamina efa anao no lebe sady mpitsara anay? 28 Te hamono an’aha koa anao e, ôtrany namonoanao ny Egyptiana maly igny. 29 Vônaregny an’izany i Mosesy die nilefa, ka nivahiny tagny amin’ny tany Midiana, ka tagny no niterahany ny zanagny rôlahy. 30 Laha afaka efa-polo taogna die nisy anjely niseho tamin’azy tagny an-tendrom-bohitry* Sinaỳ tagnaty lelan’afon’ny voaroy hazo. 31 Zendagn’izy laha nahita an’izany; die nagnantogna izy handinika an’io, die nisy feon’ny Tompo nagnano hoe: 32 «Iaho no Zagnaharin’ny razagnao, die Zagnaharin’i Abrahama, i Isaka, i Jakôba.» (Eks. 3:6) Nohon’ny taotrany die tsy nasahy nijery izy. 33 Ka hoy NY TOMPO* nagnontsy an’azy: «Alay kapa amin’ny tongotrano io fa tany masina io diahinao io. 34 Hitako ny fijalen’ny oloko agny Egipta, sady efa regniko ny fitaraignany, ka hijotso Aho hagnavotra an’azy. Ka hiraiko ho agny Egipta anao.» (Eks. 3:5-10) 35 Io Mosesy io no nilaviny ka natany hoe: Iza nijaka taminao fa anao no lebe sady mpitsara anay? Kanefa izy mandy nirahin’Agnahary ho lebe sady mpagnavotra, narahin’ny tagnan’Anjely, nibôka tamin’azy teo amin’ny voaroy hazo. 36 Izy mandy no nagnafaka andreo tamin’ny fahazendagnana amampamantarana tagny Egipta mban’ny teo amin’ny ranomasina mena, mban’ny tagny an-tendrom-bohitra* efa-polo taogna 37 i Mosesy io mandy koa no nijaka tamin’ny Zanak’Isiraely hoe: «Zagnahary hanangagna mpaminagny ho anareo avy amin’ny rahalahinareo ôtran’aha.» (Deo. 18:15). 38 Izy mandy koa , tam-pengonana, tan-tendrom-bohitra*, narahin’ny Anjely nijaka tamin’azy tagny an-tendrom-bohitra* Sinaỳ niaraka tamin’ny razantsena, izy no nangala ny teny velogna mba ho antsena. 39 Nefa ny razantsena tsy nagneky an’azy, fa nandà, satria manimanigna an’i Egipta, 40 ka hoy izy nagnontsy an’i Arôna: «Agnamboary zagnahary ahay, hitarika antsena aloha eo; fa i Mosesy igny, tsy fantantsena raha ahazo an’azy agny ka asena nindany nenga an’i Egipta fantàny.» (Eks. 32:1.) 41 Die nagnano sarin’aomby volamena areo, ka nagnatitra sorogna tamin’ny sampy, sady niravoravo tamin’ny asan-tagnany. 42 Fa nilôzan-Jagnahary areo, ka navelany hanompo ny raha tegny amin’ny lagnitra, araka ny vôsoratry ny bokin’ny mpaminagny hoe: «Mba nagnatitra raha nivonina mbana sorogna ho an’Aha, efa-polo taogna tagny an-tendrom-bohitra* anareo va? 43 Aha, fa nibatainareo ny tragnolahin’ Môlôka mban’ny kintagnan’ny zagnaharinareo atao hoe: Refana, die ny sarin-draha nataonareo hivavahana ka afindrako ho agny an-dafin’i Babylona anareo» (Amo. 5:25-27). 44 Ny tragnolahin’ny Vavolombelogna die tamin’ny razantsena tagny an-tendrom-bohitra*, ôtran’ny efa vodindin’Izegny nijaka tamin’i Mosesy mba hagnanôvany an’azy araky ny raha efa hitany. 45 Io tragno lahy io, tamin’ny andron’i Josoa, die nindan’ny razantsena niditra tagny amin’ny tanin’ny firenena izay efa norohan’Agnahary tsy ho eo amin’ny razantsena, ka naharitra hatragny amin’ny andron’i Davida. 46 Tien’ Agnahary izy ka nangataka mba hagnano tragno ho an’i Zagnaharin’i Jakôba; 47 kanefa i Sôlômôna mandy no nagnano an’azy. 48 Fa Zagnahary anefa tsy mitoboka amin’ny tragno namborin-tagnana, araka ny vôlazan’ny mpaminagny hoe: 49 «Ny lagnitra no seza fanjakako, ny tany no fitobohan’ny tongotro; ka tragno magnano akory no amboarinareo ho an’Aha? Hoy NY TOMPO*, ka seza magnano akory no fipitrapitrahako? 50 Tsy ny tagnako mandy ma nagnano ny raha aby izao an?» (Isa 66:1-2) 51 E! Zalahy, aza mba mazan-dòha io anareo, magnalignandro anareo die hanohitra ny Fagnahy Masina fehizay, ôtran’ny raha namboarin’ny razanareo mandy no nataonareo koa. 52 Iza ny mpaminagny tsy nejehin’ny razanareo teto? Eka, nivoniny hatramin’olo nijaka ny heven’ny Marina aza, ka amin’izao anareo die nanjary mpamadika sady mpanono an’Azy, 53 Anareo die efa nahazo ny lalàgna tamin’ny alalan’ny anjely, ka nefa tsy nitadrigna an’izany.

Ny nahafatesan’i Stefana

54 Laha naregny an’izany areo die niseragna ny avignirany, sady nihidy vazagna tamin’azy. 55 Fa feno ny Fagnahy Masina i Stefana, ka niandrandra lagnitra, die nahita ny voninahitr’Andrianagnahary miaraka amin’i Jesosy nitsangagna tan-kavanany, 56 nagnano hoe: Hitako ny lagnitra fa mivoha, ka ny Zanak’olo nitsangagna an-kavanan’ny Zagnahary. 57 Nagnano sary tsy naregny ny olo sady nandraogna mafy, ka indraika nirodogna tamin’azy, 58 die nitaritarihindreo tambelangy tanàna, ka samy nitily areo. Ny vavolombelogna maro be die samy nametraka ny lambany tankongotry ny zalahy raike angihana hoe: Saoly. 59 Ka raha mbola amperiny nitily areo, die nivavaka i Stefana nagnano hoe: Rambazo agny ny fagnahiko, a Jesosy ô! 60 Die nandoalika izy ka nitoreo marehy hoe: Tompoko ô, aza tanana ho hadisovany izao. Laha avy nijaka an’izany izy, die maty. Neken’i Saoly mandy koa ny namonôna an’azy.

TOKO 8   

Ny fagnenjehana vôlongany

1 Tamin’ny andron’izany die nisy fagnenjehana mafy tamin’ny fengonana tao Jerosalema, ka niparitaka nagneragna ny Jodia*, Samaria, areo marobe, afa-tsy ny Apôstôly mandy. 2 Nisy mpivavaka tsara fagnany sasagny nandevigna an’i Stefana sady mitonagny mafy. 3 Fa i Saoly tegna nagnenjika ny fengonana, ka nidirany isan-tragno, sady nisansaritiny na lelahy na viavy, ka natany tandragno mezigna. 4 Ka izegny efa niparitaka die nandeha nagnambara ny hafatrin’Agnahary.

Magnambara ny vaovao mahafaly agny Samaria i Filipo

5 Nidigna tan-tanànan’i Samaria koja i Filipo, ka nagnambara an’i Kristy tamin’olo tao. 6 Laha naregny sady nahita ny fahazendagnana namboarin’i Filipo ny fokon’olo maro be tao, die niteno tsara ny raha nijakainy. 7 Fa enjangna ny olo managna fagnahy maloto mampijaly sady mampitoreo nositragniny, mban’ny olo mararin’ny paralysisa* mban’ny kilemaigna die nitsaboiny. 8 Ka nisy lagnonambe tamin’io tanàna io.

I Simôna mpagnano mazia

9 Nisy zalahy raike zay efa tompo-tanagna tao, angihan’olo hoe: Simôna, olo kakazoina* be tsy hay moemoerina nahazendagn’olo, tao Samaria sady nisevosevo ho mahay raha; 10 nagnaraka an’azy aby ny olo tantanàna tao na bitaka na lebe sady nijaka hoe: Io le zalahy io no Herin-Jagnahary ataon’olo hoe: Hery lebe. 11 Vôtery tsy mentsy niteno ny raha zakainy ny olo, satria efa ela nampalaza an’azy tamin’ny odiny. 12 Fa laha nino an’i Filipo nitory ny fanjakan’Agnahary tamin’ny Agnaran’i Jesosy Kristy areo, die natao batisa aby na lelahy na viavy. 13 Na die i Simôna mandy koa aza mba nino, ka laha avy natao batisa izy, die nagnaraka an’i Filipo. Zendagna be izy raha nahita ny famantarana mban’ny asa lebe natao. 14 Laha naregny ny Apôstôly tagny Jerosalema, fa efa nahazo ny hafatrin’Agnahary i Samaria die nagniraka an’i Petera izy amin’ny Jaona areo ho amin-dreo agny. 15 Ka raha tonga tagny areo rôlahy, die nivavaka ho an’olo, mba hahazo ny Fagnahy Masina. 16 Satria vita batisa tamin’ny agnaran’i Jesosy Tompo mandy areo fa tsy mbola nidignan’ny Fagnahy Masina na die raike. 17 Nametratagnàna tamin-dreo areo rôlahy, ka nahazo ny Fagnahy Masina areo. 18 Laha nahafantatra i Simôna fa tamin’ny fametrahantagàna no nazaôna ny Fagnahy Masina, die nagnome vola an-dreo izy 19 sady nagnano hoe: Mba omeo fahefana ôtran’io koa aho, mba handray Fagnahy Masina mandy koa ny olo hametrahako tagnana. 20 Ka hoy i Petera nagnontsy an’azy: Mivereza miaraka amin’ny volanao agny anao, fa everinao fa azo vidim-bola ny fognomezana avy amin’Agnahary. 21 Tsy managn’anjara amin’izany anao, satria tsy mahitsy fo amin’Agnahary. 22 Ka mba mifonàha amin’ny haratsenao anao, die angataho amin’ny Tompo, sao die mba omeny anao ny raha irin’ny fonao izany. 23 Satria hitako mbola agnatin’ny felognana sady feno fahotàna anao. 24 Namaly i Simôna nagnano hoe: Angatay amin’Azy agny aho, mba tsy ho tonga amin’aha ny raha nijakainareo teo. 25 Nipody tagny Jerosalema i Petera izy amin’i Jaona, laha avy nampilaza sady nitory ny hafatry ny Tompo die lasa areo nitory ny filazantsara tagny amina vohitra maro agny Samaritana.

I Filipo sy ilay tandapa Etiopiana

26 Nisy anjelin’Agnahary nijaka tamin’i Filipo nagnano hoe: Mitsangàna ka mandihana megnantsimo amin’ny lalagna midigna avy lata Jerosalema agny Gaza, an-tany fôgna. 27 Die nitsangagna izy ka lasa nandeha; nisy zalahy Etiopiana, leben’ny tragnoben’i Kandasy, mpanjakavavin’ny Etiopiana, sady mpendraikitra ny fanagnany marobe, ka tonga tagny Jerosalema izy mba hivavaka; 28 die nipody izy ka nitoboka tambon’ny saretinyv na ny sôvaliny, ka namaky ny bokin’i Isaia mpaminagny. 29 Die nijaka ny Fagnahy tamin’i Filipo hoe: Mandihana magnantogna ny sôvaly saretyvi io. 30 Niazakazaka i Filipo nagnantogna tegny, die naregny an’azy namaky ny bokin’i Isaia mpaminagny, ka hoy izy nagnontsy an’azy: Ka fantatrao raha vakinao izany an? 31 Fa namaly izy hoe: Ataoko akory ahaizako an’io, raha tsisy mampianatra? Ka nangataka izy mba hampenarin’i Filipo. 32 Ka ôtran’izao ny soratra Masina nivakiny «Nandesina hovonìna ôtran’ny ondry Izy, ka tsy nilô-bava, ôtran’ny zanaka ondry môgna borèn’ny mpibory an’azy. 33 Tamin’ny fanetretegna no nandreseny lahatra an’Azy, ka iza tamin’ny mpiara-belogna tamin’Azy no nahafantatra fa nongotana tamin’ny tany ny aignany?» (Isa. 53:7-8) 34 Die hozy le zalahy igny nagnontany an’i Filipo hoe: Ela velogna anao, iza no tien’ny mpaminagny zakaina amin’izany? Ny tegnany sa olo-kafa? 35 Ka vaky vava i Filipo, nagnazava ny soratra Masina tamin’azy sady nitory an’i Jesosy. 36 Raha nandeha kelikely areo, die sendra rano, ka nijaka le zalahy igny hoe: Io misy rano, ka ino misakagna an’aha tsy atao batisa? 37 Die hosy i Filipo: Raha amin’ny fonao manontolo no hinônao, die azo atao izany. Namaly izy hoe: Hinôko fa i Jesosy Kristy no Zanak’Andrianagnahary. 38 Die najanogny ny sôvaly saretyvii, ka niara-nidigna tan-drano izy amin’i Filipo die nataony batisa izy. 39 Laha niakatra avy tagnaty rano areo rôlahy, die nindesin’ny Fagnahin’ny Tompo i Filipo ka tsy hitany koa; fa lasa izy nandeha tamin’ny tany nombàny sady faly. 40 Tagny Azota no nahitana an’i Filipo nitory ny filazantsara tamin’ny tanàna nombàny mandra-patongavany tagny Kaisaria.

TOKO 9   

Ny fiovam-pon’i Saoly

1 Tsy nanagn’eritreritra afatsy ny hamono, sady handraogna ny mpianatrin’ny Tompo i Saoly tamin’izany. Ka lasa izy nagnatogna an’ny leben’ny mpisogna, 2 nangataka taratasy tagny izy handihanany agny amin’ny synagoga* agny Damaskôsy, mba hamatorany ny olo izegny mbola hitany magnaraka an’izany fampenaran’izany na lelahy na viavy, ka hofatorany, sady hindany agny Jerosalema. 3 Raha mbola tegny an-dalagna, efa nagnakekikeky an’i Damaskôsy izy die nisy raha namipiratra tampoka nagnodidigna an’azy; 4 nenkarapoka tamin’ny tany izy sady naregny feo nagnano hoe: E! Saoly, e! Saoly! Ino angnenjehanao an’Aha io? 5 Ka hoy izy: Ka iza ma anao izany, azafady?viii Die namaly Izy: Iaho no Jesosy, Iaho no enjehinao io. 6 Mitsangana die mandihana agny an-tanàna, fa zakaina aminao mandy ny raha tokony ataonao. 7 Gigna tsy naha-zaka ny manafo lahy tafaraka tamin’azy io, satria naregny feo izy fa tsisy raha hitany. 8 Nitsangagna teo i Saoly ka raha napaigny ny masony die tsisy raha hitany ndre raike, die nekamany no nitondra an’azy ho agny Damaskôsy. 9 Telo andro izy tsy nahita sady tsy nahinan-kanina. 10 Tao Damaskôsy nisy zalahy raike mpianatra angihana hoe: Ananiasy; ka hoy ny Tompo nagnontsy an’azy tamin’ny sindrimandriny: E! Ananiasy! Die namaly izy hoe: Ito aho, Iabakôix ô! 11 Die hozy ny Tompo nagnontsy an’azy: Mitsangàna, ka mandihana an-dalamahitsy, die zahay an-dragnon’i Jodasy ao i lezalahy atao hoe: Saoly avy agny Tarsôsy igny; fa efa mivavaka izy ao; 12 tamin’ny sindrimandriny no nahitany an’i Ananiasy niditra, sady nametra-tagnana tamin’azy, mba ampahiratra ny masony ndreka. 13 Ka namaly; Ananiasy nagnano hoe: Die azafady arô Tompoko, fa die maro lôtra ny olo regniko nikoragna ny raha nataon’ny i lezalahay io tamin’ny olonao masina tagny Jerosalema. 14 Sady izy lateo koa managna fahefana atỳ, avy tamin’ny leben’ny mpisorogna, hamatotra olo zegny mangaike ny agnaranao. 15 Ka hoy ny Tompo an: Mandihàna, fa fitôvana nifidina manokagna izy ho fitondrana ny Agnarako amin’ny olo tsy mivavaka mban’ny mpanjaka, mban’ny zanak’Isiraely; 16 Atoroko an’azy ny amarozan’ny raha tsy mentsy heretany, ho voninahitry ny Agnarako. 17 Die nandeha i Ananiasy ka niditra tan-dragno tao sady nametra-tagnana tamin’azy nagnano hoe: Ny Tompo Jesosy niseho taminao tamin’ny lalagna nombanao tagny igny a Saoly rahalaiko, no nagniraka an’aha, mba hampahiratra ny masonao sady mba ho feno ny Fagnahy Masina anao. 18 Nisy raha ôtran’ny hisikisika laokan-drano izay latsaka avy tamin’ny masony, die nahita izy sady nitsangagna, ka nataony batisa; 19 sady nihinan-kahina izy no sady natanjaka mandy koa.

Nanomboka nitory an’i Kristy* i Saoly

Nizanogna andro vitsivitsy tamin’ny mpianatra tagny Damaskôsy izy. 20 Niaraka tamin-dreo nitory tamin’ny Sinagoga* koa, sady nagnambara fa Zanak’Andrianagnahary i Jesosy. 21 Zendagna aby izegny naharegny ka nagnano hoe: Ha! Ka tsy ity ma mpandripak’olo izegny manognona an’izany agnaran’ny zany ta-Jerosalema igny an? Tonga atỳ koa zao izy io mba hamatotra izegny azony agny amin’ny leben’ny mpisorogna ka die. 22 Vômeka nenahery i Saoly ka nandresy lahatra an’ny Jiosy* nipetra tagny Damaskôsy, sady nasahy nijaka fa i Jesosy no Kristy. 23 Laha, afaka andro maromaro, die nikendry hamono an’azy ny Jiosy*; 24 fantatr’i Saoly anefa fa nikendry hamono an’azy areo. Sady areo koa niambigna tambavahady teo fezay nagnalign’andro mba hamono an’azy. 25 Ka laha aligna ny andro die nazotson’ny mpianatrany tamina peka tambadikan’ny lakoro tao izy.

Agny Jerosalema i Paoly

26 Laha tonga tagny Jerosalema i Saoly die te-hiaraka tamin’ny mpianatra, fa areo marobe nangoaina an’azy aby, sady tsy nino an’azy hoe mpianatra izany. 27 Fa nindan’i Barnabasy ho agny amin’ny Apôstôly izy, die nitantarainy tamin-dreo ny nahitany an’ny Tompo mban’ny nijakany tamin’azy tegny an-dalagna, mban’ny nasaeny nitory ny agnaran’i Jesosy tagny Damaskôsy. 28 Izay vô niara-niditra niara-nibôka tamin-dreo tagny Jerosalema izy. 29 Sady nasay nitory ny agnaran’ny Tompo die nikoragna sady niady hevitra tamin’ny Helenista*; fa areo anefa te-hanomo an’azy. 30 Laha fantatry nekamany izany die nindany nidigna tagny Kaisaria izy ka nampandihaniny ho agny Tarôsy. 31 Die na nampedagnana ny fengonana magneragnan’i Jodia*, Galilia, mban’ny Samaria marobe sady niroborobo tsara, ka nandeha tampa-taorana ny Tompo niaraka tamin’ny fandrisian’ny Fagnahy Masina ka nemaro areo.

Agny Lyda i Petera: Ny fanasitranagna an’i Enea

32 Raha lasa nandeha nitety tanàna maro i Petera, die lasa nidigna tagny amin’olo masina mitoboka tagny Lyda koa. 33 Ka nahita zalahy raike nararin’ny Paralysisa* nandavo tampan-drena nandritry ny valo taogna izy, i Enea ny agnaran’ny lezalay io. 34 Ka hoy i Petera nagnontsy an’azy: E! Enea, mahay magnasitragna anao Jesosy Kristy; mitsangàna, ka alamino fandrenanao io. Tonga die nahafaka izy ka nitsangagna. 35 Laha nahita an’izany ny olo tagny Lyda mban’ny tagny Sarôna, die nipody nagnantonga an’Agnahary aby. 36 Nisy viavy mpianatra raike tagny Jopa, nagnano asa fanompôna mbana asa fagnasoavana marobe, i Tabita ny agnarany na angihana koa hoe: Dôrkasy. 37 Ndraik’andro izay izy narary, ka die maty, ka laha avy nampadroina ny fatiny die napetraka tagnefitra ambony. 38 Satria mifankarivo ny tanànan’i Lyda izy amin’i Jopa, sady efa regnin’ny mpianatra fa tao i Petera, die nagniraka zalahy rôlahy izy hangataka an’azy nagnano hoe: Aza misalasala anao mandeha atỳ. 39 Die nitsangagna i Petera ka nandeha niaraka tamindreo, die nindesiny niakatra tamin’ny tragno ambony ndreka tonga areo, ka mpivantotra marobe no nagnodidigna an’azy teo, sady nitomagny areo nagnatoro ny akonjo mban’ny lamba nijerin’i Dôrkasy tamin’izy mbola velogna. 40 Navôkan’i Petera aby ny olo teo, die nandoalika izy sady nivavaka magnatrika ny faty nagnano hoe: Mitsangàna anao a Tabita. Die napaigny ny masony, ka laha nahita an’i Petera izy die nifoha. 41 Natolotr’i Petera an’azy ny tagnany sady nampitsanganiny; die nangaika ny olo masina mban’ny mpivantotra izy, ka natolony andreo fa velogna izy. 42 Nagneragna an’i Jopa marobe die nafantatra an’izany aby, ka maro ny nino an’Agnahary. 43 Nitoboka andro maromaro tagny Jopa, tao amin’i Simôna mpandogna daro i Petera.

TOKO 10   

Ny fahitan’i Kornelio

1 Nisy zalahy raike tagny Kaisaria, Kapitenin’ny ekipan’ny miaramilan’i Italiana, i Kornelio ny agnarany, 2 olo mpivavaka sady nataotran’Agnahary areo tragno raike, mitsinjo olo sady tia mivavaka tamin-Jagnahary magnalignandro. 3 Indraik’andro, tokony tamin’ny sivy mandraingna teo, die nisy anjelin’Agnahary raike hitany tamin’ny sindrimandriny niarihary niditra tandragnony sady nangaika hoe: E! Kornelio. 4 Ka raha natrehiny tsara arỳ, die nangoaigna mafy izy sady nagnano hoe: Azafadyx, ito aho, ka akory? Die namaly Izy hoe: Tafakatra agny amin-Jagnahary ny vavaka nataonao mban’ny fitsinjovanao olo. 5 Magniraha olo anao niany, andeha ho agny Jopa angala an’i Simôna Petera. 6 Amin’i Simôna mpandogna daro ao izy mitoboka, amoron-dranomasina eo ny tragnony. 7 Laha dila ny anjely nijaka tamin’azy teo igny, die nagniraka manafo rôlahy tamin’ny mpiasany izy niaraka amina miaramila mpivavaka raike, agnisan’ny mpagnaraka an’azy isan’andro. 8 Die nampitainy tamin-dreo ny hafatra, ka nalefany ho agny Jopa areo.

Ny fahitan’i Petera

9 Amaraignan’igny raha mbola tegny an-dalagna ny iraka, ka efa nagnakekikeky ny tanàna areo, die niakatra tambonin’ny tafo-tragno i Petera mba hivavaka fa tamin’ny ora faheninaxi ny andro tamin’izay. 10 Die aveon’igny, mosaregna sady te-hinagna izy, ka raha mbola nahandro ny haninany ny olo, die azona tsindrimandry izy, 11 ka nahita ny lagnitra nivoha, sady nisy raha ôtra lamba be izay nampidignina tamin’ny zorony efatra ho amin’ny tany; 12 tagnatiny tao nisy biby marobe manan-kongotra efatra mbana biby mandady ambonin’ny tany etỳ io, mbana vorogna magnembogna; 13 nisy feo nagnano hoe: Mitsangàna anao a Petera ka mamonoa, die mihinàna. 14 Ka hozy i Petera an: Sagnatria, azafady Iabakôxii ô! Tsy ihinagna raha fady tsy madio aho. 15 Nizaka tamin’azy feo igny fagin-droiny: Ny raha efa nidiovin’ny Zagnahary, aza mba fadìnao. 16 Intelo no nagnanôvany an’izany die nakanina an-dagnitra agny igny raha igny. 17 Raha mbola nieritreritra ny dikan’igny sindrimandry igny i Petera, die tonga tam-bavahady teo ny olo irak’i Kornelio, nagnontany ny tragnon’i Simôna. 18 Die nangaika areo sady nagnontany na mitoboka ao i Simôna Petera sa tsy ao? 19 Fa raha nandinika ny tsindrimandry igny mandy i Petera, die nijaka ny Fagnahy tamin’azy hoe: Io misy olo telo lahy miaragna anao, 20 mitsangàna anao, die mandihana mijotso, die magnaraha an’azy sady aza misalasala, fa Iaho no nagniraka an’azy. 21 Nijotso laha tegny i Petera ka nagnano hoe: Ito aho raha miaragna an’aha anareo; ino anton-dianareo atỳ? 22 Die hoy areo an: I Kornelio Kapiteninay, nagniraka anay, die i rangahy marina sady matahotra an’Agnahary igny, rangahy tsara laza tamin’ny faritanin’ny Jiosy* izy. Nahazo beko tamin’ny anjely masina izy mba ampangala anao ho amin’azy agny sady hiteno ny raha zakainao. 23 Nataon’i Petera vahiny tao eky alohake arỳ indraik’aligna. Ka laha nandraign’andro, die nagnaraka andreo negnagny i Petera mban’ekama sasagny tao Jopa. 24 Amaraignan’igny, die tonga tamin’ny Kaisaria areo. I Kornelio ma die efa nipesoka an’azy sady izy laha teo koa efa nagnafatra an’ny havany mban’ekamany. 25 Raha vatany vô niditra i Petera die nandoalika tan-kongotrany teo izy sady niondrika. 26 Ka nampitsanganin’i Petera izy nagnano hoe: Mitsangàna fa iaho die olo ôtranao mandy. 27 Ka laha nikoragna tamin’azy izy, die niditra tan-dragno ka nahita olo enjagna be tafavory tao. 28 Die nijaka izy tamin-dreo: Fantatrareo fa fady amin’ny Jiosy* ny mikambagna na mifampiraharaha na koa hoe mandroso amin’olo hafa firenena; nefa natoron-Jagnahary an’aha, fa tsisy olo ataoko fady koa na koa hoe tsy madio. 29 Izany no tsy nandazako ho atỳ aminareo, raha tsy nampahafantarina aho; ka magnontany anareo aho: Ino izany no mba antony nangalanareo an’aha atỳ? 30 Die namaly i Kornelio: Tambadikin’omalyxiii, tamin’ny sivyxiv ôtran’izao, raha nivavaka tan-dragnoko tato aho, die nisy lelahy nagnano akanjo fotsy mamirapiratra be izay nitsangagna takekiko teo, 31 nagnano hoe: Tafakatra agny amin-Jagnahary a Kornelio ny vavaka nataonao mban’ny fitsinjovanareo olo. 32 Ka magniraha olo ho agny Jopa anao, ka afaro i Simôna Petera: Mitoboka an-dragnon’i Simôna mpandogna daro amoron-dranomasina eo igny. 33 Die nagniraka manafo taminao tagny aho, ka tsara mandy anao tonga eto. Fa tafavory eto ahay niany mba niteno ny hafatry Zagnahary aminao.

Ny toritenin’i Petera

34 Die nilô-bava i Petera nagnano hoe: Hitako fa tsy nizaha volonkoditr’olo marina izao Zagnahary izao; 35 Fa amin’ny firenena marobe, die zegny olo mataotra Anazy sady magnano marina die tieny aby. 36 Fantatrareo ny hafatra nampitondraigny ho an’ny zanak’Isiraely, mba hitory hafatra mitondra fedagnana amin’ny alalan’i Jesosy Kristy*, fa Izy no Tompon’ny raha aby izao; 37 die ny teny nitorìna nanomboka hatragny Galilia, ka nitorina magneragna an’i Jodia, tafaran’ny batisa nitorin’i Jaona, die ny amin’i Jesosy avy agny Nazareta izany. 38 Olom-bôhosotr’Andrianahary tamin’ny Fagnahy Masina niaraka tamin’ny heriny, sady nandendeha nagnano sao olo tasỳ amin’arỳ, sady nagnasitragna olo izegny nidiran’ny devoly*, satria Zagnahary niaraka taminazy tegny feizay. 39 Ahay no vavolombelogna ny raha namboariny tagny amin’ny tanin’ny Jiosy* mban’ny tagny Jerosalema; die nivonin-dreo Izy sady nasampiny tambony kakazo; 40 kanefa Zagnahary nanangagna an’Azy tamin’ny fahatelo androny sady nasehony miariary, 41 tsy tamin’olo maro be, fa tamin’ny vavolombelogna izay efa vôtendrin’Agnahary taloha, die taminay mbakan’ny olo niara-nihinagna tamin’Azy, laha avy nitsangagna tamin’ny maty Izy. 42 Ka nididìny ahay hitory sady agnambara amin’olo fa Izy no vôtendrin-Agnahary hitsara ny velogna amin’ny maty. 43 Ny mpaminagny marobe die magnambara fa amin’ny agnarany no azahoan’izegny mino an’Azy famelan-keloka.

Nandray ny Fagnahy Masina ny olo tsy mivavaka

44 Ka raha mbola nijaka i Petera, die nilatsaka tamin’izegny naregny ny hafatra ny Fagnahy Masina. 45 Zendagna aby ny olo efa mpino niaraka tamin’i Petera, fa nidigna tamin’ny olo Jentilisa* koa ny fagnomezan’ny Fagnahy Masina. 46 Satria regnin-dreo nijaka tamin’ny fijakana tsy fantatra areo sady nankalaza an’Agnahary. Die hozy i Petera nagnontsy an-dreo: 47 Iza no olo afaka andrara ny olo efa nahazo ny Fagnahy Masina ito tsy atao batisa ôtrantsena? 48 Die nampagnanôviny batisa tamin’ny agnaran’i Jesosy Kristy* areo. Ka nangatahin-dreo izy hitoboka amin’azy andro vitsivitsy.

TOKO 11   

Manamarina ny nenany agny Jerosalema i Petera

1 Regnin’ny Apôstôly mban’ekamany tagny Jodia* fa nahazo ny hafatry Zagnahary mandy koa ndre ny olo Jentilisa*. 2 Ka laha tafakatra tagny Jerosalema i Petera, die nomen’ny akamany tsigny, 3 nagnano hoe: Nagnano vahiny tagny amin’olo tsy mpino anao, sady niaraka nihinagna tamin-dreo. 4 Ka nitantarain’i Petera hatram-bôlongany ny raha niseho nagnano hoe: 5 Nivavaka tan-tanànan’ny Jopa aho, die azona tsindrimandry, ka nahita raha ôtra lamba be nidigna avy tan-dagnitra, najotso tamin’ny zorony efatra nagnantogna an’aha. 6 Ka raha nijerevako sady nidinihiko, die karazambiby manan-kongotra efatra mbana bibidy mandady miaraka amina vorogna magnembogna no hitako tao. 7 Die naregny feo aho nijaka hoe: Mitsangàna anao a Petera ka mamono, die mihinàna. 8 Die nijaka aho hoe: Sagnatria, azafady Iabako!xv Mbola tsy nidirana raha fady sady maloto vavako itỳ. 9 Die namaly fagnindroiny i feo igny avy tandragnitra igny hoe: Ny raha efa nidiovin’Agnahary, aza mba fadìna. 10 Intelo nagnanôvany an’izany die nakarina an-dagnitra agny i raha igny. 11 Die nisy zalahy telo lahy izay nijanogna tam-botragno nipitrahanay teo, iraka avy tamin’ny Kaisaria ho amin’aha. 12 Ny Fagnahy Masina nagniraka an’aha hiaraka amin-dreo, ka tsy hizahako volon-koditr’olo ndre bitaka, die niaraka tamin’aha mandy koa i manafolahy enin-dahy tôgna ka ahay aby niara-nitsofoka tandragnon-dreo tao. 13 Die nitanta taminay aby ny nahitany ny anjely nitsangagna tan-dragnony tao nijaka hoe: Magniraha manafo lahy, hampangala an’i Simôna Petera; 14 izy no hampita aminao ny hafatra hamonjena anao mban’ny fianakavenao. 15 Ka raha vô nijaka aho, die nilatsaka tamin-dreo ny Fagnahy Masina ôtran’ny tamintsena indraik’andro. 16 Tonga die tadidiko ny raha nijakain’ny Tompo hoe: I Jaona nagnano batisa tamin’ny rano, fa anareo koza, atao batisa amin’ny Fagnahy Masina. 17 Ka raha ny fagnomezana ôtran’ny nomen-Jagnahary antsena tamintsena vô nino an’i Jesosy Kristy* Tompo no nomeny andreo, die akory ahafahafako anakagna an-Jagnahary amin’izany? 18 Ka laha naregny an’izany areo, die nangigna sady nankalaza an’i Zagnahary nagnano hoe: Zagnahary efa nagnome fibebahana ho an’ny olo Jentilisa* mba anagnany favelomana.

Ny fengonana tagny Antiokia

19 Tamin’izay, nohon’ny fiparitahan’ny fagnenjehana an’i Stefana igny die tonga hatragny Foinika, Kyprosy, mbany tagny Antiokia areo, nefa tsy nitory tamin’olo-kafa, afatsy tamin’ny Jiosy* mandy. 20 Ny sasagny tamin-dreo die manafo lahy avy agny Kyprosy mbany Kyrena tonga tagny Antiokia, ka nitory an’i Jesosy Tompo tamin’ny olo-kafa Jentilisa*. 21 Ny tagnan’Agnahary die nitahy an-dreo feizay ka maro ny nino sady nipody tamin’ny Tompo. 22 Regnin’ny fengonana tagny Jerosalema ny lazan-dreo, ka nagniraka an’i Barnabasy izy andeha agny Antiokia. 23 Laha tonga tagny izy ka nahita ny fahasoavana avy tamin-Jagnahary, die faly izy sady nandrisika an-dreo maro be mba haharitra amin’ny Tompo amin’ny zotom-po. 24 Fa lelahy tsara fagnahy sady feno ny Fagnahy Masina izy sady manam-pinôna mandy koa. Ka maro ny olo nikambagna tamin-dreo agnantogna an’ny Tompo. 25 Die lasa nandeha niaragna an’i Saoly tagny Tarsosy i Barnabasy. 26 Ka laha hitany arỳ, die nindany tagny Antiokia. Ka niaraka niasa tam-pengonana tao areo rôlahy, nandritry ny heritaogna gagna sady nampianatra olo maro; ka tagny Antiokia no nagnangihana vôlongany ny agnaran’ny mpianatra hoe: Kristiana.

Hetsika fifanampiana

27 Nisy mpaminagny sasagny avy tagny Jerosalema nandeha Antiokia. 28 Vôsindrin’ny Fagnahy Masina ny raike tamin-dreo, i Agabo ny agnarany die nitsangagna izy naminagny fa hisy mosary magneran-tany, Tamin’ny andron’i Klaodiô die tonga tegnany izany. 29 Ka nanapa-kevitra ny mpianatre fa hampitondra ny raha izegny nanagnany, hagnavotana ny akamany raike-finôna amin-dreo agny Jodia*. 30 Die nataony tegnany izany; ka i Barnabasy izy amin’i Saoly no nampitondraigny an’azy hoe ho an’ny zokiolo.

TOKO 12   

Ny namonoana an’i Jakoba sy ny nampidirana an’i Petera tagny an-figadrana

1 Ka tamin’ny andron’io i Herôda mpanjaka die nagnampatra ny tagnany hampijaly ny sasagny tamin’ny fengonana. 2 Ka izy no namono an’i Jakôba mpirahalahy amin’i Jaona tamin’ny Sabata*. 3 Laha hitany fa neken’ny Jiosy* izany, die nampanambotra an’i Petera mandy koa izy. Efa andro fihinana ny mofo tsisy levira tamin’io. 4 Laha vôsambotra izy, die nigadrainy, ka nampembeniny miaramila enina ambin’ny folo lahy; die nieritreritra amôka an’azy amason’ny fokon’olo izy laha vita Paska*. 5 Nambenana tsara i Petera tam-pigadràna tao, nefa ny fengonana nazoto nangataka tamin-Jagnahary ho an’azy.

Nafahana i Petera

6 Tamin’ny alignan’ny hamoahan’i Herôda an’azy, raha mbola nandry tagnivon’ny miaramila rôlahy i Petera, sady vôfatotra rojo vy roy, sady ny mpiambigna ny gadra mbola tam-bavahady teo. 7 Die nisy anjelin’Agnahary niaraka tamina hazavana mamirapiratra be tonga tao; nikasika an’i Petera izy sady namoha an’azy nagnano hoe: Mitsangana malaky. Die nitsôka tamin’ny tagnany ny rojo vy igny. 8 Ka hoy ny anjely Nagnontsy an’azy: Fihezo ny kapanao, die anôvy ny akanjonao, ka magnaraha an’aha. Die namboariny aby ny raha nampagnanôviny an’azy. 9 Lasa izy nivôka nagnaraka an’azy; ka tsisy raha fantany aby ny raha nataon’ny anjely igny, fa everiny fa tsindrimandry fotsiny izany. 10 Laha avy nandalo ny mpiambigna vôlongany mban’ny faharoy izy, die tonga tamin’ny vavahady vy, fidirana an-tanàna, ka nivoha oazy ny vavahady, mba hivoahany die lasa izy nivôka nagnara-dalagna raika hafa, tampoka teo die tsy hitany koa ny anjely igny. 11 Laha nahatsiaro tegna i Petera, die nagnano hoe: Izay vô fantatro fa nagniraka ny anjeliny ny Tompo agnavotra an’aha tantagnan‘i Herôda mban’ny fagnantenan’ny Jiosy marobe. 12 Ka laha fantany aby ny raha marobe, die lasa izy nandeha tan-dragnon’i Maria, endrin’i Jaona ha i Marka; maro ny olo novory tao nivavaka. 13 Raha nandòndògna ny vavahady i Petera, die nagnantogna i Roda hiteno ny feony. 14 Ka laha fantany ny feon’i Petera, die tsy avy izy hamoha ny vavahady tratrin’ny faly lôtra, ka lasa izy niazakazaka sady nitantara fa i Petera no nandòndògna am-bavahady ao. 15 Die nijakain’olo izy hoe: Very saigna anao e! Nefa izy tegna nagnamarina fa i Petera izany ao. Die mbola nijaka ny olo tao fa: Anjeliny izany. 16 Die mbola nandòndògna mandy i Petera, ka laha nivoana, die izy tegnany ka zendagna areo. 17 Nagnakopakopaka ny tagnana izy mba hampino andreo, die nitantarainy tamindreo ny fomba nagnafahan’ny Tompo an’azy tampi-gadrana tao. Nizaka izy hoe: Tantaray amin’i Jakôba mban’ekamany agny izany. Die lasa izy nadeha an-tany hafa. 18 Laha nazava ny andro, die nisavoritaka be ny miaramila, nifagnontany hoe: Negnaza i Petera tato? 19 Ka niaragna an’azy mafy i Herôda sady nagnadigna an’ny mpiambigna tao, nefa tsy nahita, die nampamon’ny ny mpiambigna. Tafaran’io die nenga tagny Jodia* i Herôda, ka nandeha tagny Kaisaria sady nitoboka tagny.

Ny nahafatesan’i Herôda Agripa mpanjaka

20 Romotra mafy tamin’olo tagny Tyriana izy amin’ny Sidoniana i Herôda. Ka nifagnaraka fiena areo agnantogna an’azy, laha nahazo an’i Blasto, mpikarakara ny tragno fandreny mpanjaka ho akaman-dreo ho agny, die nangàtaka fiavanana tamin’i Herôda areo, satria tanin’Herôda no niveloman-dreo. 21 Laha tonga ny andro nifanapahana, die nitoboka tambon’ny sezan’ny fanjakany i Herôda mpanjaka sady nagnano ny akonjon’ny mpanjaka, ka nikabary tamin’ny fokon’olo. 22 Ny fokon’olo marobe nijaka hoe: Ha! Feon-Jagnahary izany fa tsy feon’olombelogna. 23 Tsy fotony tsy lagny teo, die nisy anjelin-Jagnahary namely an’azy satria izy tsy mba magnome voninahitra an’ny Zagnahary, ka die maty nohanin’ny viky arỳ. 24 Ka niely sady nandroso ny hafatrin’Agnahary. 25 Laha vita ny fanompôna nataon’i Barnabasy izy amin’i Saoly tagny Jerosalema, die nipody areo, ka nindandreo nagnarakan’azy i Jaona na i Marka.

TOKO 13   

Nalefa ho misionera i Barnabasy izy amin’i Saoly

1 Tamin’ny fengonana tagny Antioka, die nisy mpaminagny mbana mpampianatra: Die i Barnabasy izy amin’i Simeona, na angihana koa hoe: Nigera, izy amin’i Losio Kyreniana die i Menahema mandy koa (nanagna lonilony tamin’i Herôda mpandidy) izy amin’i Saoly. 2 Raha nagnano fanompô-pivavahana ho an’ny Zagnahary areo sady nifady hanina, die nagnano ny Fagnahy Masina hoe: Akokàny ho an’Aha i Saoly izy amin’i Barnabasy, hagnano ny asa nampagnamboarik an’azy. 3 Ka laha avy nivavaka areo sady avy nifady hanina, die nametrahany tagnana, ka nalefany nadeha areo rôlahy.

Any Sipra i Barnabasy sy i Saoly

4 Die nirahin’ny Fagnahy Masina izy rôlahy hidigna agny Seleokia, hivarigna an-dakagna* ho agny Kyprosy. 5 Laha tonga tagny Samalia areo, die nitory ny hafatry Zagnahary tam-pengonanan’ny Jiosy; ka nindan-dreo mandy i Jaona mba hagnampy andreo. 6 Laha nitety farihy areo, die tonga tagny Pafô, die nahita Jiosy raike ombiasy* be sady mpisandoka ho mpaminagny; i Barjesosy ny agnarany. 7 Izy die mitoboka amin’i Sergiô Paôlô, leben’ny governora sady olo-kendry io zalahy io. Nagniry haregny ny hafatrin’Agnahary izy, ka nampagnafatra an’i Saoly izy amin’i Barnabasy ho amin’azy agny. 8 Nitoerin’i Elyma ombiasa* be io areo rôlahy (izay mako ny agnarany raha adìka) sady nisakanany i Sergio mba tsy hino an-dreo. 9 Fa i Saoly na i Paoly, feno Fagnahy Masina, ka nipesoka an’azy feizay, 10 nagnano hoe: Anao izany ka tsy egnina hagnolakolaka ny lala-mahitsy namboarin-Jagnahary an? Anao olo mpamitafitaka, mpametsifetsy sady fahavalon’ny marina, zanaka devoly*. 11 Niany die niany mandy anao die ho jamba tsy ahita masoandro, fa Zagnahary hamely anao. Tonga die avy tamin’azy ny fahajambana, ka niraparapa niaragn’olo hitantagna. 12 Ka la nahita an’izany ny governora, die zendagna sady nino ny fampenaran’ny Tompo.

Ny fanambaràna nataon’i Paoly tagny Antioka agny Pisidia

13 Die nivarigna tan-dakagna* i Paoly niaraka tamin’ekemany, niala an’i Pafo, die tonga tagny Perga agny Pamfylia; fa i Jaona nipody ho agny Jerosalema. Ka laha nialan’i Perga areo, die tonga tagny Antioka agny Pisidia, die niditra tamin’ny synagoga* tamin’ny andro Sabata*, ka nitoboka teo. 15 Laha avy namaky ny bokin’ny lalàgna mban’ny bokin’ny mpaminagny, die nijaka tamin-dreo ny leben’ny synagoga* hoe: Sô die misy fagnanarana ataonareo amin’olo azafady. 16 Nagnopakopa-tagnana i Paoly nagnano hoe: Anareo manafo lahin’ny Isiraely, anareo izegny mataotra an’Agnahary, tenoy tsara ity: 17 Ny Zagnaharin’ny Isiraely, efa nifidy ny razantsena, sady nanangagna olo tamin-dreo tamin’ny mbola nitoboka tagny Egipta, ka ny sandriny no nitondrany an’azy nivôka tao. 18 Ka nandeferany areo tamin’ny raha namboarin-dreo tan-tany fôgna tagny nandritry ny efa-polo taogna. 19 Laha avy nandrava firenena fito tagny Kanàna Izy, die nampandovainy andreo izany, 20 nandritry ny dimapolo amby efa-jato taogna ka laha afaka izany, die nomeny mpitsara areo nanomboka tamin’i Samoela mpaminagny. 21 Aviteo n’igny laha, nangataka mpanjaka areo; ka namen-Jagnahary an’i Saoly efa-polo taogna, die i Saoly zanaka’i Kisy, lelahy avy amin’ny firenenan’i Benjamina. 22 Laha nangala an’i Saoly Izy, die nametraka an’i Davida ho mpanjakan-dreo sady nagnano hoe: «Hitako i Davida, zanak’i Jese fa lelahy eken’ny foko, sady hagnano ny sitrapoko manontolo.» (1 Sam. 13:14; Sal. 89:20). 23 Avy tamin’ny taranak’io lelahy io no namoahan’Agnahary an’i Jesosy, efa nampagnantegnainy hagnavotra an’i Isiraely. 24 Talohan’ny natongavany anefa, die nitory ny batisan’ny fibebahana tamin’ny olo’ny Isiraely alohake i Jaona. 25 Ka laha efa hifaragna ny dian’i Jaona, die nijaka izy hoe: Iza ny feveranareo an’aha? Tsy Izy aho; fa avy afarako Izy, na die izaho aza tsy magneva hamaha tadikiraro aby. 26 Ho anareo taranak’i Abrahama, mban’izegny mataotra an-Jagnahary egny aminareo egny, antsena no nampitondrana ny hafatra ho fagnavotana izao. 27 Satria areo mitoboka agny Jerosalema mban’ny lebeny tsy nahalala an’Azy, na die ny feon’ny mpaminagny nivakina tamin-dreo isaky ny iSabata* io, die nahatanteraka an’izany tamin’ny nagnameloany an’Azy. 28 Ka na die tsy hita aza ny raha tokony hagnameloana an’Azy ho faty, die nangataka tamin’i Pilato mandy areo mba hamono an’Azy. 29 Ka vita-dreo aby ny raha vôsoratra momba an’i Jesosy, vô nalainy tambony kakazo teo Izy, ka nalevigny tam-pasagna. 30 Fa Zagnahary, nanangagna an’Azy tamin’ny maty. 31 Matetik’Izy die miseho amin’olo mpagnaraka an’Azy avy agny Galilia ho agny Jerosalema, ka areo no vavolombelogna amin’olo. 32 Ka ahay mba mitory aminareo ny filazantsara nampagnantegnaina ny razagna. 33 Die nitanterain-Jagnhary tamin’ny razantsena izany, raha nanangagna an’i Jesosy Izy, araka ny vôsoratra amin’ny Salamo faroy hoe: «Iaho no niteraka Anao, ka Zanako Anao» (Sal. 2:7). 34 Sady efa nijakainy fa natsangany tamin’ny maty Izy, ka tsy mety lò koa, tamin’ny Izy nagnano hoe: «Ameko anareo ny tegna fandeferana nampagnantegnaina an’i Davida» (Isa. 55:3). 35 Die hoy mandy koa Izy amin’ny Salamo hafa hoe: «Tsevelanao ho lò zany mihintsy Olo Masinanao» (Sal. 16:10). 36 Laha navita ny sitrapon-Jagnahary sady avy nagnano soa tamin’ny mpiara-monigna tamin’azy i Davida, die maty , ka nakambagna tamin’ny razany izy, sady nety lò; 37 f’izegny natsangan-Jagnahary ho velogna, tsy mba mety lò. 38 Die fantaro tsara mandy koa azalahy, fa Izy no itoriana ny famelan-keloka ho anareo; 39 ka amin’Azy no agnamarinana an’izegny mino ho afaka amin’ny fahotana tsy hazaoanareo marina tamin’ny lalàgnan’i Mosesy. 40 Ka tendremo tsara sô die ho tonga aminareo ny raha nijakain’ny mpaminagny hoe: 41 «Anareo mpamotsifotsy, die gagà, ka milevògna; fa hisy raha amboariko amin’ny andronareo; die raha tsy mba hinônareo aby na die hozakaina aminareo aza» (Hab. 1:5). 42 Ka laha nivôka izy, die nangatahin-dreo mba hijakaina amin-dreo ao ndraika mandeha mandy koa izay amin’ny Sabata* magnaraka. 43 Laha niravagna ny fivorena, die maro tamin’Jiosy* mban’ny proselyta* efa nivavaka no nagnaraka an’i Paoly izy amin’i Barnabasy, ka nijaka areo rôlahy sady nandrisika an-dreo mba haharitra amin’ny fahasoavan’Agnahary.

Mitodika amin’ny Jentilisa* ry Paoly sy i Barnabasy

44 Tamin’ny Sabata* magnaraka an’igny, die tafavory aby ny tanan-draike hiteno ny hafatry ny Zagnahary. 45 Ka la nahita ny fokon’olo nitangorogna tamin-dreo ny Jiosy*, die niseragna ny felognany ka nitoeriny aby ny raha nijakain’i Paoly sady nompainy arỳ. 46 Ka hozy i Paoly izy amin’ny Barnabasy nasahy nijaka nagnano hoe: Tsy mentsy nitorina taminareo alohake, ny hafatry Zagnahary; ka la nandà anareo, fa hoe tsy magneva ny hahazo ny fiaignana mandrakizay, die nitodika tagny amin’olo-tsotra ahay. 47 Efa nandidy anay ny Tompo hoe: «Efa nitendreko hagnazava ny olo Jentilisa* anao. Mba hagnavotra an-dreo hatragny amin’ny faravazantany» (Isa. 49:6). 48 Laha naregny an’izany ny olo-tsotra, die faly ka nankalaza ny hafatry ny Zagnahary; ka izegny efa vôlahatra ho agny amin’ny fiaignana mandrakizay die nino aby. 49 Ka niely nagneran-tany ny hafatry Zagnahary. 50 Die nitaritin’ny Jiosy* aby ny viavy mpivavaka sady manankatao tan-tanàna tao miaraka amin’ny zokizokiolo, ka nanambotra an’i Paoly izy amin’i Barnabasy sady nandrôka an-dreo henga tao. 51 Nahintsagn’izy rôlahy ny fotaka tamin’ny tongony mba hempangan-dreo die lasa areo nandeha agny Ikonioma. 52 Ka die feno Fagnahy Masina ny mpainatra sady faly.

TOKO 14   

Tagny Ikonioma i Paoly sy i Barnabasy

1 Laha tonga tagny Ikonioma i Paoly izy amin’ny Barnabasy, die niaraka nitsofoka tamin’ny Synagogan’ny* Jiosy*, ka nitory ny hafatra, ka enjagna ny olo nino tao, na Jiosy* izany, na olo tsy mbola nivavaka aza. 2 Fa ny Jiosy* izegny tsy nety nino, die nitarika sady nagnatoro loha ratsy an’ny olo Jentilisa* sasagny mba hanohitra ny akamany. 3 Na die zany aza, die mbola nitoboka ela teo areo sady nasahy nitory satria natoky an’ny Tompo, nagnome an-dreo vavolombelogna hagnamarina ny hafatry ny fasoavany, nahafahandreo nagnano famantarana amam-pagagana. 4 Niraika fiena ny fokonolo tan-tanàna, ny sasagny nagnaraka an’i Jiosy*, ny sasagny nagnaraka ny Apôstôly. 5 Efa nagnano tetika hangala baràka andreo izy, sady nitily vato areo mban’ny Jiosy* mban’ny lebeny. 6 Kanefa fantany izany, die lasa nilefa niorika nenga Lystra, mban’ny Derbe, an-tanànan’ny Lykaonia magnodigna areo. 7 Die nitory ny filanzantsara tagny.

Fagnasitragna zalahy malemy raike tagny Lystra

8 Nisy zalahy raike nalemy hongotre atakibondrenine, tsy mahay mandeha, tagny Lystra; 9 naregny an’i Paoly nitory ny hafatra izy die nino. Ka i Paoly mandy koa nahita fa magneva ho sitragnina izy, 10 die nangaika marehy izy nagnano hoe: Mitsangàna amin’ny hongotrao anao. Die nitsambikimbikigna na lelahy igny ka nahay nitsangagna. 11 Laha nahita an’izany ny fokonolo maro be teo, die nagnenga feo marehy nijaka tamin’ny fizakàna Lykaonia hoe: Tegna Zagnahary mangala tarehin’olo mihintsy ito! 12 Ka ny agnaran’i Barnabasy novan-dreo an’i Jopitera, negnaran’i Paoly nataony an’i Merkory satria izy no mpandaha-teny. 13 Ka ny mpisorognan’i Jopitera tagnivon-tanàna, niaraka tamin’ny fokon’olo, nitondra ombilahy miaraka amina vonikazo natao engombavahady, ka nagniry agnano sorogna areo. 14 Ka laha regnin’ny Apôstôly, die i Paoly izy amin’i Barnabasy nandrota ny raha nitafiany ka tonga die nitsatoka tagnivon-dreo teo areo nijaka hoe: 15 Azafady aminareo azalahe! Nagnino anareo magnano raha ôtran’io? Ahay die olombelogna ôtranareo mandy, magnambara ny filazantsara aminareo, mba enganareo amin’ny raha tsisy lagniny, hagnantognanareo an’i Zagnahary velogna, hagnano ny tany aman-dagnitra, mban’ny ranomasina miaraka amin’ny raha marobe agnatiny. 16 Izy tsy mba nanakagna ny firenena marobe taloha tagny amin’ny lalagna tieny ombàna. 17 Kanefa tsy navelany tsy nisy vavolombelogna ho an’Azy amin’ny raha tsara nataony, nalatsagny ho anareo ny herika, havokatra ny tany hahavoky anareo, anagnanareo hafalena. 18 Ka na die nagnazava an’izany areo, die seky tsy nahasakagna ny olo tsy hamono raha atolotra andreo. 19 Tamin’izay die nisy Jiosy* avy tamin’Antioko, tan’Ikonioma, nitarika ny fokon’olo hitily vato an’i Paoly die nitaritaritin-dreo tam-belagny tanàna , satria nieritreretin-dreo olo efa maty arỳ. 20 Die nodidignin’ny mpianatra izy, die nitsangana ka niakatra tan-tanàna. Amaraignan’igny mandy izy amin’i Barnabasy die nandeha tagny Derbe.

Ny fiverenana tagny Antioka agny Pisidia

21 Ka laha avy nitory ny filazantsara tamin’io tanàna io areo die nahazo mpianatra enjagna, die nipody tagny Lystra mbany tagny Ikonioma, mbany t’Antiokia ndreka areo, 22 nagnanagnanatra ny mpianatre sady nampahery andreo mba hanagnany faretana amin’ny finôna, sady nampilaza fa tsy mentsy fijalena no eretantsena vô miditra agny amin’ny fanjakan’Agnahary. 23 Laha avy nanendry mpitondra fengonana izy, die nivavaka sady nifady hanina ka nanolotra an’azy ho an’ny Tompo ninôny. 24 La avy namakivaky an’i Pisidia areo, die tonga tagny Pamfylia. 25 Die nitory ny hafatre tagny Perga koa areo, die nidigna tagny Atalia. 26 Aviteon’igny areo, die nivarigna tan-dakagna* ho agny Antiokia, tamin’ny nanolorana an’azy ho amin’ny asa nagnirahana an’azy. 27 Ka la avy tao areo, die namory ny fengonana, ka nitantantara ny haleben’ny raha namboarin-Jagnahary tamin’azy, mban’ny namoahany ny varangaram-pinôna ho an’ny olo Jentilisa*. 28 Die nitoboka ela ela tamin’ny mpianatra tao izy.

TOKO 15   

Tsy fitovian-kevitra momba ny famorana

1 Nisy olo sasagny avy tagny Jodia* nampianatra ny olo raike finôna hoe: Raha tsy foràna ôtran’ny fataon’i Mosesy anareo, die tsy nôvonjy. 2 Laha avy nifanditra sady niady hevitra tamin-dreo i Paoly izy amin’i Barnabasy, die nifagnaraka fa ho hiakatra ho agny Jerosalema areo rôlahy miaraka amin’ny sasasasagny tamin-dreo handinika an’izany amin’ny Apôstôly mban’ny mitondra fengonana. 3 Die nateterin’ny fengonana areo, ka nanohy ny diany namakivaky an’i Foinika mban’ny Samaria, ka nitantara ny niovan’ny olo Jentilisa* fo, ka nahafaly ny havana raike finôna tamin-dreo izany. 4 Ka la tonga tagny Jerosalema areo die niraisin’ny fengonana mban’ny Apôstôly, ka nitantara ny haleben’ny raha namboarin-Jagnahary tamin’azy. 5 Ny mpino sasagny, antokon’ny Fariseo* io nitsangagna sady nijaka hoe: Tsy mentsy foràna areo, ka didina mba hagnaraka ny lalagnan’i Mosesy.

Ny adihevitra tagny Jerosalema

6 Die nivory ny Apôstôly mban’ny mpitondra fengonana, mba handinika an’izany. 7 Ka la mbola nisy ady hevitra be mandy, tao die nitsangagna i Petera nagnano hoe: E! Zalahe, anareo die mahafantatra fa efa ela no nifidin-Jagnahary taminareo fa avy amin’ny vavako no andregnesan’ny Jentilisa* ny feon’ny filazantsara mba hinôny an’azy. 8 Ka Zagnahary mahafatatra ny fon’olo, die vavolombelogna tamin’ny magnomezana ny Fagnahy Masina ôtrany tamintsena mandy koa; 9 fa tsisy hafa antsena io, fa efa nidioviny tamin’ny finôna ny fony. 10 Ka nagnino anareo raha magnala fagnahy an’Agnahary, ka magnisy jioga amin’ny vozogny mpianatra, nefa asena tsisy naleo an’izany na die ny razantsena aza? 11 Fa ny fasoavan’i Jesosy Tompontsena mandy no ninôntsena, ka nazaôntsena fagnavotana, die ôtran’izany mandy koa areo io. 12 Die nagnigna aby ny olo tao niteno an’i Paoly izy amin’i Barnabasy nitantara ny famantarana amam-pagagàna enjagna nampagnanôvin-Jagnahary andreo tamin’ny olo Jentilisa*. 13 Laha tapitra ny vorian’izy rôlahy, die namaly i Jakôba nagnano hoe: E! Zalahe, mba tenoinareo ma aho e! I Simeona de efa nijaka ny nitsinjovan’Agnahary ny Jentilisa* tamin’ny vôlongany die hangala ny olo amin’azy mba hagajàna ny agnarany. 15 Ka mifagnaraka amin’ny raha nijakain’ny mpaminagny hoe: 16 «Laha vita izany, die hipody Aho, ka atsangako indraika mandeha ny tragnon’i Davida efa tola; ka hatsangako izegny efa rava ao. Ka amboariko ndreka. 17 Mba hiaragna ny Tompony olo sisa ao, mban’ny olo Jentilisa*, efa nangaika ny Agnarako, hozy ny TOMPO*. 18 Izay nagnano ny raha efa fantatra hatagny ambôlongany.» (Amo 9:11-212) 19 Ny hevitra an’aha die izao: Tsy mety raha asena no hagnome fasairagnanaXVI ho an’olo Jentilisa*, hipody amin-Jagnahary; 20 fa andao asena hanoratra taratasy amin-dreo mba hifadianany hena vetaveta amin’ny sampy, ny fafy fady,XVII mban’ny biby kendaina sady hifadianay rà. 21 Fa hatragny amin’ny razantsena taloha die nagnano an’izany mandy koa; managna mpitory isan-tanàna i Mosesy satria vakina isan-dapabe, isan-synagoga* izany isakin’ny Sabata*.

Fanapahan-kevitra sy taratasy iombonana

22 Die neken’ny Apôstôly mban’ny mpitondra fengonana manontolo izany, ka nifidy sasasasagny tamin-dreo areo mba hirainy hiaraka amin’i Paoly izy amin’i Barnabasy ho agny Antioka, die i Joda na angihana mandy koa hoe: Barnabasy, die i Silasy; areo samy tsara laza aby. 23 Nampitondra taratasy areo alefa agny, ôtran’izao ny vakiny: “Ahay Apôstôly mban’ny mpitondra fengonana miaraka amin’ny havana atỳ die magnotsafa anareo havanay agny amin’olo Jentilisa* agny Antioka, Syria, Kilikia. 24 Efa regninay fa nekamanay sasagny, nagnano raha nampiologna anareo tatỳ, ka nampikarasoka ny lohanareo, kanefa efa nandrara an’azy ahay. 25 Die nivory ahay marobe, ka nanapakevitra ny handefa olo ho atỳ aminareo hiaraka amin’i Paoly izy amin’i Barnabasy. 26 Manafo lahy, efa nagnano ny aignany tsisy dikany mba ho voninahitry ny agnaran’i Jesosy Kristy Tompontsena. 27 Die nagniraka an’i Joda izy amin’i Silasy ahay, mbola hizaka an’izany aminareo mandy koa. 28 Amin’ny fonay sady eken’ny Fagnahin Masina ny tsy ampitondra entagna mavesatra anareo, afa tsy ny raha tsy mentsy ho tandremanareo itỳ mandy. 29 Die ny hifadiananareo ny hena aterina amina sarivongagna, mbana fafim-pady, mbana biby kendaina, mbana rà; tegna tsara raha vôfadinareo aby izany. Hono ka ho tsara aby anareo agny.” 30 Die nalefany areo, ka lasa nandeha agny Antioka; ka namory olo maro, sady natolony ny taratasy. 31 Ka laha avy namaky an’izany areo die ravo, naregny ny anatra tsara tagnatiny. 32 I Joda izy amin’i Silasy lateo mpaminagny, die nagnararaotra nagnanatra sady nampahery andreo. 33 Laha avy nitoboka elaela tao areo, die napodin-dreo sôman-tsara ho agny amin’ny olo nagniraka an’azy. 34 I Joda mandy no nadeha nipody, fa i Silasy mbola nijanogna tao. 35 I Paoly izy amin’i Barnabasy, nitoboka tagny Antioka; ka nampianatra sady nitory ny hafatry ny Tompo areo rôlahy niaraka tamin’ekamany. 36 Laha afaka andro vitsivitsy, die nijaka i Paoly tamin’i Barnabasy hoe: Andao asena hipody amin’ny tanàna efa nitoriantsena ny hafatry ny Tompo, mba hijerevantsena ny fiovàny. 37 Nagniry hintondra an’i Jaona, angihana hoe: Marka i Barnabasy mba hiaraka amin-dreo ho agny. 38 Fa tsy nagneky hitondran’io i Paoly satria efa nilefa an-dreo tagny Pamfylia ka tsy niara-niasa tamin-dreo. 39 Nifanditra teo areo rôlahy ka ny afaràny die nisara-dia; i Barnabasy nitondra an’i Marka, ka nivarigna tan-dakagna* ho agny Kyprosy. 40 Fa i Paoly nifidy an’i Silasy, die lasa, raha neken’ekamany ho amin’ny fahasoavan’ny Tompo izy. 41 Die namakivaky an’i Syria, Kilikia areo, nampahery ny fengonana tagny.

TOKO 16   

Niara-niasa tamin’i Timoty i Paoly sy i Silasy

1 Die tonga tagny Derbe mban’ny Lystra mandy koa areo, ka nisy mpianatra raike atao hoe: Timoty ny agnarany, zanaky raviavy Jiosy mpino izy, fa Grika ny abany. 2 Izy mba tsara laza tamin’ny olo raika finôna tagny Lystra izy amin’i Ikonionia. 3 Tien’i Paoly hindao niaraka amin’dreo izy; satria Jiosy tamin’io tany io die noforàny izy, satria fanta-dreo fa Grika ny abany. 4 Ka raha nandeha nitety tanàna tagny areo die nampitandreminy ny olo tao ny didy namen’ny Apôstôly mban’ny mpitondra fengonana tagny Jerosalema. 5 Ka nemaro isan’andro ny fengonana sady nitombo finôna.

Ny antson’ilay Makedoniana

6 Laha niraràn’ny Fagnahy Masina tsy hitory ny hafatra agny Asia areo, die nandeha namakivaky an’i Frygia mban’i Galatia. 7 Ka tonga tamorogn’i Mysia, die mbola seka ho agny Bitynia areo, fa tsy neken’ny Fagnahin’i Jesosy. 8 Ka la nandalo an’i Mysia areo, die nidigna tagny Troasy. 9 Ndreka aligna ny andro die nisy sindrimandry niseho tamin’i Paoly; nisy zalahy Makedoniana nitsangagna teo ka nangataka an’azy hoe: Mitsakàha atỳ Makedonia, ka avoty ahay! 10 Eo ny eon’igny izy ndreka, avy nahitan’ny sindrimandry igny die seka nandeha ho agny Makedonia ahay, neveriny fa Zagnahary nagniraka anay hitory filazantsara amin’olo agny.

Ny nanaovana batisa an’i Lidia tagny Filipia

11 Ka laha nivarigna tandakagna* nialan’i Troasy ahay, die nandeha nahazo an’Samotrakia; ka amaran’igny vô nadeha tagny Neapolia. 12 Laha nenga teo ahay die nandeha tagny Filipy, tanàna vôlongany amin’ny fartanin’i Makedonia sady zana-taniny. Andro vitsivitsy ahay nitoboka tamin’io tanàna io. 13 Nivôka tambelagny vavahady ahay tamin’ny Sabata* ka nagnantogna tamoron’ny farihy teo, fa neverinay fa eo ny toeram-pivavahana, ka nitoboka teo ahay, sady nivoria tamin’ny zavavy maro tafangogna teo. 14 Nisy zavavy raike, i Lydia negnarany, mpivarotra lamba voloparasy, avy an-tanànan’i Tyatira, mpivavaka amin-Jagnahary, die niteno tsara izy, ka nivoahin’ny Tompo ny fony hitandrina ny hafatra nijakain’i Paoly. 15 Laha avy natao batisa izy, niaraka amin’ny vady aman-janagny, die nangataka izy nagnano hoe raha mba ho mpiasan’ny Tompo mandy aho, die nidira an-dragnoko ka mitoboka ao. Sady nifôrseny ahay.

Nampidirina an tragnomezigna i Paoly sy i Silasy nefa nafahana

16 Laha nandeha hivavaka ahay, die nifanepaka tamina viavy mpiasan’olo raika izay, nisindrem-pagnahy haminagny izy io, ka ny faminaneny no nazaôn’ny olo mampiasan’azy heregna be. 17 Nagnapoko izy nagnaraka anay amin’i Paoly sady nijaka hoe: Ito manafo lahy ito die tegna mpanompon’Agnahary antam-pon’ny loha, magnatoro anareo ny lalam-pagnavotana. 18 Natetitetika izy nagnano an’izany, farany ka vignitra i Paoly sady nitodika tamin’azy nagnano hoe: Amin’ny agnaran’i Jesosy Kristy no andidiako anao, mivoaha tagnatiny tao anao. 19 Laha hitan’olo nampiasan’azy fa ho tapaka ny kapôkany amin’ny fazaôny haregna be, die nisamboriny i Paoly izy amin’i Silasy ka nindany nitety tsena agny amin’ny lebe. 20 Laha tonga tagny amin’ny mpitondra fanjakana areo rôlahy, ka nataony hoe: Ito manafo Jiosy rôlahy ito magnakorontagna ny tananàntsena eto. 21 Mampianatra raha tsy azontsena atao sady fady antsena amin’ny maha Romanina antsena. 22 Tafatsangagna aby ny fokon’olo marobe hamango andreo; ka nampangalain’ny mpitondra fanjakana aloha ny akanjony vô nalefany nivangona tamin’ny kaboda areo. 23 Laha avy nilamolamoin-dreo marehy areo die nampidiriny tampigadràna, sady nampembeniny tsara. 24 Laha avy nahazo beko ny mpiambigna die nampidiriny amin’ny tegna agnatiny be agny, sady nibolokiny tamina boloky kakazo ny tongony. 25 Tokotokony tamin’ny sasan-kaligna, die nivavaka sady nagnano hira fideranan’Agnahary i Paoly izy amin’i Silasy, ka niteno andreo aby ny gadra tao. 26 Tampoka teo, die nisy horohoro tany mafy be izay, nagnozokozogna ny tragno hatram-potony, ka nivoha ho azy aby ny varangaragna marobe, sady nivoha hatramin’ny fototrandreo maro be. 27 Nasiaro tegna ny mpiambigna, ka taitra izy laha nahita ny varangaragna nivoha, die nitsoahiny ny antsinyxviii ka seka hamono tegna izy, satria neveriny fa nilefa tao aby ny gadra. 28 Fa nangaika marehy i Paoly hoe: Aza mamono tegna, fa ato mandy ahay maro be. 29 Die nangataka jiro izy, sady niditra malaky ka nangitakitaka nandoalika tangongitr’i Paoly izy amin’i Silasy. 30 Die nindany nivôka areo rôlahy, ka nagnontany izy hoe: Ino ataoko, azafady,xix mba ho vôvonjy aho? 31 Die hoy areo rôlahy an!: Minoa an’i Jesosy Tompo die hovonjena by anareo mianakaby. 32 Die nitorian’izy rôlahy ny hafatry ny Tompo aby na izy na izegny olo tandragnony tao. 33 Alignan’igny mandy, die nindany areo rôlahy ka nisasany ny bainy; ka tamin’ny andron’io mandy koa no nagnanôvana batisa an’azy mianakaby mban’izegny olo tao. 34 Die nindany niakatra tan-dragnony areo rôlahy, ka nirosonan-dreo hanina, sady niaraka nifady areo mianakaby, satria nino an’i Zagnahary. 35 Amaraignan’igny, die nagniraka ny mpitagna lefogna ny mpitondra fanjakana hoe: Alefaso agny manafo io. 36 Die nijaka tamin’i Paoly ny mpiambigna hoe: Nagniraka anay andefa anareo ny lebexx hoe: Mivoaha anareo ka mandihana soamantsara. 37 Die mamaly i Paoly hoe: Ahay die Romanina, nefa sady efa nilamolamoiny ahay sady nitsaraina tamansom-pokon’olo, aveo die nigadraina ndreka, die ho azony atao ny handefanay an-tsokosoko va? Tsy azony atao izany, fa avilay izy tegnany andeha aminay atỳ hamôka anay tato. 38 Die lasa ny mpitagna lefogna nitantara an’izany tagny, ka nangoaigna izy la naregny fa Romanina areo rôlahy. 39 Die avy tao tegnany izy, ka nivalo tamin-dreo, sady nitondrandreo nivôka ka nengavy tamin-dreo mba hiala tan-tanàna teo. 40 Die niala tao areo ka nivantagna tan-dragnon’i Lydia; ka laha nahita ny havana raika finôna tamin-dreo areo die nagnanagnanatra andreo ka lasa nandeha.

TOKO 17   

Tagny Tesalônika i Paoly amin’i Silasy

1 Die namakivaky an’i Amfipolia sy Apolonia areo, die tonga tagny Tesalônika, ka nisy sinagogan’i* Jiosy tao. 2 Niditra tao i Paoly ôtran’ny fataony, ka Sabata* telo no nedeny hevitra tamin’olo tao makasika ny Soratra Masina. 3 Naseony sady niporofoiny mazava fa tsy mentsy nijaly sady nitsangagna tamin’ny maty i Kristy*, ka i Jesosy, toriko amindreo io, hoy izy, no tena Kristy*. 4 Nino ny sasagny tamin-dreo, ka nikambagna tamin’i Paoly izy amin’i Silasy, ôtran’izany mandy koa ny olo Grika marobe niova fo, mban’ny viavy nanan-kaja. 5 Velom-pelognana ny Jiosy, ka nagnangogna olo ratsy fagnahy tamin’ny tsena tagny, ka laha navôangogna maro areo, die nagnakoron-tagna ny tanàna, nagnodidigna ny tragnon’i Jasona, sady te hamôka andreo rôlahy hamason’olo. 6 Laha tsy nahita andreo rôlahy areo, die i Jasona mban’ny havana raika finôna tamin’azy sasagny nitaritiny ho angy amin’ny leben’ny tanàna hagnano kokambo hoe: Tonga atỳ koa manafo mpagnakorontagn’olo io e! 7 Ka nampandrosoin’i Jasona areo, nefa areo maro be nanohitra ny raha nijakain’i Kaisara, satria nijaka areo, fa misy mpanjaka hafa koa agny, die i Jesosy. 8 Die taitra ny fokon’olo miaraka amin’i ben’ny tanàna, naregny an’izany. 9 Ka tsy navelany nandeha i Jasona mban’ny akamany raha tsy mametraka antoka.

Paoly agny Beria

Alignan’igny, die nampandihan’ny mpiara mivavaka amin-dreo ho agny Beria i Paoly izy amin’i Silasy; ka laha avy tagny areo, die niditra tamin’ny synagogan’ny* Jiosy* tao. 11 Tsara fagnahy areo tao; toy izay tagny Tesalônika; satria sady nazoto nandray areo sady nazoto nandinitra ny Soratra Masina isan’andro, na na marina izany na tsy marina. 12 Maro tamin-dreo no nino, tsy vitsy tamin’dreo ny viavy tsy mpivavaka nanan-kaja mban’ny lelahy. 13 Laha regnin’ny Jiosy tagny Tesalônika fa nitory ny hafatry Zagnahary tagny Beria i Paoly, die nandianany tagny ka niliveliveziny sady nokorontagniny ny fokon’olo. 14 Ka nampilefasin’ny akamany nandeha hatragny amoron-dranomasina i Paoly, fa i Silasy izy amin’i Timoty koja mbola nibela tao.

I Paoly tagny Antena

15 Nagnaraka an’i Paoly hatra-Antena areo izegny nagnatitra an’azy; ka nafarany i Silasy izy amin’i Timoty mba ho amin’azy agny, die lasa areo. 16 Ka la nandigny andreo tagny Antena i Paoly, die taitra ra nahita ny tanàna feno sampy. 17 Ka isan’andro izy die miady hevitra amin’ny Jiosy* mban’ny proselyta*, tamin’ny synagoga*, mban’ny olo tafangona mamonjy tsena. 18 Ndre ny olo-manampahy sasagny tamin’ny Epikoreana mban’ny Stoika, nanohitra an’azy aby. Ka ny sasagny die nijaka hoe: Ino ra tien’ny zalahy mibedibedy ity zakaina? Die namaly ny sasagny hoe: Mitory Zagnahary vaovao, izany hoe e! Jesosy mban’ny fitsanganan’ny maty izany ra toriny io. 19 Die nalain-dreo izy, ka nindaony agny Areopago, sady nagnontaneny hoe: Ka mba azonay fantariny ma izany fampenarana vaovao zakainao izany an? 20 Hafahafa, sady mbola tsy faregnin’ny tadigninay mako izy izany; ka mba tienay ho lala ny dikany. 21 (Fa ny Ateniana marobe mban’ny vahiny mitoboka teo, tsy mba mieritreritra raha hafa, afa-tsy hifosa olo.)

Lahatenin’i Paoly teo amin’ny Areopago

22 Die nitsangagna tagnivodreo teo i Paoly, sady nagnano hoe: Anareo lelahin’ny Anteniana, amin’ny raha marobe, die hitako fa tegna mivavaka amin’ny zagnaharinareo anareo. 23 Raha nandeha aho, ka nandinika ny raha hivavahanareo, die nahita alitara raike misy sorotra hoe: HO AN’IZAY ZAGNAHARY TSY FANTATRA. Ka amin’izay ivavahanareo, tsy fantatrareo izany no toriko aminareo. 24 Die Zagnahary, nagnano ny raha aby izao mban’ny raha maro be amin’azy ito, Izy no Tompon’ny tany aman-dagnitra, ka tsy mitoboka agnatina tempoly* natoan-tagnana, 25 sady tsy mba tompoin’ny tagnan’olombelogna ôtran’ny mila tambiny, fa Izy no magnome aigna mbana fofogn’aigna ny raha maro be. 26 Avy tamin’olon-draike no neven’ny firenena maro be, mba ho feno olo ny vohon-tany maro be, sady Izy mandy no mametra ny androny mban’ny faritany hitobohany, 27 mba heragnany an’ny Zagnahary , raha miaragna an’Azy izy die ahita sady tsy mba lavitra antsena Izy. 28 Avy amin’Azy no ivelomantsena, ihetsehantsena, iaignantsena; araka nizankain’ny mpihira sasagny aminareo hoe: Taranagny asena. 29 Ka satria asena die taranaka Zagnahary, die tsy tokony hampitovitovy fahatany ny fomban-Jagnahary amina volamena mbana voalfotsy, mbana vatosoa namboarin-tagnan’olo amin’ny fara-fahaizany. 30 Komay tsy nizahan-Jagnahary ny andron’ny tsy fahafantarantsena; fa amin’izao koja Izy die mandidy ny olombelogna manontolo mba hivalo amin’izay. 31 Satria Izy efa nanokagna andro raike, hitsarany an’izao tontolo izao amin’ny rariny, amin’ny alan’ny Zalahy raike izay efa Vôtendriny, mba hinôn’ny olo maro, tamin’ny nananganany an’Azy tamin’ny maty. 32 Niomehy ny sasagny laha naregny ny amin’ny fitsanganan’ny maty, fa ny sasagny koja nagnano hoe: Ahay ka mba hiteno anao mandy ka. 33 Die nenga teo i Paoly. 34 Ka nisy olo sasagny nino ka niaraka tamin’azy, anisan’izany i Dionysio Areopagita miaraka amin’ny zavavy raike angiana hoe Damary mban’ny akamany.

TOKO 18   

Ny niorenan’ny Fengonana tagny Korinto

1 Tafaran’io die niala tagny Atena i Paoly, ka nandeha agny Korinto. 2 Tao no nahitany ny Jiosy* raike atao hoe: Akoila, teraka tagny Ponto, izay vô tonga tagny Italia, niaraka tamin’i Prisila vadiny (fa efa nididin’i Klaodio henga tao Rôma aby ny Jiosy* tao), ka nagnatogna an’izy mivady i Paoly. 3 Die niara-nipetraka tamin-dreo tao izy, sady niaraniasa koa areom fa mpagnano sanjo no asany. 4 Nampianatra isaky ny Sabata* tamin’ny synagoga* izy, ka nagneky ny Jiosy* mban’ny olo jentilisa*. 5 Ka laha tafiditra tao Makedonia i Timoty izy amin’i Silasy, die vômeka nitory ny hafatra i Paoly, ka nagnambara tamin’ny Jiosy* fa i Jesosy no Kristy*. 6 Die nitoerin-dreo izy sady nompainy, die naofakofagny ny lambany sady nagnano hoe: Afa-tsigny aho, avilay ho amin’ny lohanareo eo fezay ny rànareo, manomboka niany die agny amin’olo jentilisa* laha ny andihanako. 7 Ka la nenga teo izy, die nitsofoka tandagnon’ny zalahy raike, atao hoe: I Titosy Josto ny agnarany, mivavaka amin-Jagnahary i le zalahy io, sady ny tragnony lateo nifagnakeky synagoga*. 8 I Krispo, leben’ny amin’ny synagoga* niaraka tamin’ny fianakaveny marobe die ninino an’ny Tompo aby; ka laha naregny mandy koa ny Korintiana maromaro, die nino ka natao batisa. 9 Ndraika aligna, die nijaka tamin’i Paoly tamin’ny tsindrimandry ny Tompo nagnano hoe: Aza mangoaigna, sady aza mangigna, fa mijaka mandy 10 fa Izaho miaro anao, ka tsisy olo hagnisy ratsy anao izany; fa managn’olo maro amin’ny tanàna ity Aho. 11 Die nipetraka tao taon-draike sy enim-bolagna izy ka nampianatra ny hafantry ny Zagnahary tamin-dreo tao. 12 Fa raha mbola i Galio no leben’ny governemanta tagny Akaia, die niaraka nagnano fiena ny Jiosy* hanambotra an’i Paoly, ka nitondra an’azy tamin’ny fitsaràna. 13 Ka natany hoe: I lezalahy io nagnentagn’olo hivavaka amin’izao Zagnahary izao, nefa tsy mety amin’ny lalàgna. 14 Ka raha seka hijaka igny i Paoly, die hozy i Galio nagnontsy an’ny Jiosy* io hoe: Na misy heloka, na raha ratsy namboarina, die handefitra aminareo aho; 15 fa raha ady hevitra momban’ny agnaranareo koza, die amboarinareo agny; fa tsy hitsara an?izany aho. 16 Ka niroahiny hiala teo areo. 17 Ka nisamborin’izy marobe i Sostena, leben’ny synagoga*, die nilamolamoin-dreo tagnivon’ny fitsaràna teo. Nefa tsy nahôn’i Galio aby izany.

Nipody tagny Antiokia i Paoly die nanomboka ny die fahatelo

18 Mbola nitoboka andro maromaro tao mandy i Paoly, ka laha avy nagnano veloma ny mpiaraka mivavaka amin’azy izy, die zay vô nivarigna tan-dakagna* ho agny Syria, ka i Prisila izy amin’i Akoila niaraka tamin’azy; tagny Kenkrea, no nanarahany ny boriny, satria nisy voady nataony. 19 Ka ra avy tagny Efososy areo, die nilôzany teo areo mivady, ka lasa i Paoly niditra tamin’ny synagoga’ny* Jiosy*, die niady hevitra tao areo. 20 Nangatain’olo tao arỳ hitoboka elaela ao, fa tsy avy izy. 21 Ka nagnano veloma izy sady nijaka hoe: Mbola hipody aminareo atỳ aho indraik’andro agny, ra sitrapon’ny Zagnahary. Avy nijaka an’igny izy die nivarigna an-dakagna* niala tao Efesosy. 22 Laha nitody tagny Kaisaria izy, die niakatra, ka niarahaba ny fengonana, izay vô nidigna nandeha agny Antiokia. 23 Laha avy nitoboka elaela tao izy, die lasa nandeha nitety ny tagny Galatia mban’ny Frygia ka nankahery ny mpianatra maro be tao.

Tagny Efesosy sy tagny Korinto i Apolosy

24 Tonga tagny Efesosy ny Jiosy* raika izay, i Apolosy ny agnarane, teraka tagny Aleksandria izy, zalahy mahitsy raha zakaina i zalahy io sady mahay Soratra Masina. 25 I zalahy io, koa efa nampenarina ny lalàgna Anagnahary, sady nafana fo, nasay nijaka sady nampianatra ny marina ny amin’i Jesosy, kanefa ny batisan’i Jaona mandy no fantany. 26 Tam-pasaina no nijakany tamin’ny synagoga*, ka ra naregny an’azy i Prisila izy amin’i Akoila, die nam-pandrosoiny tan-dragno, ka nampianatra an’azy ny tegna marina ny amin’ny lalàgna Anagnahary. 27 Nagniry ho agny Akaia izy, ny mpiaraka mivavaka amin’azy lateo nandrisika an’azy. Die nampitondraign-dreo taratasy izy, mba handraisan’ny mpianatra agny an’azy tsara. Ka la avy tagny izy die nampatanjaka tsara an’izegny efa nino non’ny fasoavana; 28 nazoto nandresy lahatra an’i Jiosy* tam-paibemason’olo izy sady nampihariary tamin’ny Soratra Masina fa i Jesosy no Kristy.

TOKO 19   

Paoly agny Efesosy

1 Ka raha mbola tagny Korinto i Apolosy, die nitety ny faritany ambony i Paoly ka tonga tagny Efesosy, die nahita mpianatra vitsivitsy teo izy, 2 ka hoy izy nagnontsy an-dreo: Tamin’ny anareo nino vôlongany ka efa nandray ny Fagnahy Masina va? Ka hoy areo an: Ahay aza tsy maregny aby hoe misy Fagnahy Masina izany. 3 Ka hozy i Paoly: Ka batisa nino arika natao taminareo? Die hoy areo namaly: Batisan’i Jaona. 4 Die nijaka i Paoly hoe: Batisan’ny fivalozana no namboarin’i Jaona, fa izy nijaka tamin’olo mba hino ny Olo ho avy afarany die i Jesosy. 5 Ka la vatany vô naregny an’izany areo, die avy die natao batisa tamin’ny agnaran’i Jesosy Tompo. 6 Laha avy nametrahan’i Paoly tagnana areo, die nilatsaka tamin-dreo ny Fagnahy Masina; ka nahay mijaka tamin’ny fijakana tsy lala areo sady naminagny. 7 Ka tokony ho teo amin’ny roy ambe folo lahy teo ny isan-dreo marobe.

Ny niorenan’ny Fengonana tagny Efesosy

8 Aviteon’igny i Paoly die niditra tamin’ny synagoga*, ka nijaka tam-pasaina, sady niady hevitraXXI telo volagna ka nandresy lahatra ny amin’ny fanjaka-Nagnahary. 9 Tsy nagneky ny sasagny ka nivazizitra tamin’ny hevitrany, sady nagnaratsy an’izany fampenaran’izany tamason’olo maro be teo. Die nisaraka tamin-dreo i Paoly, ka nagnavaka mpianatra sady nampianatra an-dreo isan’andro tamin’ny tragno fampenaran’i Tyrano. 10 Roy taogna gagna no nampenarany tao, ka izegny olo nitoboka tagny Asia, die naregny ny hafatry Zagnahary aby na Jiosy* na jentilisa*. 11 Tamin’ny tagnan’i Paoly no nagnamboaran-Jagnahary hazendagnana be nazendagna ny maro. 12 Ka ny mosarany mban’ny rasikininy mandy no napetagny tamin’ny marary, die nahafaka ny aretinany, sady nivôka ny fagnahy ratsy.

Areo zanakalahin’i Skeva

13 Nisy Jiosy* sasasasagny koa nivengivengy nandrôka fagnahy ratsy, sady nanognona ny Aganran’i Jesosy Tompo tambonin’ny olo managna ny fagnahy ratsy, nagnano hoe: Iaho mandidy anareo amin’ny agnaran’i Jesosy torin’i Paoly io. 14 Fito mirahalay areo zanak’i Skeva leben’ny mpisorogna Jiosy*, areo no nagnano an’izay. 15 Ka namaly i fagnahy ratsy igny nagnano hoe: Fantatro i Jesosy, die fantatro mandy koa i Paoly, ka anareo mba iza? 16 Nentorahan’ny zalahy nanagna fagnahy ratsy igny areo rôlahy ka resiny, die vaky nilefa tan-dragno tao, sady vôratra areo, no sady niboridagna. 17 Ka na Jiosy* na olo jentilisa* na ny olo izegny mitoboka tagny Efesosy die nafantatra an’izany aby; ka nangoaingna ny olo maro be sady mankalaza ny agnaran’i Jesosy Tompo aby. 18 Maro tamin-dreo no nino sady nieky, ka samy nijaka ny raha ratsy namboariny aby. 19 Ka maro koa ny ombiasa nagnary ny odinyXXII sady nagnangona ny bokiny ka nagnoro an’azy tamason’olo maro be teo; ka ra nitontalena ny tokotokom-bidiny die volafotsy dimy-aligna teo. 20 Niroborobo ôtran’izany ny fandrosôn’ny hafatry Zagnahary mban’ny heriny.

Tabataba tao Efesosy

21 Tafarn’io die nanagneritreritra tam-pony tao i Paoly, handeha hamakivaky an’i Makedonia izy amin’i Akaia alohake; zay vô mandeha agny Jerosalema, ka nijaka izy hoe: Laha tonga agny aho, die tsy menty mamangy an’i Rôma mandy koa. 22 Nirahiny andeha ho agny Makedonia ny manafo rôlahy akamany nagnampy an’azy igny, die i Timoty izy amin’i Erasto; fa izy mbola nijanonjagnona tagny Asia andro vitsivitsy. 23 Tamin’ny andron’io die nisy olagna be ny amin’izany fampenaran’izany. 24 Fa nisy zalahy raike mpanefy volafotsy, i Demetrio ny agnarany, namboariny tamina volafotsy ny sarin’ny tempolin’i DiànaXXIII, ka nahazo vola be ny mpiasany tamin’izay; 25 die nalagnonany aby ny mpanefy marobe ka nijakany hoe: Eh! Anareo ô! Mba fantatrareo fa tamin’ny alalan’ito no nazaôtsena harembe. 26 Ka sady nahita anareo, naregny fa tsy eto Efesosy eto mandy, fa efa magneragna an’i Asia manontolo, fa magnentagn’olo maro izany Paoly izany ka mamilika ny saignany hoe: Tsy zagnahary izegny raha namboarin’ny tagnan’olombelogna. 27 Ka tsy asa-tagnantsena izao mandy no ataorana anjary tsisy dikany fa na die ny tempolin’i DiànaXXIV mandy koa die ny zagnahari-vavy lebe: izany die anjary tsisy dikany aby, ka ho afa-bonihitra ny raha ivavahan’i Asia manontolo mban’ny raha ivavahan’i ny olo aby izao. 28 Romotra mafy areo laha naregny an’izany ka nagnantso mafy hoe: Lebe ny Dianan’ny Efesianina! 29 Tsetsela teo die nagneragna an’i tanàna ny tabataba; ka laha nisarika an’i Gaio izy amin’i Aristarko, manafo lahy Makedoniana nagnaradia an’i Paoly areo, die nagnano fiena niriotra ho amin’ny tragno filôlôvana. 30 Te-hiditra ho agny i Paoly ka tsy neken’ny mpianatra. 31 Ka nagniraka olo ny lebe sasagny, akamany tagny Asia, mba hagnanatra an’azy tsy hiditra amin’ny tragno filôlôvana agny. 32 Ny sasagny tamin-dreo nagnantso raha raike, ny sasagny koza raha hafa, ny fokon’olo nivory tao mandregnina sady mitabataba; ka na ny akamaroan’olo tao aza die tsy nalala ny antony raha nivorena. 33 Die nisy nangala tamin’ny fokon’olo teo i Aleksandro, ka ny Jiosy* nanosika anazy handroso. Nagnokopakopa-tagnana i Aleksandro mba hampangina ny olo, fa hijaka izy, hialatsigny amin’olo. 34 Ka laha fata-dreo fa Jiosy* izy, die nindraika nirodogna areo marobe nandritrany adiny roy nagnano hoe: Lebe ny Dianan’ny Efesianina! 35 Farany ka nampanginin’ny zalahy mpitan-tsoratra tao ny fokon’olo teo nagnano hoe: Mba tenoinareo ma! Iza no tsy mafantatra fa ny tanànan’ny Efesiana no mpagnasary an’i Diana lebe miaraka amin’ny sarivongagna latsaka avy tagny Jipitera? 36 Raha tsy azo lavina izany, ka tokony hangigna anareo, fa tsy magnanognano fahatany. 37 Nindanareo aty fatany io olo io, nefa olo tsy mba namaky ny tempolyXXV sady tsy mba nagnompa an’ny zagnaharintsena. 38 Ka ra managna raha zakaina amin’azy anareo a Demetrio, anareo mpanefy koa, die mifagnaraha tsara anareo, ao ny andro fitsaràna, ny fanjakana lateo ao koa. 39 Fa laha, raha hafa eragninareo, die azo tsaraina amina fivorena vôtendrin’ny lalàgna izany. 40 Fa raha ny tabataba niany ity, die ataohorana mandy sô die hisy agnapanga antsena, ka tsy ahazo marina amin’ny savorovoro ôtran’izao. 41 Ka laha avy nijaka an’izany izy die naravainy aby olo teo.

TOKO 20   

Nenga teo Efesosy i Paoly

1 Ka raha nizanogna ny tabataba die , navorin’i Paoly ny mpianatra ka nanariny tsara sady nataony veloma, die lasa izy nandeha agny Makedonia. 2 Ka raha nitety faritany maro izy sady nagnanagnatra olo maro mandy koa, die tonga tagny Grisia. 3 Telo volagna izy nitoboka tao, ka ra seka hivarigna tan-dakagna* ho agny Syria igny izy, die nisy Jiosy* nikendry an’azy tsara, nanapa-kevitra tampoka izy ka sala nipody hamaky egna Makedonia. 4 Ka niaraka tamin’azy hatragny Asia i Sopatera zanak’ Pyro, avy agny Beria, i Aristarko izy amin’i Sekondo avy agny Tesalônika, i Gaio avy agny Derbe, i Timoty, i Tykiko izy amin’i Trofimo avy agny Asia. 5 Neloha aby areo marobe io ka nandigny anay tagny Troasy. 6 Die nivarigna tan-dakagna* ahay nialan’ny Filipy, laha tapitra ny andro finanana ny mofo tsisy levira, ka adin’ny dimy ahay vô tonga tagny Troasy, die fito adiny ahay nitoboka tao. 7 Tamin’ny andro vôlongany tamin’ny herignandro, laha tafavory teo aby ahay hizara ny mofo, die nampianatra andreo i Paoly, ka nitohizany hatramin’ny sasakaligna izany. 8 Maro ny jiro lateo maro tamin’ny efitragno ambony nivorènay. 9 Die nisy manafo lahy raika izay, i Eotyko ny agnarany, nitoboka tam-barangarankely izy ka azontory; nefa ny tori-tenin’i Paoly mbola nadigny ela, nagnadary anefa ny torimasony, ka nidabôka avy tamin’ny efitragno fatelo ambony nivoreny izy ka maty. 10 Die nijotso i Paoly, ka niondrika taminazy sady nagnohogna an’azy nagnano hoe: Aza magnahy anareo fa mbola misy fiaignana izy itỳ. 11 Die niakatra i Paoly aveon’igny, ka namaky mofo sady nihinagna sady nivoria tao areo mandra-paraignandro, zay vô lasa izy nandeha. 12 Velogna sômantsara i lezalahy igny tamin’izay ka nindan-dreo nody tamin-kafalena.

Tao Troasy i Paoly, namelogna olo maty

13 Nandeha tongotra tam-bohitra i Paoly, fa ahay koja nandeha lakagna* ho agny Asô, fa eo heno angalanay an’azy zakainy. 14 Ka laha tafahaogna tao Asô ahay, die niraisinay izy, kà la ahay nandeha tagny Mitylena. 15 Amaraignan’igny ahay laha nenga teo nandeha lakagna*, die tonga tandrifin’i kiô; amaraignan’igny koa ahay die nitody tao Samo; ka laha nandraignan’igny vô tonga tagny Mileto ahay. 16 Fa i Paoly nanagn’eritreritra handalo agny Efesosy mba tsy hijanognan’ela agny Asia; sady izy mienikenika hamonjy ny Pentekosta agny Jerosalema.

nijaka tamin’ny zokiolo tagny Efesosy i Paoly

17 Ka laha mbola tagny mileto i Paoly, die nampagniraka ho agny Efesosy hangala an’ny zokiolon’ny fengonana tagny. 18 ka ra tafavory teo areo die nijakany hoe: Hatramin’ny andro natongavako teto Asia vôlongany, die efa fantatrareo ny fitondran-teganko tagnivonareo teo, 19 fa nanompôko an’ny Tompo tampagnetren-tegna lebe, tamin-dranomaso, ny fangalampagnahy nahazo an’aha tamin’ny fagnenjehan’ny Jiosy*, 20 ka tsy mba navoniko anareo izegny raha mahatsara anareo, fa nizaraiko taminareo sady nampenariko anareo tam-paibemason’olo isan-tragno; 21 sady efa nijakaiko tamin’ny Jiosy* mban’ny olo jentilisa* aby ny fifalozana amin-Jagnahary mban’ny finôna an’i Jesosy Kristy* Tompontsena. 22 Nefa niany aho die terem-pagnahy ho agny Jerosalema, ka tsy lalako ny raha ahazo an’aha agny. 23 Afa-tsy ny raha zakain’ny Fagnahy Masina amin’aha amin’ny isan-tanàna hoe: Hisy famatorana mbana fijalena ahazo an’aha- 24 Tsisy ataorako aby anefa izany, sady ataoko tsisy diakany ny vatategnako mba ahavitako ny diako, die ny fonompôna niraisiko tamin’i Jesosy Tompo, hampitàko ny filazantsaran’ny fasoavan’Andrianagnahary. 25 Nefa fantatro fa tsy ahita an’aha koa anareo zegny nandihanako nitoriako ny fanjakana. 26 Ka izany no hijakako aminareo niany, fa afa-tsigny amin’ny rànareo aho. 27 Satria tsy navoniko fa nizaiko taminareo aby ny sitrapon’ny Zagnahary. 28 Tandremo tsara ny teganareo mban’ny ondry nampitandremin’ny Fagnahy Masina anareo amin’ny fengonan’ny Zagnahary nividiny tamin’ny ràny. 29 Fantatro fa laha dila aho, die hisy amboadỳ maseka hiditra aminareo, ka tsy hitsitsy ny ondry. 30 Ny sasagny aminareo aza die hitsangagna hampiantra hevi-diso, ka hitarika ny mpainatra hagnaraka an’azy. 31 Ka membena tsara, sady tadidio tsara fa telo taogna gagna aho tsy mba nilegnina nagnatra anareo andro amanaligna tamin-dranomasona. 32 Amin’izao anareo die ankiniko amin-Jagnahary miaraka amin’ny raha tsara nijakainy, die Zagnahary mahay mampandroso sady mahay magnome lova ho anareo, miraka amin’izegny efa namasininy. 33 Tsy mba magniry volofotsy, mbana volamena, mbana raha fitafin’olo aho. 32 Fantatrareo fa ito tagnako ito mandy no nazaôko zegny raha nilaiko mban’izegny raha nilain’ny olo niaraka tamin’aha. 35 Efa nabaribariko taminareo tamin’ny asa marobe nataoko, fa tsy mentsy agnano ôtran’izany koa anareo mba hagnome ny tsy managna, hatserovanareo ny raha nijakain’i Jesosy Tompo igny magnano hoe: Tegna mahasambatra ny magnome toy izay ny mandray. 36 Ka laha avy nijaka an’izany izy, die nandoalika sady niaraka nivavaka areo marobe. 37 Die nigogogogo nitomagny areo marobe sady namihigna ny vozognan’i Paoly ka nagnoroka an’azy, 38 sady nalahelo lôtra areo tamin’ny nijakany ny hoe tsy ahita an’aha koa anareo, die naterindreo tan-dakagna* izy.

TOKO 21   

Ny niaven’i Paoly tagny Jerosalema sy ny raha namboariny mba hampihenga ny tsy fitiavan’ny Kristiana an’azy tagny Palestina

1 Ka laha tafasaraka tamin’azy ahay die nivarigna tan-dakagna* ho agny kosy, ka ampitson’igny die avy tagny Rodo, die niala tao ahay ka nenga tagny Patarà. 2 Laha nahita lakagna* hitsaka ho agny Foinika ahay, die nandika ka lasa nandeha. 3 Ka laha nahatsinjo an’i Kyprosy ahay die nandalo tankaviany sady nenga tagny Syria, die nizanogna tao Tyro sady tao no nitaterana ny entagna tan-dakagna*. 4 Die nandremby mpianatra ahay ka nahita, nibela teo fito andro ahay, ka voatsindrin’ny Fagnahy Masina areo hijaka amin’i Paoly mba tsy hiakatra angy Jerosalema. 5 Laha tapitra andro io die nenga ahay, ka areo mivady aby mianaka aby, nagnatitra anay hatambelagn’ny tanàna. Die nandoalika ahay nivavaka tamoron-dranomasina teo. 6 Ka laha avy nifagnano veloma ahay die nivarigna tan-dakagna* fa areo koja nipody nody. 7 Farany nandihananay tan-dakagna* die tagny Tolemaia, lefa avy tagny Tyro, nagnotsafa ny rahalahy amin-dray ahay die nitobòka tao andro raike. 8 Ny ampitson’igny die nenga teo ahay ka tonga tagny Kaisaria die niditre tan-dragnon’i Filipo evanjelista raike amin’izy fito lahy die nitoboka tamin’azy tao ahay. 9 Nanagn’anaka viavy efatre mbola tsy nalala lilahy zalahy io, ka naminagny. 10 Ka laha nitoboka tao andro maro ahay, die nisy mpaminagny raike atao hoe: Agabo nijotso hatagny Jodia. 11 Ka laha avy tamin’nay teo izy die nalainy ny fehinkibon’i Paoly, ka namihezany ny hongony aman-tagnany mban’ny aignane. Die Hoy izy: Izao no nijakain’i Fagnahy Masina, hôtran’izao no hamihejan’ny Jiosy agny Jerosalema ny lelahy Tompon’itoy fehinkibo itoy ka hotolony an-tagnan’ny olo jentilisa* ariky. 12 Ka laha regninay izany die nangataka tamin’azy ahay mban’ny olo nonigna teo mba tsy hikarane agny Jerosalema. 13 Fa i Paoly namaly ka nagnano hoe: Ka ino mampitomagny anareo ka mampangotso ka ny foko ôtran’io. Efa vognona aho, tsy ny hifihejina mandy fa ny ho faty agny Jerosalema mandy koa mba hovoninahitry ny agnaran’i Jesosy Tompo. 14 Ka laha tsy nagneky izy die niegnina ahay ka nagnano hoe: Ôka ny sitrapon’i Tompo no hatao.

Tagny Jerosalema i Paoly ary nandeha namangy an’i Jakoba

15 Ka laha afaka ny andron’io die namehe entagna ahay ka niakatre ho agny Jerosalema. 16 Die niaraka taminay koa ny mpianatra saragny avy tagny Kaisaria izay nitondra anay ho agny amin’i Menasogna, olo avy laha tamin’ny Kyprosy sady efa mpianatra andrakaly nikendrenay hitobohana. 17 Ka laha avy tagny Jerosalema ahay die nandray anay tan-karavôna ny mpiara-mivavaka. 18 Amaraignan’igny die niaraka niditra tagny amin’i Jakoba ahay amin’i Paoly ka tafangona tao aby ny zokizokiolo marobe. 19 Ka lefa niarahaba an’azy Paoly die nitantara tsiraidraike ny raha maro be nampanôvin-Jagnahary an’azy tamin’ny olo Jentilisa* tagny. 20 ka laha naharegny an’izany areo die nankalaza an’Agnahary ka hoy izy tamin’i Paoly: Hitanao izao, a lehano, fa efa agnalignalgna ny Jiosy* efa mino, sady tegna mitandrina ny lalàna izy marobe, 21 sady efa regnin’olo ny aminao, fa anao hono, mampianatra ny Jiosy* marobe agny amin’ny Jentilisa,* hahafoy an’i Mosesy ka mandrara an’azy tsy hamora ny zaza na hagnaraka ny fomba-drazagna. 22 Die akory ny atao? Tsy mentsy ho regniny ny nevanao. 23 Ka laha izany die atôvy izao raha hijakainay amin-izao hoe: Misy efa dahy atoy efa nifanta. 24 Reso areo ka diovy miaraka amin’azy ny tegnanao die aloavy ny vola ho lany amin’ny fagnitsìhany ny tegnany. Ka die ho fantatr’olo maro be fa tsisy dikany ny raha namokisana an’azy ny aminao fa anao aza mandeha magnaraka ny lalàgna koa. 25 Fa laha ny amin’olo Jentilisa* izegny efa mino, die efa nampitondra taratasy ahay mandidy hifady ny hena aterina amin’ny sampy mbana rà, mbana raha kindaina miaraka amin’ny fijangajangàna. 26 Die nalain’i Paoly i manafolahy io, ka ampitson’igny die nandio tegna niaraka tamin-dreo izy ka niditra tao ankianjan’ny tempoly* nagnambara ny fahavitan’ny andro fandiovana mandra-pagnaterana ny sorogna ho an’ny isan-dahy.

Ny nanamborana an’i Paoly sy ny teny nalahany tamin’izany

27 Ka lefa ho tapitre ny andro fahafito, die nahita an’i Paoly teo an-kianjan’ny tempoly* ny Jiosy avy tagny Asia ka nampikorontagna ny fokon’olo marobe areo sady nanambotre an’i Paoly. 28 Ka die nangaike hoe: Malaky lakatagny aby anareo lelahin’Israely, fa io zalahy io mampianatr’olo amin’ny tany aby io, hanohitre ny olo Israely mban’ny lalànany miaraka amin’ito tragno masina ito, sady mapiditra ny olo Jentilisa* io tankianjan’ny tempoly* izy ka nagnota an’ito tragno masina ito. 29 Fa efa hitany laha teo fa niaraka tamin’azy tan-tanànan’ny Trofimo Efesiana ka neveriny fa nampidirin’i Paoly tan-kianjan’ny tempoly* teo izy. 30 Ka die nisavoritaka be ny tan-tanàna tao ka nihajakajaka ny olo nivory, die i Paoly nisamborine sady nirodrotiny henga tankianjan’ny tempoly* teo, avy die nahidine ny varangarambe. 31 Ka laha seka hamono an’azy ny olo, die nisy nitondra teny tagny amin’ny ampifehe arivo tamin’ny antokona maramila, nijaka fa mitabataba aby ny fokon’olo amin’ny Jerosalema. 32 Vatany vô naharegny an’io izy die nangala maramila mbana Kapiteny ka nihajakajaka nandrorogna ho agny; ka laha nahita ny ampifehe arivo mban’ny maramila ny olo die niegnina tsy namango an’i Paoly koa. 33 Ka nagnantogna ny ampifehy arivo die nanambotra an’azy ka nibeko mba hamatorana an’azy amina rojovỳ roy , sady nagnontany hoe: Ka iza izy? Die ino raha nataony? 34 Maro tamin’olo sasagny nijaka raha nitovy, ny sasagny koja raha hafa, ka laha tsy azony lagniny ny marina ny amin’ny raha nampifandevilevy andreo, die nampitondraigny agnaty lapa i Paoly. 35 Ka lefa avy teo amin’ny ambaratongampahefana izy die nibatain’ny maramila fa maro lôtra ny olo nifanositosika teo. 36 Maro ny olo nagnaraka sady nangaingaika hoe: Vonio agny i lehano io.

Mandahatra ny fiarovan-tenany i Paoly

37 Ka laha nindaony tagnatin’ny ny lapa tagny i Paoly die hoy izy tamin’ny ampifehy arivo hoe: Mba mahazo mijaka aminao ve aho? Die hoy izy ka mahay teny Grika anao an? 38 Ka tsy anao ma! Izalahy Egiptiana nampikorontagna olo taloha elabe igny an? Sady nitarika ny efatrarivo lahy mpitondra lefom-pohike nenga tan-tèty tagny igny? 39 Ka hoy Paoly an: Jiosy* avy agny Tartôsy lata-Kilikia aho, tompon-tany amin’ny tanàna tsy kely laza, ka die ho ela velogna anao, abilay aho mba hijaka amin’ny fokonolo. 40 Ka laha nabelany i Paoly die nitsangagna teo amin’ny ambaratongam- pahefàna ka nagnopakopa-tagnana tamin’olo, ka laha nangigna tsara ny olo die nijaka mahare be tamin’ny teny hebreo izy nagnano hoe:

TOKO 22   

Ny nisamborana an’i Paoly sy ny teny nalahany tamin’izay

1 Anareo rahalahy amin-dray, mba tenoy ny teny halahatro aminareo eto niany mba hangalako tsigny ny tegnako. 2 Ka laha regnin’olo fa zaka amin’ny fijakana HebreoXXVI no nijakàny tamindreo die samby nangigna aby areo; ka hoy i Paoly: 3 Aho die lelahy Jiosy* teraka tagny Tarsosy agny Kilikia, fa teto amin’ny itoy tanàna itoy no naha lihibe an’aha tagnilan’ny tongotr’i Gamaliela, die nampenarina tsara ny lalàna avy tamin’ny razagna aho, die najoto tegnany tamin’ny fanampoana an-Jagnahary ôtranareo io aby. 4 Nagnenjika an’izegny nagneke an’io fampenarana io aho mandrapahafaty an’azy aza ndre, die namatotra andreo sady namehy tady na lilahy na viavy, ka nadefa an’azy hatao an-dragno mezigna, 5 ka ny leben’ny mpisoragna mban’ny zokiolo io aby no vavolombelogna an’izany, sady areo no nandresako taratasy ho amin’ny zalahy reo, die nenga tagny Damaskosy aho, mba ho feheziko tady ho agny Jerosalema koa izegny tratrako teo mba hampijalena.

Mitantara ny fiovam-pony i Paoly

6 Ka laha nandeha aho, narivo an’i Damaskosy, tamin’ny igny antoandroben’Agnahary igny, die nisy mazava angezabe nagnelatrelatre tampoka avy laha tan-dagnitra tagny nagnodidigna an’ahy. 7 Die lavo tamin’ny tany aho ka naharegny feo nijaka tamin’ahy nagnano hoe: E! Saoly, e! Saoly, nagnino anao magnenjika an’Aha? 8 Aho moa namaly hoe: Iza ma anao azafady?XXVII Die hoy izy tamin’aha: Aho no Jesosy avy agny Nazareta injehinao io ka izagny niaraka tamin’aha die nahita ny raha mazava igny aby fa tsy naharegny ny feon’olo nijaka tamin’aha. 10 Die hoy aho an! Tompoko! Ino hataoko? Die hoy ny Tompo hagnontsy an’aha: Mitsangagna ka mandihana agny Damaskosy, fa agny no zakaina aminao ny raha aby efa vôtendre hataonao. 11 Ka laha tsy nahajaha aho noho ny famirapiratan’ny raha mazavabe igny die nitantanan’ny zalahay niaraka tamin’aha aho ka tonga tagny Damaskosy. 12 Ny zalahy raike atao hoe: Ananiasy ampivavaka magnaraka ny Lalàgna sady tsara laza tamin’ny Jiosy marobe mitoboka tao, 13 no nagnantogna an’aha ary nitsangagna ka nagnano hoe: E! Saoly rahalahy! Mahiràta. Ka tamin’io fotoana io die nahiratra aho ka nahita an’azy. 14 Die hoy izy an: Zagnaharin’ny razantsena anik’efa nanendre anao hahafantatre ny sitrapony sady hahita an’i Raike Marina sady hiteno ny zaka hijakain’ny vavane. 15 Fa ho vavolombelogna amin’ny olo aby izao anao ny amin’ny raha efa hitanao sady regninao. 16 Ka ino raha mbola mampijanogna anao eo? Mitsangàna, angiho ny agnarane die ôka hahatao batisa anao ka hisasàna ho afaka amin’ny faotanao. 17 Ka laha avy tagny Jerosalema indraike koa aho, ka nivavake tan-kianjan’ny tempoly* teo die azon’ny tsindrimandre. 18 Ka nahita an’Azy nijaka an’aha hoe: Malakisa anao ka mivoaha agny Jerosalema malaky fa tsy hadray ny fagnambaranao an’Ahy areo. 19 Die hoy aho: Azafady Tompoko, areo anieka mahalala fa ny mpino Anao, die nampidiriko am-pigadrana sady nifihiko tamin’ny synagoga* tao aby. 20 Ka laha nalatsa-drà i Stefana maritirinao, aho die mba nitsangagna teo mandy koa ka nagneke sady nagnaramaso ny olo namono an’azy. 21 Die hoy Izy nagnontsy anaha: Mandihana fa Aho magniraka anao handeha lavitre agny amin’olo Jentilisa*.

I Paoly sy ny ampifehy arivo

22 Ka ny olo niteno an’azy nanomboka teo, die nagnaka-peo sady nagnano hoe: Fohagny agny lehano io fa tsy tokony ho velogna eto io. 23 Ka laha nagneke izy sady nangala ny lambane, ka laha avy nanipy bon-tany amin’ny rivotra izy . 24 Die nampandehanin’ny ampifehy arivo lahy agny an-dapa i Paoly, die nifìhiny sady nadikadininy mba hahafantarany ny fototry ny nagnorakorahan’olo an’azy hôtran’io. 25 Ka laha mbola nifihezin-dreo tamin’ny tady hoditra arỳ, die hoy Paoly nagnontsy an’i Kapiteny nitsangagna narivo teo, mety aminareo ny mamioka lelahay rômana mbola tsy vôheloka va? 26 Ka laha naharegny an’izany ny Kapiteny die nijaka tamin’ny ampifehe arivo lahy, nagnano hoe: Ino toy raha hataonao toy, Rômana an’io lelahy io? 27 Die nagnantogna an’azy teo ny ampifehe arivo lahy ka nijaka tamin’azy hoe: Zakay amin’aha hoe tegna Rômana tegnany anao va? Die hoy izy: Eka! 28 Namaly ny mpifehe arivo lahy hoe: Volabe no nahazoako an’io voninahitra io. Fa hoy Paoly an: Vô teraka aho die efa nanagna an’izany. 29 Ndre ny olo seka hagnontany an’azy io nenga aby nangoaina koa ny ampifehy arivo lahy, laha nahafantatra an’azy fa Rômana satria areo lateo nampisambotra an’azy.

TOKO 23   

Ny nandaharan’i Paoly teny tan-katrehan’ny Synedriona

1 Nipisagnin’i Paoly tsara ny syndriona* ka hoy izy an: Ry rahalahy, aho anie ka nanompo an’Agnahary tamin’ny fieritreretana tsara hatram’izao. 2 Ka i Ananiasy ampisorombe nandidy ny olo narivorivo an’azy teo hametrika ny vavany. 3 Ka hoy Paoly tamin’azy: Zagnahary koa mba hamely anao, a! Vongambato vôloko fotsy tỳ, fa anao die mitoboka tsara hitsara an’aha araka ny lalàgna nefa bekoinao hifihina tsy ara-dalàgna aho? 4 Ka zegny nitsangagna teo die nagnano hoe: Ka hanevateva ny mpisoromben’Agnahary anao an? 5 Die hoy Paoly: Tsy fantatro hoe ampisorombe izy ry rahalahy, fa vôsoratra hoe: Aza magnompa ny ampitondra ny firenenao.XXVIII 6 Ka laha fantatr’i Paoly fa Sadoseo* ny sasagny tamin-dreo sady Fariseo* die nangaike Syndriona* teo izy nagnano hoe: Eh! Rahalahiko ô! Aho die Fariseo*, zanaka Fariseo*, ny amin’ny fagnantegnana mban’ny fitsanganan’ny maty no itsarana an’aha. 7 Ka laha avy nijaka an’izay izy die nenkany ny Fariseo* mban’ny Sadoseo* teo ka die nijara roy tonta ny olo marobe teo igny. 8 Fa ny Sadoseo* nagnano hoe: Tsisy fitsanganana amin’ny maty izany sady tsy ho hisy mihitsy anjely na fagnahy, fa ny Fariseo* koja die magneky an’izany aby. 9 Ka die nandregnina ny antsoantso tao, die ny mpanora dalàgna saragny, agn’isan’ny antokon’ny atao hoe: Fariseo*, nitsangagna ka niharagna hevitre ka nagnano hoe: Tsy hitanay izegny helok’io zalahy io fa sô die mba fagnahy na anjely no nijaka tamin’azy. 10 Ka laha mbola nitabataba be mandy areo die natahotre ny ampifehy arivo lahy sao die hifandrorotan’olo i Paoly ka ho voa rà, die nampidigniny ny maramila mba hangala an’azy forosé henga tagnivon-dreo teo mba hitondra an’azy ho agny agnaty rova. 11 Die ny Tompo nijoro tagnilany teo tamin’ny alignan’igny ka nagnano hoe: Matokisa fa ôtran’ny nagnambaranao an’Aha tagny Jerosalema no mbola hagnambaranao an’Aha agny Rôma koa.

Ny namindràna an’i Paoly ho agny Kaisaria mba tsy hoazon’izay efa nifanta hahafaty an’azy

12 Ka laha nandraigna die nagnano fiena aby ny Jiosy* ka nagnozogna sady nifantafanta tsy hihigna na hinon-drano areo mandra-pamgnoany an’i Paoly. 13 Efapolo eo ho eo areo niaraka nagnano fiena. 14 Die nenga tragny amin’ny ampisorombe mban’ny loholo areo ka nagnano hoe: Efa nihozongozogna areo sady nifanta fa tsy hagnandran-draha mihintsy, ninonino, mandram-pamonôndreo an’i Paoly. 15 Ka niany mandy anareo die mijakà amin’ny ampifehe arivo lahy miaraka amin’ny Synedriona* mba hampandeha an’azy aminareo atoy, mody sary hoe tahamotopototre amin’azy marina ny amin’ny raha nataone; fa ahay io die efa vognona ny hamono an’azy dieny tsy mbola marivo agny izy. 16 Ka laha vô regnin’i zanak’anakavin’i Paoly ny fagnotrehan-dreo die lasa negna agnaty rova izy ka nijaka tamin’i Paoly. 17 Nangaika kapiteny raika hoamin’azy teo i Paoly die nagnano hoe: Andôsy menga agny amin’ny ampifehe arivo lahy ito lezalahy ito fa misy raha zakainy amin’azy. 18 Die nindaon’ny kapiteny izy ho agny amin’ny ampifehy arivo lahy die hoy izy nagnontsy an’azy: I Paoly vôfatotra no nangaika an’aha hagnantognan’azy ka nangataka tamin’aha mba hitondra an’ny lezalahy ity ho aminareo atoy, fa managna ra ka zakaina aminao, hoe izy. 19 Die nindan’ny ampifehy arivo lahy izy, ka lefa nitokagna tamin’ny mangingigna areo, die nagnontanèny hoe: Ka ino raha hijakainao amin’aha zany? 20 Die hoy ilezalahe igny: Ny Jiosy* any k’efa nifagneky hangataka aminao atoy, hampijotso an’i Paoly ho amin’ny Synedriona* ampitso, mody sary hagnadigna an’azy laha tegna marina tokôtre. 21 Ka aza magneke an’izany anao, fa misy hatramin’ny efapolo lahy areo nagnano fiena hanambotra Paoly, efa nagnozontegna sady nifanta areo fa tsy hinan-kanina na hinon-drano laha tsy maty arỳ, efa vognona areo fa mandigny ny fanapakakevitrao fotsiny. 22 Ka ny ampifehe arivo lahy nampandeha an’i lezalahy io sady nampitandrina an’azy hoe: Aza mijaka amin’olo fa hoe efa nijakainao tamin’aha taty izany.

Nifindra tany Kaïsaria i Paoly

23 Die nagnantso Kapiteny roalahy izy hagnantagnan’azy teo, ka nagnano hoe: Magnomagna maramila roan-jato lahy aman-tsôvaly fito-polo mbana mpiloka lefogna roan-jato ho agny Kaïsaria niany aligna amin’ny ora fahatelo. 24 Die itondray biby koa hidibàn’i Paoly, hitondra an’azy sôman-tsara ho agny amin’i Felix ampanapaka. 25 Die nanoratra taratasy izy, ka ôtran’izao ny raha nijakainy tao: 26 Klaodio Lysia miarahaba an’i Felix ampanapake tsara tsy magnahy. 27 Itoy lelahy itoy, die nisamborin’ny Jiosy*, k’efa saky novonin-dreo, fa fantako fa Rômana izy, die nitondrako maramila hagnavotra an’azy. 28 Ka satria te-halala tsara ny antony nempanga na an’azy aho die nindaoka teo amin’ny Synedriona* izy. 29 Die hitako, fa adi-hevitre momban’ny lalàgnan-dreo no nempangane an’azy fa tsisy fepangana tokony hahafaty an’azy na hamihezana tady an’azy mihintsy. 30 Ka laha nisy nijaka tamin’aha, fa nisy mihevitre hanambotre an’ny zalahy io die nagniraka malaky aho hitondra an’azy aty aminao mban’ny ampempanga koa nalefako hilaza aty aminao ny antony empangana an’azy. 31 Die nalain’ny maramila i Paoly araka nandidiana an’azy, die nindaon-dreo tamin’ny alignan’igny mandy ho agny Antipatria. 32 Amaraignan’igny die navelane handeha hiaraka tamin’ny ampitondra sôvaly izy ka areo koja nipody an-dapa. 33 Lafa tonga ta-Kaisaria areo die nanolotra ny taratany tamin’ny ampanapaka ny taratasy sady nanolotra an’i Paoly fampelatagnany. 34 Laha nivakiny le taratasy die nagnontaneny izay fari-panapahana nevien-dreo. Ka laha fantany fa kay avy laha ta-kilikila izy. 35 Die hoy izy: Hitenôka tsara ny raha zakainao , lefa avy atoy ny ampempanga anao. Die nampembeniny tan-dapan’i Herôda tao izy.

TOKO 24   

Ny nitsarana an’i Paoly tan-katrehan’i Feliksa sy ny namatôrana an’azy roy taogna tao Kaisaria

1 Laha afaka dimy andro die nandrorogna i Ananiasy ampisorom-be niaraka tamin’ny loholo sasagny die i Tertylo, die teo koa ny vavanjaka raike, io no nagnatoro tamin’ny ampanapake ny nempangany an’i Paoly. 2 Ka lefa nangihana izy die nagnampanga an’azy i Tertylo, nanagno hoe: 3 Anao no hazahoanay fiandagnanbe, sady tamin’ny fitondranao no nampilamina an’ity firenena ity, isanandro isanandro die ekenay fezay zany a Felix tsara fagnahy ô! 4 Ho lava velomanao anie anao! Mba tsy hanahiragnako anao ela lôtra die maharetra bitaka eheky anao alohake. 5 Fa io zalahy io die hitanay fa tegna ratsy loha sady magnakorotagna an’ny Jiosy* marobe amin’ny tany aby io, sady izy no tegna lohany amin’ny antoko atao hoe: Nazareanina. 6 Izy io koa die saky handoto tempoly* ka die nisamborinay izy ka tianay ho tsaraina araka ny lalagnànay. 7 Fa avy i Lysia ampifehy arivo lahy nagnao an-keriny ka nangala agnazy tan-tagnanay die nelafany aminao atoy ny ampempanga an’azy. 8 Ka laha magnadigna an’azy anao die hofantatrao aby marina ny raha empanganay an’azy. 9 Ny Jiosy* mandy koa die magneke sady mijaka izany.

Mandahatra ny fiarovan-tenany agnatrehan’i Feliksa governora i Paoly

10 Laha nitondroin’ny ampanapaka hijaka i Paoly die namaly ka nagnano hoe: Fantatro anao, die efa ampitsara ela tamin’ny itoy firenena itoy, ka die faly aho handaha fa teny hangala tsigny ny tegnako. 11 Fa azonao fantarina mora fa tsy mba nihôtra ny roy ambin’ny folo andro ‘zay no nekarako hivavaka tagny Jerosalema. 12 Sady mbola tsisy nahita an’aha niadihevitra tamin’ny olo tan-kianjan’ny tempoly* na nagnakorotagn’olo tamin’ny synagoga*, na tan-tanana. 13 Sady tsy sainy ny hagnamarina agnivonao eto ny raha empangany an’aha io. 14 Fa ny ikeko aminao eto die izao, araka ny fampenarana zakainy hoe mitokogna no anompôko an’Agnaharay ny razako, sady hinôko aby ny raha vôsoratry ny lalàgna mban’ny ampaminagne, 15 sady magnantena an’Agnahary aho izay antignain’dreo koa fa hisy fitsanganan’ny marina mban’ny disoXXIX. 16 Ka magnalignandro koa aho die miezaka mba hanagna fieritreretana tsy hagnameloka an’ahy, na amin’Agnahary izany na amin’olombelogna. 17 Ka laha afaka taogna maro aho die nitondra fitia tsy mba hetra ho an’ny fireneko. 18 Tamin’ny izay die hitany vôdio tankianjan’tempoly* teo aho, nefa tsy tamin’ny olo-maro, na tamin’ny tabataba; fa tamin’ny Jiosy* sasagny avy tagny Asia. 19 Tokony hiboaka tagnivonao eto areo io mba hempanga an’ahy, laha ohatra ka hisy raha hempangany an’aha. 20 Na ôka ito olo ito mandy no hijaka ny raha ratsy hitany, laha nitsangagna tagnivon’ny Synedriona aho. 21 Afatsy raha raike itoy mandy; die raha nijakaiko tagnivony teo hoe: Ny amin’ny fitsanganan’ny maty no antony itsàrana an’ahy, eto agnivonareo eto niany.

I Paoly babo tagny Sezarea

22 Ka satria fantatr’i Felix tsara ny amin’ny izany lalàm-papianarana izany, die nampengainy aby areo alohake, ka nagnano hoe: Lefa tafajotso atoy a Lysia ny ampifehe arivo lahy die hofotopotorako tsara ny fandehan-darahanareo. 23 F’izy nandidy ny Kapiteny hiambigna an’i Paoly sady hagnabela an’azy hitsangantsangagna ka tsy handrara olo na die raike amin’ny akamany izay hoavy hanompo an’azy. 24 Ka laha afaka andro vitsivitsy die avy i Felix izy amin’i Drosila vadiny, viavy Jiosy*, die nampangala an’i Paoly izy ka niteno an’azy nitory ny finoana an’i Kristy Jesosy. 25 Ka laha nitory ny amin’ny fahamarinana amam-pionônana mban’ny fitsarana hoavy izy, die nangoaigna mafy i Felix ka namaly nagnano hoe: mandehana menga alohake fa laha malalaka die mampangala anao mandy koa aho. 26 Sady nagnategna koa izy fa homen’i Paoly vola ka die nampangala an’azy matetika ka nikoragna tamin’azy. 27 Laha afaka roa taogna die i Porsio Festosy no nandimby an’i Felix. Satria i Felix tehahazo sitraka tamin’ny Jiosy* ka die nabelany nifatotra teo mandy i Paoly.

TOKO 25   

Nataon’ny Jiosy ny hahafaty an’i Paoly sady nangatahany hotsarain’i Kaisara

1 Ka i Festosy, lefa tonga teo amin’ny fitondrany die nenga tagny Kaisaria hiakatra agny Jerosalema laha afaka telo andro. 2 Ka ny lehiben’ny mpisorogna mban’ny olo-manan-kaja tamin’ny Jiosy* die nagnambara tamin’azy, zegny niampangàny an’i Paoly sady nengavy tamin’azy. 3 Ka nagataka an’azy mba homelohina sady hampangalan’azy agny Jerosalema; fa nagniry hiambigna egny amoron-dalana areo hamonoany an’azy. 4 Ka namaly Festosy fa i Paoly die ambenana agny Kaisaria, sady izy laha teo negna tagny nalaky. 5 K’izegny manam-pahefana amin’nareo eo, hoy izy, no ôka hiaraka mandrorôna amin’ahy agny ka hepanga an’io zalahy io laha manan-kadisovana izy. 6 Ka laha nitoboka tamin’azy teo tsy nihoatra ny valo andro na folo andro izy die nandrorogna tagny Kaisaria ka ampitson’igny, die nitoboka tamin’ny fitsaràna izy, ka nampangalaina Paoly. 7 Laha tonga izy, die nitsangagna nagnodidigna an’azy teo ny Jiosy* avy lahatà Jerosalema, ka marobe sady angeza tsy hainy hamarinina aby ny fagnendrikindrehany an’azy. 8 F’i Paoly nandamina ny fijakany hialatsigny ny tegnany nagnano hoe: Tsy nagnano ratsy aho, na tamin’ny lalàn’ny Jiosy*, na tamin’ny tempoly*, na tamin’ny Kaisara. 9 Nefa i Festosy die tahahazo rariny amin’ny Jiosy* die namaly an’i Paoly hoe: Ka tienao hakarina a Jerosalema agny izy ity hotsaraina, die eo ankatrehako eo anao amin’ny izany raha izany an? 10 De hoy Paoly: Eto amin’ny fitsaranan’i Kaisara izay tokony hitsarana an’aha, no itsanganako, tsy mba nagnisy ratsy ny Jiosy* aho, sady ndre anao io die mahafantatra an’izany tsara. 11Ka laha mpagnano ratsy aho, na nagnano raha tokony hahafaty an’ahy. Die tsy manitsy ho faty aho, fa laha tsy marina ny raha agnendrikendrenareo an’ahy die tsisy olo afaka hanolotra an’ahy amin’ny sitrapony. Handahatra an-katrehan’i Kaisara aho. 12 Laha avy nivoria tamin’ny mpanolo-tsaigna Festosy die namaly hoe: Efa nifidy ny handahatra eo ankatrehan’i Kaisara anao ka die ho any amin’ny Kaisara mandy anao zany.

Ny nanharan’i Paoly zaka tan-katrehan’i Agripa sy Berenika

13 Ka laha afaka andro kelikely die tonga tagny Kaisaria Agripa ampanjaka, izy amin’ny Berenika hifagnotsafa an’i Festosy. 14 Laha avy nitoboka tao andro maromaro izy. Die nijakan’i Festosy tamin’ny ampanjaka ny amin’i Paoly ka hoy izy: Misy mpifatotra raike ato nabelan’i Feliksa. 15 Tamin’ny aho ta-Jerosalema die ny ampisorogna mban’ny lohandohany amin’ny Jiosy* no nagnendrikendrika an’azy ka nangatahin-dreo ny hagnamelohana an’azy. 16 Fa nivaleko izy hoe: Tsy fomban’i Rômanina ny manolotra olo, raha tsy mbola nifagnatrika ny ampangaina mban’ny mpempanga ka mahazo madahatra izy hangala tsiny ny tegnany amin’ny raha niempangan-dreo an’azy. 17 Ka laha avy taty izy, die tsy mba nilegnindegnina aho, fa amaraignan’igny die nitoboka tamin’ny fitsarana ka nampangalaiko i lezalahy io. 18 Laha nitsangagna ny mpempanga an’azy die tsy niempanga an’azy araka ny raha namboariny izy anefa, 19 fa nanangagna adihevitra tamin’azy ny amin’ny fivavahany, mban’i Jesosy tokana izay efa mate, nefa nijakain’i Paoly fa mbola velogna. 20 Satria sahiragna lôtra ny heritreritro ny amin’ny hitsarana an’izany raha izany die nagnontany aho na mety amin’ny lezalahay io ny hitsarana an’azy agny Jerosalema na tsy mety. 21 Lefa nangataka hambenana hotsarain’ny ampanjaka Paoly die nampiambeniko mandrapandefasako an’azy agny amin’ny Kaisara. 22 Die hoy Agripa tamin’i Festosy: Iaho koa mba te-haregny ny amin’ny lezalahay izany! Die hoy izy: Ampitso mandy die haharegny an’azy anao. 23 Ny ampitson’igny die tonga i Agripa izy amin’i Berenika niseho tamin’ny voninahiny mban’ny fanjakany ka niditra tandragno fihôgnana niaraka tamin’ny mpifehy arivo lahy niaraka tamin’ny lehibe tao an-tanàna, die nindaony i Paoly araka ny didin’i Festosy. 24 Die hoy i Festosy: E! Agripa ampanjaka, anareo aby amintsena eto. Hitanareo lezalahay io, nampitoreo ny Jiosy* marobe tamin’aha teto io na tagny Jerosalema koa aza, ka nagnanôvan-dreo kok’ambo hoe: Tsy tokony habela velogna eto koa i lelahy io. 25 Nefa hitako fa tsisy raha nataony tokony namonoana an’azy, tiny! Izy moa nagnano fandaharana tamin’ny ampanjaka die nagneky ny hampagnatitra an’azy aho. 26 Ny amin’ny io lezalahay io, die tsy hitako marina ny raha hosoratako ho aminao tompoko, ka die nandaoko eto agnatrehanareo eto izy, indrindrake fa eto agnatrehanao a! Agripa ampanjaka, mba hagnontaniana izy ka hohitako ny raha hisoratako. 27 Fa everiko fa tsy mety ny mampagnatitre ampifatotra nefa tsy mijaka ny raha antony nempangana anazy.

TOKO 26   

Ny hevitry Jiosy mba hahafateseny an’i Paoly sy nangatahan’i Paoly hotsarain’i Kaisara

1 Die hoy i Agripa tamin’i Paoly: Mahazo mijaka anao. Die naninjitra ny tagnany i Paoly ka nandahateny hangala ny tsigny ny tegnany hoe:

Lahatenin’i Paoly teo amin’i Agripa mpanjaka

2 ny amin’ny raha agnedrikendrehan’ny Jiosy* an’aha ry Agripa ampanjaka die everiko fa sambatra aho, satria mahazo mandaha teny hangalako tsigny ny tegnako eto agnatrehanao niany. 3 F’indrindra fa efa fantatrao tsara ny fatao amin’ny fiadian-kevitra marobe amin’ny Jiosy*, ka hoelavelogna anie anao, ka mba negavy anao aho mba hadigny hiteno an’ahy azafady. 4 Fantatry ny Jiosy* aby dahôlo ny fitondran-tegnako hatrmin’ny aho mbola bitake teto amin’ny fireneko ta Jerosalema hatam-bôlohany. 5 Eka, fantany hatam-bôlohany aho laha hilaza areo fa efa Fariseo* aho araka ny antoko, sady tena mpitagna die mpitagna ny lalàgna amin’ny fivavahantsena. 6 Ka niany die ny fagnantenana ny teny fampagnatenan’Agnahary tamin’ny razantsena no antony itsanganako hitsaraina eto izao. 7 Die ny fagnantenana adiasan’ny firenentsena roimbifolo, ze majoto magnano fanompoam-pivavahana ho an’Agnahary andro amanaligna. K’io fagnantenana io no agnedrinkindrehan’ny Jiosy* an’aha io ry ampanjaka ô! 8 Nagnino laha ataonareo raha tsy azo inôna laha Zagnahary manangagna ny mate? 9 Aho die efa nandinika tam-poko tato tegnany, fa tsy mety laha tsy magnano raha marobe hanohitra ny agnaran’i Jesosy avy agny Nazareta, 10 sady natako tagny Jerosalema aby izany, ka maro ny olo masina nataoko tandragno mezigna, laha nahazo fahefana tamin’ny lohan dohan’ny mpisorogna aho, ka laha hovonina areo die mba nandatsa-bato nagneke mandy koa aho. 11 Sady nampijaly an-dreo matetike tamin’ny synagoga* marobe koa, ka nandrisika an-dreo hamatra ratsy, ka satria very saigna tamin’ny havignirako tamin’azy aho die nagnenjika an’azy hatragny am-belagn’ny tanàna koa.

Mitantara ny niovany fo sy ny asa vitany i Paoly

12 Ka tamin’ny io laha nenga tàgny Damaskosy aho nitondra ny fahefana mban’ny feo efa azoko tamin’ny lehiben’ny mpisorogna. 13 Ka laha tamin’ny roy ambin’ny folo antoandro iny ny andro, a! Ampanjaka ô! Die hitako tan-dalagna teo fa, nisy hajavagna avy tan-dagnitra namirapiratra nagnodidigna an’aha mban’ny akamako niaraka tamin’ahy, ambonimbonin’ny famirapiratan’ny masoandro. 14 Ka laha lavo tamin’ny tany aby ahay marobe die naharegny feo nijaka tamin’ahy aho amin’ny fijakana Hebreo hoe: Eh! Saoly, Eh! Saoly, nagnino anao laha magnenjika an’Aha? Raha sarotra aminao ny hitsipaka ny fanindrognana. 15 Die hoy aho an: Kaiza ma Anao azafadyXXX? Die hoy ny Tompo: Izaho no Jesosy henjehinao io. 16 Mitsangàna anao die mijoroa amin’ny hongotrao f’izany no niboahako taminao: Die ny hanendry anao ho mpiasako sady ho vavolombelogna amin’ny ze efa nahitanao an’Aha, mban’izegny raha niboahako aminao hiboahako 17 hamonjy anao amin’olo Israely mban’ny olo jentilisa* izay hanirahako anao. 18 Hampahiratra ny masony hengany amin’ny mezigna ho agny amin’ny mazava, mban’ny fahefan’i Satana ho amin’Agnahary mba hajahoany famelam-keloka mban’ny lova eo amin’ny izegny namasinina tamin’ny finôna an’Aha. 19 K’amin’ny izany, a! Agripa ampanjaka ô! Die tsy nandà ny fahitàna avy tan-dagnitra aho. 20 Fa ny nizakaiko vôlongany ny tagny Damaskosy, Jerosalema mban’ny tagny amin’ny tany Jodia manotolo mbany tagny amin’ny jentilisa* mba hivalo sady hipody amin’ny Zagnahary areo ka hagnano asa magneva ny fivalozany. 21 Ka izany no nisamboran’ny Jiosy* an’ahy tankianjan’ny Tempoly* sady nifofognany hahafaty an’ahy. 22 Ka noho ny fitahian-Jagnahary an’ahy die mbola ito aho mandraky niany toy, Ka mitory na amin’ny kely na amin’ny lehibe sady tsy mijaka na ino na ino aho afatsy ze nijakain’ny ampaminagny mban’ny Mosesy fa ho avy. 23 Fa i Kristy tsy mentsy mijaly sady izy no vôlongany hitsangana amin’ny maty, ka hitory fahazavana amin’ny olon’Israely mban’ny jentilisa*.

Mitaona an’i Agripa hino i Paoly

24 Ka laha avy nagnazava an’izany izy, die hoy i Festosy tamin’ny feo agnambo hoe: E! Paoly! Efa ho môla anao io; ny fianaranaotafahoatrabe loatra io no maka môla anao io. 25 Ka hoy Paoly an: Tsy môla aho a! Festosy havako tsara a! Fa magnazava ny hafatry ny fahamarinana mban’ny fionognana. 26 Fa fantatry ny ampanjaka izany raha izany; ka amin-kasahiana no hijakako eto agnatrehany, fa mino aho fa tsisy mivony amin’azy aby izany satria tsy natao tamin’ny takona. 27 Ry Agripa ampanjaka ô! Mino ny am-paminagny ma anao an? Fantatro fa mino anao. 28 Fa hoy i Agripa tamin’i Paoly: Ha! Ka moramorainao hôtra an’izany ny hampagnekenao an’aha ho Kristiana an!? 29 Ka hoy Paoly: Mangataka amin-Jagnahary aho fa na amin’ny mora na amin’ny sarotra, tsy anao raika mandy fa izegny maharengy an’aha niany n’iza n’iza de hitovy amin’aha afatsy amin’ito gadra ito mandy. 30 De nitsangagna ny ampanjaka, ny Governora niaraka tamin’i Besenika hatramin’izegny niara-nitoboka tamin’azy teo. 31 Laha lefa nenga teo izy die nivoria hoe: Tsy nagnano raha hahafaty na hamatorana an’azy io lzalahy io. 32 Die hoy Agripa tamin’i Festosy: Azo alefa mandy i lezalahy io, fany, efa nifidy ny hagnazava eo agnakatrehan’i Kaisara izy.

TOKO 27   

Ny nitondrana an’i Paoly tagny Rôma mban’ny rahazo an’azy tegny an-dalagna

1 Laha nididina hivarigna andakagna* henga ho agny Italia ahay, die i Paoly mban’ny ampifatotra saragne natolotra tamin’ny Kapiteny atao hoe: Jolio, tamin’ny ekipan’i Aogosto. 2 Ka laha niditra tan-dakagna* avy agny Andramitena izay efa handeha hitety: Ny sisin-tanin’i Asia ahay die lasa nandeha ka niaraka taminay i Aristarko Makedonianina avy agny Tesalônika. 3 Amaraignan’igny ahay die tonga tagny Sidona. Tsara ny nataon’i Jolio an’i Paoly fa navelany ho agny amin’ny akamany hikarakara an’azy izy. 4 Ka laha nenga teo ahay die nagnaraka ny moron’i Kyprosy nahazo ny ilany takondrivotra satria nanohitra ny rivotre. 5 Namaky ny ranomasina tagny Kilikia sy Pamfylia ahay die avy tao Myra agny Lykia. 6 Die tao no nahitan’ny Kapiteny sambon’i Alexandria anay ho agny Italia, die nafindrany tamin’azy tao ahay. 7 Die nandeha niadagna andro maro ahay ka saky tsy avy tandrifin’i Kinido, satria nisakanana-drivotra ahay, die nanara-morogna an’i Kreta tamin’ny ilany takon-drivotra tandrifin’i Salmona. 8 Ka laha sahiragna ahay nagnara-morogna die tonga tamin’ny tany atao hoe: Tsarafitodiantsambo, marivo an’io ny tanàna Lasea io. 9 Nany ny andro maro anay sady sarotra be ny fandihanan-dakagna* tamin’ny izay satria efa vita ny andro fifadiana die nagnanatra an’azy Paoly. 10 Ka nagnano tamin’ny azy hoe: Ry tompokolahy, hitako amin’ny fandihanantsena izao la hisy raha hivetraka eto sady fatiantokabe, tsy amin’ny entagna mandy na amin’ny lakagna* fa ndre ny aigantsena koa aza. 11 Kanefa ny Kapiteny nino ny ampitondra mban’ny tompon-dakagna*, fa tsy ny raha nijakain’i Paoly. 12 Ka satria tsy tsara ny tsiragnan-dakagna* teo laha itodena amin’ny ririnina, die naleon’ny maro fa tsara laha menga teo sahy mba ho avy agny Foinika mandy mba handanena ny ririnina agny, ny tsiragnan-dakagna* agny Kreta izany ka magnatrika megnantsimo andrefana sady megnavaratra andrefana.

Ny tafio-drivotra

13 Ka laha nandrivotra malefake ny rivotra lahatatsimo, ka nieritreritra izy fa efa nahazo ny raha niriny, die nenga teo izy ka nandalo narivorivo an’i Kreta. 14 Die tsy ela lafa afaka izany die nandrivotra be nijotso teo ny tafio-drivotra nahery atao hoe: Eorakylona. 15 Ka laha nofaohin’ny rivotra ny lakagna* ka tsy hahatohitra an’azy ahay die nabelanay haveziveziny izy. 16 Ka laha nandeha nalaky nagnaramorogna ny nosy Klaodà nahazo ny ilany takon-drivotra ahay, die saky tsy nahazo ny salopy. 17 Ka laefa nakarina izany die nifalorany magnodidigna ny lakagna*, ka nangoaina izy sahy die hifeka agny amin’lay fasika mandrevo die najotso ny lay ka nevelany handeha ho azy ny lakagna*. 18 Ka laha novelezin’ny rivotra mafy koa ahay die nagnariane ny entagna ampitson’igny. 19 Ka ampitson’io koa no nagnaren’ny tagnane mandy ny fanaka tan-dakagna*. 20 Fa laha tsy nahita masoandro na kintana tagnatin’ny andro maro ahay, die tsy nagnantena ho vôvonjy koa. 21 Laha tsy nihinan-kamina elaela areo, die nitsangagna i Paoly tagnivony teo ka nagnano hoe: Ry tompokolahy, dieba tsara, laha niteno an’aha anareo ka tsy nenga tany Kreta mba tsy nahitana an’izao fahasimbana mbana fatiantoka izao. 22 Ka amin’zao die magnanatra anareo aho, mba hatoky fa tsy hisy ho faty anareo, fa ny lakagna* mandy no ho very. 23 Fa nisy anjelin’Agnahary izay Tompoko sady tompoiko nitsangana tagnilako teo lahale. 24 Ka nagnano hoe: Aza mangoaigna anao a Paoly fa tsy mentsy hitsangana eo anatrehan’i Kaisara anao. Efa nomen’Agnahary anao ny olo marobe miaraka aminao. 25 Koa matokia anareo tompokolahy fa mino an’Agnahary aho fa ho tonga araka ny vôlajany tamin’aha izany. 26 Nefa tsy mentsy ho fefika mandy amin’ny nosy raika io antsena.

Ny lakagna* vaky

27 Tamin’ny aligna faha efatra-ambifolo, laha navezivezy tany Andria ahay tamin’ny sasakaligna na die nihevitra ny matilao fa efa marivorivo ny tany izy. 28 Die nandrefy ny halalin’ny rano izy ka hitany fa roapolo refy, ka laha nandrosondroso negnany ahay die mbola nandrefy koa ka hitany fa dimy-ambifolo refy. 29 Die nangoaigna ahay sahy die hidofotra amin’ny harambato ka die nadatsaka vatofatsika efatra tambodilakagna* ary die nagniry ahay mba haraigna malaky ny andro. 30 Fa tahilefa henga tagnaty lakagna* ny matilo ka efa nanjotso ny salopy amin’ny ranomasina izy, mody hoe handatsaka vatofantsika tan-dohan’ny lakagna*. 31 Die hoy Paoly: Tamin’ny Kapiteny mbany miaramila raha tsy mitoboka an-dakagna* eto manafolahy areo, die tsy azo vonjena anareo. 32 Die notapahin’ny miaramila tadyny mahazaka marobe tamin’ny salopy ka navelany ho latsaka. 33 Ka laha mbola tsy nazava ny andro, die niengavy tamin’ny olo aby i Paoly mba hihinan-kanina ka nagnano hoe: Niany ny andro faha efatra-ambinfolo nandiasanareo, sady nahadignasanareo mosary. 34 Ka magnanatra anareo aho mba hihinan-kanina f’izany koa die agn’isan’ny famonjena anareo, sady tsy hisy very aby amin’nareo na die singam-bolo raika aza. 35 Ka laha avy nijaka an’izay izy sady nandray mofo die nisaotra an’Agnahary teo tagnatrehan’ny olo aby teo, ka lahefa novakiny dia nihinagna izy. 36 Die nahazo toky areo marobe ka nihinagna koa. 37 Enina ambin-fitopolo sy roy-jato ahay marobe tagnaty lakagna* tao. 38 Laha voky areo die nagnareny agnaty ranomasina ny hanina mba hagnamevagna ny lakagna*. 39 Ka lefa nazava ny andro die tsy nahita tany maigna areo fa nahita helidrano raike tsara morogna, ka teo no neritreretany nampizanognana ny lakagna* laha mety amin’ny azy. 40 Ka lefa nalainy aby ny vatofantsika die nabelany an-dranomasina tany ary nivahàny ny fehin’ny familian-lakagna* die novilariny ny lambalay magnatrike mba ho azon’ny rivotra ka die nagnantona ny tany. 41 Laha avy tamin’ny ze nisy fihôgnan-dranomasina izy die nabelany hidofotra amin’ny tany ny lakagna* ka ny loha-lakagna* nijanogna amin’ny tany ka niegnina tsy nihetsika fa ny vodin-dakagna* koja die vaky natofan’ny onja mahery. 42 Die nagnano tetika ny miaramila hamono ny ampifatotre sahy die misy mandogna areo ka ho afaka. 43 Fa ny Kapiteny te-hamonjy an’i Paoly ka nisakagna an-dreo tsy hagnano an’izay fa ze mahay mandagno no nalefany hijotso ho egny amin’ny tany. 44 Ka ny sisa die samy hagnano ze hahafaka an’azy, na amin’ny hazo fisaka na amin’ny raha tagnaty lakagna*. Die tafita sôman-tsara teny an-tanety aby areo marobe.

TOKO 28   

I Paoly tagny Malta

1 Laha vôvonjy ahay, vao fantatray fa Malta no agnaran’io nosy io. 2 Sady tsy kely ny soa nataon’ny tompon-tany taminay; ka nandrehitra afo izy die niresiny tsara aby ahay, sady noragna koa ny andro tao io ka nangatsieke. 3 Die nambely hitaigna entagny raike i Paoly ka narosony tamin’ny afo: Die nisy menaragnaXXXI nivoaka tamin’ny afo ka nagnekitra ny tagnany. 4 Ka laha hitan’ny tompony fa rekitra tamin’ny tagnany io biby io die nijaka areo hoe: Mpamono olo tokôtre zalahy io ka ndre vôvonjy tamin’ny ranomasina izy die tsy abelan’ny todin’aigna ho velogna. 5 Fa nakifigne ho amin’ny afo biby igny ka tsisy nagnino izy ndre de kely. 6 Ka nefa ny olo marobe nagnampo an’azy efa ela fa hivonto na henkarapoka ho faty tampoka izy nefa tsisy raha nanjo an’azy aby na ino na ino, die nova hevitra areo ka nagnano hoe: Zagnahary io. 7 Ka narivo an’io teo die nisy sahan’i Poplio. izay mpanapaka ny nosy io nandray anay hivahiny telo andro tao. 8 Die narikoditra sady nivalan-dra iaban’i Poplio, die niditra tamin’azy tao i Paoly nivavaka sady nametra-tagnana tamin’azy die nahafaka izy. 9 Avy teo die avy ny olo marary sasany tao amin’io nosy io ka die nafaka aby. 10 Robo rahabe no namen’olo anay tao ka laha nenga ahay die namen-dreo vatsy tsara.

Ho avy agny Rôma i Paoly

11 Lefa afaka telo vologna die nivarigna ahay ka nideba ny sambon’i Alexandria izay nandany ny ririna tamin’ny nosy io sady nisy ny sarin’ny zaza KambagnaXXXII. 12 Ka lefa nitody ta Syra ahay die niegnina andro maromaro tao. 13 Ka lefa nenga teo ahay die nisompiragna tamin’ny Regioma, ka laha afaka raikandro die nandrivotra be avy tatsimo fa ka ampitson’igny die avy ta Potioly ahay. 14 Tao ahay nahita ny rahalahy sasagny die nitanany tao fito-andro ahay die hoatran’izany ny nikisahanay ho agny Roma. 15 Ka laha naharegny ny dianay tagne areo die nitsinjo anay hatamin’ny tsenan’i Apio ta tragnom-bahiny telo ahay. Nahazo toky i Paoly laha nahita an’azy ka die nisaotra an’Agnahary,

Ny Toetr’i Paoly tagny Rôma

16 mban’ny raha nataony tagny,XXXIII ka laha avy tao Rôma ahay die navelany hitokagna tamin’ny maramila raike izay miambigna an’azy i Paoly. 17 Lefa afaka telo andro die nampangalain’i Paoly ny lohandohany tamin’ny Jiosy* tao, ka laha nivory areo die hoy izy: Eh! Lezalahe, aho anie ka die mifatotre laha Jerosalema natolotra ho an-tagnan’ny Romana ndre die tsy disoXXXIV tamin’ny firenentsena, na tamin’ny fataon-drazagna. 18 Ka lafa laha nagnadinkadigna an’ahe mafy areo de saky nandefa an’ahy mandy, satria tsisy raha nataoko ka tokony hahafaty an’ahy. 19 Ka laha notohefin’ny Jiosy* izany die tery aho ka nijaka fa handahatra amin’ny Kaisara nefa tsy mba hôtra managna raha hiempangako ny fireneko ndreka. 20 Die izany no nampangalako anareo, hahitako anareo sady hikoranako aminareo; fa nohony fanantenan’ny Israely no nampifehy an’aha amin’ny itoy rojovy toy. 21 Die hoy areo tamin’azy: Ahay anie ka tsy mbola naharay taratasy lahata Jodia milaja anao! Sady mbola tsy nisy havana negnatoy nagnambara na nilaja ny raha ratsy nataonao. 22 Fa tienay ho regny aminao izegny mba hevitrao fa laha ny amin’izany antoko zany die fantatray fa efa ratsy laja egny amin’ny tanibe egny izy. 23 Ka lefa nifamotoagna tamin’azy areo, die maro ny nenga tamin’azy tandragnony tao, sady izy moa nijaka tamin’dreo ny amin’ny fanjakan’Agnahary nanombo tamin’ny nandraign’igny ka mandrapaha sondrogn’andro, sady nijaka ny amin’ny lalagn’i Mosesy mban’ny ampaminagny no nitômany an-dreo hino an’i Jesosy. 24 Ny sasagny nino zegny raha nozakainy, fa ny sasagny tsy mba nino. 25 Ka laha tsy niray hevitra areo die nenga ahay laha nagnano zaka indraim-bava i Paoly hoe: Marina tegnany ny raha nampilazain’ny Fagnahy Masina an’Isaia ampaminagny tamin’ny razagnareo hoe: 26 «Mandihana agny amin’ny ito firenena ito anao, ka zakay hoe: Die mba haharegny fehizay mandy anareo, fa tsy hahalala; sady mba hijaha fehizay mandy anareo, fa tsy hahita; 27 fefa môla ny fon’areo, sady efa maregnindregnina ny tadigniny, efa napiny ny masony sahy de hahita sady haharegny ny tadigniny ka hahalala raha ny fony, die hivalo izy ka hampisava ny aretiny Aho. » (Isaiah 6:9-10) 28 Ôka ho fantatrareo f’izao famonjen’Agnahary zao die nampitondraina ho agny amin’ny Jentilisa* die ninoane. 29 Ka laha avy nijaka an’izay izy die nenga aby ny Jiosy*, ka die tena niaragna hevitra tegnany. 30 Die nitoboka roy taogna gagna tan-dragno nofaine tao i Paoly ka nandray an’azy tsara aby zegny olo nenga tamin’azy teo. 31 Die nitory ny fanjakan’Agnahary sady nampianatra momba an’i Jesosy Kristy Tompo tamin’ny fahasahiana be izy dy tsisy nanakagna.


Fanamarihana farany

i Amin’ny teny ofisialy: Tompoko.
iiSivy maraina amintsena (jereo ny filazana andro).
iiiAmin’ny teny ofisialy: Patriarka*
ivNa ‘fandriana’.
vAmin’ny teny ofisialy: Kalesy*.
viToy ny teo aloha.
viiAmin’ny teny ofisialy: Kalesy*.
viiiAmin’ny teny ofisialy: Tompoko.
ixToy ny teo aloha.
xAmin’ny teny ofisialy: Tompoko.
xi12 antoandro amintsena (Jereo ny Filazana Andro).
xiiAmin’ny teny ofisialy: Tompoko.
xiiiAmin’ny teny ofisialy: Telo andro lasa izay.
xivTelo tolakandro amintsena (Jereo ny Filazana Andro).
xvAmin’ny teny ofisialy: Tompoko.
XVINa: Tsy mety raha asena no hagnome fahasahiranana…
XVIINa: Tsy hanao fifandraisana mamoafady ara-panambadiana.
xviiiAntsibe*
xixAmin’ny teny ofisialy:Tompoko.
xxGovernora*
XXINa nampianatra.
XXIIMpitahiry ody.
XXIIINivavaka sy nanompo tamin-jagnahary hafa tao amin’ny tempolin’i Diàna. Jereo koa ny fanazavana teny sasany: ‘tempoly’.
XXIVIbid.
XXVToy ny teo aloha.
XXVINa Aramianina.
XXVIIAmin’ny teny ofisialy: Tompoko.
XXVIIIEksodosy 22:27
XXIXAmin’ny teny ofisialy: na ny olo-marina na ny olo-meloka.
XXXAmin’ny teny ofisialy: Tompoko.
XXXIBibilava lehibe misy poizina.
XXXIICastor
sy Pollux, zanak’i Zeosy* kambana.
XXXIIIAmin’ny sora-tanana sasany ampio hoe:, ny mpifatotra dia natolotry ny kapiteny ho amin’ny lehiben’ny mpiambigna.
XXXIVNa ‘tsy ota.’


FANAZAVANA TENY SASANY

A

Agny ambony [any ambony]

Avo.

Amboahaolo; Amboadia na Amboadihy

Amboa mitovy amin’ny alika. Amboadia: Mitovitovy amin’ny alika fa masiaka sy mampidi-doza ary lehibe kokoa; a mboahaolo: Mitovitovy amin’ny amboadia fa kely kokoa (mitovy habe amin’ny fossa) sy menamenatra. Mamitaka na fetsy na mpandainga izy ao amin’ireo tantara ireo.

Andrognana [andronana]

Famaky.

Angatra

Matoatoa na lolo.

Antsibe

Lelan-tsabatra na sabatra

Areo na arizareo

Izy ireo.

Asena

Isika.

B

Baba

Ray / dada.

Bata, daba

Jereo ny Efaha, ny Filazana Fiatiana.

Belzeboba

Ny anarana Belzeboba dia mifandray amin’i Bala andriamanitra Kananita.

Beelzebub dia anarana iray hafa an’ny satana.

Bilo

Tromba / Fanahy Ratsy. Jereo ny ‘demonia’.

Borikiny na boriky

Ampondra na boriky: Biby mitovitovy amin’ ny soavaly fa kely, izay atao koa hoe boriky. Bibidia fahiny mpiraotra eny amin’ny fondra.

D

Dahalo

Jiolahy

Demonia,devoly, Satana

Samy anarana ilazana ny fagnahy ratsy ireo. Ny hoe demonia dia fagnahy ratsy mampijaly ny olona. Ny hoe devoly dia midika hoe mpifosa, mpiampanga. ny hoe Satana dia midika hoe mpanohitra, mpiampanga eo amin’ny fitsarana. Ny anarana iantsoana azy ireo koa dia hoe Ilay ratsy, ny fahavalo, ny menarana, ny dragona.

Denaria

Jereo ny Filazana Anaram-bola.

E

Endriny

Reny.

Enjagna

Maro / betsaka / be dia be

F

Fariseo

Anaran’ny antoko ara-pivavahana lehibe teo amin’ny Jiosy tamin’ny andron’i Jesosy. Ny anarany die midika hoe «izay miavaka amin’ny maro».

Fehy

Jamba.

G

Gn

ñ (mitenena amin’ny orona).

Gôgôka

Goaika: Vorona lehibebe salasalany, mainty ny volony, fa eo amin’ ny tendany no misy fotsy mihodidina toa fehivozona; vorona mihinana nofom-biby ny goaika ary malaza ho mpihinana ny voanjon’ olo maniry koa.

Governora

Mpifehy ambony tamin’ ny andro fahagasy taloha, mitovy amin’ ny hoe komandy; tamin’ ny andron’ ny fanjanahan-tany, mpanao raharaham-panfakana nifehy nanarakaraka ny lehiben’ ny distrika.

H

Hadesy

Tao amin’ny fitoeran’ny maty, na tany ambany, fa any araka ny fihevitry ny Jody, no fitoeran’ny maty rehetra, nefa miavaka sy misy elanelany ny tsara sy ny ratsy. Afobe indrindra ny an’ilay mpanan-karena (jereo Lioka 16:24,28).

Hajotso

Haetry.

Hala

Maingoka: Bibikely misy tanabeny roa mangeja eo anoloana, ary ny kibony miafara amin’ ny rambo mifaingoka izay manindrona misy poizina.

I

Iabany

Rainy / sadany.

Iraimbilanja

Asariona: Jereo ny Filazana Anaram-bola.

Iregny

Ireo / ireny.

Izegny [izeny]

Izany, izay.

J

Jentilisa

Ilazana ny hafa firenena noho ny firenena Israely.

Jiosy

Midika hoe ireo mponina any Joda. Rehefa tafaverina avy tany Babilona ny Zanak’Israely dia tany Joda izy ireo no nivantana io izany dia ilazana ny Israely efa tafaverina avy tany amin’ny fahababoana.

Jodia

Rehefa tonga teo ambany fitondrana Romana Israely, nanomboka tamin’ny taona 63 tal JK, die tonga fari-piadidiana iray i Joda. Noho izany, ao amin’ny Testamenta Vaovao die Jodia no ilazana an’i Joda taloha.

K

Ka

sy, ary.

Kaboda na kobay

Tapa-kazo lavalava namboarina ho amin’ ny hikapohana biby sendra ny tena.

Kakazoina [olo kakazoina na mpanao ody]

Mpamoha angatra nahatalanjona, na, mpitahiry ody (Asan’i Apôstôly 8:9).

Kalesy

Fiara misy kodiarana taritin-tsoavaly.

Kobory

Fasana.

Kora

Jereo ny Homera, ao amin’ny Filazana Hiatiana

Kristy

Tenyp Grika mitovy amin’ny hebreo hoe Mesia, midika hoe Voahosotra, ary tonga anarana manambara ny maha Mpanjaka voahosotra an’i Jesosy. Jereo ny ‘Mesia’.

L

Laha

Indray / Raha / Rehefa / Laha.

Lakagna

Sambo. Fitaovana hazo entina mitety na mandeha ambony rano, mita rano; matetika ny lakana dia vita amin’ny vatan-kazo lehibebe noloahana izay manjary maivana ary mitsinkafona tsy milentika. Amin’ny Baiboly ny olo mampiasa ny sambo lehibe kokoa afaka handraisana olona maro kokoa.

Lambo

Kisoa.

Lango

Salohim-bary.

Lasakorazagna [lasan-korazana]

Ilazana ireo efa maty. Ny olo Kristiana mampiasa ny teny: Nodimandry.

Lebeko [lehibeko]

Tompoko.

Lepta

Jereo ny Filazana Anaram-bola.

lelan’antsibe

Lelan-tsabatra na sabatra

Levira [leviora]

masirasira.

Levy

Levy na Levita: Lehilahy avy amin’ny fokon’i Levy tamin’ny fanompoana tao amin’ny tabernakely* sy ny tempoly*.

M

Mandy

Ihany koa.

Manivagna [manivana]

Misivana na manasivana.

Makorelina

Mpivaro-tena na vehivavy janga: Vehivavy mivelona amin’ ny fitondran-tena ratsy.

Mandoalika (menkohoka)

Miankohoka.

Mangaike

Miantso.

Mangoaigna [mangoaina]

Matahotra.

Manirano

Aretina mitarika tsiranoranoka hiangona amin’ ny tenan’ ny olombelona, ao amin’ ny faritra iray, indrindra ny kibo, ny ranio, sns, ka mahatonga an’ ireo hibontana be.

FANAZAVANA TENY SASANY

Mavozo

Antitra (mbola misy midika hafa any Madikasikara: Kamo; Matohotra; Reraka. Fa amin’ny fiteny Antanala, distrikan’i Mananjary: Antitra).

Mentomboka

Miandoha.

Mesia

Midika hoe Voahosotra. Tamin’ny voalohany, ny Voahosotra dia ireo mpanjaka teo amin’ny Israely ka notoforana ny andraikitra manokana avy amin’ Andriamanitra hitondra amin’ny fahamarinana. Ny Mesia dia nantenaina ho Mpanjaka mitondra famonjena. Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia Jesosy no ambara ho Mesia, na Kristy*.

Mifanta

Mivoady

Mijaka

Miresaka, milaza na miteny

Minogna [minona]

Misotra.

Mipody

Miverina.

Mitoboha

Mipetraha

Mitoboka

Mipetraka. Mijanona vetivety.

Mivanga

Mividy.

Môla [maola]

Adaladala, misy kely.

Mosaregna

Noana.

Mpagnanon-ketra [mpananon-ketra]

Mpamory hetra.

Mpaminagny na profeta [mpaminagny]

Mampiasa eto ‘mpaminagny’, fa mety ho ‘mpanandro’ na ‘profeta’ ihany koa.

Mipesoka na Mibisoka

Mibanjina; mitsikilo; miambina.

Mpagnavotra [mpanavotra]

Mpamonjy.

Mpiarakandro ondry na omby (mampiasa ‘mpiambigna’ mety amin’ny biby rehetra)

Mpiandry.

Mpitsabo na mpagnano fagnafody na dokotera

Indraindray ‘Ombiasy’, fa mampiasa ny teny ‘mpitsabo’ satria ny ombiasy manao ny ody na mosavy ary miresaka amin’ny fanahay hafa izy. Ny ombiasy tsy mitovy ny mpitsabo satria ny mpitsabo magnano fagnafody marina.

N

Nagnampatra

Nanijitra.

Nenga,henga, menga

Niala, hiala, miala.

Nijara

nizara

Nilamoina (nivangoina)

Mikapoka

Nivonìny

novonoina > vonoina (vono).

O

Ombiasy na Ombiasa

Mpisikidy sy mpanao ody. Mpanao majika.

P

Paradisa

Teny Grika, izay nanondro sahan’andriana mahafinaritra, feno hazo maniry. Ao amin’ny Genesisy 2:15 dia io voambolana «Paradisa» io no nandikan’ny Septanta na ilay Testamenta Taloha voadika ho grika, ny hoe «saha» tao Edena ka izany no nahatonga ny fiteny hoe «Paradisa», ilazana ny toeram-pahasambarana, sady toeram-piandrasana vantanin’ny voavonjy any ankoatry ny fahafatesana. Izany fahalalana faran’izay tsotra izany no nampiasain’i Jesosy teo amin’ny hazo filaliana, rehefa niteny tamin’ilay jiolahy teo akaikiny Izy, mba hilazany fa miaraka amin’izay dia efa naman’ny voavonjy izy.

Paralysisa

Olo malemy (tsy afaka mihetsika iregny olo iregny).

Patriarka

Teny midika hoe razambe, ary ilazana ireo razamben’ny Israely. I Abrahama, Isaka, i Jakoba ary i Josefa no anisan’ny nalaza tamin’izany.

Pôketra

Kitapom-bola

Proselyta

Ny proselyta dia tsy Jiosy, fa Jentilisa niray finoana sy fivavahana tamin’ny Jiosy.

R

Roagna[roana]

Rahona.

Robo

Voninahitra; mandòka; fanajàna.

Roboka na rokaka

Reraka; vizaka; valaka, mavozo.

Roy

Roa.

S

Sabata (Sabotsy)

Teny Grika midika hoe Fitsaharana.

Ny Sabata dia ny andro fahafito amin’ny herinandro (ny Asabotsy), ary voatendry hohamasinina ho andro fitsaharana. Araka ny fanisana ny andro tamin’izany rahateo, ny Sabata dia nanomboka ny Zoma hariva nilenti-masoandro ka nifarana ny Asabotsy hariva milenti-masoandro.

Sadoseo

Ny anarany die avy amin’ny anaran’i Sadoka, Mpisoronabe tamin’ny andron’i Davida sy i Salomona, sady areo no anisan’ny antokom-pivavahana lehibe tamin’ny andron’i Jesosy, miaraka amin’ny fariseo*.

Samaritana

I Samaria dia faritra anelanelan’i Jodia sy i Galilia. Tamin’ny taona 721 tal JK, rehefa nopotehin’ny Asiriana ny fanjakana Avaratra, dia nalevany ho babo tany Asiria ny olo ambony tamin’ny Israeliana izay nonina tao ka nosoloany olo avy tamin’ny firenen-kafa. Noho izany dia tonga nifangaro firenenkafa ny mponina tao ka noheverin’ny Jiosy na ny mponina tany Jodia ho tsy madio, hany ka tsy nifampiraharaha ny Jiosy sy ny Samaritana. Nanana ny fombam-pivavahany manokana tao amin’ny tendrombohitra Gerizima izy ireo ary tsy nanaiky ho Tenin’Andriamanitra afa-tsy ny boky dimy voalohany ao amin’ny Testamenta Taloha ihany. Nopotehin’ny Jiosy izany Tempoliny* izany tamin’ny taona 128 tal JK. Mbola misy hatramin’izao ny fokon’ny Samaritana.

Sinagoga

Teny Grika midika hoe fiaraha-mivory. Toerana iray izay nihaonan’ny Jiosy isaky ny sabata ho an’ny fanompoam-pivavahana ho an’ny besinimaro. Mety ho foiben’ny fiainana jody sy sekoly ho an’ny ankizy jiosy izany.

Sinedriona

Avy amin’ny teny Grika: Io no ambaratongam-pisarana ambony indrindra teo amin’ny Jiosy tamin’ny andron’ny fitondrana romana, mitsara ny raharaha lehibe rehetra na ara-piaraha-monina, na ara-pivavahana. Ny mpisoronabe no mitarika azy io, ary nisy 71 lahy ny mpikambana tao, avy amin’ireo lehiben’ny mpisorona, ireo loholona ary ireo mpanoradalàna. Afa-tsy ny Sinedriona tao Jerosalema izay notarihin’ny Mpisoronabe dia nisy koa ireo sinedriona madinika: Mat 10:17; Mar 13:9.

Sôvaliny [soavaly]

Biby lehibe tsara bika ampiasaina hatao fitaingina na mpitarika kalesy. Mitovitovy ny boriky fa lebe koakoa.

Stadio

Jereo ny Halava sy Halavirana.

T

Tabernakely

Avy amin’ny teny Latina hoe «tabernaculum», izay midika hoe «tranolay». Fomba nahazatra ny nandikana ny Mishkan («fonenana», izay hoe fonenan’NY TOMPO), hoe «tabernaculum». Ny teny hebreo hoe Mishkan dia manondro ilay tranolay lehibe izay voarafitra (Eks 25-27; 40), ary indraindray dia ilazana koa ny Tempoly*, amin’ny lahatsoratra mirindra (Sal 84:1). Jereo koa ny hoe «Tranolay fihaonana».

Tafapody

tafaverina.

Taka-tily / taka/toraka

Mitora-bato.

Tan-tendrom-bohitra (tagny)

An-tany efitra

Tantim-batsy

Kitapom-batsy

Tempoly

Nivavaka sy nanompo tamin-Jagnahary tao amin’ny tempoly ny Jiosy mitovitovy amin’zao ny mpino christiana amin’ny fiangonana.

Ny ‘tempoly’ mitovitovy fiangonana lehibe sy manan-danja na ny lapa-be masina.

Io no tempoly tamin’ny andron’i Jesosy. Noravan’ny Roamana tamin’ny taona 70 ary tsy nisy nanangana azy intsony.

TOMPO

Ao amin’ny Soratra Masina die midika izany hoe: ‫יהוה‬/YHWH [IAHVEH na YAHWEH].

V

Varangarambe

Vavahady

Varangarana

Varavarana

Vinègra

Vinaingitra (Jereo Lioka 23:36 ary Salomo 69:22).

Voloparasy [volomparasy]

Loko manja mena; loko na volon-javatra mitovy amin’ ny an’ny vonim-boahirana na tatamo.

Vôndroy [voandroy]

Roimemy

Vôrôka [voaroaka]

Esorina /voarohaka

Z

Zagnahary [Zanahary]

Andriamanitra.

Zanak’Olo

Ny hoe «zanak’olona» die midika tsotra hoe «olombelona». Io anarana io die miasa betsaka ao amin’ny boky Ezekiela, ilazan’ny Fanahin’Andriamanitra an’i Ezekiela mpaminagny. Izay marihina indrindra die ilay fahitana ao amin’ny Daniela 7:13, izay manambara ilay «toy ny zanak’olona avy eny amin’ny rahon’ny lanitra», fahitana izay manambara ny Mesia ho avi hitsara izao tontolo izao. Ao amin’ny Testamenta Vaovao, die io anarana hoe «Ny Zanak’olona» io no ilazan’i Jesosy ny tenany, koa ambarany amin’izany fa Izy no voalazan’ny Daniela 7:13, ka anambarany fa tena olombelona tokoa Izy, ary tena Andriamanitra tokoa satria nidina avy tany an-danitra.

Zegny [zeny]

Aloavy.

Zelota

Midika hoe mazoto, mafana fo: Antokon’ny sekta Jiosy iray, mpitolona ho an’ny tanindrazana.

Zendagna [zendana]

Gaga.

Zeosy

Ilay zagnahary romana lehibe


FILAZANA ANARAM-BOLA   

Ao amin’ny Testamanta Taloha

Tany aloha tany teo amin’ny Israely dia tsy vola no nampiasaina fa akory volafotsy na koa volamena no nolanjaina, ary indraindray koa varahina; koa ny filamatra dia sekela volafotsy milanja 11.4 gr. Matekika ny vola dia lazaina tsotra hoe «volafotsy».

Tamin’ny andron’ny Persiana dia nisy ny atao Hoe dareka (volamena 8 gr.), ary ny drakma, mitovitovy amin’ny dareka.

Kesita, anaram-bola fahizay, izay tsy fantatra ny lanjany.

Tamin’ny andron’ny Testamenta Vaovao dia vola romana sy grika no niasa ka nisy volafotsy ary nisy varahina.

Volafotsy

1 drakma (grika) = 1 denaria (romana), izay karaman’ny mpiasa indray andro tamin’izany.

1 statera = drakma efatra

1 mina = 100 drakma

1 talenta = 60 mina = 6000 drakma

Varahina

Lepta (grika), nadika hoe «farantsakely». Io no vola madinika kely indrindra.

1 kaodiranta = lepta roa

1 asarion (grika) = 1/10-n’ny denaria

FILAZANA FIATIANA   

1 homera (voamaina) = 1 kora = 393,3 litatra

1 efaha (voamaina) = 1 bata (ranon-javatra) = 1/10-n’ny homera = 39 litatra

1 sea (koba na voamaina) = 1/3-n’ny efaha = 12,148 litatra eo ho eo

1 vata famarana, grika: Modion = 8,7 litatra

1 hina = 6 litatra (ranon-javatra)

1 omera = 3,6 litatra

1 kaba = 2 litatra

1 loga = 0,5 (ranon-javatra)

HALAVA   

1 hakiho (ao amin’ny Testamenta Taloha) = 50 sm eo ho eo

1 hakiho (ao amin’ny Testamenta Vaovao) = 45 sm

1 zehy = 25 sm eo ho eo

1 vodivoapelatanana = 8 sm eo ho eo

1 voantondro = 2 sm eo ho eo

1 eram-paladia = 30 sm

HALAVIRANA   

1 maily = 1500 m

1 stadio = 185 m


5 1 stem
Article Rating
Abonneer
Laat het weten als er
guest

0 Comments
Inline feedbacks
Bekijk alle reacties