Het boek Genesis in het dialect van het Antanala gebied [CONCEPT]

Het boek Genesis in het dialect van het Antanala gebied [CONCEPT]

Posted: 10-11-2023 - 08:56. || Modified: 23-09-2026 - 12:54
Ny Genesisy amin'ny fiteny Malagasy amin'ny faritra Antagnala

Ny Boky Genesisy

amin’ny fiteny Malagasy amin'ny faritra Antagnala



Translated by Menjanahary Marson.

Edited and corrected by Jurgen Hofmann (last correction 28-01-2025).

Photographs © 2017-2025 Maroamboka, Sandrohy Madagascar.

© 2019-2025 Maroamboka, Sandrohy Madagascar.

Email: contact@jurgenenkatja.nl

FaceBook: Vaovao Mahafaly Antanala/

First edition 2023 - Please send your corrections to the above mentioned email address.

Some footnotes and explanations in the word list and footnotes derived from:


La Société Biblique Malgasche, Ny Baiboly amin'ny teny Malagasy, Dikanteny 1965 Nasiam-panitsiana, Antananarivo Madagascar, Nouvelle Révision 2013.

Beaujardière, de La, J. M. (2001-2021), Malagasy Dictionary and Encyclopedia of Madagascar: Everything known about all Malagasy words, Available from <http://malagasyword.org/>, [Accessed: 2023].





TOKO 1   ↑

Ny namorognan’Agnahary ny raha aby izao

1 Tamin'ny vôlongany, ny Zagnahary namorogna ny tany aman-dagnitra.

2 Ka ny tany die tsisy endrikany sady fôgna, ka mizigna tambon’ny laligna. Ka ny Fagnahin’Agnahary no nomba tambon’ny rano.

3 Andrianagnahary nagnano hoe: Misia mazava! Die nisy ny mazava. 4 Ka hitan’Agnahary fa tsara ny mazava; die nampisarahin’Agnahary ny mazava mban’ny mizigna. 5 Nataon-Jagnahary hoe antoandro ny mazava die ny mizigna nataony hoe aligna. Die nisy hariva, sady nisy mandy koa ny mandraigna; io ny andro vôlongany.

6 Andrianagnahary nagnano hoe: Misia habakabake, agnelagnelan’ny rano, ka ôka izy hanaraka ny rano amin’ny rano! 7 Ka namboarin-Jagnahary ny habakabake mba hanaraka ny rano ambanin’habakabake amin’ny rano ambon'ny habakabake, die ny nisy aby izany. 8 Die nataon’Agnahary hoe: Lagnitra ny habakabake. Die nisy hariva sady nisy koa ny mandraigna; io no andro faharoy.

9 Andrianagnahary nagnano hoe: Mengona raika ny rano egny ambanin’ny lagnitra, die miavaha ny maigna; die nisy izany. 10 Die nataon’Agnahary hoe: Tany ny maina, ka ny rano tafangogna nataony hoe: Ranomasina. Die hitan’Agnahary fa tsara izany. 11 Andrianagnahary nagnano hoe: Maniria ahita mbana agnana mamoa mbana, kakazo azo hinanana hisiny mamoa ny tany sady samy amin’ny karazagny aby, sady magnisy hisiny amin’ny tegnany mandy, die nisy ‘zany. 12 Die samy maniry ahita mbana agnana mamoa amin’ny karazany aby ny tany, mbana kakazo isan-karazany mamoa hisiny amin’ny tegnany mandy koa. Die hitan’Agnahary fa tsara izany. 13 Die nisy ny hariva sy ny mandraigna; io ny andro faha telo.

14 Andrianagnahary nangnano hoe: Misia mazava amin’ny habakabaky ny lagnitra, mba hanaraka ny andro amanaligna, sady mba ho famantarana ny fotoana, die ny andro mba ny taogna izany. 15 Mba hagnazava egny amin’ny habakabany ny lagnitra izy no sady hagnazava egny ambonin’ny tany; die nisy aby ‘zany. 16 Ka Andrianagnahary nagnano ny fagnazavana roy lebe – die ny fagnazavan-dehibe hanapaka ny atoandro – die fagnazavana bitake hanapake ny aligna mban’ny kitagna. 17 Napetrak’i Zagnahary egny amin’ny habakabaky ny lagnitra izy mba hagnazava ny egny ambonin’ny tany, 18 sady hanapaka ny atoandro amanaligna mba hanaraka ny mazava mban’ny mizigna. Die hitan’Agnahary fa tsara izany. 19 Die nisy ny hariva sy ny mandraigna; io ny andro faha efatra.

20 Andrianagnahary nagnano hoe: Misia raha managn’aigna enjagna agnaty rano; die misia vorogna magnembogna ambonin’ny tany egny amin’ny habakabaky ny lagnitra. 21 Noforognin-Jagnahary aby ny biby maventy agnaty rano mban’ny raha managn’aigna mihetsiketsike maro be efa enjagna an-dragno, sady samy amin’ny karazagny aby, mban’ny vorogna magnembogna isan-karazagne. Die hitan’Agnahary fa tsara izany. 22 Nomen-Jagnahary tso-drano aby areo maro be hoe: Mitomboza taranaka, mamenoa ny rano an-dranomasina, die ôka ny vorogna hemaro egny ambonin’ny tany. 23 Die nisy hariva sy ny mandraigna; io no andro faha dimy.

24 Andrianagnahary nagnano hoe: Mamoaha raha-managn’aigna isan-karazagny aby ny tany, die biby ompiana mbana biby mandady na mikisaka, bibidia isan-karazagny aby; die nisy aby izany. 25 Die nagnano ny bibidia isan-karazagny mbana biby ompiana isan-karazagny, mbana karazan-biby mandady na mikisaka ambonin’ny tany i Zagnahary. Sady Hitany fa tsara izany.

26 Ka Andrianagnahary nagnano hoe: Andao Atsena hamorogna olo mitody endrika Amintsena, ampitovitovina amin’ny Tarehintsena; ka ôka areo hanjaka amin’ny laokan-drano an-dranomasina mban’ny tany miaraka amin’ny biby marobe na ny mandady na ny mikisaka amin’ny tany. 27 Noforognin-Jagnahary hitovy endrika amin’Azy ny olo; mitovitovy endrika amin’Azy no namorognany ny olo; lelahy die viavy no namorognany an’azy. 28 Nomen-Jagnahary tso-drano areo hoe: Meteraha maro, mamenoa ny tany, maroa fara-mandimby sady mifanompa, ka manjakà amin’ny laokan-drano an-dranomasina mban’ny vorogna magnembogna, miaraka amin’ny biby marobe mietsiketsika ambon’ny tany. 29 Andrianagnahary nagnano hoe: Efa nomeko anareo aby ny agnana misy hisiny ambon’ny tany eto, mban’ny kakazo maro be misy hisiny sady mamogny, azonareo hohanina aby iregny. 30 Ka ny bibidia marobe mban’ny vorogna magnembogna ny raha managn’aina marobe. 31 Hitan’Agnahary fa tsara indrindra aby ny raha marobe namboariny. Die nisy ny hariva sy ny mandraign; io ny andro fa enina.

TOKO 2   ↑

1 Vita ny tany aman-dagnitra mban’ny raha marobe amin’azy eo. 2 Tamin’ny andro faha fito no nahavitan-Jagnahary ny asa namboariny; tamin’ny asany marobe ‘zay namboariny die tamin’io andro faha fito io Izy no nialegnina. 3 Nitahin-Jagnahary io andro faha fito io sady namasininy, satria io no nialegnezany tamin’ny asa marobe naforogniny tamin’ny fagamboarany an’azy.

Ny toetran’ny olombelogna tamin’ny areo mbola nanota tao amin’ny Edena

4 Ôtran’izao ny tantaran’ny tany aman-dagnitra tamin’ny namorognana an’azy, die tamin’ny andro nagnanôvan’i TOMPO* Andrianagnahary ny tany aman-dagnitra. 5 Ny kakazo madinike fambolena die mbola tsisy teto amin’ny tany na ny agnana fambolena mandy koa die mbola tsisy naniry, satria NY TOMPO* Andrianagnahary die mbola tsy nandatsaka ranonerike tambonin’nt tany, sady mbola tsisy niasa tany ny olo. 6 Nefa ny zavogna niakatra avy tamin’ny tany nandegna ny tany die efa nisy. 7 Noforognon’i TOMPO* Andrianagnahary tamin’ny vovo-tany ny olo, ka nomeny fofonaigna mahavelogna ny vavorony die nanjary olombelogna izy. 8 NY TOMPO* Andrianagnahary nagnano saha tao Edena tan-tsignanana, ka tao no nametrahany an’io zalahy noforognin’io. 9 Ka nampitsirin’NY TOMPO* Andrianagnahary tamin’ny tany aby ny kakazo maro mahatsatsara sady tsara hohanina, tagnivon’ny saha teo mandy koa ny kakazon’aigna die ny kakazo fahalalana ny tsara amin’ny ratsy. 10 Nisy renirano nivôka avy tamin’ny Edena tao mba hanondraka ny saha; nanomboka teo izy die nizara ka nisampagna efatre. 11 Pisona ny agnaran’ny vôlongany; io no madeha magnodidigna ny tanin’ny Havila maro be misy ny volamena; 12 tsara ny volamena amin’io tany io, die ny bedola mban’ny vato beryla. 13 Gihona ny agnaran’ny renirano faha roy, io no mandeha magnodidigna ny tanin’ny Kosy marobe. 14 Hidekela koza ny agnaran’ny renirano faha telo, io no mandeha tandrifin’ Asyria. Ka Eofatra no agnaran’ny renirano faha efatra.

15 NY TOMPO* Andrianagnahary nitondra an’i lezalahy io ka mametraka an’azy tao amin’ny saha Edena mba hiasa sady hikarakara an’azy. 16 Nididin’NY TOMPO* Andrianagnahary io ralelahy io nagnano hoe: Ny kakazi maro be amin’ny saha die azonao hohanina aby; 17 fa ny kakazo falalana ny tsara amin’ny ratsy koza die aza hihanana; fa amin’ny andro hihinananao an’io die tena ho faty tegnany anao. 18 Die hoy NY TOMPO* Andrianagnahary nagnano hoe: Tsy tsara laha mandeha raike ny ralelahy; ka hagnanôvako vady magneva an’azy izy. 19 Tany no namorognan’NY TOMPO* Andrianagnahary ny bibidia marobe mban’ny vorogna magnembogna; die nindany tamin’ny ralelahy tagny aby areo mba hamorognany ny agnarany aby; ka izegny nanonognany an’io raha managn’aina marobe io, die izany no agnarany. 20 Die nameny agnarany aby ny biby marobe na ny fiompena na ny vorogna magnembogna na ny bibidia marobe, nefa mbola tsisy magnava ho vadiny aby na die raike. 21 Nataon’NY TOMPO* Andrianagnahary azon-tory io lezalahy io, ka die nandry tegnany izy. Nangalany ny taolan-tritriny raike ka nifognosiny nofotre nanolevany an’azy. 22 Ny taolan-tritry nanail’NY TOMPO* Andrianagnahary tamin’ny io lezalahy io die nataony zavavy ka nindesiny tamin’ny lezalahy igny. 23 Ka hoy i lezalahy igny: Manomboka niany die ny taolagny avy tamin’ny taolagnako sady nofotra avy tamin’ny nofotrako ito; angihana hoe; Viavy ito satria lelahy no nangalana an’azy. 24 Ka amin’izany ny ralilahy die henga amin’ny iabany amin’ny endriny ka hikambagna amin’ny vadiny, mba ho nofo raike areo. 25 Nipelagna areo mivady, die ny ralilahy izy amin’ny vadiny, nefa tsy nalala hegnatra areo.

TOKO 3   ↑

Ny nanotàn’i Adama izy amin’i Eva, sy ny raha namboarin-Jagnahary tamin-dreo.

1 Amin’ny bibidia maro be namboarin’NY TOMPO* die ny menaragnai no tena fetsifetsy amin-dreo. Nijaka izy tamin-draviavy hoe: Ha! Ka tsy efa nijaka ma ny Zagnahary hoe: Ry aza hinananareo ny kakazo marobe an-tsaha eto an? 2 Die hoy raviavy nagnontsy an’ny menaragna: Ny hisin’ny kakazo an-tsaha eto die azonay hoanina mandy. 3 Fa ny hisin’ny kakazo antegnategnan’ny saha io koza, die efa najakain’Andrianagnahary taminay hoe: Tsy azo hinananareo na kasihinareo io fa sao die maty anareo. 4 Die hoy ny menaragna nagnontsy an’ny raviavy: Tsy ho faty ‘zany anareo; 5 fa amin’ny andro hinananareo an’io die fantatr’i Zagnahary tsara fa hahiratra ny masonareo, ka hitovy amin-Jagnahary anareo, hafantatra ny tsara amin’ny ratsy. 6 Hitan’ny raviavy fa magneva hinanana marina io kakazo io sady manintogna ny maso, mampagniny zahàna, die nangalany ny hisin’io kakazo io ka nihinanany, ka nameny mandy koa ny vadiny die nihinagna izy. 7 Die nahiratra ny mason’izy mivady, ka fantany kaike fa mipelagna areo, die nanjaitra ravina aviavy areo, nataony akanjo nisikinany.

8 Ka laha naregny areo fa hitsangatsangagna an-tsaha tagny NY TOMPO* Andrianagahary hariva, die nivony an?i Tompo Andrianagnahary ny ralilahy mivady tagnaty kakazo an-tsaha tao. 9 Ka nangaike an’ny ralilahy NY TOMPO* Andrianagnahary nagnano hoe: Ka negnaina! Anao? 10 Die hoy izy: Naregny Anao tan-tsaha tao aho die nangoaina, satria ahay mipelagna die zay no namivony anaha. 11 Ka hoy Izy: Ha! Ka iza nijaka taminao fa hoe mipelagna anao? Ka nihinananao zany ny kakazo efa nandraràko anao hoe: Aza hinana igny an!? 12 Die hoy i ralilahy: Ny raviavy namenao anaha igny mandy no nagnome anaha an’io hisin’ny kakazo io, ka die nihinagne aho. 13 Die hoe NY TOMPO* Andrianagnahary nagnontsy an-draviavy: Ka ino raha nantaonao izany? Die hoy raviavy: Nifitahin’ny menaragna aho die nihinagna.

14 Die hoy NY TOMPO* Andrianagnahary tamin’ny menaragna: Satria anao nagnano an’izany, die vôozogna anao amin’ny bibidia marobe mban’ny biby ampiana, fa amin’ny kibonao anao madeha, ny vovo-tany no hohaninao amin’ny androm-piaignanao. 15 Ampifandrafesiko aminao ny viavy mban’ny taragnany izy amin’ny taranakao; hagnifikifika ny lohanao izy, ka anao koza hagnifikifika ny vodi-tnogony.

16 Die hoy Izy nagnontsy an-draviavy: Ataoko ny hahamaro ny fijalenao, indrindra fa laha managn’anaka anao; fijalena ny hiterahanao ny zanakao, sady ny vadinao no hianteheranao amin’ny raha irinao, sady izy no hibeko anao.

17 Ka hoy Izy nagnontsy an’i Adama: Satria ny feon’ny vadinao no nitenoinao, ka nihinanao ny kakazo nandraràko anoa hoe: Aza hinananao io die vôozogna ny tany tamin’ny raha nataonao, fijalena no hinananao amin’ny andro hiaignanao vokatr’izany. 18 Hitsiry fantsy sady hahery ho anareo izy, ka ny agnana fambolena no hohaninao. 19 Mandra-pipodiananao amin’ny tany die ny dignitrao no hazao anao hanina sady vovokaanao ka mbola hipody amin’ny vovoka mandy koa.

20 Nataon-dralilahy hoe: Eva ny agnaran’ny vadiny, satria izy no endrin’ny olombelogna marobe.

21 Nagnamboaran’NY TOMPO* Andrianagnahary akanjo hoditra i Adama izy amin’ny vadiny ka nampisikininy andreo.

22 NY TOMPO* Andrianagnahary nijaka hoe: Ito ny olo, efa mitovitovyamin’ny raike amintsena, ka mahafantatra ny tsara amin’ny ratsy; ka sao die mbola hagnampatra ny tegnany izy, ka ho agny amin’ny kakazon’aigna, ka hihinagna izy ka ho velogna mandrakizay. 23 Die nalain’NY TOMPO* Andrianagnahary tamin’ny saha Edena tao areo mba hiasa amin’ny tany izay niaveny. 24 Ieka, noroahiny ny olo, ka napetragny tan-tsignanan’ny saha Edena ny kerobima* mban’ny lelan’afon’ny antsibe* miragniragny hiambigna ny lalagna mandeha amin’ny kakazon’aigna.

TOKO 4   ↑

Ny amin’i Kaina izy amin’i Abela

1 Naharahy an’i Eva vadiny i Adama, ka nanagnanaka i Eva die niteraka an’i Kaina; die hoy izy: Nahazo zaza lilahy tamin’i TOMPO* Andrianagnahary aho. 2 Ka die niteraka an’i Abela mpirahalahy amin’azy koa izy. Mpiarakandro ondry i Abela fa i Kaina koza mpamboly.ii 3 Afaka elaela die nitondran’i Kaina ny vokatra ny tany nataony sorogna ho an’NY TOMPO*. 4 I Abela koza nitondra ny vôlongan-janaka ondriny, ny tena matavy. Neken’NY TOMPO* Andrianagnahary i Abela mban’ny sorognany;

5 fa i Kaina miaraka amin’ny sorognany koza tsy nekeny. Die tena vignitra i Kaina sady valake tarehiny. 6 Die hoy NY TOMPO* nagnontsy an’i Kaina nagnino anao raha vignitra? Sady nagnino anao raha valabalake? 7 Fa laha tsara fagnahy anao die tsy tokony ho falifaly va? Fa laha tsy tsara fagnahy koza anao die mitsofoka ambarangaragn’ota; sady magniry anao izy mba ho kendreny, ka anao no tokony hibeko an’azy. 8 Die nijaka tamin’i Abela rahalahiny i Kaina. Ka laha mbola tan-tsaha tagny areo mirahalahy, die nitsangagna i Kaina ka nagnantogna an’i Abela rahalahiny die nivoniny arỳ. 9 Die nagnontany NY TOMPO* tamin’i Kaina: Ka aza i Abela rahalahinao? Die hoy izy an: Asany! Iaho tsy raha mpiambigna an’ny rahalahiko? 10 Die hoy Izy: Ka ino raha nataonao? Mitaraigna amin’Aha ny feon’ny ràn’ny rahalahinao latsaka amin’ny tany. 11 Niany niany mandy anao die vôozogna hiala amin’ny tany nitobohana, die nivava hiteligna ny ràn’ny rahalahinao nalatsaky ny tagnanao. 12 Laha miasa tany anao, die tsy mba hamokatra ho anao koa izy; ho mpiriorio sady mpivengivengy egny ambonin’ny tany anao. 13 Die hoy i Kaina nagnontsy an’NY TOMPO*: Be lôtra ny helokako ka mety tsy ho zakako. 14 Efa niroahinao hiala [henga?] amin’ny tany nitobohana aho niany, ka hivony ny vatategnanao sady ho mpiriorio, hivengivengy egny ambonin’ny tany. Ka na iza na iza hahita an’aha die hamono an’aha. 15 Die hoy NY TOMPO* nagnontsy an’azy: Ka amin’izany, na iza na iza hamono an’i Kaina die valina impito izy. Die nagnano famantarana ho an’i Kaina NY TOMPO, mba tsy hsiy hamono an’azy izegny hahita an’azy. 16 Die nenga tagnatrehan’NY TOMPO* i Kaina ka nipetraka tagny amin’ny tany Noda magnandrify an’i Edena.

Ny tantaran’i Kaina, mban’ny niterahan’i Seta

17 Ka nahasahy an’i vadiny i Kaina, die nangnaka raviavy ka niteraka an’i Enoka: sady namorom-ponegnana i Kaina ka Enoka no nataony ny agnarany, nampitondrainy ny agnaran ny zanagny lahy. 18 Ka Enoka io niteraka an’i Irada niteraka an’i Mehojaela; die i Mehojaela niteraka an’i Metosaela; die i Metosaela niteraka an’i Lameka.

19 Die i Lameka no nampirafy roy: Ny agnaran’ny raike i Ada, ny raike i Zila. 20 Die i Ada niteraka an’i Jabala; izy no lehiben'ny mpitoboka an-tapa, sady mpiambigna aomby aman’ondry. 21 Ny agnaran’ny mpirahalahy amin’azy die i Jobala; izy no lehiben’ny mpitendry lokangna mbana sodigna. 22 Die i Zila koza niteraka an’i Tobala-Kaina, mpanefy antsyiii mbana vy na varaigna; ka ny anakaviny die i Nama.

23 Ka hozy i Lameka tamin’ny vadiny: Eh! a! Ada amin’i Zila a! Mba tenoinareo ma ny zakaiko ma! Ho anao reo vadin’i Lamkea ô! Maba tandremo ny raha zakaiko: Efa namono olo aho nohon’ny ratrako, sady namono manafolahy tamin’ny fahantrako. 24 Raha valina im-pito heny ny olo zegny namono an’i Kaina, die im-pito amby fito-polo heny koza ho an’izegny mamono an’i Lameka.

25 Die mbola nahafahy an’i vadiny mandy koa i Adama, die niteraka zaza lehilahy i raviavy; i Seta no nataon-dreo ny agnarany satria i Zagnahary hozy izy efa nagnome zaza lehilahy ho solon’i Abela, satria nivonin’i Kaina izy. 26 Die niteraka zaza lehilahy mandy koa i Seta ka i Enosy no nataony ny agnarany. Vô tamin’izany no nanomboka nangaika ny anaran’i TOMPO*.

TOKO 5   ↑

Ny taranak’i Adama tamin’i Seta ka hatram’i Noa

1 Itoy no boky mijaka ny taranak’i Adama, hatramin’ny andro namorognan’Andrianagnahary ny olo mitovy tarehy tamin’Andrianagnahray, hatramin’ny nagnamboarany an’Azy. 2 Lahy amim-bavy no namorognany an’azy, die nitahiny izy ka nameny agnarana hoe: Adama tamin’ny andro namorognany an’azy.

3 Ka laha telo-polo amby zato taogna ny andro niaignan’i Adama die niteraka olo mitovitovy tarehiny amam-bika amin’azy izy, die i Seta no agnarany. 4 Valon-jato taogna tafaran’ny niteran’i Adama an’i Seta die mbola niteraka zaza lehilahy aman-jaza viavy mandy koa izy. 5 Telo-polo amby sivan-jato taogna ny andro niaignan’i Adama, die maty izy.

6 Ka laha ampy dimy amby zato taogna ny andro niagnan’i Seta, die zay vô niteraka an’i Enosy izy. 7 Fito amby valon-jato taogna ny andro niaignan’i Seta tafaran’ny niterahany an’i Enosy, die niterka zaza lehilahy aman-jaza viavy mandy koa izy. 8 Ka ny andro niaignan’i Seta die roy ambin’ny folo amby sivan-jato taogna, die zay vô maty izy.

9 Laha sivi folo taogna ny andro niaignan’i Enosy, die niteraka an’i Kenana izy. 10 Ka ny andro niaignan’i Enosy tafaran’ny niterany an’i Kenana izy die dimy ambin’ny folo amby valon-jato taogna, die niteraka zaza lehilahy aman-jaza viavy mandy koa izy. 11 Dimy amby sivan-jato taogna ny andro niaignan’i Enosy izay vô

12 Ka laha ampy fito-polo taogna niaignana i Kenana die niteraka an’i Mahalalila. 13 Ka ny andro niagnan’i Kenana tafaran’ny niterahany an’i Mahalalila die efa.polo amby valon-jato taogna, die niteraka zaza lehilahy aman-jaza viavy koa izy. 14 Folo amby sivan-jato taogna niagnan’i Kenana, die maty izy.

15 Dimy amby enim-polo taogna niagnana i Mahalalila die niteraka an’i Jareda izy. 16 Ny andro niagnanan’i Mahalalila tafaran’ny niterahany an’i Jareda dietelo-polo amby valon-jato taogna; die niteraka zaza lehilahy aman-jaza viavy koa izy. 17 Sivi-folo amby valon-jato ny andro niagnan’i Mahalalila, die maty izy.

18 Laha ampy roy amby enim-polo amby zato taogna i Jareda die niteraka an’i Enoka izy. 19 Ka ny andro niagnan’i Jareda tafaran’ny niterahany an’i Enoka die valon-jato taogna, die mbola niteraka zaza lehilahy aman-jaza viavy izy. 20 Roy amby enim-polo amby sivan-jato taogna niagnana i Jareda, die maty izy.

21 Laha ampy dimy amby enim-polo taogna i Enoka die niteraka an’i Metosela izy. 22 Die niara-nandeha tamin-Jagnahary telon-jato taogna i Enoka tafaran’ny niterahany an’i Metosela, die mbola niteraka zaza lehilahy aman-jaza viavy izy. 23 Dimy amby enim-polo amby telon-jato taogna ny andro niagnany. 24 Tsy hita i Enoka fa nindan’i Zagnahary satria niara-nandeha tamin-Jagnahary izy.

25 Ka laha fito amby valo-polo amby zato taogna niaignana i Metosela die niteraka an’i Lameka izy. 26 Tafaran’ny niterahany an’i Lameka die roy amby valo-polo amby fiton-jato taogna izy ka mbola niteraka zaza lehilahy aman-jaza viavy izy. 27Ka sivy amby enim-polo amby sivan-jato taogna niaignana i Metosela, die maty izy.

28 Laha roy amby valo-polo amby zato taogna niagnana i Lameka, die niteraka zaza lehilahy izy. 29 Ka i Noa no nataony ny agnarany ka hoy izy an! Itoy no hampionogna antsena amin’ny asantsena sady hagnadagna antsena amin’ny herin-tsandrin-tsena amin’ny tany efa voaozogn’i TOMPO*. 30 Tafarany niterahany an’i Noa i Lameka die dimy amby diman-jato taogna ny andro niaignany; ka die mbola niteraka zaza lehilahy aman-jaza viavy mandy izy. 31 Fito amby fito-polo amby fito-jato taogna niaignan’i Lameka die maty izy.

32 Ka laha afaka diman-jato taogna i Noa, die niteraka an’i Sema izy amin’i Hama die i Jafeta.

TOKO 6   ↑

i Noa sy ny safo-drano

1 Ka laha nehamaro ny olo tambonin’ny tany teto, ka nehamaro ny koa ny zaza viavy, 2 die nagniry ny zanak’olombelogna viavy ny zanal’Andrianagnahary, satria tsara terehy areo die nifidy izegny tieny izy mba ho vadine. 3 Ka hoy ny Tompo Andrianagnahary: Tsy hanapaka magnalignaro amin’olombelogna ny Fagnahiko, fa amin’ny maro olo anazy die nofo izy; nefa ho roapolo amby zato taogna ny androny. 4 Ny Nefilima nitoboka tambonin’ny tany tamin’ny andron’izany, tafaran’io koa, laha nivady tamin’ny zanakavavin’olombelogna ny zanaka’Andrianagnahary ka niterahany; die areo no tegna olo-matanjaka hatramin’izay sady lehilahy nanan-daza.

5 Hitan’i Tompo Andriangnahary fa haratsen’olo tambonin’ny tany, ka izegny raha eritreretiny agnaty fo ny isanandro die raha ratsy aby. 6 Die nanegnina i Zagnahary tamin’ny nagna naovany ny olo tambonin’nytany ka nalahelo ny fony. 7Ka hoy ny Tompo Andrianagnahary: Hofohagnako tsy ho hisy ambanin’ny tany ny olo izegny noforogniko, hatramin’ny olombelogna ka hatramin’ny biby hompiana na ny mandady na ny mikisaka mban’ny vorogna magnembogna; fa manegnina Aho tamin’ny nagnamboaroka an’azy. 8 Nahita fitiavana tamason’i Tompo Andrianagnahary koza anefa i Noa.

9 Izao no tantaran’i Noa: Izy die lehilahy marina sady tsisy tsigny tamin’ny mpiara-belogna tamin’azy; Eka! Sady niara-nandeha tamin’Jagnahary i Noa. 10 Nanagnanaka teo mirahalahy i Noa die i Sema, Hama, die i Jafeta. 11 Nibaribary tamason’i Zagnahary ny fahasimban’ny tany sady tandindognin-doza. 12 Hitan’i Zagnahary ny tany fa tegna simba izy; sady ny nofo marobe die efa samby nanimba ny tegnany aby tambonin’ny tany teto.

13 Die nizaka i Zagnahary tamin’i Noa: Ny nofo marobe ka hatramin’ny farany die efa nandalo tamasoko teto aby sady efa ho tandindognin-doza ny tany nohon’ny amin’ny raha amboarin’olombelogna, ka efa hamotika an-dreo miaraka amin’ny tany aho. 14 Ka magnamboara sambo fitaterana ho anao anao, amin’ny kakazo Gofera ka aseo hefitrefitra ny sambo fitaterana, die pendagno dity ny agnatiny sy ambelagny. 15 Ka ôtran’izao ny agnamboaranao an’azy: Hakiho telon-jato no nefin’ny halan’ny sambo fitaterana, hakiho diman-polo ny sakany, ary hakiho telo-polo ny hahambony. 16 Asenao fidirana mazava tsara ny sambo-fitaterana, ka hakiho raika no bavitana an’azy hatrambony: die asenao varangaragna ny rindrigan’ny sambo; hataovy efitra telo nifampideba izy. 17 Ka Izaho efa handefa safo-drano ho ambonin’ny tany hamotehana ny nofo marobe manam-pofognaigna ambanin’nylanitra, die ho faty izegny eo amin’ny tany. 18 Nefa aminao no hagnaregnako ny fanekeko; ka hiditra ao agnaty sambo anao mban’ny vadinao aman-janakao mban’ny vinatonao viavy miaraka aminao. 19 Ka ny raha managn’aigna marobe, die ny mananofo marobe, hitondranao roy avy isankarazagny hatanao agnatin’ny sambo fiara, hovelomina miaraka aminao; lahy die vavy aby areo. 20 Ny vorogna samby araka ny karazagny aby; ny biby, samby araka ny karazagny aby, ny biby marobe izegny mandady na mikisaka amin’ny tany, samby araka ny karazagny aby, die roy aby isankarazagny no ho aminao hovelomina. 21 Ka hangalay ho anao ny raha maro be izegny azo ho hanina, ka hangony aminao eo, die ho haninao ka ho hanindreo koa izany. 22 Die namboarin’i Noa aby izany;saddy araka ny nandidian’i Zagnahary an’azy no nataony.

TOKO 7   ↑

Naditra tao agnatin’ny Sambo fiara i Noa

1 Die hoy ny Tompo Andrianagnahary tamin’i Noa: Midira agnatin’ny sambo fitaterana anao mban’ny havanao marobe, satria anao no mba hitako fa marina eo agnatrehako amin’olo mpiarabelogna aminao izao. 2 Ny biby madio marobe isankarazany, die angalay fito aby, lahy die viavy; mban’ny biby tsy madio isan-karazany roy aby, lahy die viavy; 3 Mban’ny vorogna madinika koa isankarazany fito aby, lahy die viavy; mba tsy ho lany taranaka ambonin’ny tany eto areo marobe. 4 Fa laha afaka hafitoana (adin’ny fito), Aho die handatsaka ranonerika ambonin’ny tany efa polo andro, efa polo aligina; ka ny raha marobe velogna samboariko die hipotehiko tsy ho ambonin’ny tany eto koa.

5 Nagnano araka ny raha nandidian’i Tompo Andrianagnahary anazy i Noa.

Ny safo-drano lehibe

6 Efa enin-jato taogna i Noa, tamin’ny nahatongavan’ny safo-drano tambonin’ny tany. 7 Die niditra tagnatin’ny sambo fitaterana i Noa mban’ny vady aman-janagny, mbamin’y vinanto-vaviny niara tamin’azy, mba tsy ho tran’ny safo-drano. 8 Ka ny biby madio mban’ny tsy madio, mbamin’y vorogna mban’ny izegny raha mandady na mikisaka amin’ny tany. 9 Die nisy niditra tsy-roiroy ho agny amin’ni Noa tagnaty sambo fitaterana, die ny lahy ny viavy, araka ny nandidian’i Zagnahary ani Noa. 10 Ka laha afaka hafitoana, die tonga tambonin’ny tany ny safo-drano.

11 Tamin'ny andro fahafito ambin’ny folo, tamin’ny volana faharoy tamin’ny fahenin-jato taogna niaignan’i Noa, tamin’ny io andron io die nipoitra aby ny loharano marobe tamin’ny rano laligna, sady nivoha ny varangarangaragn’ny lagnitra. 12 Die nisy ranonerika nivatravatra tamin’ny tany efa-polo andro, efa-polo aligna. 13 Tamin'ny andron’io die efa tafiditra tagnatin’ny sambo fitaterana i Noa izy amin’i Sema mban’i Hama i Jafeta, mban’ny zanaka lehilahin’i Noa miaraka amin’i vadin’i Noa mban’ny vinantony telo vavy niaraka tamin’azy. 14 Die areo niaraka tamin’ny biby dia marobe isankarazagny aby, mban’ny biby ampiragna marobe isankarazagny aby, mban’ny biby ompiana marobe isankarazagny aby, mban’ny biby marobe mandady na mikisaka amin’ny tany isankarazagny aby, ny vorogna madinika mban’ny managnelatra- isankarazagny aby. 15 Niditra tao amin’i Noa tagnatin’ny sambo fitaterana tao aby areo, nandeha tsiroiroy aby tamin’ny nofo manam-pofognaigna. 16 Lahy amim-bavy aby izy marobe araky ny nandidin’Andrianagnahary ani Noa; ka nahidin’i Tompo tao areo.

17 Nahadigny efa-polo andro tambonin’ny tany ny safo-drano, die nihabe ny rano ka nitsingevagna niala tamin’ny tany ny sambo. 18 Nenahery ny rano ka nanjary rano be tsy fankahitana tambonin’ny tany teto, die nandeha tambonin’ny rano tegny ny sambo fitaterana. 19 Ka nenahery die nenahery be ny rano tambonin’ny tany tegny ka difotra aby hatramin’ny tendrombohitra faran’ny hambo tambanin’ny lagnitra. 20 Dimy ambin’ny folo hakiho no nihoharan’ny rano ka izany no nahadifotra ny tendrombohitra. 21 Die maty aby ny nofo marobe nidavoy tambonin’y tany teto igny, die ny vorogna ny biby fiompy mban’ny bibi-dia, ny biby marobe mandady na mikisaka amin’ny tany, mban’ny olombelogna marobe. 22 Izengy nanam-pofon’aigna tambava-orogna marobe tamin’ny tany maigna, die maty aby. 23 Ka nipotehina aby raha nanampahavalo mana tambonin’ny tany hatramin’ny olo ka hatramin’ny biby fiompiagna mban’ny raha mandady na ny mikisaka mban’ny vorogna magnembogna; die nipotehina tsy ho amin’ny tany aby areo; i Noa mban’ny izengy niara nipetraka tamin’azy tagnaty sambo fitaterana tao mandy no sisa velogna.

24 Ka nanankery tambonin’ny tany dimam-polo amby zato andro ny andro.

TOKO 8   ↑

1 Nahatsiaro an’i Noa mban’ny bibi-dia marobe mban’ny biby fiompiana marobe niara-nipetraka tamin’azy tagnatin’ny sambo fitaterana tao Andrianagnahary, ka nampandeha ny rivotra nagneragnan’ny tany ka die nihanihegna ny rano. 2 Ka fampogna mban’ny loharano laligna mban’ny varanagaragn’ny lagnitra, die negninany herika nivatravatra hatan-dagnitra igny. 3 Sady nihegna tsikelikely niataka tamin’ny tany ny rano; ka laha afaka diman-polo amby zato andro,die nihegna ny rano. 4 Nipetraka tad tendrombohitra ny Ararata ny sambo fitaterana, tamin’ny andro fahafito ambin’ny folo volagna fahafito. 5 Nihegna tsikelikely tegny mandy ny rano hatramin’ny volagna faha folo; tamin’ny andro vôlongany tamin’ny volagna faha fol die nipohitra ny tampon-tendrombohitre.

6 Nivohain’i Noa ny varangaran-kelin’ny sambo fitaterana laha afaka efa-polo andro. 7 Die namôka gôgôka tokagna izy, ka nipodipody tamin’ny tany tagny igny raha igny mandrapaharitre ny rano tamin’ny tany. 8 Die namôka voromalata raike mandy koa izy, hizahany ny rano na efa ritra na tsy ritre. 9 Tsy hitan’ny voromalala igny anefa ny raha hipitahan’ny hongony, die nipody tamin’i Noa tagnatin’ny sambo fitaterana tao izy, satria tsy mbola ritre ny rano tambonin’ny tany; Nainjitr’i Noa ny tagnany ka nirambasiny ny vorogna igny sady nampidiriny amin’azy tagnaty sambo fitaterana tao. 10 Mbola nandigny hafitoana mandy koa izy; die namôke ny voromalata tamin’ny sambo.11 Die niditra tamin’azy teo igny vorogna igny ndreka aligina (arivariva) ny andro; ka die nisy ravin’ôliva mentsô tam-bavane; zay no nahafantaran’i Noa fa efa bitaka ny rano tambonin’ny tany. 12 Ka die mbola nandigny hafitoana indraike nandeha koa izy, die namôke ny voromalala; ka tsy nipody tamin’azy teo koa areo.

Ny nivoahan’i Noa avy tamin’ny sambo fitaterana mban’ny nagnamboaran-Jagnahary fanekena tamin’azy.

13 Tamin’ny andro vôlongany tamin’ny volagna vôlongany tamin’ny taogna faha raike amby enin-jato die ritre ny rano tambonin’ny tany; ka nangala ny tafon’ny sambo i Noa ka nizaha, kaike ka efa maigna ny tany. 14 Ka tamin’ny andro fahafito amby roapolo tamin’ny volagna faharoy, dia maigna ny tany.

15 Zagnahary die nizaka tamin’i Noa nagnano hoe: 16 Mivoaha amin’ny sambo fitaterana anao mban’ny vadinao aman-janakao, mban’ny vinantonao viavy miaraka aminao. 17 Mban’ny raha managn’aigna maro be, izengy aminao ao, izengy avy tamin’ny nofo maro be, die ny vorogna, ny biby fiompera, mban’y biby marobe mandady na mikisaka amin’ny tany die hindeso mivoaka miaraka aminao tao aby; ka avelay hiteraka be egny ambonin’ny tany egny areo sady hihamaro taranaka.

Ny raha namboarin’izy telo mirahalahy zanak’i Noa mban’ny faminanian’ ny abany andreo.

18 Die nivoaka i Noa niaraka amin’ny vadiny aman-janagny mban’ny vinantovaviny niaraka tamin’azy. 19 Ny raha managn’aigna marobe mban’ny biby marobe mandady na mikisaka mban’ny vorogna marobe mban’ny raha mihetsiketsika ambonin’ny tany egny, die samby nivoaka avy tagnatin’ny sambo fitaterana aby araky ny karazagny.

20 Nanangagna latabatra masina ho ani Tompo Andrianagnahary i Noa; ka avy nangalàny aby ny biby madio marobe mban’ny vorogna madio marobe die nataony sorogna horôna tambonin’ny latabatra masina.

21 Regnin’i Tompo Andrianagnahary ny hagnitra fisaorana, die hozy Izy tampony tao: Tsy hagnozogna ny tany noho’ny amin’ny olo mandy koa Aho; fa ny fisaignan’ny fon’olo die ratsy hatragny am-pahazazàgny; ka tsy mba hamotika ny velogna koa Aho ôtran’ny nataoko igny. 22 Laha mbola hahanitra koa ny tany die tsy hitegina ny taombe famafazana mban’ny asotry (taombe fambelazana) ny hatreke mban’ny hafanàna ny fahavaratra mban’ny ririnina, mban’ny andro aman’aligna.

TOKO 9   ↑

Ny teny fanomezan-toky nataoni Tompo Andrianagnahary tamin’i Noa.

1 Nitso-drano an’i Noa mban’ny zanagny i Zagnahary nagnano hoe: Maroa fara aman-dimby, mitomboza ka mamenoa ny tany. 2 Ny tahotra mban’ny tebiteby nareo hahazo ny bibi-dia marobe mban’ny vorogna magnembogna madinika io; mban’izengy raha mandady na mikisaka amin’ny tany, mban’ny laoke an-drano marobe amin’ny ranomasina die sady efa natolotra ampelatagnareo aby. 3 Ny biby mihetsiketsika marobe izengy miaigna die azonareo hohanina sady efa nameko anareo ôtran’ny ravi-metso areo marobe. 4 Kanefa ny nofo marobe izengy mbola managna aigna die ny ràny no tsy azonareo hohanina. 5 Fa ny ranareo koza die hagnontaneko, satria aignareo io, an-tagnan’ny managn’aigna marobe no hagnadinako an’azy; ka die eo ampelatagnay die ampelatagnany aby no hagnadinako ny aign’olo. K’izengy mandasadrà olo die mba halatsak’olo mandy koa ny rane, satria mitovy tarehy amin-Jagnahary no nagnamboarany ny olo. 7 Ka laha ny aminareo mandy, die maroa fara aman-dimby, mitomboza taranaka; ka miteraha maro ambonin’ny tany eto ka mitomboza.

8 Die mbola nizaka tamin’i Noa mban’ny zanagny mban’izegny niaraka tamin’azy i Zagnahary, nagnano hoe: 9 Efa Aho die efa mametraka ny fanekeko aminareo, na ny taranakareo mandimby anareo. 10 Aminy raha managn’aigna marobe eo aminareo, na ny vorogna, na ny biby fiompèna, na ny bibi-dia marobe aminareo eo: mban’ny zegny nivôka avy tagnatin’ny sambo fitaterana, die ny biby samby hafa aby. 11 Die aminareo no agnoregnako ny fanekeko, ka tsy hamotika ny nofo marobe amin’ny safo-drano koa Aho; sady tsy hisy safo-drano hanimba ny tany koa. 12 Ka hoy Zagnahary: Izao no famantarana ny fanekena nataoko amin’Aha sy aminareo, mban’ny raha managn’aigna marobe eo aminareo hatramin’ny taranaka fara-mandimby: 13 Ny avako die efa napetrako amin’ny raogna eo mba ho famantarana ny fanekena amin’Aha sy amin’ny tany. 14 Ka laha magnangogna ny raogna eo ambonin’ny tany Aho, ka hita eo amin’ny raogna eo ny avana, 15 die ho tsarôko ny fanekeko ny amin’Aha sy aminareo mban’ny raha managn’aigna, die ny nofo marobe; ka tsy hisy safo-drano handringagna ny nofo marobe koa. 16 Ho eo amin’ny raogna eo ny avana; ka hitsinjoviko izy mba hatsiarovako ny fanekeko mandrakizay ho amin’Agnahary aman-draha managn’aigna marobe, die ny nofo marobe ambonin’ny tany etoy. 17 Ka hozy Zagnahary tamin’i Noa: Io no famantana ny fanekena natao ho an’Aha sy ho amin’ny nofo enjagna ambonin’ny tany etoy.

Ny fisarahana tamin’ireo telo lahy zanak’i Noa

18 Ny zanak’i Noa lelahy nivôka avy tamin’ny sambo fitaterana tao die i Sema izy amin’i Hama die i Jafeta; ka i Hama no iaban’i Kanana. 19 Izy telo lahy io no zanak’i Noa, ka avy tamin-dreo no nielezan’ny olo tambonin’ny tany tetoy.

20 Ka laha nanjary mpamboly i Noa die tanim-boaloboka no nambaoriny. 21 Ka laha nihinogna tamin’ny divay izy die mamo; ka nagnary lamba sady nipelagna tan-dragnony tao. 22 Hitan’i Hama, iaban’i Kanana fa nipelagna iabany, die natoriny an’ny mpirahalahy tamin’azy roy lahy tambelagny teo. 23 Nangala lamba i Sema izy amin’i Jafeta ka nindàny izy mirahalahy tankavahiny, ka nagnano dia ninemotra areo sady mandrakotra ny iabany nipelagna teo, satria tsy nitodika tagny areo, tsy hitany ny fipelagnan’iabany. 24 Die nahatsiaro i Noa laha afako ny hamamoany, ka fantany ny raha namboarin-janagny faralahy tamin’azy. 25 Ka hozy Izy: hozognona anie i Kanana; ka hanjary andevon’ny rahalahiny izy. 26 Ka hozy mandy Izy: Isaorana anie ny Tompo Andrianagnahary, Zagnaharin’i Sema; ka avilay i Kanana hanjary andevony.

27 Havelan-Jagnahary malalaka anie i Jafeta; ka hitoboka milamigna an-dragnony i Sema izy; ka avilay i Kanana hanjary andevony. 28 Ny andro niaignan’i Noa tafaran’ny safo-drano die dimam-polo sy telon-jato taogna. 29 Ka dimam-polo sy sivan-jato taogna ny totalibe ny andro niaignan’i Noa izay vao maty izy.

TOKO 10   ↑

Ny taranak’izy telo lahy zanak’i Noa, mban’ny niparitahany.

1 Ôtran’izao ny taranaky ny zanakalahin’i Noa, die i Sema, izy amin’ny Hama die i Jafeta; samby teraka zaza lelahy aby areo tafaran’ny safo-drano. 2 Ny zanaka lelahin’i Jafeta die i Gomera izy amin’i Magoga, i Maday, i Javana, i Tobala, i Maseka izy amin’i Tirasa. 3 Ka ny zanaka lelahin’i Gomera die i Askenaza izy amin’i Rifata die i Togarma. 4 Ny zanaka lelahin’i Javana die i Elisa izy amin’i Tarsisy, i Kitima, die i Dodanita. 5 Avy tamin-dreo io no nizarazan’ny nosin’ny firenena tagny amin’ny taniny, die samby managna ny fizakany abe, isam-pianakaviana, tagny fereneny tagny aby.

6 Ka ny zanaka lelahin’i Hama kosa die i Kosy izy amin’i Mizraima, i Pota die i Kanana. 7 Ny zanaka lelahin’i Kosy die i Seba izy amin’i Havila, i Sabta, i Ragama izy amin’i Sabteka; ny zanakalahin’i Ragama die i Seba izy amin’i Dedana. 8 I Kosy no niteraka an’i Nimroda; izy olo natanjaka vôlongany tambonin’ny tany teto. 9 Izy die mpandremby agnala matanjak tagnatrehan’ny Tompo Andrianagnahary, ka izangy no nagnanaovan’ny olo hoe: Mpandremby agnala matanjaka eto agnatrehan’ny Tompo Andrianagnahary mitovy amin’i Nimroda. 10 Ka tagny amin’ny tany Sinara no niantombohan’ny fanjakany die Babela, Ereka, Akada, Kalne izany. 11 Avy nida tamin’io tany io izy die nandeha tagny Asyria, die namorogna an’ny tanàna’i Ninive izy amin’i Rehobot-ira die i Kale mandy koa. 12 die i Resena tagnelagnelan’i Ninive izy amin’i Kala, io ilay tanàn-dehibe. 13 I Mizraima no niteraka an’i Lodita izy amin’i Anamita die i Lehabita izy amin’i Naftohita 14 i Patrosita, i Kaslohita (izay no nahatonga an’i Filistina) izy amin’i Kaftorita.

15 I Kanana niteraka an’i Sidona Vakinandrony die i Heta koa, 16 die i Jebosita izy amin’i Amorita die i Girgasita, 17 i Hivita, i Arkita, i Sinita, 18 ny Arvadita, i Zemarita, i Hamatita; ka tafaran’io die niparitaka ny firenenan’ny Kananita. 19 Hatragny amin’ny Sidona, Gaza, akekin’i Gerara, Lesa akekin’i Sodoma izy amin’i Gomora, Adma, Zeboima ny fari-tanin’ny Kananita. 20 Iregny no taranak’i Hama, araka ny fianakaviany, ny fizakàny, ny taniny mban’ny fireneny avy.

21 Die niteraka mandy koa i Sema, iaban’janak’i Ebera marobe, rahalahin’i Jafeta, zokiny. 22 Ito aby ny zanak’i Sema, lelahy, i Elama, i Asyra, i Arpaksada, i Loda izy amin’i Arama. 23 Ny zanak’i Arama lehilahy die: i Oza, Hola, i Gatera izy amin’i Masy. 24 Ka i Arpaksada niteraka an’i Sela, die i Sela niteraka an’i Ebera. 25 I Ebera niteraka roy lahy: i Palega no natao agnaran’ny raike, satria tamin’ny androny no nizaraña ny tany, die i Joktana no agnaran’ny rahalahiny. 26 I Joktana niteraka an’i Almodada izy amin’i Salefa, i Hazarmaveta, i Jera, 27 i Hadorama sy Ozala, i Dikla, 28 i Obala, i Abimaela, i Sheba, 29 i Ofira, i Havila, izy amin’i Jobaba, areo maro be io no zanak’i Joktana lehilahy 30 Hatragny Mesa akekin’i Sefara tendrombohitra antsignana no honegnan-dreo. 31 Iregny no taranak’i Sema, araka ny fianakaviany, ny fizakany, ny taniny mban’ny fireneny.

32 Iregny no fianakavian’ny taranak’i Noa, araka ny taranagny, ny fireneny; ka avy tamin’iregny no niavakavahan’ny firenena tambonin’ny tany tafaran’ny safo-drano.

TOKO 11   ↑

Ny nagnanaovan’olo ny tilikambo tao Babela,

1 Ny tany marobe die raika aby ny fanognona an’azy sady iraika fizakàna. 2 Ka laha nifindrafindra nentsignanana ny olo, die nahita tany lemaka tagny amin’ny tanin’i Sinara areo ka nonigna tao. 3 Ka nikorakoragna areo hoe: Andao asena hagnano biriky ka horôna tsara. Ny biriky nataon-dreo solom-bato, ka ny ditin-tany no nataon-dreo solon-tsimenitra. 4 Ka hozy izy: Andao asena hagnano tanàna miraka amina tilikambo ao antera, die atao mahataka-dagnitra ny tompony, hataontsena izay hazahoantsena laza, sao de mba hiely amboy tany eto mandy asena marobe io.

5 Die nizotso mba hizaha ny tanàna miraka amin’ny tilikambo, namboarin-janak’olombelogna ny Zagnahary. 6 Ka hoy Zagnahary: Hatao foko raike ny olo, sady hatao raike ny fagnangihana andreo marobe, ka ito vato ito no fendohan’ny asa tagnany; ka tsy ho hisy azo sakanana na ino na ino raha tieny hatao. 7 Andao asena hizotso, ka egny no hanoro-koroantsena ny fizakàny, mba tsy hifankalala teny izy. 8 Die tao no nagnelazan-Jagnahary andreo hiala ho egny ambonin’ny tany egny; die nizanogna tsy nagnano tanàna koa areo. 9 Ka izany no nagnamboarana ny agnarany hoe: Babela; fa tao no nanotrokoro ny fizakàn’ny tany marobe, sady tao mandy koa nagnelezan-Jagnahary ny olo ho egny ambonin’ny tany marobe.

Ny taranaka voatanisa hatragny amin’i Sema ka hatragny amin’i Abrama

10 Ito no taranak’i Sema: Laha zato taogna i Sema, die niteraka an’i Arpaksada izy, roy taogna tafaran’ny safo-drano. 11 Diman-jato taogna ny andro niaignan’i Sema tafaran’ny niterahany an’i Arpaksada; ka niteraka zaza lelahy mbana zaza viavy izy. 12 Ka laha dimy amby telo-polo taogna ny andro niaignan’i Arpaksada, die niteraka an’i Sela izy. 13 Telo amby efa-jato taogna ny andro niaignan’i Arpaksada tafaran’ny niterahany an’i Sela dia niteraka zaza lelahy mbana zaza viavy izy. 14 Laha telo-polo taogna ny andro niaignan’i Sela, dia niteraka an’i Ebera izy. 15 Telo amby efa-jato taogna ny andro niaignan’i Sela tafaran’ny niterahany an’i Ebera, die niteraka zaza lelahy mbana zaza viavy izy. 16 Ka laha efatra amby telo-polo taogna ny andro niaignan’i Ebera dia niteraka an’i Palega izy. 17 Telo-polo amby efa-jato taogna ny andro niaignan’i Ebera tafaran’ny niterahany an’i Palega die niteraka zaza lelahy mbana zaza viavy izy. 18 Laha telo-polo taogna niaignana i Palega, die niteraka an’i dReo izy. 19 Sivy amby roan-jato taogna ny andro niaignan’i Palega tafaran’ny niterahany an’i an-dReo, niteraka zaza lelahy mbana viavy izy. 20 Ka laha roy amby telo-polo taogna niaignana i dReo die niteraka an’i Seroga izy. 21 Fito amby roapolo taogna niaignana i dReo tafaran’ny niterahany an’i Seroga, die niteraka zaza lelahy mbana viavy izy. 22 Ka laha telo-polo taogna niaignana i Seroga die niteraka an’i Nahora izy. 23 Roan-jato taogna niaignana i Seroga tafaran’ny niterahany an’i Nahora, die niteraka zaza lelahy mbana viavy izy. 24 Laha feno sivy amby roa-polo taogna niaignana i Nahora die niteraka an’i Tera izy. 25 Sivy ambin’ny folo amby zato taogna niaignana i Nahora tafaran’ny niterahany an’i Tera; die niteraka zaza lelahy mbana viavy izy. 26 Ka laha fito-polo taogna niaignana i Tera die niteraka an’i Abrahama izy amin’i Nahora die i Harana izy.

27 Die ito ny taranak’i Tera: i Tera niteraka an’i Abrahama izy amin’i Nahora die i Harana, die i Harana niteraka an’i Lota. 28 Ka maty i Harana, laha mbola tao amin’i Tera, iabany tamin’ny tany nahaterahany tao Oran’ny kaldeana. 29 I Abrahama izy amin’i Nahora die samy nangala vady ho an’azy aby; ka i Saray no agnaran’ny vadin’i Abrahama; die i Milka ny agnaran’ny vadin’i Nahora, izay zanake vavin’i Harana, iaban’i Milka izy amin’iaban’i Iska. 30 Laha ny momban’i Saray die tsy nanagnanaka izy.

31 Die nindan’i Tera i Abrahama zanagny izy amin’i Lota zafiny, zanak’i Harana, die i Saray vinantovaviny, vadin’i Abrahama zanagny. Niaraka tamin’azy areo ka nenga tao Oran’ny kaldeana ho agny amin’ny tany Kanana; die tonga tao Harana areo, ka nipetraka tao. 32 Dimy amby roan-jato taogna ny andro niaignan’i Tera, die maty tao Harana izy.




Fanamarihana farany

i Na ny bibilava: Ny teny rehetra hoe bibilava na menaragna amin’io filazana rehetra io die hoe devoly. Io biby io no nalain’ny devoly endrika.
iiNa ‘mpiasa tany.’
iiiZava-maragnitra.
ivNa ‘fandriana’.
vMampiasa hazo kypreso na hazomenaka ny fandikan-tenin’ny Baiboly sasany. Tsy fantatra mazava anefa hoe inona no hazo Gofera.
viAmin'ny teny ofisialy: Alitara. Orina vato avoavo marin-tampona voavoatra hametrahana sy hanolorana ny sorona amin' ny fanompoam-pivavahana.




FANAZAVANA TENY SASANY

A

Agny ambony [any ambony]

Avo.

Amboahaolo; Amboadia na Amboadihy

Amboa mitovy amin'ny alika. Amboadia: Mitovitovy amin'ny alika fa masiaka sy mampidi-doza ary lehibe kokoa; a mboahaolo: Mitovitovy amin'ny amboadia fa kely kokoa (mitovy habe amin'ny fossa) sy menamenatra. Mamitaka na fetsy na mpandainga izy ao amin'ireo tantara ireo.

Andrognana [andronana]

Famaky.

Angatra

Matoatoa na lolo.

Antsibe

Lelan-tsabatra na sabatra

Areo na arizareo

Izy ireo.

Asena

Isika.

B

Baba

Ray / dada.

Bata, daba

Jereo ny Efaha, ny Filazana Fiatiana.

Belzeboba

Ny anarana Belzeboba dia mifandray amin'i Bala andriamanitra Kananita.

Beelzebub dia anarana iray hafa an'ny satana.

Bilo

Tromba / Fanahy Ratsy. Jereo ny ‘demonia’.

Borikiny na boriky

Ampondra na boriky: Biby mitovitovy amin' ny soavaly fa kely, izay atao koa hoe boriky. Bibidia fahiny mpiraotra eny amin'ny fondra.

D

Dahalo

Jiolahy

Demonia,devoly, Satana

Samy anarana ilazana ny fagnahy ratsy ireo. Ny hoe demonia dia fagnahy ratsy mampijaly ny olona. Ny hoe devoly dia midika hoe mpifosa, mpiampanga. ny hoe Satana dia midika hoe mpanohitra, mpiampanga eo amin'ny fitsarana. Ny anarana iantsoana azy ireo koa dia hoe Ilay ratsy, ny fahavalo, ny menarana, ny dragona.

Denaria

Jereo ny Filazana Anaram-bola.

E

Endriny

Reny.

Enjagna

Maro / betsaka / be dia be

F

Fariseo

Anaran'ny antoko ara-pivavahana lehibe teo amin'ny Jiosy tamin'ny andron'i Jesosy. Ny anarany die midika hoe «izay miavaka amin'ny maro».

Fehy

Jamba.

G

Gn

ñ (mitenena amin'ny orona).

Gôgôka

Goaika: Vorona lehibebe salasalany, mainty ny volony, fa eo amin' ny tendany no misy fotsy mihodidina toa fehivozona; vorona mihinana nofom-biby ny goaika ary malaza ho mpihinana ny voanjon' olo maniry koa.

Governora

Mpifehy ambony tamin' ny andro fahagasy taloha, mitovy amin' ny hoe komandy; tamin' ny andron' ny fanjanahan-tany, mpanao raharaham-panfakana nifehy nanarakaraka ny lehiben' ny distrika.

H

Hadesy

Tao amin'ny fitoeran'ny maty, na tany ambany, fa any araka ny fihevitry ny Jody, no fitoeran'ny maty rehetra, nefa miavaka sy misy elanelany ny tsara sy ny ratsy. Afobe indrindra ny an'ilay mpanan-karena (jereo Lioka 16:24,28).

Hajotso

Haetry.

Hala

Maingoka: Bibikely misy tanabeny roa mangeja eo anoloana, ary ny kibony miafara amin' ny rambo mifaingoka izay manindrona misy poizina.

I

Iabany

Rainy / sadany.

Iraimbilanja

Asariona: Jereo ny Filazana Anaram-bola.

Iregny

Ireo / ireny.

Izegny [izeny]

Izany, izay.

J

Jentilisa

Ilazana ny hafa firenena noho ny firenena Israely.

Jiosy

Midika hoe ireo mponina any Joda. Rehefa tafaverina avy tany Babilona ny Zanak'Israely dia tany Joda izy ireo no nivantana io izany dia ilazana ny Israely efa tafaverina avy tany amin'ny fahababoana.

Jodia

Rehefa tonga teo ambany fitondrana Romana Israely, nanomboka tamin'ny taona 63 tal JK, die tonga fari-piadidiana iray i Joda. Noho izany, ao amin'ny Testamenta Vaovao die Jodia no ilazana an'i Joda taloha.

K

Ka

sy, ary.

Kaboda na kobay

Tapa-kazo lavalava namboarina ho amin' ny hikapohana biby sendra ny tena.

Kakazoina [olo kakazoina na mpanao ody]

Mpamoha angatra nahatalanjona, na, mpitahiry ody (Asan’i Apôstôly 8:9).

Kalesy

Fiara misy kodiarana taritin-tsoavaly.

Kobory

Fasana.

Kora

Jereo ny Homera, ao amin'ny Filazana Hiatiana

Kristy

Tenyp Grika mitovy amin'ny hebreo hoe Mesia, midika hoe Voahosotra, ary tonga anarana manambara ny maha Mpanjaka voahosotra an'i Jesosy. Jereo ny ‘Mesia’.

L

Laha

Indray / Raha / Rehefa / Laha.

Lakagna

Sambo. Fitaovana hazo entina mitety na mandeha ambony rano, mita rano; matetika ny lakana dia vita amin'ny vatan-kazo lehibebe noloahana izay manjary maivana ary mitsinkafona tsy milentika. Amin'ny Baiboly ny olo mampiasa ny sambo lehibe kokoa afaka handraisana olona maro kokoa.

Lambo

Kisoa.

Lango

Salohim-bary.

Lasakorazagna [lasan-korazana]

Ilazana ireo efa maty. Ny olo Kristiana mampiasa ny teny: Nodimandry.

Lebeko [lehibeko]

Tompoko.

Lepta

Jereo ny Filazana Anaram-bola.

lelan'antsibe

Lelan-tsabatra na sabatra

Levira [leviora]

masirasira.

Levy

Levy na Levita: Lehilahy avy amin'ny fokon'i Levy tamin'ny fanompoana tao amin'ny tabernakely* sy ny tempoly*.

M

Mandy

Ihany koa.

Manivagna [manivana]

Misivana na manasivana.

Makorelina

Mpivaro-tena na vehivavy janga: Vehivavy mivelona amin' ny fitondran-tena ratsy.

Mandoalika (menkohoka)

Miankohoka.

Mangaike

Miantso.

Mangoaigna [mangoaina]

Matahotra.

Manirano

Aretina mitarika tsiranoranoka hiangona amin' ny tenan' ny olombelona, ao amin' ny faritra iray, indrindra ny kibo, ny ranio, sns, ka mahatonga an' ireo hibontana be.

FANAZAVANA TENY SASANY

Mavozo

Antitra (mbola misy midika hafa any Madikasikara: Kamo; Matohotra; Reraka. Fa amin’ny fiteny Antanala, distrikan’i Mananjary: Antitra).

Mentomboka

Miandoha.

Mesia

Midika hoe Voahosotra. Tamin’ny voalohany, ny Voahosotra dia ireo mpanjaka teo amin’ny Israely ka notoforana ny andraikitra manokana avy amin’ Andriamanitra hitondra amin’ny fahamarinana. Ny Mesia dia nantenaina ho Mpanjaka mitondra famonjena. Ao amin’ny Testamenta Vaovao dia Jesosy no ambara ho Mesia, na Kristy*.

Mifanta

Mivoady

Mijaka

Miresaka, milaza na miteny

Minogna [minona]

Misotra.

Mipody

Miverina.

Mitoboha

Mipetraha

Mitoboka

Mipetraka. Mijanona vetivety.

Mivanga

Mividy.

Môla [maola]

Adaladala, misy kely.

Mosaregna

Noana.

Mpagnanon-ketra [mpananon-ketra]

Mpamory hetra.

Mpaminagny na profeta [mpaminagny]

Mampiasa eto 'mpaminagny', fa mety ho 'mpanandro' na 'profeta' ihany koa.

Mipesoka na Mibisoka

Mibanjina; mitsikilo; miambina.

Mpagnavotra [mpanavotra]

Mpamonjy.

Mpiarakandro ondry na omby (mampiasa 'mpiambigna' mety amin'ny biby rehetra)

Mpiandry.

Mpitsabo na mpagnano fagnafody na dokotera

Indraindray 'Ombiasy', fa mampiasa ny teny 'mpitsabo' satria ny ombiasy manao ny ody na mosavy ary miresaka amin'ny fanahay hafa izy. Ny ombiasy tsy mitovy ny mpitsabo satria ny mpitsabo magnano fagnafody marina.

N

Nagnampatra

Nanijitra.

Nenga,henga, menga

Niala, hiala, miala.

Nijara

nizara

Nilamoina (nivangoina)

Mikapoka

Nivonìny

novonoina > vonoina (vono).

O

Ombiasy na Ombiasa

Mpisikidy sy mpanao ody. Mpanao majika.

P

Paradisa

Teny Grika, izay nanondro sahan'andriana mahafinaritra, feno hazo maniry. Ao amin'ny Genesisy 2:15 dia io voambolana «Paradisa» io no nandikan'ny Septanta na ilay Testamenta Taloha voadika ho grika, ny hoe «saha» tao Edena ka izany no nahatonga ny fiteny hoe «Paradisa», ilazana ny toeram-pahasambarana, sady toeram-piandrasana vantanin'ny voavonjy any ankoatry ny fahafatesana. Izany fahalalana faran'izay tsotra izany no nampiasain'i Jesosy teo amin'ny hazo filaliana, rehefa niteny tamin'ilay jiolahy teo akaikiny Izy, mba hilazany fa miaraka amin'izay dia efa naman'ny voavonjy izy.

Paralysisa

Olo malemy (tsy afaka mihetsika iregny olo iregny).

Patriarka

Teny midika hoe razambe, ary ilazana ireo razamben’ny Israely. I Abrahama, Isaka, i Jakoba ary i Josefa no anisan’ny nalaza tamin’izany.

Pôketra

Kitapom-bola

Proselyta

Ny proselyta dia tsy Jiosy, fa Jentilisa niray finoana sy fivavahana tamin’ny Jiosy.

R

Roagna[roana]

Rahona.

Robo

Voninahitra; mandòka; fanajàna.

Roboka na rokaka

Reraka; vizaka; valaka, mavozo.

Roy

Roa.

S

Sabata (Sabotsy)

Teny Grika midika hoe Fitsaharana.

Ny Sabata dia ny andro fahafito amin'ny herinandro (ny Asabotsy), ary voatendry hohamasinina ho andro fitsaharana. Araka ny fanisana ny andro tamin'izany rahateo, ny Sabata dia nanomboka ny Zoma hariva nilenti-masoandro ka nifarana ny Asabotsy hariva milenti-masoandro.

Sadoseo

Ny anarany die avy amin'ny anaran'i Sadoka, Mpisoronabe tamin'ny andron'i Davida sy i Salomona, sady areo no anisan'ny antokom-pivavahana lehibe tamin'ny andron'i Jesosy, miaraka amin'ny fariseo*.

Samaritana

I Samaria dia faritra anelanelan'i Jodia sy i Galilia. Tamin'ny taona 721 tal JK, rehefa nopotehin'ny Asiriana ny fanjakana Avaratra, dia nalevany ho babo tany Asiria ny olo ambony tamin'ny Israeliana izay nonina tao ka nosoloany olo avy tamin'ny firenen-kafa. Noho izany dia tonga nifangaro firenenkafa ny mponina tao ka noheverin'ny Jiosy na ny mponina tany Jodia ho tsy madio, hany ka tsy nifampiraharaha ny Jiosy sy ny Samaritana. Nanana ny fombam-pivavahany manokana tao amin'ny tendrombohitra Gerizima izy ireo ary tsy nanaiky ho Tenin'Andriamanitra afa-tsy ny boky dimy voalohany ao amin'ny Testamenta Taloha ihany. Nopotehin'ny Jiosy izany Tempoliny* izany tamin'ny taona 128 tal JK. Mbola misy hatramin'izao ny fokon'ny Samaritana.

Sinagoga

Teny Grika midika hoe fiaraha-mivory. Toerana iray izay nihaonan'ny Jiosy isaky ny sabata ho an'ny fanompoam-pivavahana ho an'ny besinimaro. Mety ho foiben'ny fiainana jody sy sekoly ho an'ny ankizy jiosy izany.

Sinedriona

Avy amin'ny teny Grika: Io no ambaratongam-pisarana ambony indrindra teo amin'ny Jiosy tamin'ny andron'ny fitondrana romana, mitsara ny raharaha lehibe rehetra na ara-piaraha-monina, na ara-pivavahana. Ny mpisoronabe no mitarika azy io, ary nisy 71 lahy ny mpikambana tao, avy amin'ireo lehiben'ny mpisorona, ireo loholona ary ireo mpanoradalàna. Afa-tsy ny Sinedriona tao Jerosalema izay notarihin'ny Mpisoronabe dia nisy koa ireo sinedriona madinika: Mat 10:17; Mar 13:9.

Sôvaliny [soavaly]

Biby lehibe tsara bika ampiasaina hatao fitaingina na mpitarika kalesy. Mitovitovy ny boriky fa lebe koakoa.

Stadio

Jereo ny Halava sy Halavirana.

T

Tabernakely

Avy amin'ny teny Latina hoe «tabernaculum», izay midika hoe «tranolay». Fomba nahazatra ny nandikana ny Mishkan («fonenana», izay hoe fonenan'NY TOMPO), hoe «tabernaculum». Ny teny hebreo hoe Mishkan dia manondro ilay tranolay lehibe izay voarafitra (Eks 25-27; 40), ary indraindray dia ilazana koa ny Tempoly*, amin'ny lahatsoratra mirindra (Sal 84:1). Jereo koa ny hoe «Tranolay fihaonana».

Tafapody

tafaverina.

Taka-tily / taka/toraka

Mitora-bato.

Tan-tendrom-bohitra (tagny)

An-tany efitra

Tantim-batsy

Kitapom-batsy

Tempoly

Nivavaka sy nanompo tamin-Jagnahary tao amin'ny tempoly ny Jiosy mitovitovy amin'zao ny mpino christiana amin'ny fiangonana.

Ny 'tempoly' mitovitovy fiangonana lehibe sy manan-danja na ny lapa-be masina.

Io no tempoly tamin'ny andron'i Jesosy. Noravan'ny Roamana tamin'ny taona 70 ary tsy nisy nanangana azy intsony.

TOMPO

Ao amin'ny Soratra Masina die midika izany hoe: ‫יהוה‬/YHWH [IAHVEH na YAHWEH].

V

Varangarambe

Vavahady

Varangarana

Varavarana

Vinègra

Vinaingitra (Jereo Lioka 23:36 ary Salomo 69:22).

Voloparasy [volomparasy]

Loko manja mena; loko na volon-javatra mitovy amin' ny an'ny vonim-boahirana na tatamo.

Vôndroy [voandroy]

Roimemy

Vôrôka [voaroaka]

Esorina /voarohaka

Z

Zagnahary [Zanahary]

Andriamanitra.

Zanak'Olo

Ny hoe «zanak'olona» die midika tsotra hoe «olombelona». Io anarana io die miasa betsaka ao amin'ny boky Ezekiela, ilazan'ny Fanahin'Andriamanitra an'i Ezekiela mpaminagny. Izay marihina indrindra die ilay fahitana ao amin'ny Daniela 7:13, izay manambara ilay «toy ny zanak'olona avy eny amin'ny rahon'ny lanitra», fahitana izay manambara ny Mesia ho avi hitsara izao tontolo izao. Ao amin'ny Testamenta Vaovao, die io anarana hoe «Ny Zanak'olona» io no ilazan'i Jesosy ny tenany, koa ambarany amin'izany fa Izy no voalazan'ny Daniela 7:13, ka anambarany fa tena olombelona tokoa Izy, ary tena Andriamanitra tokoa satria nidina avy tany an-danitra.

Zegny [zeny]

Aloavy.

Zelota

Midika hoe mazoto, mafana fo: Antokon'ny sekta Jiosy iray, mpitolona ho an'ny tanindrazana.

Zendagna [zendana]

Gaga.

Zeosy

Ilay zagnahary romana lehibe


FILAZANA ANARAM-BOLA   ↑

Ao amin'ny Testamanta Taloha

Tany aloha tany teo amin'ny Israely dia tsy vola no nampiasaina fa akory volafotsy na koa volamena no nolanjaina, ary indraindray koa varahina; koa ny filamatra dia sekela volafotsy milanja 11.4 gr. Matekika ny vola dia lazaina tsotra hoe «volafotsy».

Tamin'ny andron'ny Persiana dia nisy ny atao Hoe dareka (volamena 8 gr.), ary ny drakma, mitovitovy amin'ny dareka.

Kesita, anaram-bola fahizay, izay tsy fantatra ny lanjany.


Tamin'ny andron'ny Testamenta Vaovao dia vola romana sy grika no niasa ka nisy volafotsy ary nisy varahina.

Volafotsy

1 drakma (grika) = 1 denaria (romana), izay karaman'ny mpiasa indray andro tamin'izany.

1 statera = drakma efatra

1 mina = 100 drakma

1 talenta = 60 mina = 6000 drakma

Varahina

Lepta (grika), nadika hoe «farantsakely». Io no vola madinika kely indrindra.

1 kaodiranta = lepta roa

1 asarion (grika) = 1/10-n'ny denaria


FILAZANA FIATIANA   ↑

1 homera (voamaina) = 1 kora = 393,3 litatra

1 efaha (voamaina) = 1 bata (ranon-javatra) = 1/10-n'ny homera = 39 litatra

1 sea (koba na voamaina) = 1/3-n'ny efaha = 12,148 litatra eo ho eo

1 vata famarana, grika: Modion = 8,7 litatra

1 hina = 6 litatra (ranon-javatra)

1 omera = 3,6 litatra

1 kaba = 2 litatra

1 loga = 0,5 (ranon-javatra)


HALAVA   ↑

1 hakiho (ao amin'ny Testamenta Taloha) = 50 sm eo ho eo

1 hakiho (ao amin'ny Testamenta Vaovao) = 45 sm

1 zehy = 25 sm eo ho eo

1 vodivoapelatanana = 8 sm eo ho eo

1 voantondro = 2 sm eo ho eo

1 eram-paladia = 30 sm


HALAVIRANA   ↑

1 maily = 1500 m

1 stadio = 185 m



5 1 stem
Article Rating
Abonneer
Laat het weten als er
guest

0 Comments
Oudste
Nieuwste Meest gestemd
Inline feedbacks
Bekijk alle reacties